Taiza, taiza indray ianao?

321. marindra ( 26/07/2007 20:09)
Volana ô hitondray aty
Ilay somambisamby
Volana ô hivimbino aty
Ilay fenomanana
322. johnnyandri ( 27/07/2007 06:49)
diavolana fenomanana takariiva
tsy mba sosotra fa mirana lava ah
323. xxx ( 27/07/2007 19:23)
amboary tsara ny zipety fa misy kely ny tsa mety eeeeeee
324. cutie ( 30/07/2007 17:55)
Izao rehetra izao raha azoko natao
Iriko mba hiova
Na fahadisoana sy loza
Fa nekeko tsy ho diso izay efa niriko
Ny fitia nokoloiko tato ampoko.
325. mandrindra ( 01/08/2007 11:44)
ao ampoko lalina ao tsy mety maty
tsy mety maty na oviana na oviana
326. ianao ( 01/08/2007 15:35)
Raha tsy ny sioka no vita
Tsy nety ho nody ny sainy
327. mandrindra ( 01/08/2007 15:43)
Sainonao anie, isika vao nifankatia
nioty vonikazo, natao hoe tsy halazo
nilokaloka ny ho doria
328. ianao ( 01/08/2007 15:52)
Mbola hitia ve ny foko
raha tsy eo intsony ianao?
329. cutie ( 01/08/2007 22:23)
Ianao no nofidiko re rahavana
Omeko fitiavana
Jereo ka mba raiso ireto tanana
Mitoloko izireo k'aza lavina
330. ikaretsaka ( 02/08/2007 02:03)
Ny fiainana efa hita,
niarahana niampita,
ny be 'zay efa vita
HODIAN-TSY HITA VE ?
331. ianao ( 02/08/2007 11:54)
hitako ianao omaly eh
teny an-tratran-dry zalahy iny
tsapako fa falifaly eh
hadinonao ny fahiny
332. cutie ( 02/08/2007 19:32)
Tsy hanadino anao, raha mbola velona,
Tsy hanadino anao aho, sy ireo fiarahana,
N'inon'inona hatao, n'aiza n'aiza misy ahy,
Ny fitia no tsaroko dia ho finaritra,
Fahatsiarovana ao am-po, maharitra.
333. ikaretsaka ( 02/08/2007 22:30)
tsatoako ianao fahiny, mihinana mofo-tantelyyyyy!
tsy vetsovetso ataoko androany ity
334. cutie ( 02/08/2007 22:52)
Teo no nifarana ny vetsovetsoko
Ka nampiononiko ny foko
Ny hirahiranao izay nokalokaloiko
Fa miezaka mba hanadino anao
Mionona re ry foko tia anao
335. mandrindra ( 09/08/2007 11:21)
ianao mitady olona tena mafy be
hiaritra anao amin'ny mafy
ianao mitady olona tena kala be
hiantoka sy hampitafy
336. RyAnona ( 14/08/2007 17:17)
Ts'izaho velively izany bandy izany a! (2)
No afaka hanala anao amin'izany
337. Lantoer ( 19/09/2007 23:26)
Kay va re , laozan dry zalah mivazo aty d tsy hita any am lalao e! Nefa tsara ny vazo fa izaho koa no adala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1277