afaka manao asa soa ve ny demony??

21. ikaretsaka ( 17/07/2007 14:35)
za kristianina fa amiko tsy voatery ho fanahy ratsy ny tromba raha manampy ny mpiara belona amin'ny fanasoavana azy: fanasitranana aretina
22. cutie ( 17/07/2007 14:37)
@ le kristiana fanatika be reny ka :-D
23. ikaretsaka ( 17/07/2007 14:41)
hay ve e.. ireny indray tsy hidirako lalina, fa sady maha "fun antsika" ny maha "fanina antsika" .. sy IZY
24. cutie ( 17/07/2007 14:43)
:-D:-D:-D:-D
25. bosista ( 17/07/2007 16:34)
manaoona daoly,
voalaza tery ambony araka ny soratra masina: aza manatona ny olona izay milaza azy ho tsy tsindrian-javatra.. miombon-kevitra amin'io soratra masina io ny tenanay!
ny tromba kosa aloha tsy fanahy masina velively na dia hitan'ny sasany fa tsara aza! miala tsiny i bosista, ahoana no anomezany ody? raha fanahy tsara izy? ary betsaka koa ny olon'ny voan'ny demoniaka ireny vokatry ny fakana ody amin'ireny tromba sy kalanoro ireny! ary mba mijereva ireny fanompoana na fetin'ny fampandroana ireny dia hazava aminareo we inn izy ireny fa matetika mois de juillet/aout izy ireny no mandeha mijoro sy mandro any majunga de mijereva ary mandalina tsara!
26. vavolombel ( 17/07/2007 17:55)
odray! toa misy mpomba ny tromba indray ato !!!:roll:
nisotro rano avy amin'ny tromba angah!!!!!?
27. ikaretsaka ( 17/07/2007 18:17)
vavolombel.. mijery sy mandanjalanja aloha izay hoe inona aby ny mahasoa sy maharatsy azy alohan'ny tonga dia hitsarana azy ka...
zahay manana esprit d'analyse
28. cutie ( 17/07/2007 18:25)
miobon-kevitra @ IKa:lol:
29. niryna ( 18/07/2007 03:49)
fasaly:

possible....ny milaza ho mpivavaka aza afaka manao asandemony:-P

Marina mihitsy izany. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana,ary raha azo atao na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Mat 24:24 :cry:

30. mignone01 ( 18/07/2007 04:52)
raha @ko manokana dia tena mampijaly ny demony ka mieritreritra za fa tsy manao asa soa zany izy satria raha ohatra ka misy olona marary ka manatona ny devoly dia marina fa mety ho sitrana iza k'anefa misy takalony izany ho forcen'ny devoly anaraka azy ilay marary
31. ikaretsaka ( 18/07/2007 12:27)
manatona ny devoly dia marina fa mety ho sitrana iza k'anefa misy takalony izany ho forcen'ny devoly anaraka azy ilay marary

raha vao misy zavatra misy takalony ve izany arak'io lazain'i mignone io dia asan-demony?
32. vavahady ( 18/07/2007 17:31)
tsy manao asa soa izany ny demony, angamba we le olona izay itoerany no afaka manao asa soa, zaho dia mahafantatra ramatoa maromaro mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny zanak'i Masina Maria ,plus de 60 puor cent ao de pams avokoa (faritako tsara fa ao tulear) no lazaiko eto, nefa avy nandihy maton'alina ry zareo afaka mamonjy lamesa tsara tsy misy olana a 4h du matin, avy any vao mandro ranomafana amin'izay!
33. ikaretsaka ( 18/07/2007 18:10)
ohatran'ny misangojy be ilay resak'i vavahady eo. demony mpams itoerany sns...
afaka azavaina misimisy ve ny fifandraisany, dia azavaina koa ny antony hoe naninona no niditra tampoka ny mpams sy ny ZMM sy ny karany
34. niryna ( 19/07/2007 05:30)
caprio:

ikaretsaka>>>> fa nga kosa refa lasa Atra sy mpaminany vao afaka ahafantatra we demony ty sa tsia?de eo ikaretsaka no raisina raha izany fa ny demony mora fantarina na dia tsy mpaminany sy Atra aza enao



=D
35. niryna ( 19/07/2007 05:44)
ikaretsaka:

za kristianina fa amiko tsy voatery ho fanahy ratsy ny tromba raha manampy ny mpiara belona amin'ny fanasoavana azy: fanasitranana aretina

Tsy misy afaka anana tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany.Raha fanahy tsara izy dia tokony hanao soa fa raha fanahy ratsy izy tsy hamono na hampijaly ,hampikapokapoka ilay olona hipetrahany.Mivoaka daholo ny farora-bavany,mandena amin'ny pantalohany izy,midiridiry ny vaomasony,misy aza mandoa,mivalak'etraka.Atra ve dia hampijaly ny olony ho toy izany?
Ny baiboly no manambara fa naka endrikin'ny anjelin'ny mazava Satana.Fa Apostoly sandoka izy ireny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy.Ary tsy mahagaga izany ,fa satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akaroy ,raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana;nefa ny farany ho araka ny asany ihany. II Kor 11:13-15

36. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:17)
Tsy misy afaka anana tompo roa fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany.Raha fanahy tsara izy dia tokony hanao soa

ka tsy izany ve io teneniko io?

karetsaka>>>> fa nga kosa refa lasa Atra sy mpaminany vao afaka ahafantatra we demony ty sa tsia?de eo ikaretsaka no raisina raha izany fa ny demony mora fantarina na dia tsy mpaminany sy Atra aza enao

fantarina tsara fa tsy tsaratsaraina fotsiny.. betsaka no mitsaratsara fotsiny dia laza manapanapa-kevitra fotsiny avy eo
io ilay misy idiran'ny "avocat du diable" (efa resaka nolazain'i marozevo teto io)

,hampikapokapoka ilay olona hipetrahany.Mivoaka daholo ny farora-bavany,mandena amin'ny pantalohany izy,midiridiry ny vaomasony,misy aza mandoa,mivalak'etraka.Atra ve dia hampijaly ny olony ho toy izany?

misy koa @ io ilay miteny @ teny tsy fantatra an. ilay lazainareo fa misy fanahy masina...8)
37. bobone ( 19/07/2007 07:11)
afaka amano asa soa ny devoly an! ho fanafenany ny toetra ratsiny de manao izany izy ! fitahiny ny olona ! mody tsara fanahy nefa ao ambadika ao tena loza .
manangoly anao izy aloha ! tambatambazany zavatra tsara sns e! avy eo havadiny @ kely foana ary marina fa @ izao andro iainantsika izao de mila mitandrina satria tsy kely lalana ny devoly! indrindra ho an\'ny Kristiana
hataony ny fomba rehetra haminganana ! ary izany no tokony hiambina mandrakariva e!
38. bosista ( 19/07/2007 16:50)
tsy hipasoka ny efa malama aho na hanosoka ny efa matevina fa de miombon-kevitra amin'ny bobone!
39. ikaretsaka ( 19/07/2007 17:09)
izay mihitsy! dia ny fandinihan-tena foana no ahitana ny vahaolan'io
40. lapino ( 19/07/2007 17:31)
ikaretsaka:
dia ny fandinihan-tena foana no ahitana ny vahaolan'io
Tena efficace foana ve io ? Tsy mety ho diso vahaolana ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091