ho an'ny mpanamasina ny lavenona!

1. vavolombel ( 15/07/2007 07:13)
miarahaba ny mpandinika rehetra!
zao ny ahy ny fanontaniako: moa fampianarana ara-pivavahana kristianisma marina nampianarin'ny TOMPO ve ny mikasika ny alarobian'ny lavenona? aiza ao amin'ny soratra masina no miresaka an'io??? inona marina no tantaran'ity lavenona ity,mitondra famonjena sy fanomezam-pahasoavana ve ilay izy sa ahoana?
novalian'i piste ny 23/07/2007 22:51
2. hery ( 15/07/2007 11:02)
Izao ny valin\'ny fanontanianao :-)

- Voalohany indrindra aloha dia tsy fomban\'ny kristianina rehetra ny lavenona fa fomba katolika.
- Tsia. Tsy nampianatra ny Tompo hoe asio lavenona ny lohanareo rehefa alarobian\'ny lavenona.
- NY tantaran\'ny lavenona. Fomban\'ny Jiosy tamin\'ny taloha dia famantarana fibebahana ny fanosorana lavenona tamin\'ny Loha. (OHatra i Tamara 2Sam. 13-19, ao amin\'ny Testamenta Vaovao Matio 11:21)
- Mety hitondra famonjena sy fanomezam-pahasoavana ny lavenona raha toa ka atao amin\'ny fo tokoa ny fibebahana. Tsy ny lavenona no zava-dehibe fa ny fibebahana entiny.
3. marozevo ( 15/07/2007 12:07)
Voalohany aloha dia miala tsiny amin'ilay nanorina ny lohahevitra raha hanitsy kely : Tsy misy ny "mpanamasina ny lavenona". Mila lanjalanjaina ny voambolana ampiasaina.

Ankoatra io voalazan'i hery io, izay iombonako hevitra aminy tanteraka, dia ampiako kely fotsiny : Ny fiosorana lavenona dia "rite", ka ny zavatra ambarany no tena lehibe... Fibebahana.... fandinihan-tena (tsarovy ry olombelona fa vovoka ianao, ary mbola hody vovoka, tsarovy koa anefa fa fandalovana ny lavenona iomananao hankalaza ny Paka, izay ho pakanao mandrakizay koa).
4. ikaretsaka ( 15/07/2007 16:05)
ankoatran'ireo voalaza ireo tokoa dia efa voalaza tany @ dinika hafa koa fa ny rite sy symbolisme dia anisan'ny fomba manampy ny olona iray hifantoka bebe kokoa amin'ny ara panahy ny fibebahana sy ny fandinihan-tena, ary betsaka ny milaza an'io ao @ soratra masina ka!
Ankoatran'ny 2 Sam 13:19 dia ao koa ny Estera 4:1-3, Joba 42:6, Jeremia 6:26!

Ny atao hoe symbole dia azo adika amin'ny teny hoe "marika fa":
Symbole des apotres (fiekem-pinoana) =marika hahalalana fa apostoly sy kristianina ianao
Lavenona=symbole=marika fa hiditra @ fotoanan'ny karemy sy ny fandihin-tena ianao!
5. vavolombel ( 15/07/2007 16:44)
Betsaka ny zavatra tsy mazava mikasika ny finoana ,indray2 aza raha manontany ny pretra enao de tsy mahazo valiny afa-tsy ny hoe misitery zany ry zanako! ka raha fomba jiosy taloha lay izy nahoana no ampiharintsika kristianina???(ry zareo katolika manko e)? nefa haintsika mazava ny tantaran'ny tompo sy ny jiosy! ary zavatra tsy nohamafisiny akory lay izy, nefa lasa jiosy indray zany ny katolika!
le rite izay voizina eto ve tsy mahatonga ny fivavahana hiova sy handeha @ tsy tokony ho izy? io samy mahita ny rite-ny io manko no mahatonga ny secte ho betsaka, satria namoy ny rite original!
6. ikaretsaka ( 15/07/2007 16:57)
satria tsy hita izay maharatsy azy!
hoy ny tompo hoe tsy tsonga handrava izy fa hanantanteraka.
ny mahatonga ny olona ho secte dia na ny inoany aza tsy hainy sy mora marivo salosana.
io ilay hoe fantaro aloha ny inoanao
7. ikaretsaka ( 15/07/2007 16:58)
ny secte koa ange ry vavolombel ka manana ny rite-ny e.. sao ianao mihevitra...
8. xxx ( 15/07/2007 17:17)
Raha mamaky ny tantaran'ny fiangonana pergamosy aho dia misy hitoviany @ izany toetsaina katolika izany mba vakio anie ao @ apokalipsy 2/12 e ! aza asiana fahatezerana fa raiso ampitiavana Atra aloha jerena aloha
9. ikaretsaka ( 15/07/2007 17:34)
arakaraka ny interpretations an'io anie ra xxx e.. tsy mbola hay eto ny smyrna sy pergamosy sy ny fiangonana siisa
fa ilay ao @ 2:21 angamba no hahalalana azy kokoa?:wink:
10. saho ( 15/07/2007 17:43)
Azafady fa tsy lavenona fa resaka finoana ihany saingy momba ny sakafo fihinana ara-nofo e!

