Ahoana ny fijerinao an'i Jesoa?

21. LazaDaddy ( 13/06/2007 12:20)
Hery> ka ny hevitrao anie no napetrako ao @ ilay fanontaniako e! Dia mamaky nyhevitry ny mpandray anjara eto aho. Atsy ambadika kosa aho manome ny fahitako ny voalazan'ny Soratra masina :)
22. ikaretsaka ( 13/06/2007 12:55)
Za koa miombona hevitra @ Diam's hoe nanomboka oviana ny olombelona no afaka mamantatra ny ao andohan'i Jesoa.. deity izy.
na izany aza araka ny finoako dia
Voalaza fa raintsika @ finoana i Abrahama, voalaza koa fa t@ i Jesoa niova tarehy dia teo akaikiny i Abrahama. Toy izany koa t@ Izy nanao fanoharana momban'i lazarosy ilay be fery lelafin'ny alika iry hoe lasa any andanitra akaikin'i abrahama lazarosy.
Dia tamin'ny alalan'i Jesoa ve no nahatonga an'i Abrahama tany?

Ilay fahazoantsika ny "amin'ny alalako" no maha kofona antsika eto
ego sum via et veritas et vita nemo venit ad Patrem nisi per me(Joany 14.6)

"Amin'ny alalany sy miaraka aminy ary eo aminy ry Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, anao avokoa miaraka a Fanahy masina ny haha amam-boninahitra amin'ny taona rehetra mandrakizay!
23. prime ( 13/06/2007 14:39)
Tsy intolérant Jesosy fa manambara ny mahaIzy Azy sy ny fahefàna ananany...
24. cutie ( 13/06/2007 21:58)
Ka na dia tsy mahalala azy personnellement aza ny olona( tsy kristianina) fa miaina ny teniny na izay valeur chrétienne izay dia efa tafiditra ao.

=D=D=D=D=D=D
25. naughtyboy ( 14/06/2007 12:25)
tsia satria ra intolerant izy de tsy nidina tety antany amonjy reo oul navotany zay amono sy amantsika azy eny @ hazofijalina..
26. marozevo ( 14/06/2007 22:29)
Hery> ka ny hevitrao anie no napetrako ao @ ilay fanontaniako e! Dia mamaky nyhevitry ny mpandray anjara eto aho. Atsy ambadika kosa aho manome ny fahitako ny voalazan'ny Soratra masina

Miala tsiny aho, fa amiko dia izao no atao hoe avonavona. Miala tsiny marina e....
27. LazaDaddy ( 15/06/2007 00:52)
naughtyboy:
tsia satria ra intolerant izy de tsy nidina tety antany amonjy reo oul navotany zay amono sy amantsika azy eny @ hazofijalina..
azo lazaina ho exclusif aza ve Izy satria "tsy misy afa-tsy amin'ny alalany" ihany araka ny nambarany? Izany hoe ny "possibilities" hafa rehetra mankany @ Ray ankoatran'ny amin'ny alalany dia "excluded" daholo?


28. ikaretsaka ( 15/06/2007 05:34)
tsy exclusif koa izy.
Izy sy ny Ray de 1 ihany.
Isika no tsy mahatakatra ilay "amin'ny alalako" ho'zy Hery izay!
Mila mandinika ny Mystics an'ny Trinity sy ny deity dia azonao ilay izy!
29. LazaDaddy ( 15/06/2007 05:50)
"tsy misy afa-tsy amin'ny alalany" ihany araka ny nambarany. Izany hoe ny "possibilities" hafa rehetra mankany @ Ray ankoatran'ny amin'ny alalany dia "excluded" daholo?
30. ikaretsaka ( 15/06/2007 06:17)
laza> aza averimberina nefa zavatra tsy azo. Efa voazava io ambony io fa tsy i Jesoa akory ianao ka hahalala izany. sady lasa vao mainka ilay izy mi contredire ilay zavatra lavinareo (tsy te hiverina any @ le resaka saple aho, fa ianao toa anisan'ny pour an'ilay akamerimberina io, nefa ianao eto mamerimberina)
raha maharakatra ny tiany lazaina @ ilay "amin'ny alalako" ianao dia ieee
za aloha tsy maharakatra... fa mino kosa aho fa any an-danitra ry Abrahama na tsy nandeha t@ alalany aza!
31. LazaDaddy ( 15/06/2007 06:24)
ikaretsaka:
fa mino kosa aho fa any an-danitra ry Abrahama na tsy nandeha t@ alalany aza!
Tena nandeha t@ alalany mihitsy i Abrahama :)
Hoy Izy: "fony mbola tsy ary i Abrahama dia efa Izy aho".
hatreo aloha :)
32. ikaretsaka ( 15/06/2007 06:38)
Lasa indray tsipona dia velariko koa ary!
Izy no niteny an'io fa tsy Abrahama
Abrahama mety mbola tsy nahafantatra Azy satria tsy mbola nahita an'i Abrahama nanambara Azy (jesoa) aloha aho e!
tsy haiko izay "any @ teny tsy fantatra "any!:°)
33. marozevo ( 15/06/2007 08:17)
O ry zareo ah... mba vakio kely ary hoe ny voalaza ao amin'ny Mt 27, 51-53 dia jereo tsara ny contexte manodidina azy.
34. naughtyboy ( 15/06/2007 11:05)
LD ra ny hevitro de mety ho exclusif ihany ko satria lalana 1io fotsiny aza de efa sarotra @ raolombel no manaiky azy,ko maika fa ra b.d.b ho sahirana daoly eto ndray eritreritro fotsiny iny:) nefa io teny io misy garantie ao ra jerena otrany passport zany ra andeha ifindra tany..
35. LazaDaddy ( 15/06/2007 13:27)
marozevo:
O ry zareo ah... mba vakio kely ary hoe ny voalaza ao amin'ny Mt 27, 51-53 dia jereo tsara ny contexte manodidina azy.
Misaotra anao fa dia mafonja tokoa ireo andininy ireo. Sady i Matio irery no nitantara ny voalaza ao @ andininy 52-53 fa tsy hita ao @ sinoptika ireo.


