afaka manao asa soa ve ny demony??

41. niryna ( 20/07/2007 03:49)
bobone:

afaka amano asa soa ny devoly an! ho fanafenany ny toetra ratsiny de manao izany izy ! fitahiny ny olona ! mody tsara fanahy nefa ao ambadika ao tena loza .
manangoly anao izy aloha ! tambatambazany zavatra tsara sns e! avy eo havadiny @ kely foana ary marina fa @ izao andro iainantsika izao de mila mitandrina satria tsy kely lalana ny devoly! indrindra ho an\'ny Kristiana
hataony ny fomba rehetra haminganana ! ary izany no tokony hiambina mandrakariva e!



=D=D
42. ikaretsaka ( 20/07/2007 11:20)
lapino:

Hoy aho:dia ny fandinihan-tena foana no ahitana ny vahaolan'io

Hoy izyTena efficace foana ve io ? Tsy mety ho diso vahaolana ve ?


dia rehefa mahatsapa tena hoe diso vahaolana dia mandinika indray ka, dia mandinika foana, io ilay examen de conscience.. remise en question!


43. boraingy ( 20/07/2007 14:25)
Ho antsika Malagasy aloha raha ny fiheverako dia mbola lalim-paka ny tromba sy ny fitahian'ny razana ary ireo fombafomba. Azo lazaina fa toetra fototra io. Matetika misy ireo milaza fa ny tsy fanarahana ny kolontsaina gasy no nahatonga ny gasy ho fadiranovana ankehitriny. Nambara fa nopotehina ireo kolontsaina ireo ary nosisihina ny Kristianisma sy ny fomba vahiny.

Ny tokony ho fanontaniana eto dia ny hoe "Inona avy ireo kolontsaina sy zava-misy ary inona no tena marina tokony hitombenana ka ahafahana mandroso sy miharina ka tsy ho voahilangilan'ny fisarihana avy etsy sy avy eroa?".

Ny tena ratsy dia ny filomanosana ao anatin'ny tsy fahalalana ao ary tsy afaka mivoaka ny saina mba handinika avy eny ambony ireo zava-mitranga ka afaka mandray ny lalana tena izy tokony hodiavina.
44. ikaretsaka ( 20/07/2007 22:30)
misy mopera izay (mitahia izy fa lasan-ko razana) ..mpanao blagy izay ranamana mpitantara sy mpampianatra anay fahiny hoe
"ny finoana sy ny kolotsaina amin'ny gasy dia ohatran'ny kiraro havia sy havanana ... raha misy miala sy tsy fanatrao dia manao kiraro ila ohatran'i beminaha ianao.. raha tsy fantatrao miala aby dia toy ny tsy mikiraro ianao, Raha te hikiraro ianareo ry zanako dia fantaro ny kiraro havia.. fantaro koa ny kiraro havanana.. dia aza afamadika koa anefa ny havia sy havanana fa vao mainka mampianjera"
45. boraingy ( 23/07/2007 16:15)
Tena marina ny resak'i Mompera araka ny nametrahan'ikaretsaka azy. Io toe-javatra resahan'i Mopera io dia tsy eo amin'ny Malagasy irery ihany fa eo amin'ny firenena maro koa izay mitonona ho Kristiana. Amin'ny Frantsay ohatra ny vendredi 13 sy ny fombafomba maro isan-karazany dia mbola tazonina foana ary mbola miraiki-tapisaka ao anatin'ny sain'ny maro. Etsy andaniny anefa ny fivavahana amin'Andriamanitra dia mbola tazonina ihany koa. Ankehitriny dia mihena ny Kristiana aty Eoropa satria noho ny resaka "anganongano" rehetra. Heverin-dry zareo koa manko ankehitriny fa angano ny Baiboly fa tsy misy fanaporofoana ara-tsiansa azo raisina aminy.
46. ikaretsaka ( 24/07/2007 15:15)
dia ny fanaovako azy dia omena porofo tsy voazava ara-tsiansa izy. amin'ny alalan'ny zavatra manodidina hitany anefa tsy azony sy tsy voazavan'ny sciewnce aminy, I Einstein aza scientiste mahay be iny nihaiky ihany hoe misy hery hafa mihitsy ao izay tsy hain'ny science vahaina !
ireny no voiziko aminy hoe naninona ity no sitrana nanao izao fa tsy sitrana ara-tsiansa...
tsy anganongano intsony amin'izay!
ireny miracle be dia be ireny (Lourdes, Fatima, Guadalupe) ireny ohatra
47. niryna ( 29/07/2007 06:16)
Marina izany bobone a.Toy ny mpanao magie,mpamaky tanana,mijery kristal,mijery horoscope,mivavaka amin'ny razana sy ny mpanjaka taloha,manao ody gasy ka lasa mivoaka mivadika mpamosavy ilay olona,manao fanainga lavitra,manao varatra sy ny sisa.
Ireo rehetra ireo dia anisany herin'ny maizina ary rah a tsy mitandrina sy tsy mahafantatra dia voaroboka ka tandremo.
Efa naheno ianareo hoe ny ankizy miantsoantso hoe "Esprit es tu la!
Tantara marina ity.Tany dago no nipoitra ny tantara,mbola kely aho fa hatramin'izao mbola tadidiko ilay izy.
Niantsoantso an'ireny hono ity naman'ilay ankizivavy fantatro dia nisy niteny sy namaly tokony hono.Ataoko hono ilay izy satria izy no nitantara saingy ilay olona niantefan'ilay zavatra no hitako maso.
Nandeha teny ny andro ,nandeha teny ny volana ,nisy feo nilaza hono izy hoe tsy miteraka ianao,dia nitsakatsaka ity rakalakely kanjo bevohoka.Tsy nahazo niditra sy niaraka ireo ankizy namany intsony ilay ankizy vavy.Ilay nitantara ahy no nandeha namangy azy teraka.
Misy ny herin'ny maizina ary zavatra tsara no asehony anao saingy ny fahafatesana no tambin'ny ota.Hijaly izay manao sy manaraka ny ataony
48. niryna ( 29/07/2007 06:23)
Ity koa misy iray:
Nandeha nianatra Sekoly Alahady izy roa lahy ary teny an-dalana dia nahita lehilahy eo amin'ny tanana antitra be izy ireo,nanao farahehy an'ity lahy antitra ity lahy iray ary dia nanao teny kosa ity rangahy hoe"itan'ialahy no ahazo an'ialahy raha avy eo"
Nony tonga tao am-piangonana tokoa izy mirahalahy,tsy mbola nanomboka ny Sekoly Alahady fa vao mivorivory miaraka an'i pasitera ry zareo no tsy tapitapitra nisy varatra nilatsaka tao am-piangonana.
Inona no nitranga hoy ianareo?
Ilay ankizy lahy nanao eso nohomehy ity antitra no torana nianjera tamin'ny tany.Nangovitra nipararetra ilay namany.Nisy nandondona ny fiangonana ary dia ilay rangahy antitra no teo ambaravarana nanontany hoe fa misy inona,tsy misy maninona ianareo?
Izay ilay atao hoe mankaha-doza.Misy tokoa ny herin'ny maizina kanefa raha vao miantso sy mino ny Tompo ianao dia resy izy satria efa fahavalo resy.
49. fahamarinana ( 11/08/2007 14:33)
ary nankaiza vavolombelon teo tokoa sa efa ampy azy lay fanazavàna ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0856