afaka manao asa soa ve ny demony??

1. vavolombel ( 16/07/2007 17:02)
miarahaba ny mpandinika rehetra,
gaga be zaho satria tampoka amiko ilay izy, tena fifanojoan-javatra angamba ny filazana azy na ahoana fa saika hanokatra dinika vaovao manko aho io mikasika ny tromba ,hay raha vao namoha ny dinika aho dia ny tromba no hitako voalohany fa inona no dikany? na de zany aza arosoko iany ny ahy satria tiako hanontaniana ilay izy ary ny hevitry ny maro koa mahataka-davitra hoy ny fitenenenana dia izao ary : normalement tokony ho any amin'ny resaka famoahana demony any no tokony itenenenako azy ity fa nohon'izy tiako ho lohahevitra dia atokako eto>
de izao no izy: mikasika ny olona ipetrahan-javatra ireny na ny tromba, fa maninona moa izy ireny no tsy mety voaroaka?? sarotra roahina moa tsy demony ve izy ireny sa inn? mbola tsy nahita aho olona nahafaka azy ireny au contraire mandrahona mihintsy aza izy ireny fa raha roahina hono de vonoiny ilay olona itoerany ary ampijaliany ataony mahita faisana mihintsy, ary mahafantatra olona betsaka aho tsy manan-tsafidy tratran'izy ireny, de avela fotsiny satria mamy ny aina, nefa rehefa avela izy ireny dia lasa mitsabo olona maro ary tena betsaka mihintsy ny olona manatona azy ireny eny fa na dia kristianina zao aza, fangah ny demony koa mba mitsabo???
zaho aloha tsy hiteny hoe tsara ny misy azy ireny satria misy olona sasany tena mitady azy ireny mihintsy indrindra amin'iny faritra avaratra ,andrefana iny, fa ny tiako ho fantatra de we misy grade-ny koa ve ny devoly de hoe mba misy tsaratsara ,de mba mitsabo,?????ary raha mitsabo de mba azo raisina ho anisan'ny reo mpanao soa ve izy?? sa ratsy ratsy foana?
2. cutie ( 16/07/2007 19:19)
in alou ny atao we tromba ?
3. ikaretsaka ( 16/07/2007 20:34)
fa ianao angaha andriamanitra sa mpaminany no afaka tonga dia mitsara hoe
tromba=demony?

Esory aloha ilay fisainana hoe rehefa hery tsy hay ny manazava azy=demony izay!
4. cutie ( 16/07/2007 20:46)
:-D
5. fasaly ( 16/07/2007 20:58)
possible....ny milaza ho mpivavaka aza afaka manao asandemony:-P
6. ikaretsaka ( 16/07/2007 21:03)
izay mantsy!
7. cutie ( 16/07/2007 21:08)
manirikiry :twisted:
8. caprio ( 16/07/2007 21:51)
ikaretsaka>>>> fa nga kosa refa lasa Atra sy mpaminany vao afaka ahafantatra we demony ty sa tsia?de eo ikaretsaka no raisina raha izany fa ny demony mora fantarina na dia tsy mpaminany sy Atra aza enao
9. lapino ( 16/07/2007 23:39)
afaka manao asa soa ve ny demony??
Eny, afaka manolotra voankazo ho an'i Eva izy ohatra
10. Rasiligaoma ( 17/07/2007 00:10)
caprio: tsy ny famantarana ny demony angamba no tian'ika lazaina eto fa ny fisainana sy fitsarana oe rehefa misy phenomene tsy voazava dia lazaina hoe demony
11. cutie ( 17/07/2007 01:52)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 17-07-2007 01:39:44
Lohateny : Re : afaka manao asa soa ve ny demony??
Voalaza teo :
afaka manao asa soa ve ny demony??
Eny, afaka manolotra voankazo ho an'i Eva izy ohatra

:-D:-D:-D:-D:-D
12. majesty ( 17/07/2007 05:10)
ny tromba na ny olona ipetrahan-javatra sns.Azo atao tsara ny manala an'ireny fa ny mahatonga azy tsy mety miala dia ilay olona mintsy no manaiky ny fisiany.Manao asa soa izy satria raha tonga dia zavatra mampatahotra sy ratsy no ataony dia tsy ahasarika olona hiara-dia aminy.