36. marozevo ( 15/06/2007 17:06)
Iza moa no atao hoe talohan'i Kristy, ka voalaza ao amin'io Mt 27, 51-53 io ?

raha tantara mivantana dia ireo olona talohany : Abrahama, Isaaka, Jakoba, Davida .....
Fa raha ara-teolojia dia ireo rehetra mbola tsy nahalala an'i Kristy nefa nanana fitondran-tena mahitsy sy mendrika. Dia eo no miditra ilay St Ambroise voalaza ao ho ao.

Jereo fotsiny ohatra ny tenin' Andrianampoinimerina : "Ny vatako no ho lasa fa ny fanahiko hijerijery anao eny ihany" hoy izy tamin'Ilaidama zanany handimby azy. Izy anefa tsy nahalala izany kristianisma izany, tsy nahalala izany "résurrection" izany, tsy nahalala izany lanitra na afobe izany.

Tandremo anefa fa tsy milaza aho hoe voavonjy na tsy voavonjy Andrianampoinimerina an !
37. rakaroka ( 16/06/2007 09:13)
Ny blem @ fomba fijery sy fandraisan'ny kristiana sasany an'Atra dia tahaka ny Atra miangatra izany no "ivavahandrizareo" ka mifidy olona Izy, misy ny
ilatsahan'ny fanahiny dia iasany ary misy ny ialangalanany, misy ny efa natao ho zanaky ny "fahaverezana" ary misy ny hovonjena maimaimpoana na tsy mendrika izany aza:Misy ny zanaky ny fahasoavana noho ny fampanekena poak'aty hoe minoa fotsiny ihany fa eo i Jesoa tsy tam-pianana ny hafany akory...
En Beinnnn ny Atra sy finoanoam-poana tahaka izany:
Gardez pour vous satria "ridicule" no tsy hita izay andraisana azy!
Ny Andriamanitra "Fitiavana inoako" : Fahamarinana:
Tsy isalasalana izany, ary tsy fihevitro ihany fa
iombonanko Aminy ny fijery tsy mivilana: il n'est pas question de fihevitr'olona na fihevitr'Atra:
satria raha mitoetra ao amintsika Izy , rahateo natao ho amin'izany (selon notre Bible même), dia ho iray ihany Aminy tahaka ny membrane de notre corps
miara mahatsapa izay mety na tsia amintsika sy ny "univers" iainantsika!:wink::idea:

38. marozevo ( 16/06/2007 09:50)
Tany aloha be tany (cinq na six premiers siècles AD) dia nisy tokoa io tendance théologique io, ilay milaza hoe misy ny efa voavonjy mialoha, misy ny tsy ho avotra mihitsy (caduti) na inona na inona ataony. Fa efa nivoatra ny fandinihina amin'izao fotoana izao ka... tsy misy intsony io.

"Saino ry olombelona, moa ny lalako ve no tsy mahitsy sa ny lalanareo ? Andriamanitra aho fa tsy olombelona".

"Ny indrafo no sitrako fa tsy ny sorona".

"Fitiavana Andriamanitra...."
39. rakaroka ( 16/06/2007 10:37)
marozevo:

Tany aloha be tany (cinq na six premiers siècles AD) dia nisy tokoa io tendance théologique io, ilay milaza hoe misy ny efa voavonjy mialoha, misy ny tsy ho avotra mihitsy (caduti) na inona na inona ataony. Fa efa nivoatra ny fandinihina amin'izao fotoana izao ka... tsy misy intsony io.

"Saino ry olombelona, moa ny lalako ve no tsy mahitsy sa ny lalanareo ? Andriamanitra aho fa tsy olombelona".

"Ny indrafo no sitrako fa tsy ny sorona".

"Fitiavana Andriamanitra...."



Miombona fijery e!^:^^:^
Fa raha raisina anie ity fanambaran'i Jesoa ity:
miatomboka @ hoe "Izaho no lalana:"chemin" ( km lavalava no diavina @ izany...), fahamarinana: ary mbola no-ajusté-ny hoe "raha tsy mihoatra noho ny fahamarinan'ny fariseo ny fahamarinanareo dia tsy hahita ny fanjakan'ny lanitra ianareo; aru fiainana
izany hoe :"iainana" ilay fahafantatrana azy fa tsy ampintaina @ hafa fotsiny tahaka ny mpitari-bato vilam-bava maro. Ohatra:"Izay manantona ahy hoy i Jesoa tsy mba ho laviko mihitsy: na mpamory hetra io na jiolahy sns, fa tsy tahaka ny kristiana maro
manifika na dia ny mmpiray tanindrazana aminy lavitra aza!
40. marozevo ( 16/06/2007 19:30)
Mitovy hevitra aminao koa aho, afa-tsy io frazy farany io : "... fa tsy tahaka ny kristianina maro manifika na dia...".
Ny tsy itovizako hevitra amin'io dia hoy aho hoe angamba tsy misy Kristianina manifika izany kosa eh... Sa tena misy ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0098