Images et imaginations

41. pissoa ( 29/06/2007 00:16)
gravy njay koa zany fantanian'i marozevo zany :-D:-D:-D

za aloha raha endrika toa i Jesoa ihany no haiko e :-D fa ny feo ny anah no heveriko hoe feo kely mpanambitamby izay ny feon'Andriamanitra raha miresaka misy feo "mivantana" ! enfin, :-D:-D:-D
42. marozevo ( 29/06/2007 06:59)
Feo manambitamby !... Ary inoako fa tsy maintsy ho izany mihitsy no izy. Andriamanitra manko dia Fitiavana, ka tsy maintsy ho feom-pitiavana ny feony. Azo lazaina fa tafiditra anatin'ny sujet koa io ka...
43. Fiffi ( 29/06/2007 08:02)
marozevo: de nanao ahoana le imagination tao alina ? hihihihihi
mitovy am hevitr'i pissoa sy marozevo koh zah am le hoe "feo"
44. marozevo ( 29/06/2007 09:07)
Tsy mety miova le izy ry Fiffi ah... Efa ela loatra ilay izy no nipetraka tao an'eritreritro ka sarotra ovàna.

Raha itarina kely ary ilay resaka dia izao eh. Satria sensible aho, dia voatarika hanome sary sensible foana na dia fantatro izao aza fa tsy sensible (non-concevableu par les sens) Andriamanitra. Ka na ny maso (mahita sary), na ny sofina (mandre ilay feo manambitamby), na ny orona (ho toy ny emboka eo imasonao anie...), na ny lela (Ny teninao Tompo ô. Mamiko sy teliko), na ny tanana (Ity tamy aho raiko malala ô, raiso ny tànako !), dia samy voatarika hanome sary an'Andriamanitra daholo.

Moa diso ve aho amin'izany ?
45. rush ( 29/06/2007 09:36)
ny ahy indray dia tsy azoko zaraina satria samy manana ny azy ny tsirairay ary ao am-pon'ny tsirairay ka ny fo no mitondra azy!
46. xxx ( 29/06/2007 10:48)
Fa angaha lety ny Fon ialahy misy tongony e!!!!
47. ikaretsaka ( 29/06/2007 10:59)
marozevo: anay ve zatra nitsoka ovy sy nihinana voanjo (hatrany antsirabe) dia ho banga :-D ny ahy izao ny hieritreretako an'i marozevo dia le bebe kibo sorobilana be ireny!:wink:
i fiffi indray domary misimisy vatana lehinene izany:wink:
i LD ilay mahihy be solomaso ireny:roll:

fa izaho indray tsy mahita image loatra an'Andriamanitra izany, ohattran'ny rahona be sy tanana fotsiny no tsapao sy reko ary hitako... na tena nentin'ny meditations lavitra be mihitsy aza saingy mahatsapa io lazain'i marozevo io kosa
le hoe eo amiko mandrakariva Atra amin'ny alalan'ny zavatra miseho manodidina ahy
48. xxx ( 29/06/2007 16:00)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 28-06-2007 23:01:57
Eny eh... fantatro fa tsy olombelona Andriamanitra... fa izaho anefa olombelona, ka ilay imagination ahy fa tsy an'Andriamanitra. Misy sary tonga ao an-tsaiko raha vao mieritreritra an'Andriamanitra .... Dia izany no nahatonga ny fanontaniako.

Marina fa anao ilay imagination, nefa izay imagination-nao izay dia tsy ho hitanao raha tsy izy Andriamanitra no nanome anao an'izay. Araka ny experience iainako mantsy dia izao: tsy izaho no mamaritra hoe izao izany Andriamanitra izany, fa amin'ny alalan'ny fisehoany amiko (rivelation) no hahalalako azy, sy hahitako ny endriny.
Tsy izaho no manao hoe: be volom-bava izy, na tsy misy fa izy no miseho amiko toy izay. Misy dikany amiko izay endriny izay.
Raha olona telo samihafa no asaina manao sarin'Andriamanitra Ray dia samy manana ny fomba anehoany azy avy izy ireo, ny antony dia satria samy manana izay manaitra azy avy amin'Andriamanitra izy ireo. Toy ny hoe: tovolahy telo samihafa mijery tovovavy iray, izay samy milaza hoe: "Mba tsara koa izany sipa izany an" . Raha anontaniana ireo hoe satria nahoana izy no tsara, dia ho samy manana ny havaliny avy izy ireo: ny iray hilaza fa ny masony baribary kely io no tena mahatsara azy, ny iray hiteny fa botabota kely mahafatitaty izy, izay no mampilay azy; ary ny iray farany hiteny hoe: ny orony tena tsara tefy io no tena mahamanja azy, sns...
Ka raha mahita an'Andriamanitra toa izao endrika izao na toy izao isika dia misaora Azy satria izay no endrika tiany isehoany amintsika. Izay no endrika tiany alaintsika tahaka. Izay ilay endriny mitovy amin'endritsika ao amin'ny Jenezy 1, 26.
fa manin no be volombava foana e! Dia lasa ilay sary hita eny antsena ireny!
tsy mbola nisy nahita fa aza dia mirediredy be loatra ry marozevo an! Izany mahita dia mety ho jamba fa aza dia manonofy eo e!