Hoy ika:
fa ianao angaha andriamanitra sa mpaminany no afaka tonga dia mitsara hoe
tromba=demony?

Esory aloha ilay fisainana hoe rehefa hery tsy hay ny manazava azy=demony izay!


Efa nampitandrina an'io ny soratra masina hoe " aza manatona ny olona milaza azy ho tsindrian-javatra ..."
13. ikaretsaka ( 17/07/2007 05:20)
dia efa niteny koa ny soratra masina hoe: "tsarao @ voany ny hazo"
sy hoe "izay tsy manohitra antsika dia momba antsika"
14. majesty ( 17/07/2007 05:36)
"Eny,maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah,dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nahany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra;" 1Tantara 10:13.Tandremo ihany:D
15. ikaretsaka ( 17/07/2007 06:28)
inona aloha no tian'i majesty lazaina @ hoe tsindrian-javatra?
16. bobone ( 17/07/2007 06:50)
ô ry reto an! tsy hanjarantsika ny mitsara satria mbola
ho tsaraina isika rehetra! fa izao e! izy ny olona mahavita manaraka ny didy 10 n\'Atra e! tsy misy na izay milaza azy ho mpivavaka karakôry aza!!!
tadidio fa rehefa mandika didy 1 dia efa mandika azy rehetra ary ny tena loza dia isika izao mihevitra hoe tsy fahotana ny hatao nefa tena misy anie fahotana izao e! na isika izao ohatra manoratra eto de mety nandratra fo ny hafa dia efa fahotana izay ! ka izay no hitenenako anareo hoe manahirana ny miaina ! noho ny asan\'ny satana ihany !
17. ikaretsaka ( 17/07/2007 07:26)
marina hoe hotsaraina aby isika, fa adidintsika kosa ny mitsara sy manitsy ny fampianarana sy ny fiheverana mivaona...
18. cristal ( 17/07/2007 08:49)
(l)(l)(l)Rehefa naniraka antsika Jesosy dia nilaza fa ho ianareo dia tahaka ny zanankondry eo afovoan'ny amboadia,mafy ny asa indrindra fa ny ilazana ny fahazavana @ olona rehetra,koa na iza milaza fa tsy tokony hitsara isika dia voalaza koa fa ao @ Salamo 32 ao ny tokony ilazantsika ny tsy mety ataon'ny hafa fa atao ampitiavana sy ampahantsorana izany,inona no atao hoe tromba
Ny tromba dia fanahy hafa mitoetra ao @ olona anakiray
Oh;mety fanahin'ny maty tao @lay toerana nisy azy matetika dia fanahina mpitaiza izy ireny na olona mpitsabo ka maty!
Ireo fanahy ireo dia fanahy masiaka ka manindry olona,ny fanahin'olona mora dia tsy miseho na manindry olona hafa mbola velona,ny tromba izany dia fanahy ratsy,
Io tsy tenenina oe zay fa tsy afaka mitsara isika,fa ny fitenenana ny marina sy mahintsy ve dia mitsara,tsia,ny fitsarana dia ny hoe meloka na tsia ny olona iray,fahefan'A/TRA tokana anefa izany,io dia efa lazaina ombieny hoe,isika ihany no hiaro ny ratsy satria mbola maizina ny fiainantsika ka tsy mahita ny mazava isika na isika koa no mbola mankafy azy ireny e,ny fanahy tsara tsy mety miala @ olona na iantsoana ny Anaran'i Jesosy avy any nazareta aza,sokafy ny maso dia vakio ny baiboly dia ho fantantsika ny marina momba ny tromba:Nefa safidy io ho an'ny tsirairay!Fa rehefa hanambarana ny marina dia aoka hanaraka izany sao hanenenana!:-D:-D:-D
19. ikaretsaka ( 17/07/2007 13:38)
Ireo fanahy ireo dia fanahy masiaka ka manindry olona,ny fanahin'olona mora dia tsy miseho na manindry olona hafa mbola velona,ny tromba izany dia fanahy ratsy,

izay fotsiny ve dia hi classenao azy ho fanahy ratsy?
Ny ahy ny principe ko dia rehefa tsy maka aina dia manome aina ary rehefa tsy mahafaty dia mahavelona
20. cutie ( 17/07/2007 13:41)
@ kristiana ny tromba de fanahy ratsy :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 3.1068