Images et imaginations

61. Kota ( 01/07/2007 22:14)
marozevo:

ie... be dia be mihitsy.


Ohatran\'ny hoe miankina tokoa amin\'ny rainao ety an-tany hono ny image an\'Atra. Ny ahy koa toa izay mantsy !
62. marozevo ( 01/07/2007 22:51)
Tena marina tokoa izany, fa nandinika lalina mihitsy aho hatramin'ilay nipetrahan'ny fanontaniana tao ambony tao.
63. ikaretsaka ( 04/07/2007 02:05)
fa izany tsy mahasakana anao hanana imagination momban'andriamanitar raha manampy anao hivavaka izany a
64. marozevo ( 05/07/2007 19:03)
ie.... Misy itovizany fa tsy mitovy tanteraka. Ohatra, izaho mbola tsy nahita an'i dadanay nipetraka tamin'ny seza fiandrianana izany, fa efa nahita azy naninjin-tànana handray ny zanany kosa.
65. ikaretsaka ( 05/07/2007 22:52)
fony izahay nanao art taloha dia anisan'ny zavatra nasaina natao sary dia hoe ataovy izay heverinao fa sarin'Andriamanitra!
dia samy manao izay fiheviny momban'Andriamanitar teo aby t@ alalan'ny sary!
66. marozevo ( 06/07/2007 18:47)
hitanao izany....

Dia ohatran'inona ny nataon'ikaretsaka, raha tsy mahadiso ny manontany. Ary raha mbola azo tohizina ny fanontaniana : Mbola io sary nataonao fahazaza io ve no mipetraka ao aminao ankehitriny ?
67. ikaretsaka ( 06/07/2007 19:33)
marozevo:
toy izao no nataoko


telo fa 1, tsy manam-pahataperana, mifandray, izaho ilay eo ampovoany fehezin'izy rehetra....
68. marozevo ( 06/07/2007 21:01)
Kilasy fahafiry ianao tamin'izay ?

Ianao ity lalin-tsaina an !
69. ikaretsaka ( 06/07/2007 23:02)
klasy de 4 eme angamba za.
sary t@ crayon izy t@ izany
fa nony lehibebe dia nanontaniana indray tany @ onivestite dia ny zavatra nataokotary ihany no naveriko taty fa t@ ordinatera fotsiny no nanaovako azy

tsy lalin-tsaina aho fa tia karokaroka fotsiny ka... dia ilay trondro symbolen'ny kristianina iny no nahodikodiko teo niaraka t@ compas dia nanandrakandrana teo dia nivoaka ohatran'io
70. ikaretsaka ( 06/07/2007 23:10)
ilaina dia ilaina koa ange ry marozevo ny manontany sy mandinika miaraka amin'ilay mba saina kely ananao e! tsy mihanona amin'ny kely hay na fantatra fa mijery kely isan'andro! na ny ara pinoana aza indraindray atao sur table mihitsy, hoe fa maninona rangah ty za no mino sy fa maninona za no kristianina ohatra, dia tadiavina sy karohana ny valiny! io ilay fandinihin-tena...exercice spiritual
raha tsy tia karokaroka dia sady tsy miova no tsy mandroso, manjary miandry miracle eo fotsiny! lasa zatran'ny "minoa fotsiny ihany"!
Mba marina e!
71. marozevo ( 08/07/2007 20:30)
gaga aho mantsy satria hoy ianao hoe tamin'izahay mbola kely, dia noheveriko hoe kilasy T4 na T3 tany hoany,Kay efa kilasy ambony kokoa.

Araka ny fijeriko manko, dia tena lalina be ilay sary asehonao io.
72. ikaretsaka ( 14/07/2007 16:13)
raha t4 sy t3 kosa mbola tsy mahatakatra an'io ko! tsy mbola ampy ny boky novakiana sy , na ny filalaovana compas aza t@ izany mety tsy hay akory fa manitsontroindrona @ ilay maranitra iny fotsiny
73. marozevo ( 14/07/2007 16:32)
ikaretsaka > Tsy aritro fa ialàna tsiny... nalaiko ilay sary nataonao dia nataoko ao amin'ny "mes images", ary nataoko hoe "ikaretsaka" ny nom du fichier. Mila mandoa droit d'auteur ve ? Ao fa anaovako vavaka mangina ianao eh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531