Ahoana ny fijerinao an'i Jesoa?

1. LazaDaddy ( 13/06/2007 08:11)
"Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" hoy i Jesoa.

=> "Intolerant" ve i Jesoa araka ny hevitrao?
novalian'i marozevo ny 24/06/2007 17:05
2. diamondra27 ( 13/06/2007 08:38)
tsy intolérant fa zay no izy

hoy Jesoa ao @ jaona 14:6
"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy afaka mankany @ Ray afa-tsy @ alalako"

Efa tonga teto an-tany Izy , tonga nofo, nandia ny fiainana toy ny olombelona rehetra, niaritra fakampanahy, niady mafy etc... ary novonoina noho ny otantsika nefa tsy manamtsiny
Nitsangana t@ maty
noho izany dia Izy ilay tetezana mampitohy antsika amin'Atra e!
Ny otantsika no mampisaraka antsika @Atra, hantsana be , nefa de tonga Jesosy noho ny fitiavany lehibe mba hampiavana antsika @ Atra
3. majesty ( 13/06/2007 08:44)
Izay no maha-Kristiana ny Kristiana Laza a,Kristy ihany dia Kristy hatrany fa tsy misy hafa ankoatra.Dia izay asainy atao ihany no ataon'ireo mpanaraka azy fa tsy misy resaka "intolérance" izany :D
4. hery ( 13/06/2007 08:46)
tsy resaka intolérance izany kah.

Isika no tsy mahatakatra ilay "amin'ny alalako"

iza tokoa moa no hahalala ny lalan'Andriamanitra?

Mieritreritra ireo olona marobe izay niaina tao anaty fitiavana tanteraka aho kanefa tsy nahalala na nandre akory ny anaran'i Jesoa (any ambanivohitra be tsy takatry ny misionera kanefa azo heverina hoe niaina ny fiainan'ny fitiavana). Raha tena i Jesoa irery no làlana mankany amin'ny Ray dia inoako fa manana fomba i Jesoa hahatonga azy ireny ho any @ Ray.
5. diamondra27 ( 13/06/2007 08:59)
hery : hoy Izy tsy maintsy efa nandre doly ny olona sy efa tonga tany aminy ny filazantsara vao ho faty le olona
6. marozevo ( 13/06/2007 08:59)
Misy an'ity fehezan-tenin'olo-malaza ity, asa moa na St Augustin izy izay na St Ambroise na St Cyprien, tsy tsaroako, fa izao ilay phrase, izay mety hisy fifandraisany amin'ny fanontaniana mipetraka : "Parmi ceux qui sont dedans, il y en a ceux qui sont dehors; et parmi ceux qui sont dehors, il y en a ceux qui sont dedans".
7. hery ( 13/06/2007 09:25)
diamondra27:
hoy Izy tsy maintsy efa nandre doly ny olona sy efa tonga tany aminy ny filazantsara vao ho faty le olona


diamondra27> tsy azoko loatra io :-)
8. majesty ( 13/06/2007 09:31)
hery:
Mieritreritra ireo olona marobe izay niaina tao anaty fitiavana tanteraka aho kanefa tsy nahalala na nandre akory ny anaran'i Jesoa (any ambanivohitra be tsy takatry ny misionera kanefa azo heverina hoe niaina ny fiainan'ny fitiavana). Raha tena i Jesoa irery no làlana mankany amin'ny Ray dia inoako fa manana fomba i Jesoa hahatonga azy ireny ho any @ Ray.


Anjaran'izy Andriamanitra ny mahalala ny fomba hitondrany ireny olona ireny hanatona azy,:D

Marozevo: ôtran'ny tenina filôzôfa izany izy io raha tsy diso aho :D ary marina io fanambarany io
9. Fiffi ( 13/06/2007 09:33)
LazaDaddy:

"Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" hoy i Jesoa.

=> "Intolerant" ve i Jesoa araka ny hevitrao?
isika no be siasia....fa tsy Jesoa no intolerant !


10. marozevo ( 13/06/2007 09:37)
An an ka... tena teolojia io, na ny marina kokoa ekleziolojia.

