Inona no mitranga rehefa maty ny olona?

1. niryna ( 13/07/2007 08:27)
Ny lainga nataon'i Satana voalohany indrindra tamin'i Eva dia ny hoe "tsy ho faty ianao"(Gen 3:4)
Vovo-tany no namoroanan'i Jehovah Atra ny olona ,ary nofofoniny fofoanaina mahavelona ny vavorony ;dia tonga olombelona izy (Gen 2:7)
Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?
Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Jesosy kristy irery no manana ny tsi-faha-fatesana( tsy mety maty ny vatany)Izy ihany no manana ny tsi-faha-fatesana,mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina.Izay tsy hitan'ny olona sady tsy hainy jerena I Timoty 6:15-16
Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?
(l)niryna
novalian'i niryna ny 05/01/2008 00:45
2. ikaretsaka ( 13/07/2007 11:20)
dia mandaingaa koa izany ve jesoa raha niteny hoe "izay mihinana ny vatako sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay" (Joany6,51)
Fanontaniana io fa tsy fanakianana an!

Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?


Afaka midera an'Andriamanitra ny fanahiny any @ izay misy azy any, ary mila ny vavaka avy amintsika (2 makabe0 12, 40-46)
3. ari.malala ( 13/07/2007 12:04)
1/"tsarovinao ry olombelona fa vovoka ianao ary mbola hody vovoka indray"

2/ miray hevitra @ ika momba ny fahavelomana mandrakizay.

3/
Moa ve mahatsiaro ny maty
misy fiteny malagasy hoe ny hanongotsongoana ny maty tahotra ny handevimbelona, noho izany tsy mahatsiaro intsony ny maty. momba ny fanahiny, afaka midera an'Andriamanitra tokoa izy cf ika.
4. sechat ( 13/07/2007 14:25)
tena tsy haiko ry reto kah, sarotra be loatra :lol:
5. marozevo ( 13/07/2007 16:27)
Mety hitovitovy amin'ilay voalaza momba ny loha hervitra hoe "fitsanganana amin'ny maty" ihany ity. Satria misy tokoa ny mino, izaho anisany, fa isika rehetra izao dia mbola hatsangan'Andriamanitra ho velona any aoriana any, ka ao ny handova ny fiainana mandrakizay, ary ao ny handova ny fijaliana mandrakizay. cf Mt 25.
6. niryna ( 14/07/2007 05:52)
ikaretsaka:

dia mandaingaa koa izany ve jesoa raha niteny hoe "izay mihinana ny vatako sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay" (Joany6,51)
Fanontaniana io fa tsy fanakianana an!

Tsy mandainga Izy fa milaza ny marina.Ary izay nampianariny antsika dia efa nitranga daholo sy mitranga ary mbola hitranga.
Ohatra:mandehana ianaoreo mitory ny filazantsara dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra.
Dia isika ato no vavolombelona akaiky,mifampianatra sy mifampitory ny filazantsara ary mampiatra izany amin'ny fiainana.

Ny vatantsika dia mizara roa dia ny maha-nofo antsika sy ny maha-fanahy antsika.
Azavaiko,io vatantsika io dia hiala amintsika(maty) fa ny fanahintsika no tsy mety ho maty.(io fanahy io no mangetaheta ny tenin'Atra na manohitra ny tenin'ATra.




7. niryna ( 14/07/2007 05:53)
ikaretsaka:

Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?


Afaka midera an'Andriamanitra ny fanahiny any @ izay misy azy any, ary mila ny vavaka avy amintsika (2 makabe0 12, 40-46)
[/quote]
Ahoana izany?

8. niryna ( 14/07/2007 06:05)
ari.malala:

1/"tsarovinao ry olombelona fa vovoka ianao ary mbola hody vovoka indray"

=D=D

2/ miray hevitra @ ika momba ny fahavelomana mandrakizay.

Ny fanahintsika no velona mandrakizay fa tsy ny vatana! Io efa noteneninao eo ambony io.

