Inona no mitranga rehefa maty ny olona?
23. zavaboary
(
17/07/2007 08:50)
Tsy hitako ze ilana ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay antenain'ny mpanompon'Atra raha toa ka mbola misy fanahy ts mety maty aorian'ny fahafatesana.Misy contradiction be zany amiko. Lazaina f ts mety maty ny fanahy nef asaina manao ny marina mandritra ny fahavelomana nef samy ts ho faty daolo iany. De aveo ndray hoe ze manao ny marina d atsangana amin'ny maty!!!ssshhhh!!!
Amiko ref maty ny olona iray d ts misy na inona na inona velona tsony amin'ny singan'ny vatany.Ary ny fanahy iany no olona.
Raha mis olona iray manao zavatra tsy tianao dia izy mihitsy no ataonao hoe ratsy fanahy!ts mahita an'ze miafina any ianao f izay hitanao niharihary nataony teo no ratsy.Donc ny tenany iany zany no fanahiny.

24. piste
(
17/07/2007 23:17)
Ka io no antony ilazako hoe: izay maty ihany no hitsangana dia ny vatantsika izany.
aoka kosa mba hiaiky ianao fa ny fanahy `immortel`. Ary `par intuition` ny olombelona rehetra mahafantatra an`izany, na ny mpino na ny tsy mpino.
Ary aza afangaro koa ny fanahy sy ny vatana fa mandiso zavatra be dia be. Aleo lazaina hoe: tsy misaraka ireo fa miaraka hatrany.
Ny fanahy lazainao angamba dia azo adika hoe: `personne`.

25. ikaretsaka
(
17/07/2007 23:41)
sechat:
...sambatra izay mino nefa tsy mahalala. :-*
sambatra izay mino nefa tsy nahita ka!:wink:
26. niryna
(
18/07/2007 04:49)
niryna:
Ny lainga nataon'i Satana voalohany indrindra tamin'i Eva dia ny hoe "tsy ho faty ianao"(Gen 3:4)
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy;Tsy ho faty akory hianareo fa fantatra'Atra fa amin'izay andro hihinanareo azy dia hahiratra ny masonareo,ka ho tahaka an'ATra hianare,hahalala ny tsara sy ny ratsy. Gen 3: 4-5
Vovo-tany no namoroanan'i Jehovah Atra ny olona ,ary nofofoniny fofoanaina mahavelona ny vavorony ;dia tonga olombelona izy (Gen 2:7)
Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?
Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7
Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?
Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?
Ny nofo aman-dra antsika dia tsy mandova ny fanjakan'Atra,rehefa tonga indray Jesosy dia haka ireo maty rehetra izy ary izay velona kosa dia hiova endrika ao anatin'iray segondra.[i]Fa izao no lazaiko ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety,toy ny indray mipi-maso ,dia hovana isika rehetra fa hotsofina ny trompetra ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovana 1 Kor 15:50-52
27. niryna
(
18/07/2007 04:55)
ikaretsaka:
Afaka midera an'Andriamanitra ny fanahiny any @ izay misy azy any, ary mila ny vavaka avy amintsika (2 makabe0 12, 40-46)
:roll: Aiza izy no hidera? Raha vao maty anie no resahiko e! Mbola miandry ny fitsarana izany dia aiza no hidera izy:?
28. niryna
(
18/07/2007 04:59)
sechat:
tena tsy haiko ry reto kah, sarotra be loatra :lol:
Miala tsiny sechat a,io efa nomeko eo ambony io ny fanazavana ao anaty baiboly.Mila mieritreritra isika dieny izao:? Aiza no andeha,inona no mety hitranga,moa ve ny maty mbola hidera an'ATra ihany? ary moa ve isika tokony hivavaka ny maty raha ohatra izy ka tsy afaka midera an'ATra dia tsy afaka ny hitondra ny vavaka atao any aminy ihany koa izany isika.
