Taiza, taiza indray ianao?
263. lapino
(
16/07/2007 10:01)
Oram-be mivatravatra, kotrobaratra
no nalaiko ho namana
Tsy hamofo alahelo an-tanin'olona
Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra any
no nalaiko ho namana
Tsy hamofo alahelo an-tanin'olona
Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra any
264. simplex
(
16/07/2007 11:17)
Nataoko ny tsy hahatsiaro ny anaranao
Tsy tiako hifoha intsony
Nataoko ny hanadino ny salovanao
Mandratra ny ati-fo
Tsy tiako hifoha intsony
Nataoko ny hanadino ny salovanao
Mandratra ny ati-fo
266. johnnyandri
(
16/07/2007 13:59)
ry foko, mitonia
mitonia fa aza ...
ny hotakotakao
aoka mba ho ...
ny rangotry ny anio
hanolatra atsy ho atsy
ka aza de mitroatra
banjino ny hoavy
mitonia fa aza ...
ny hotakotakao
aoka mba ho ...
ny rangotry ny anio
hanolatra atsy ho atsy
ka aza de mitroatra
banjino ny hoavy
267. tslem
(
16/07/2007 14:29)
ny ho avy antenaiko Jesô
mbola ho fifalian'ny saiko Jesô
nefa Ianao ilay mpampahery Jesô
no nambomba sy nijery Jesô
mbola ho fifalian'ny saiko Jesô
nefa Ianao ilay mpampahery Jesô
no nambomba sy nijery Jesô
270. cutie
(
16/07/2007 17:31)
hijanona aho
izao tsy andeha ho any
hijanona aho
na dia tsara aza any
hijanona aho
na ratsy aza ny eto
lazainao f'any be sento
izaho tsy ho any
izao tsy andeha ho any
hijanona aho
na dia tsara aza any
hijanona aho
na ratsy aza ny eto
lazainao f'any be sento
izaho tsy ho any
272. cutie
(
16/07/2007 18:08)
Izany no tanananay
Trano vitsivitsy monja nefa maminay
Akany izay niandohana
Sady toera-mahatamana, kanefa voatery nialana
Trano vitsivitsy monja nefa maminay
Akany izay niandohana
Sady toera-mahatamana, kanefa voatery nialana
274. lapino
(
16/07/2007 18:31)
Ny any aminay ilay akany nitaiza
Tsy mety hadino na aiza na aiza
Na lavitra mantsy na mbola akaiky
Ny akany nitaiza tsaroa-mampiaiky
Tsy mety hadino na aiza na aiza
Na lavitra mantsy na mbola akaiky
Ny akany nitaiza tsaroa-mampiaiky
277. cutie
(
16/07/2007 19:33)
Fa na tafiotra be na horohoron-tany
Raha ny fitiavan-tsika tsy ho ravan'izany
Vao maika ary hihamafy ilay fatotra teo
F'efa vonon-kanatrika izay hiseho
Raha ny fitiavan-tsika tsy ho ravan'izany
Vao maika ary hihamafy ilay fatotra teo
F'efa vonon-kanatrika izay hiseho
278. tslem
(
16/07/2007 19:40)
na orana mikija
na rivotra mifofo
tsy misy mahasakana ny diako ôôôô
....ny tadio mitorajofo
porofopitiavako anao ô
na rivotra mifofo
tsy misy mahasakana ny diako ôôôô
....ny tadio mitorajofo
porofopitiavako anao ô
280. tslem
(
16/07/2007 20:10)
Tsy tambo isaina anie ireo fahavalo
tsy tia antsika hiara-dia
ny sorisory enga anie ka handalo
mba tsy handrava ilay fitia
tsy tia antsika hiara-dia
ny sorisory enga anie ka handalo
mba tsy handrava ilay fitia