Moa ve mahatsiaro ny maty
misy fiteny malagasy hoe ny hanongotsongoana ny maty tahotra ny handevimbelona, noho izany tsy mahatsiaro intsony ny maty.[/quote]
=D
Izaho koa mitovy hevitra aminao.
momba ny fanahiny, afaka midera an'Andriamanitra tokoa izy cf ika.

Dia ahoana tokoa aky izany? Efa naheno ve aloha isika olona niverina e?
Raha mbola velona isika dia afaka mangataka amin'Atra izay tiantsika ka mifanaraka ny sitrapony,raha maty kosa angamba tsy misy intsony ka.
Nisy olona narary mafy ary tsy nety nijanona tao am-pandriana izy fa tsy maitsy miangona hono.Nivavaka izy ary dia nangataka tamin'Atra mba omeny tombon'andro kely fa mbola te-hijoro vavolombelona hono izy,mbola tsy vita ny asako hoy izy.Dia afaka nitory tokoa izy,rehefa vita ny asany dia nataony veloma daholo ny tao an-trano sady tapitra nomeny oroka daholo ny fianakaviany fa andeha amin'izay hono izy ary dia izay,maty izy,toy ireny natory ireny fotsiny.:cry: Nandry am-piadanana.:D



9. niryna ( 14/07/2007 06:08)
sechat:

tena tsy haiko ry reto kah, sarotra be loatra :lol:

Isika olombelona izany dia vovoka no niandohantsika ary monen'ATra fofonaina ka velona indray.
Mifanohitra izany indray isika rehefa maty.Miverina ho vovoka ary dia alain'Atra indray ilay fofonaina iny izany hoe ilay fanahintsika.
Ny vatana izany no lasa vovoka fa ilay fanahy no velona mandrakizay.
Ny fanontaniana dia hoe ahoana izany no fihovantsika rehefa avy eo.Satria mantsy isika dia hiova indray rehefa tonga Jesosy kristy.

10. niryna ( 14/07/2007 06:14)
marozevo:

Mety hitovitovy amin'ilay voalaza momba ny loha hervitra hoe "fitsanganana amin'ny maty" ihany ity. Satria misy tokoa ny mino, izaho anisany, fa isika rehetra izao dia mbola hatsangan'Andriamanitra ho velona any aoriana any, ka ao ny handova ny fiainana mandrakizay, ary ao ny handova ny fijaliana mandrakizay. cf Mt 25.

Izaho koa ry marozevo dia mino an'izany.
Efa nahita na naheno olona ianao nitantara fa niakatra tany an-danitra izy,nisy olona maty dia velona indray?
Nisy hoe tsy Rabe avy atsy no nantsoiny fa Rabe avy aroa:roll:
Nenilava no efa henoko fony fahavelony,matory eo am-pandriana mandritry ny iray volana izy ary nivavahana fotsiny fa tsy nalevina fa mbola hiverina hono.Mahay teny 12 samy hafa izy kanefa tsy nianatra.
Io izany dia cas hafa.
Ity koa nisy iray,olona maro no natsangany tamin'ny maty ary ny iray tamin'ireo dia ny vadiny.Rehefa nivavaka sy nitalaho tamin'ATra izy dia nifoha tokony ity vadiny saingy nilaza ity ramatoa fa avelao izy hody fa efa vita ny asany dia maty indray izy.
Ika mety mahalala io olona resahiko io fa taty aminay io tantara io.


11. marozevo ( 14/07/2007 08:09)
Misy indraindray manaonao foana tokoa e.... Ankoatra io lazain'i Nyrina momba an'i Nenilava io, izay izao vao henoko, dia asa na renareo koa ilay tantara tany Betroka : Nisy antokom-pivavahana (secte??) nampanantena fianakaviana iray fa hatsangany ho velona ilay zazalahy maty, ka tsy nalevina aloha... Ny vola amin'izany tangosany ihany. Nony farany notorian'ny fianakaviana ry zareo mpivavaka satria tsy nisy na inona na inona nitranga akory.