Vakio ny hafatry ny namana dia izay fantatrao fa izy no raisina,araho amin'ny ao anaty baiboly.Mivavaha ary mangataha ny fanahy masina ampianatra anao sy hanazava anao.:*
29. niryna
(
18/07/2007 05:04)
piste:
Hoy Niryna :
Ny fanahintsika no velona mandrakizay fa tsy ny vatana! Io efa noteneninao eo ambony io.
Diso be io voalazanao io. Ary tsy finoana kristianina velively izany.
` Ary izaho mino ny fitsanganan`ny vatantsika ho velona sy ny fiainan-ko avy`
Hitsangana ary ho velona mandrakizay ny vatantsika. Tsy hisy izany vocabulaire `fitsanganana ho velona izany` raha tsy mety mitsangana ny vatana.
Izay maty ihany no hitsangana dia ny vatana izany. Ny fanahy dia tsy mila mitsangana.
Ary matoa nitsangana i Kristy dia tsy maintsy manaraka Azy koa isika izay mino Azy.
Izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona mandrakizay.
niryna:
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Io no fanazavana azoko omena anao voalazan'ny baiboly.
30. ikaretsaka
(
18/07/2007 23:12)
dia ahoana kay ny ataon 'i niryna rehefa amin'ny fiekem-pinoana..
"'Zaho mino ny fitsanganan'ny TENA amin'ny maty"
sa pli vava fotsiny io? sa any aminareo tsy tenenina intsony io satria tsy inoana?
"'Zaho mino ny fitsanganan'ny TENA amin'ny maty"
sa pli vava fotsiny io? sa any aminareo tsy tenenina intsony io satria tsy inoana?
31. pissoa
(
18/07/2007 23:16)
niryna:
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Jereo fa na ny soratrao ihany aza dia efa manohitra anao ! Mety very any amin'ny helo koa ny tena raha ny voasoratrao ... donc pkoi pas velona mandrakizay koa satria izay tsy mandeha helo dia voavonjy ?!
32. ikaretsaka
(
19/07/2007 00:59)
8O
misaotra an\'i pissoa nitondra io tenin\'i niryna io fa io koa no notadiaviko
za kao efa ela no saika hanontany an\'io an\'i niryna mantsy!
misaotra an\'i pissoa nitondra io tenin\'i niryna io fa io koa no notadiaviko
za kao efa ela no saika hanontany an\'io an\'i niryna mantsy!
33. niryna
(
19/07/2007 05:26)
ikaretsaka:
dia ahoana kay ny ataon 'i niryna rehefa amin'ny fiekem-pinoana..
"'Zaho mino ny fitsanganan'ny TENA amin'ny maty"
sa pli vava fotsiny io? sa any aminareo tsy tenenina intsony io satria tsy inoana?
Tsy azoko ny tianao ho tenenina.
Ny ahy ny finoako dia hiainako andro aman'alina,raha mitovy ny omaly ihany aho dia tsy misy maha kristiana ahy izany,olom-baovao hoy Jesosy,ampiaro amin'ny fiainana ny fivavahana.Tsy atao pli-vava na vavaka miverimberina fa tsy misy Fanahy Masina ho tonga aty amiko raha izany no ataoko.Manantona an'Atra amin'ny fo torotoro koa ahoana no pli-vava:roll:(lasa repetition fotsiny indray ilay izy raha izany),dia ahoana rehefa misy marary tampoka ao an-trano?lasa hitady ilay ttsy kely nosoratana ve?Ny ahy dia miresaka toy izao miresaka aminao izao no hiresahiko an'Atra sy Jesosy,ny anao angaha tsy mba izany?:roll:
Amiko manokana dia tsy manao pli-vava aho raha miresaka na manantona any Tompo.Tsy misy mpanelanela fa tonga dia miresaka aminy direct.
