ary tsara ho marihina koa rehefa azon'ny kristianinatanteraka i roma dia nataon'ny tamin'ny anaran'i roma ny fivavahana katolika , ary mbola tsy miova izany ankehitriny,eglizy katolika apostolika romanina(ekar), fa maninn no tsy atao hoe katoloka malagasy ilay izy ho an'ny gasy na frantsay ho an'ny frantsay?? ary taty afara ange vao nahazo nanao lamesa amin'ny fiteniny ny pretra tsirairay isaky ny fireneny fa taloha tena fady sy tsy azo atao izany! rehefa betsaka ny konkerasy!
Tsy fantatro na manaraka tsara ny tantaran`ny Fiangonana ianao na tsia fa diso tanteraka io voalazanao io. Ny nahatonga ny hoe Ekar na Eglizy Katolika Romanina dia mba entina hanavahana azy t@ Fiangonana tatsinana izay Constantinople no foibeny. Taloha dia tsy nisy afa-tsy iray ihany fa taty aoriana dia niady ho izay Primat ireo Fiangonana roa tonta tao @ colonnie romanina dia ny empire byzantin(tatsinana)iza manana ny renivohitra Constantinople na Istambul ankehitriny sy ny emoire romain occidental izay manana renivohitra Roma.
Lava be moa ny tantara fa tao Roma no nisy Fiangonana naorin`i Piera ary tao izy no maty. Ary ny dimbiny taty aoriana dia tao no nipetraka( ny Papa). Ka izay no nahatonga ny Primat ho tao Roma.
Azo lazaina ho nisy fifandrafiana ihany t@ ireo Fiangonana roa tonta ireo satria tsy dia nanaiky izany primaute ny Roma izany ny tany Atsinanana. Ankoatr`izany dia maromaro ihany koa ny hevitry tsy nitovizana. Taty aoriana t@ X sy XI siecle vao nizara tanteraka izy ireo. Ny tany atsinana moa dia tsy nanaiky ny Papa intsony fa namorona ny Patriarcat-ny manokana.
Ireo nanaiky ny Papa dia izay nantsoina hoe Ekar.
Romanina satria Roma no toerana nilevenan`i Md Piera sy Paoly, ary ao no misy ny fiketrahan`ny Piera sy izay dimbiny na ny Papaute.