Tsy tsaroako ny taona nisehoan'ny tantara fa tena nalaza be io.... dia tsy tsaroako koa hoe inona no niafarany.
12. piste ( 14/07/2007 14:58)

Hoy Niryna :

Ny fanahintsika no velona mandrakizay fa tsy ny vatana! Io efa noteneninao eo ambony io.


Diso be io voalazanao io. Ary tsy finoana kristianina velively izany.

` Ary izaho mino ny fitsanganan`ny vatantsika ho velona sy ny fiainan-ko avy`

Hitsangana ary ho velona mandrakizay ny vatantsika. Tsy hisy izany vocabulaire `fitsanganana ho velona izany` raha tsy mety mitsangana ny vatana.
Izay maty ihany no hitsangana dia ny vatana izany. Ny fanahy dia tsy mila mitsangana.
Ary matoa nitsangana i Kristy dia tsy maintsy manaraka Azy koa isika izay mino Azy.
Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona mandrakizay.
13. marozevo ( 14/07/2007 15:05)
ie.... marina io lazain'i pîste io.
14. niryna ( 15/07/2007 04:45)
marozevo:

Misy indraindray manaonao foana tokoa e.... Ankoatra io lazain'i Nyrina momba an'i Nenilava io, izay izao vao henoko, dia asa na renareo koa ilay tantara tany Betroka : Nisy antokom-pivavahana (secte??) nampanantena fianakaviana iray fa hatsangany ho velona ilay zazalahy maty, ka tsy nalevina aloha... Ny vola amin'izany tangosany ihany. Nony farany notorian'ny fianakaviana ry zareo mpivavaka satria tsy nisy na inona na inona nitranga akory.

Tsy tsaroako ny taona nisehoan'ny tantara fa tena nalaza be io.... dia tsy tsaroako koa hoe inona no niafarany.

Ny an'ilay olona izany nila vola,fa ny an'i Nenilava tsy mba nila.Raha fahasoavana avy amin'Atra na fahasoavana nomena an'ny olona iray dia tsy tokony hitaky vola izany izy.


15. niryna ( 15/07/2007 05:05)
piste:


Hoy Niryna :

Ny fanahintsika no velona mandrakizay fa tsy ny vatana! Io efa noteneninao eo ambony io.


Diso be io voalazanao io. Ary tsy finoana kristianina velively izany.

` Ary izaho mino ny fitsanganan`ny vatantsika ho velona sy ny fiainan-ko avy`

Hitsangana ary ho velona mandrakizay ny vatantsika. Tsy hisy izany vocabulaire `fitsanganana ho velona izany` raha tsy mety mitsangana ny vatana.
Izay maty ihany no hitsangana dia ny vatana izany. Ny fanahy dia tsy mila mitsangana.
Ary matoa nitsangana i Kristy dia tsy maintsy manaraka Azy koa isika izay mino Azy.
Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona mandrakizay.




Eny hiova ny vatana rehefa tonga ny fotoana hananganan'i Kristy ny rehetra maty.Amin'izay fotoana izay tsy mitovy @ ity vatana misy antsika ity intsony isika.Vatana vaovao no omena antsika fa tsy ity nofotsika ity intsony.Vakio anie ny I Kor 15:51-53 e!
Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:Tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety ,toy ny indray mitopi-maso ,rehefa maneno ny trompetra farany ,dia hovana isika rehetra:fa ho tsofina ny trompetra farany ,ary ny maty hatsangana tsy ho io intsony,ary hovanafa ity mety lo itytsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana,ary ity mety maty itytsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.


Izay mino ahy na dia maty aza dia mbola ho velona

Io voalazako eo ambony io ny fanazava.Ny fahafatesana no tambin'ny ota kanefa na dia ho faty aza isika ka mino Azy dia omeny fahavelomana ho mandrakizay(ny fanahy).Izany no mahatonga ny vatan-tsika lo,vovoka.Izany koa no mahatonga hilazana fa tsy mipetraka ao anaty fasana intsony ny fanahy.:roll:
Aiza tokony re no misy ny fanahy raha miala ka tsy miaraka amin'ilay maty ao am-pasana intsony e?
16. niryna ( 15/07/2007 05:20)
marozevo:

ie.... marina io lazain'i pîste io.