Amiko ny mivavaka izany dia miresaka amin'Atra ka tafiditra ao daholo ny fisaorana,ny fanandratana Azy,ny fanomezana hasina Azy,ny fangatahana famelankeloka sy famelana heloka izay fahavalo,Tsy tia tena fa mizara,mivavaka ny hafa sns.Ny ahy miresaka mivatana ary mamaly sy miresaka mivatana koa ny Fanahy Masina,mitari-dalana ahy,miaro ahy,manoro ahy amin'ny lalako,ny Fanahy Masina anie ka miaraka amin'izay mino e.Andramo fa ho hitanao ,matoa tsy mamaly Izy dia mety tsy mahafantatra izay angatahana izay isika,na tsy any aminy isika no mangataka fa any amin'ny hafa.
Porofo:Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona hianareo;lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny Anarako izany..Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangantaka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo,mangataha ,dia hahazo hianareo,mba ho tanteraka ny fifalianareo Jaona 16:23-24
34. ikaretsaka
(
19/07/2007 06:03)
ka i niryna ohatran'ny nanda ny fitsanganan'ny tena @ maty teo fa hoe fanahy fotsiny.. sa izaho no diso!
raha diso aho dia azafady ary:(
raha diso aho dia azafady ary:(
35. pissoa
(
20/07/2007 03:15)
:-D:-D:-D ka manao HS be njay ny toritenin'i Niryna fa tsy miresaka an'ilay hoe fitsanganan'ny tena amin'ny maty intsony koa !
efa mahazavatra rehefa tsisy ambara tsony Niryna :-D:-D:-D
efa mahazavatra rehefa tsisy ambara tsony Niryna :-D:-D:-D
37. niryna
(
20/07/2007 03:47)
pissoa:
:-D:-D:-D ka manao HS be njay ny toritenin'i Niryna fa tsy miresaka an'ilay hoe fitsanganan'ny tena amin'ny maty intsony koa !
efa mahazavatra rehefa tsisy ambara tsony Niryna :-D:-D:-D
ndry aky tena mampihomehy ahy mihitsy a:D
38. niryna
(
20/07/2007 03:56)
ikaretsaka:
ka i niryna ohatran'ny nanda ny fitsanganan'ny tena @ maty teo fa hoe fanahy fotsiny.. sa izaho no diso!
raha diso aho dia azafady ary:(
Eny hiova ny vatana rehefa tonga ny fotoana hananganan'i Kristy ny rehetra maty.Amin'izay fotoana izay tsy mitovy @ ity vatana misy antsika ity intsony isika.Vatana vaovao no omena antsika fa tsy ity nofotsika ity intsony.Vakio anie ny I Kor 15:51-53 e!
Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:Tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety ,toy ny indray mitopi-maso ,rehefa maneno ny trompetra farany ,dia hovana isika rehetra:fa ho tsofina ny trompetra farany ,ary ny maty hatsangana tsy ho io intsony,ary hovanafa ity mety lo itytsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana,ary ity mety maty itytsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
39. boraingy
(
20/07/2007 15:28)
Io resaka farany io no tokony hamarana ity adi-hevitra ity. Tsara ny mahalala satria raha ny tena izy dia Endrik'Andriamanitra no faniriany ho azontsika izay mino Ilay nirahiny dia i Jesoa izany. Andriamanitra anefa dia Mandrakizay ary nomeny ohatra i Jesoa. Andriamanitra no mahalala ny endri-tsika rehefa tonga ny ora, koa noho izany dia tsy tokony ho lasa saina amin'izany akory isika Kristiana fa ny anjarantsika dia ny manovo ny Fahalalana ka matoky izany mba tsy hisy ho very na dia iray aza.
Raha manana fahatokisana dia tsy hatahotra ny fahafatesan'ny nofo isika.
Ny Malagasy izay mbola tsy nino aza dia efa nahay nametraka ny fanahiny teo am-pelatanan'ny Nahary ary nanantena fisandratana amin'ny maha-razana ka hangatahan'ireo mbola velona fitahiana (koa izay no araraotin'i Satana hampisehoana ny matoatoa mba hinoan'ny olona ny razana). Mba ialana amin'ity farany ity dia mila miambina isika sao dia lasa ataon'i Satana fitaovana ny vatantsika sy ny fanahintsika an!