Diso loatra kosa ianao ra-xxx izany. Efa fomba fijery an'Andriamanitra tany amin'ny Testamenta Taloha izany fomba fijerinao izany. Io fomba fijery an'Andriamanitra io dia efa nahitsin'i Jesoa Kristy satria Afaka mahita an'Andriamanitra tokoa ny olona.

Raha io zavatra voalazanao io ra-xxx no jerena dia tokony ho jamba daholo ireo olona rehetra niara-niaina tamin'i Jesoa. Eny e, maro tokoa ny jamba ka tsy nahita fa Andriamanitra i Jesoa tamin'izany fotoana izany. Io fahajamba io anefa dia tsy fahajambana ivelany fa fahajambana anaty. Izany hoe: mahita fa tsy mahalala. Ary tsy jamba ihany fa marenina koa, izany hoe: maheno fa tsy mahazo izay ambara. Ireo no jamba sy marenina.

Amin'izao fotoana izao dia tsy mitsahatra miseho sy maneho ny endriny amintsika Andriamanitra. Mbola misy tokoa ny jamba ka tsy mahita izany. Io fahajambana io dia noho ny tsy finoana na noho ny fisalasalana. Ilaina ny masom-pinoana mba hahitantsika an'Andriamanitra: izay tia azy anefa no afaka hahita azy, satria ireo ihany no mitady azy.

Hahita an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra anie isika rehetra, ka hitombo fitiavana azy, hidera azy lalandava, ary hanantateraka izay sitrany hatrany. Amen!
49. xxx ( 29/06/2007 18:28)
:?::?::?::?::?::?:
Fiffi:

xxx:

fa manin no be volombava foana e! Dia lasa ilay sary hita eny antsena ireny!
tsy mbola nisy nahita fa aza dia mirediredy be loatra ry marozevo an! Izany mahita dia mety ho jamba fa aza dia manonofy eo e!
xxx kosa eh ! sady efa milaza marozevo hoe "tsy misy volombava" anié an !

xxx ve mba manana imagination hoe ohatran'zao no mba imaginéko an'i ....Fiffi , cutie , marozevo sns....na ohatra hoe mba manana imagination am cadô mbola mifono tsy azo sokafana fa imaginenao fotsiny le ao anatiny......

zah zao mi-imaginer an'i xxx hoe: i xxx zao de mitsiky kely mamaky an'ity nolazaiko ity....:)




:?::?::?:

50. marozevo ( 29/06/2007 18:51)
rush > Misaotra anao... tsy voatery hizara tokoa ka! Marina dia marina ny filazanao fa samy manana ny azy io, toy io fanazavana lava entin'i xxx io.

Araka io lazain'i xxx io ihany dia tsy izaho tokoa no namorona io sary io. Raha izaho manko no namorona azy dia ho mora amiko koa ny hanova azy. Isaorako an'i xxx ny fanazavana fa fanilovana (révelation) avy amin'Andriamanitra izany.

Ilay ohatra momba ny tovovavy dia marina tokoa, fa ny mahasamihafa azy dia efa iaraha-mahita eo ilay tovovavy vao samihafa ny fijery ny hamanjany. Fa raha mbola tsy hita mihitsy ilay izy (i cutie sy Fiffi izao mbola tsy hitako), dia misy sary tonga ao an'eritreritra, ka na niezaka azo aho hanova ny sarin'i cutie dia tsy mety mihitsy fa ilay taloha ihany no hitako eo.
51. cutie ( 29/06/2007 20:30)
ka na niezaka azo aho hanova ny sarin'i cutie dia tsy mety mihitsy fa ilay taloha ihany no hitako eo

:-w:-w:-w:-w:-w
52. Fiffi ( 29/06/2007 20:39)
"xxx":
:?::?::?::?:
mba lazao ny hevitrao na de miafina aza an !
53. marozevo ( 29/06/2007 20:57)
Tsy voatery hilaza i xxx ilay manao an'ity :?::?::?::?: ka !

Mino anefa aho fa na tsy hilaza aza izy dia efa vitany sary ao an-tsainy ao ny tokony holazainy.
54. Fiffi ( 29/06/2007 21:53)
bonnes vac daholo de am volana aôut njay mihaona eto....haraham-bavaka hatrany .....:):-*:-*:-*:-*:-*
55. Kota ( 29/06/2007 22:15)
marozevo:

Feo manambitamby !... Ary inoako fa tsy maintsy ho izany mihitsy no izy. Andriamanitra manko dia Fitiavana, ka tsy maintsy ho feom-pitiavana ny feony. Azo lazaina fa tafiditra anatin'ny sujet koa io ka...


Misy itovizany amin'ny ray niteraka na nitaiza anao ve ilay image anananao an'Andriamanitra,ankoatran'ny resaka physique ?
56. marozevo ( 30/06/2007 06:22)
ie... be dia be mihitsy.
57. rush ( 30/06/2007 12:59)
xxx:
:?::?::?:
inona no tsy azonao @ izany e?sa tsy mba manana izany imagination izany ianareo?


58. marozevo ( 30/06/2007 21:26)
Aza terena hanana imagination izy rehefa tsy manana e... Efa tsy manana izy izany kooo...
59. rush ( 01/07/2007 19:53)
dia rehefa tsy manana dia tsy manao an'izao izany e!mangiana fotsiny dia ampy!
60. marozevo ( 01/07/2007 21:04)
ie... marina kosa aloha izany eh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9179