Hoy ny I kor 15:50, vakio fa mitantara ny fitsanganan'ny maty iray manontolo io I Kor 15 io.
Fa izao no lazaiko,ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahandovana
Sarotrarotra ihany tokoa ny mieritreritra an'izy ity,fa mila mihomana isika satria tsy fantatra izay ahatongavan'i Kristy.:roll:
Zava-miafina hoy i Paoly satria milaza ny marina mikasika ny fiverenan'i Kristy izy izay avy any an-danitra ka haka ny olony:ireo izay mino AzyIreo izay velona dia miova vetivety toin'ny indray mipi-maso ny fihovany ary tsy mety maty intsony.
Ary raha andeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho,dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko,ka izay itoerako no hitoerenareo koa. Jaona 14:3
17. marozevo ( 15/07/2007 12:14)
Ekeko ilay voalazan'i Nyrina momba an'i Nenilava tsy nikatsaka vola aman-karena.
18. piste ( 15/07/2007 14:42)
Io voalazako eo ambony io ny fanazava.Ny fahafatesana no tambin'ny ota kanefa na dia ho faty aza isika ka mino Azy dia omeny fahavelomana ho mandrakizay(ny fanahy).Izany no mahatonga ny vatan-tsika lo,vovoka.Izany koa no mahatonga hilazana fa tsy mipetraka ao anaty fasana intsony ny fanahy.
Aiza tokony re no misy ny fanahy raha miala ka tsy miaraka amin'ilay maty ao am-pasana intsony e?

Aza averina hazavainao amiko intsony satria efa ny ahy ihany no naverinao teo.
Fa ny zavatra nodisoiko t@ hevitrao dia ianao tsy mino ny fahavelomana mandrakizay ny vatantsika fa lazainao fa ny fanahy ihany no handova ny fiainana.

ka averiko indray fa diso be io ary tsy fisainana kristianina velively.

Tadidio fa matoa Kristy tonga nofo dia efa nanamasina ny nanandratra ny vatantsika olombelona izy. Raha nitsangana i Kristy dia tsy ny fanahiny ihany no velona fa ny vatany ihany koa, ary mbola hita teo @ tenany aza ny diam-pantsika sy ny loakin`ny lefona nandefonana azy. Midika izany fa tsy lo tao am-pasana ny vatany.
Hoy ianao, satria Andriamnitra izy sady tsy nanota.Marina izany, fa isika izay mino Azy dia manaraka izay lojikan`ny fiainany izay koa. Izany no mahatonga ny Paoly nilaza mazava fa raha tsy nitsangana t@ maty i Kristy dia foana ny finoanay ary raha tsy manana izay fanantenana an`izay koa izahay dia tsy handany andro hitory teny eto.

Ataovy an-tsaina ary fa tempolin`Andriamanitra ny vatantsika, toerana honenan`ny Fanahy Masina ary miara-mandova ny fiainana mandrakizay miaraka @ Fanahy Masina.

Tandremo anefa fa ilay vatana vaovao eto dia tsy midika vatana hafa tanteraka( raha izay dia lasa olon-kafa indray isika). Tsia, tsy vatana hafa fa ilay vatantsika teo iny ihany no niofo( transforme): misy ny miova : dia ireo mora lo(corps organique) ary misy ny mijanona dia ny psychique na ny conscience.
Fehiny: ny fitsanganan-ko velona dia tsy inona fa ilay transformation ny corps organique(temporel et mortel) ho lasa corps glorieux na vatana be voninahitra( immortel). Asan`Andriamanitra io ka ilaina finoana.
19. ikaretsaka ( 15/07/2007 16:21)
mitovy fijery @ piste
20. ari.malala ( 16/07/2007 06:26)
manamafy ny tenin'i piste. Ao @ fiekem-pinoana kristianina dia misy ny hoe "izaho mino ny fitsanganan'ny vatantsika amin'ny maty, ny fiainana mandrakizay" dia io no izy ry niryna!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0541