Desacralisation

1. gasynamana ( 03/07/2007 23:01)
Somary lasa ihany ny saina manaraka ny resaka rehetra eto ka manontany tena hoe:

Inona no tadiavina eto?

Mbola hitadiavana izay mahasoa ve ity dinika ity sa izay mahafinaritra fotsiny?

Sehetra hifanampiana sa ifanabatiana sy iadina ?

Matotra ve ny resaka atao eto sa ahoana ?

Inona no mety hatao hanatsarana azy ?





novalian'i cutie ny 09/07/2007 20:06
2. ikaretsaka ( 03/07/2007 23:44)
1)betsaka no tadiavina eto: fahalalana,fianarana,fifanakalozan-kevitra momba ana tranga na finoana na fahagagana anankiray

2)sady mahasoa izany no mahafinaritra, mahasoa satria hahafahanao mahalala ny fihetsiky ny olona, ny zavatra hainy nefa tsy hainao, ny zavatra inoany nefa tsy inoanao ka mahatonga anao sy izy hanontany tena sy handanjalanja hoe fa maninona izany no tsy hinoany nefa inoako na hoe fa maninona izany no hinoany nefa tsy hinoako!

3)ankoatran'ny fifampizarana, dia sehatra hifanitsiana sy hifampianarana ka hieritreretana sy hahatongavana saina sy handinihana ny momba ny finoana sy ny toeranao anoloan'ny finoana misy anao ato fa tsy fiadiana ka, matoa ianao mahatsapa izany dia jereo aloha hoe sao dia avy aminao ilay antony

4) arakarak'ilay olona mandefa resaka,

5) Ny fahalalan-tsaina, fandinihin-tena sy ny fahatsapan-tena amin'ny atao rehetra ary ny fahavononana hianatra avy amin'ny hafa sy hizara ny kely hay sy hananana. ny fanaovana examen de conscience, ny fandalinana lalindalina tokoa alohan'ny hinoana be fahatany!

3. LazaDaddy ( 04/07/2007 00:38)
gasynamana> azoko an-tsaina tsara ny antony maha lasa saina anao. Aza atao mahakivy anefa izany fa mahereza hatramin'ny farany :-*
4. ikaretsaka ( 04/07/2007 01:52)
tonga amin'ny dingana voalohany i gasynamana: ny fanontaniana ny tena!
mahereza
5. xxx ( 04/07/2007 08:30)
Ny olana koa dia tsy mifanaja loatra isika. Ny fanitsiana hataon'ny hafa dia heverina ho attaque personnel hany ka lasa fifamaliana sisa no manjaka.
Indray mandeha aho nijery lohahevitra tato ary voasarika ny hamaky.
Kanjo nony nosokafana ilay izy dia fifamalian'ny olona roa na telo no hita mameno sujet. Tsy misy resaka momba ilay lohahevitra akory tao.
Diso fanantenana tanteraka.

Farany, aoka koa mba samy handinika tsara vao hamaly resaka fa betsaka ny sasany ato no mamaly tsy am-piheverana ny dinika atao fa dia miteniteny foana. Io anie tsy voatery hamaly ianao é. Mamaky koa dia efa ampy.
6. diamondra27 ( 04/07/2007 08:50)
misoty refa tsy azoazo le dinika, de mandalo fotsiny manao lecture diagonale

zay no mahatonga ahy tsy mamaly @ dinika sasany
nefa refa avy eo de tsy mandry ny saina fa te-hamaly le dinika @ vrai réponse de efa any @ 90 na 100 ny réponses vao tonga kala diams:oops: satria niandry sao mba vita le tsy fitovian-kevitra.
7. xxx ( 04/07/2007 12:36)

Ny fahaizana mandray ny tsara avy amin'ny hafa no tsy ampy matetika, noho ireto antony ireto:

1 - Fiheveran-tena ho mahay, na tena votom-pinoana

2 - Fiheverana ny hafa ho toy ny zaza

3 - Fiharovan-tena tafahoatra, sy fiharovana ny fiangonana misy ny tena.

4 - Misy koa ny olona ohatra ny tsy maintsy mamaly izany foana, na dia tsy ao mihitsy aza, ka miteraka fahasorenana ho an'ny hafa. Ataoko fa io no tena fototry ny fifamaliana eto.

5 - Ny fikombonana be loatra.

6 - Ny fanana préjugé. Ohatra ho an'ny sasany ny katolika dia mpanompo sampy, tsy mamaky baiboly sns... dia izay foana no atao resaka.

Raha tiana ho tsara kokoa noho izao ny resaka sy ny dinika eto dia aoka handinika tsara izay manoratra hevitra eto. Ny tiako lazaina dia hoe: Miainga avy amin'ny tsirairay ny fanatsarana, fa ny voka-tsoa kosa dia ho antsika mianakavy, ary ny dera sy ny voninahitra dia Azy Tompo irery ihany.