Sao dia misy adventiste ato afaka hanome ahy ny toko sy andininy ny testamenta taloha milaza ny biby azo hanina sy ny biby tsy fihinana

Ohatra izao voasoratra @ soratra masina testamenta taloha hoe tsy fihinana ny biby kisoa, satria biby tsy madio,

toa izany koa hoe tsy fihinana ny bitro na koa hoe trondro tsy misy ilay sarony hoditra iny, ilay misy kikisana ihany no fihinana

Na tsy adventista aza fa mahalala ny toko sy andininy milaza ireo ao @ testamenta taloha dia misaotra mialoha

bye
11. bosista ( 15/07/2007 17:44)
otran'ny tsy mazava amiko lay lavenona tena marina? inona no ifandraisany amin'ny fivavahana zao? ka azahoany andro iray manokana!! angamabany ny katolika afaka manome fanazavana,
voalaza tery ambony we: tsarovy ry olobelona vovoka enao ary hody vovoka......., fa tsy vovon-davenona kosa aloha no niavian-janakolombelona ka hody lavenona raha tsy ireo karana hindou izay mandoro faty etsy anosizato!ssssssss
12. pissoa ( 15/07/2007 19:56)
Toa efa mazava be io ambony io nefa ...

1 - Lavenona = marika fibebahana.
2 - Mahazo andro 1 (Alarobian'ny lavenona) dia ny andro voalohany amin'ny karemy satria ny Karemy dia fotoana hiomanana amin'ny Paka, hibebahana.
3 - Efa voalazanao tsara fa "vovoka ianao ka hody vovoka" no soratra eo ambony fa tsisy niteny hoe "lavenona ianao ka hody tsy fantatro".
13. niryna ( 15/07/2007 20:23)
pissoa:


3 - Efa voalazanao tsara fa "vovoka ianao ka hody vovoka" no soratra eo ambony fa tsisy niteny hoe "lavenona ianao ka hody tsy fantatro".

=))=)) tsy nihomehy indray aho aky raha tsy izay=))


14. pissoa ( 15/07/2007 20:24)
mime tany vaky :-D:-D:-D:-D:-D
15. hery ( 15/07/2007 22:39)
vavolombel> mahagaga ihany ilay resaka :-)
Fa tsy boky jiosy taloha ve ny Testamenta Taloha izay mbola ifikiranareo mafy io? Sa tsy tokony hamaky Testamenta Taloha intsony?
16. piste ( 16/07/2007 03:02)
Betsaka ny zavatra tsy mazava mikasika ny finoana ,indray2 aza raha manontany ny pretra enao de tsy mahazo valiny afa-tsy ny hoe misitery zany ry zanako! ka raha fomba jiosy taloha lay izy nahoana no ampiharintsika kristianina???(ry zareo katolika manko e)? nefa haintsika mazava ny tantaran'ny tompo sy ny jiosy! ary zavatra tsy nohamafisiny akory lay izy, nefa lasa jiosy indray zany ny katolika!


Tsy fantatro na nisy pbl ianao fony Katolika, na koa voasasa ati-doha t@ secte nidiranao @ izao. Fa raha manam-pahendrena sy mivavaka ianao dia tsy tokony hanaratsy am-pahibemaso io Fiangonana efa nisy anao taloha io.
Tandremo fa ny secte dia mitarika anao hankahala foana izay efa nisy anao taloha, mba tsy hananapo esprit citique intsony fa handray telimoka izay arosony eo
17. ari.malala ( 16/07/2007 06:35)
tsy hipasoka ny efa malama aho momba ilay resaka lavenona, fa mba tiako tantarain'ilay nanokatra ny lohahevitra azafady ny tantaran'ny Tompo sy ny jiosy. Izaho tys mahay mantsy!
18. ikaretsaka ( 16/07/2007 14:00)
mety tsy mahay kao izy fa miteny fotsinyry ari an
piste> marina mihitsy io lazain'i Ramose io
19. vavolombel ( 16/07/2007 17:33)
piste>> mba vakio tsara aloha lay voasoratro fa tsy manaratsy aho fa manontany satria tsy nahazo valiny avy any fa hitako hoe eto aho mety ahazo valiny ary matoky aho fa tsy diso adresy raha naketo, ianao nagambany no manaratsy satria lazainao aho anatin'ny fivavahana izay lazaina fa secta, em+ lazainao koa aho fa voasasa atidoha, zany ve ny fomba filazanao ny fitoriana ny tenin'Andriamnitra ? dia ny hoe fanasana ati-dohan'olona???
hery>> samy ifikiranay daoly na ny testamenta taloha na ny testamenta vaovao, zahay tsy manavaka satria ny baiboly dia ny testamenta taloha sy vaovao miaraka!
ari.malala>> ny jiosy dia mitsikera fotsiny ny asa nataon'ny jesosy indrindra fa ireo lohandoha pisorona sy ireo fariseo, izay lazain'i kristy tompo fa mipetraka amin'ny toeran'i mosesy, ary tsy nitsahatra ny fanenjehan'izy ireo azy hatramin'ny niafara tamin'ny fanoloran'izy ireo azy teo anatrehan'i pontsy pilaty
20. ikaretsaka ( 16/07/2007 20:58)
misy atidoha voasasa aloha ny an'i vavolombel.. tsapako ilay izy dia teneniko:
tsy hanazava aho hoe nahoana fa miandry anao hahatsapa tena.
Tsy mitory ianoa fa manasa atidohan'olona..
raha mitory ianao dia omeo ny arguments hanaporofoanao sy hilazanao fa zava marina sy zavatra fantatrao no torianao

fa valiako ny fanontanianao:
vavolombel:
ny ahy ny fanontaniako: moa fampianarana ara-pivavahana kristianisma marina nampianarin'ny TOMPO ve ny mikasika ny alarobian'ny lavenona? aiza ao amin'ny soratra masina no miresaka an'io???

Matio 11:21. Lioka 10:13!
Fantatry ny Tompo fa resaka fibebahana ny lavenona, fantany ny antony, matoa no cite-ny teto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1272