temoins de jehovah

61. ikaretsaka ( 04/08/2007 06:15)
amin'ny anaran'i jesoa:
aoka hiaiky ny velona rehetra fa i jesoa dia Tompo
efa niditra ny Voninahitr'Andriamanitra ray!

Izao sy ny Ray dia iray ihany hoy izy!

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, fahazavana avy amin'ny Fahazavana, ary Andriamanira Marina avy amin'Andriamanitra marina
Deum de deo, Lumen de lunine, Deum verum de Deo vero

Omeo reference aho ange niryna fa tena tsy nitondra baiboly aty a!
62. Lisano ( 04/08/2007 08:33)
Jaona 1:18 Tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitra(Jehovah=Eksodosy 33:20) na oviana na oviana, fa ny zanaka lahy tokana(Jesosy=Jaona 3:16) izay eo an-tratran'ny ray ,izy no manambara azy.(Mariho fa i Jesosy dia efa nisy nahita tamin'izy teto an-tany,satria nitory isan-trano izy , nanasitrana marary,...Mifanohitra amin'izany i Jehovah:tsy mbola nisy olona nahita azy NA OVIANA NA OVIANA)
63. ikaretsaka ( 05/08/2007 15:42)
Lisano:
Izao ary ilay lojika
Tsy nisy nahita an'andriamanitra (Jaona 1:18)
Raha tahiny tsy nirahiny ny zanany (Matio 11:27)
Izy sy ny Ray dia iray ihany(Joany 16:15)
64. niryna ( 06/08/2007 00:37)
ikaretsaka:

amin'ny anaran'i jesoa:
aoka hiaiky ny velona rehetra fa i jesoa dia Tompo
efa niditra ny Voninahitr'Andriamanitra ray!

Izao sy ny Ray dia iray ihany hoy izy!

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, fahazavana avy amin'ny Fahazavana, ary Andriamanira Marina avy amin'Andriamanitra marina
Deum de deo, Lumen de lunine, Deum verum de Deo vero

Omeo reference aho ange niryna fa tena tsy nitondra baiboly aty a!

Mbola any am-panaovana vakansy ihany angaha ika?
Trinity izy na telo izay iray dia Atra ,Zanaka ary Fanahy
Vakio ny :
*I Tes 3:16 Ary hiaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Atra ,dia Ilay naseho teo amin'ny nofo,nohamarinina tao amin'ny Fanahy,hitan'ny anjely,notoriana tany amin'ny jentilisa,ninoana teny amin'izao tontolo izao,nankarina tamin'ny voninahitra
*I Jaona 5:7-10 Fa misy telo izay manambara dia [u]ny Fanahysy ny rano ary ny ra,ary mifanaraka tsara izy telo.Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika ,lehibe lavitra ny fanambaran'Atra,fa ny fanamvaran'Atra dia ny nanambaran'ny Zanany.Izay mino ny Zanak'Atra no mananana ny fanambarana ao anatiny,izay tsy mino an'Atra dia efa nampandainga Azy,satria tsy mino ny fanambarany.
* Isaia 7:14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo:Indro hanana naka ny virijina ka hitereak zazalahy,ary ny anaranay hatao hoe Imanoela[/i]:arrow:Imanoela= Miaraka amintsika Atra na God is with us.



65. ikaretsaka ( 06/08/2007 02:54)
sendra tsy nitondra fts aho fa tany anaty train ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1046