Madagascar Leadership Training
81. marozevo
(
08/07/2007 20:19)
gasynamana > taoko re io lazainao io no lazainay ao ambony ao ihany ah...
82. Papoose
(
09/07/2007 00:33)
lazadaddy, fa misy fetrantaona v aloha le ho leaders ee!dia leaders na fiangonana inona le izy?Mety mba handeha mantsy zah satria mitotona tsara @ le maha-any ahy le izy nefa raha ty tenako ohatran'ny tsy hitako zay aleha any ndray satria ohatran'ny mbola kely loatra raha ho leaders,nefa toa anentanana ny rehetra toa ahy koa le izy:!:
83. gasynamana
(
09/07/2007 19:54)
refa tonga le vocation de tonga ho azy le desir
Tsy hoe rehefa tonga le vocation, fa ny vocation ny tsirairay dia efa mipetraka mialoha. Izany hoe: ny fanirian'Andriamanitra ho antsika dia efa nipetraka talohan'ny nampisy antsika: io ilay lazain'i ikaretsaka hoe: izay fantatrao fa mahasoa ahy (iza tendrin'Andriamanitra no mahasoa antsika). Vakio ny salamo 139 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=139&andininy=1-24&dika=
Tsy tonga ho azy ny fanirina fa ao anatin'ny vavaka no ahitana sy hahatsapana azy. Efa firifiry moa ireo olona efa nanao zavatra maro be vao mahatsapa fa voantso manokana hitory mivantana ny tenin'Andriamanitra? Teny kely vitsivitsy eo am-pihainoana torin-teny na eo am-pamakina baiboly, na eo am-piresahana amin'ny namany, na sns... no misarika azy dia izay. Ny an'ilay pretra izay ary dia voalobok'i mopera no nahasarika azy, nefa rehefa lasa pretra izy avy eo dia notapahana daholo ny voaloboka.
84. cutie
(
09/07/2007 20:08)
Tsy hoe rehefa tonga le vocation, fa ny vocation ny tsirairay dia efa mipetraka mialoha
refa voaray zany le vocation :D
85. gasynamana
(
09/07/2007 20:16)
(iza tendrin'Andriamanitra no mahasoa antsika)
Azafady fa diso kely io: "izay tendrin'Andriamanitra no mahasoa antsika" Io no izy
86. gasynamana
(
09/07/2007 20:33)
marozevo: ka ny fanontanian'i cutie dia hoe: tsy afa-miaraka izany ny vocation sy ny desir. Io fanontaniana io dia mitaky fanazava misimisy kokoa nefa novalianao hoe: mazava loatra!... Ka very ny hevitra tena tiana ampitaina. Nefa ny vocation sy ny desir dia tena tsy maintsy miaraka satria mpiara-miasa sy mpiara-mandavorary amin'Andriamanitra isika olombelona (vakio sy diniho tsara anie ilay tokon-kira katolika hoe: Ry Tompo Andriamanitra Andriamananahary)
Cutie
Tsy haiko aloha na ny desir no andraisana ny vocation na ny vocation no miteraka ny desir, fa ny azoko antoka kosa dia misy fanirina (desir) ao amin'izay voaantso matoa izy velona an-kafaliana manaraka ny vocation-ny
Cutie
refa voaray zany le vocation
Tsy haiko aloha na ny desir no andraisana ny vocation na ny vocation no miteraka ny desir, fa ny azoko antoka kosa dia misy fanirina (desir) ao amin'izay voaantso matoa izy velona an-kafaliana manaraka ny vocation-ny
87. cutie
(
09/07/2007 21:16)
fa ny azoko antoka kosa dia misy fanirina (desir) ao amin'izay voaantso matoa izy velona an-kafaliana manaraka ny vocation-ny
miobon-kevitra :lol:
88. ikaretsaka
(
09/07/2007 21:36)
betsaka ange ny desir e.. te ho prezida te ho depute te ho mpihira te ho star milay be .. te ho ..
fa ilay anankiray voasivana tao no nipoitra.. iny no vocation
fa ilay anankiray voasivana tao no nipoitra.. iny no vocation
