Desacralisation

61. cutie ( 07/07/2007 01:48)
iza no tsy manaiky :D
62. gasynamana ( 07/07/2007 10:10)
mba averiko amin'i gasynamana indray ny fanontaniana hoe,inona no anton-dian'i gasynamana eto ary e

Raha ny zavatra andrasako eto aloha dia telo:

1 - Hanovo zava-tsoa avy amin'ny hafa, izay inoako fa tsy mitovy amiko

2 - Hahalala sy hifankalala amin'ny rehetra

2 - Ary ny farany dia mba hizara izay mba avy amiko amin'ny hafa.
63. cutie ( 07/07/2007 22:08)
ary le fanontaniana farany tsy novalian'i gasynamana :D
64. marozevo ( 08/07/2007 20:10)
Iza no tsy manaiky ? : Misy ao ka.... sarotra kosa le hanonona anarana eh....

izaho ary e !
65. cutie ( 08/07/2007 20:13)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 06-07-2007 22:58:54
Lohateny : Re : Desacralisation
Ekena ndray ary eh... na fantatro aza fa misy tsy manaiky any ho any.

ka in njay io :roll:
66. marozevo ( 08/07/2007 21:25)
Ka zà tsy manaiky an'i Nyrina mihitsy kooo... Dia izaho izany ilay izy.
67. cutie ( 08/07/2007 21:27)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
68. marozevo ( 08/07/2007 21:57)
Dia Nyrina koa tsy mety manaiky antsika mihitsy... dia i Nyrina koa izany le izy.
69. cutie ( 08/07/2007 22:12)
tsy haiko njay ny @ iny :-D
70. marozevo ( 08/07/2007 22:40)
gasynamana > Ataoko fa tsy misy zavatra tadiavina ankoatra ireo lazainao ireo tokoa. Fa ny fomba hahatratrarana ireo indraindray no misy samihafa.
71. ikaretsaka ( 09/07/2007 12:43)
raha tsy manaiky ange ka manana porofo mazava momban'ny antony tsy hanekena azy, sy afaka mihaino ny tolotra omen'ny hafa dia OK e,

fa raha tsy manaiky nefa tsy hay akory na tsy mitombina ny antony tsy hanekena.. izay ilay bontolo, izay kosa NOK!
72. cutie ( 09/07/2007 12:47)
fa raha tsy manaiky nefa tsy hay akory na tsy mitombina ny antony tsy hanekena.. izay ilay bontolo, izay kosa NOK!

bontolo sa midongy :-D
73. ikaretsaka ( 09/07/2007 15:00)
izy 2 mitambatra..
raha tsy manaiky zavatra iray ianao dia tokony ho manana ny antony tsy hanekenao an'iny dia arosoy ny antony
dia omen'izay tsy manaiky hevitra hafa ny antony tsy hanekeny an'iny .. dia diniho
dia miverena miaraka @ hevitra hafa dia dinihin'ny anankiray indray...
hamoahany ny heviny!

izay no atao hoe miady hevitra

rehefa tsy manan-kevitra alahatra intsony dia mandiniha tena amin'izay
74. cutie ( 09/07/2007 15:01)
mazava :D:D:D:D:D:D:D:D
75. gasynamana ( 09/07/2007 19:32)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 08-07-2007 00:08:34
Lohateny : Re : Desacralisation
ary le fanontaniana farany tsy novalian'i gasynamana

Inona ilay fanontaniana farany fa tsy hitako?
76. cutie ( 09/07/2007 19:38)
Inona no mety hatao hanatsarana azy ?

io
77. gasynamana ( 09/07/2007 19:58)
Cutie: Ok, misaotra anao
Ilay fanontanian'i majesty mantsy no novaliako e. Fa raha mikasika an'io indray dia mitovy hevitra amin'ity namana iray ity aho
Mpandefa : xxx [ Valio ] 04-07-2007 14:36:45
Lohateny : Re : Desacralisation

Ny fahaizana mandray ny tsara avy amin'ny hafa no tsy ampy matetika, noho ireto antony ireto:

1 - Fiheveran-tena ho mahay, na tena votom-pinoana

2 - Fiheverana ny hafa ho toy ny zaza

3 - Fiharovan-tena tafahoatra, sy fiharovana ny fiangonana misy ny tena.

4 - Misy koa ny olona ohatra ny tsy maintsy mamaly izany foana, na dia tsy ao mihitsy aza, ka miteraka fahasorenana ho an'ny hafa. Ataoko fa io no tena fototry ny fifamaliana eto.

5 - Ny fikombonana be loatra.

6 - Ny fanana préjugé. Ohatra ho an'ny sasany ny katolika dia mpanompo sampy, tsy mamaky baiboly sns... dia izay foana no atao resaka.

Raha tiana ho tsara kokoa noho izao ny resaka sy ny dinika eto dia aoka handinika tsara izay manoratra hevitra eto. Ny tiako lazaina dia hoe: Miainga avy amin'ny tsirairay ny fanatsarana, fa ny voka-tsoa kosa dia ho antsika mianakavy, ary ny dera sy ny voninahitra dia Azy Tompo irery ihany.

Ho amintsika mianakavy anie ny fahasoavan'Andriamanitra. Amen!
78. cutie ( 09/07/2007 20:06)
ok:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8623