Inona no mitranga rehefa maty ny olona?
41. niryna
(
25/07/2007 17:07)
pissoa:
:-D:-D:-D ka manao HS be njay ny toritenin'i Niryna fa tsy miresaka an'ilay hoe fitsanganan'ny tena amin'ny maty intsony koa !
efa mahazavatra rehefa tsisy ambara tsony Niryna :-D:-D:-D
niryna:
ndry aky tena mampihomehy ahy mihitsy a:D
Tsy mampihomehy mantsy fa diso aho e,mampalahelo.Toa tsy mba manana fifaliana fa faly mitsikera sy mankahala lava.Mivavaka ho anao aho mba ahita fifaliana ianao,mangataha ny fanahy masina hiara-dia aminao.
Antsoy i kristy fa mivoha 24/24 Izy,raha mbola tsy nanandrana nivavaka tamin'ny direct ianao dia andramo fa hamaly vavaka aminao Izy,raha mbola tsy naheno ny fanahy masina miresaka aminao ianao dia antsoy izy fa izay mitady dia ahita,ary raha mandona ianao dia ho vahany trano.Vakio ny Matio 7:7.
Misy condition anefa:matoky ianao fa Izy irery ihany no hivavahana,Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray,Izy irery ihany no mpanavotra anao.Izy no vavahady hidirana mankany amin'ny Rainy.Raha misy vavahady hafa izany dia hidio amin'ny cadena dia voahay ny vavahadiny hidiranao any aminy ary Izy ho ao aminao:roll:.Raha milaza ianao fa tsy mety maheno ny fanahy miresaka aminao dia mila manetry tena tanteraka,mila mibebaka tena mibebaka,mila mitalaho,mila manantona sy miresaka amin'ny direct tsy mila mpanelanelana(intermediaire na mediator) Izy irery ihany no mpanelanela antsika amin'ny Ray.
Andramo anie fa sahy mi-guaranty anao 100% aho fa hiova ianao raha tena mametraka ny fiainanao amin'i Jesosy kristy irery.Andriamanitra saro-piaro Izy,kanefa Atra be fitiavana raha manantona sy mahatoky Azy tokoa isika,raha mahatsapa izay meloka isika ka manantona Azy mba ho dioviny,tsy hanao an'iny intsony ,tsy mora kanefa mivavaha mba omeny hery sy ny fanahy hanampy anao.
Mahereza razandry:*:*
42. niryna
(
16/08/2007 04:03)
pissoa:
niryna:
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Jereo fa na ny soratrao ihany aza dia efa manohitra anao ! Mety very any amin'ny helo koa ny tena raha ny voasoratrao ... donc pkoi pas velona mandrakizay koa satria izay tsy mandeha helo dia voavonjy ?!
Atra no atahorana izay no dikan'io pissoa .
43. niryna
(
05/01/2008 00:45)
niryna:
[quote=niryna]
Ny lainga nataon'i Satana voalohany indrindra tamin'i Eva dia ny hoe "tsy ho faty ianao"(Gen 3:4)
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy;Tsy ho faty akory hianareo fa fantatra'Atra fa amin'izay andro hihinanareo azy dia hahiratra ny masonareo,ka ho tahaka an'ATra hianare,hahalala ny tsara sy ny ratsy. Gen 3: 4-5
Vovo-tany no namoroanan'i Jehovah Atra ny olona ,ary nofofoniny fofoanaina mahavelona ny vavorony ;dia tonga olombelona izy (Gen 2:7)
Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?
Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7
Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?
Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?
Ny nofo aman-dra antsika dia tsy mandova ny fanjakan'Atra,rehefa tonga indray Jesosy dia haka ireo maty rehetra izy ary izay velona kosa dia hiova endrika ao anatin'iray segondra.[i]Fa izao no lazaiko ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety,toy ny indray mipi-maso ,dia hovana isika rehetra fa hotsofina ny trompetra ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovana 1 Kor 15:50-52