Ho amintsika mianakavy anie ny fahasoavan'Andriamanitra. Amen!
8. ikaretsaka ( 04/07/2007 12:48)
mitovy fijery amin'i xxx farany io
9. marozevo ( 04/07/2007 17:02)
gasynamana > Misaotra anao nanokatra ity sujet ity. Tena zava-misy tokoa io lazainao, ary tsy aminao irery fa amin'ny hafa koa (izaho anisany) no mipetraka ny fanontaniana.

Izaho aloha tsy sahy milaza hoe tsy matotra ny dinika e... Tena matotra ny dinika, ary misy ny manovo fahasoavana eto. Mbola anisan'io koa aho.

Nefa koa olombelona ny tena... nofo aman-drà.... Sady ny itokotokoan'ny loha, hono, hahasamihafa ny hevitra. Ho an'izay tsy mahazaka dia miteraka ilay "désacralisation" lazainao io. Nisy fotoana koa izaho anisany.

Ary mbola misy lafiny hafa koa, tsy mitsara na iza na iza sanatria, fa mahita koa aho fa misy miditra mba hananihany fotsiny koa indraindray. Izaho kosa tsy anisan'ity.... Aoka tsy ho tànana ho helony anefa izany.
10. cutie ( 04/07/2007 18:12)
Inona no tadiavina eto?

cf Ika
Mbola hitadiavana izay mahasoa ve ity dinika ity sa izay mahafinaritra fotsiny?

izy roa
Sehetra hifanampiana sa ifanabatiana sy iadina ?

hifanampiana fa tsy ilaozan'zay fanabatiana sy fiadiana koa ty nefany.
Matotra ve ny resaka atao eto sa ahoana ?

arakark'ilay size sy ny valin'ny resaka eto
Inona no mety hatao hanatsarana azy ?

fifanajana, fifandeferana , fifankatiavana na ara virtoaly daholo aza zany :-D
11. ikaretsaka ( 04/07/2007 18:30)
Misy rangahy izay : Pedro Arrupe no anarany (mbola Zezoita koa) rehefa mampanao laretirety manao hoe:

\'Ndao raha hiresaka an\'i kristy no ataonao vaindohan-draharaha amin\'ny fiainana

\'Ndao raha zakanao ny miantsoroka an\'izany

\'Ndao raha malala-panahy sy saina ary manana herim-po mahafehy an\'zao tontolo izao

\'Ndao raha mahay mampifandray ny fiainana. amin\'ny kisangisangy sy ny hafaliana lalandava , manana sens de l\'humour, mahay milalao sy mifaly amin\'ny hafa, ary indraindray, rehefa misy occasions dia tsy mahamenatra anao ny mihomehy amin\'ny tenanao


Come if serving Christ is at the very centre of your life.
Come if you have broad and sufficiently strong shoulders.
Come if you have an open spirit,
a reasonably open mind and a heart larger than the world.

Come if you know how to tell a joke and can laugh
with others and ... on occasions you can laugh at yourself
.\"
12. cutie ( 04/07/2007 19:05)
de in no tian'i Ika ahatongavana @ io :)
misy mahafehy an'io ve eto :-D:-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 04/07/2007 19:09)
ie..misy mahafehy an'io eto ... i cutie anisany!:wink:
14. cutie ( 04/07/2007 19:19)
IKa:-D:-D:-D:-D
fandokafana ve zany sa filazana ny marina :-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 04/07/2007 19:27)
vokatry ny fahitana ary filazana ny zavatra mitranga eto sy vokatry ny fandinihana lalina

amiko io an!
16. ikaretsaka ( 04/07/2007 19:29)
ny fijeriko azy tsy misy tombo sy hala fa ny zavatra hitako no hangalako valiny
17. cutie ( 04/07/2007 19:31)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 04-07-2007 21:27:26
Lohateny : Re : Desacralisation
vokatry ny fahitana ary filazana ny zavatra mitranga eto sy vokatry ny fandinihana lalina

amiko io an!

:lol::lol::lol::lol::lol:
misaotra aza :lol:
18. diamondra27 ( 05/07/2007 06:40)
misy teny zay any @ ohabolana any hoe: tandremo ny lelanao... zany we tokony tsy hiteny foana pour rien fa mba miteny @ laoniny.

fanamafisana ny voalazan'ny namana etsy ambony ny anoratako an'io we: "misy ny namana eto de mamaly , eny fa na dia tsy ao mihintsy aza..."
19. cristal ( 05/07/2007 08:20)
(l):-D:-D(l)Azafady manahoana daholo!
Raha amiko aloha dia ahitako ny mahasoa sy ny mahafinaritra eto e,oh;refa somary be ny natao ny andro iray ka mba te hiala voly dia miditra ato dia mahita fihomehezana,nefa avy eo mankao @ finoana dia misy zavatra tsy ampy @ fahalalako an'Andriamanitra dia itako ato dia faly aho!zay dia mazotoa fa ato koa no ahitana resaka kivalavala e,betsaka ny fotoana hifanalana ato fa adalan'izay mifanabaty koa aloha e!(l):-D:-D(l)
20. ikaretsaka ( 05/07/2007 12:31)
miombona hevitra @ cristal
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.158