Ny dehors sy dedans lazainy manko dia par rapport amin'ny Fiangonana.
11. Mandefitra ( 13/06/2007 09:49)
Raha ny fahotantsika sy ny Fahamasinan'Andriamanitra no jerena, tsy afaka ho any Aminy mihitsy isika, saingy teo ny indrafon'i Jesosy Kristy sy ny Fitiavana ka nanolorany ny Tenany sy ny Rany ho fanavotany antsika.Au contraire zany, fitiavana io Tenin'i Jesosy io fa tsy sanatria hoe izy no intolerant
12. hery ( 13/06/2007 09:57)
majesty:
Anjaran'izy Andriamanitra ny mahalala ny fomba hitondrany ireny olona ireny hanatona azy


Eo indrindra isika izao. Jesoa sa tsy Jesoa? Raha vao miteny an'io mantsy i majesty dia miteny hoe mety misy lalana hafa ankoatran'i Jesoa fa Andriamanitra ihany no mahalala azy...
13. xxx ( 13/06/2007 10:08)
"Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" hoy i Jesoa.


Tokony ho haintsika aloha ny manavaka ny : fanjakan'Andriamanitra sy ny Kristianisma.
Ny Kristianina dia mitory ny fanjakan'Andriamanitra. SAtria io no iraka nampanaovin'i Jesoa azy.

Tsy ny kristianina ihany anefa no miaina sy mitory ny fanjakan'Andriamanitra fa ireo olona rehetra tsara sitra-po. Ao @ Mt 5 dia manambara mazava momba io fanjakan'Andriamanitra io Jesoa. Raha fintinina dia : ny famindram-po, ny fitiavana ny fahamarinana sy ny fandriam-pahalemana, ny halemem-panahy, ny fandeferana,sns.

Ka na dia tsy mahalala azy personnellement aza ny olona( tsy kristianina) fa miaina ny teniny na izay valeur chrétienne izay dia efa tafiditra ao.

Ka marina ny tenin'i Hery hoe : ny fahazoantsika an'ilay hoe " raha tsy @ alalako " no tsy mazava amintsika matetika. Ka aoka mba tsy ho isika indray no ho lasa intolérants
14. diamondra27 ( 13/06/2007 10:26)
fa manomboka oviana indray aloha no lasa olombelona no mandinika momba an'i Jesoa e!

fa tsy Atra ve no mandinika ny fontsika sy mahalala ny hevitra sy fieritreretantsika e!

tEny nataony io dia raisina na tsy raisina
15. hery ( 13/06/2007 10:32)
diams> ka arakarak'io valiny io no hahalalana hoe maninona ny kristiana sasany no miseho ho mahalala n'i Jesoa :-)
16. sonwin ( 13/06/2007 10:35)
i Davida mpanjaka inoako marimarina fa any amin'ny Ray na dia tsy kristianina aza :°)
17. majesty ( 13/06/2007 10:47)
Hery:
Eo indrindra isika izao. Jesoa sa tsy Jesoa? Raha vao miteny an'io mantsy i majesty dia miteny hoe mety misy lalana hafa ankoatran'i Jesoa fa Andriamanitra ihany no mahalala azy...



Misy jeu de mot kely ny tenin'i Hery,tsy hoe misy lalana hafa ankoatran'i Jesoa fa misy lalana hafa mankeo amin'i Jesoa,satria iaraha-mahalala anie fa i Jesoa no ivon'ny finoan'ny Kristiana rehetra e,fa ho an'ireo izay tsy mbola mahalala kosa indray dia anjaran'Andriamanitra izany ka sarotra amintsika ny hamantatra fa ny adidy tokony ataon'ny Kristiana rehetra dia ny mampahafantatra an'izay mbola tsy nahalala.(Ny efa milaza ho mahalala ary moa mbola sahirana hoe aiza ihany ny tena marina koa maika fa ny tsy mahalala mihitsy)
18. ari.malala ( 13/06/2007 12:04)
tsy azoko aloha ny idiran\'le resaka intolerence... Izy Jesoa no teraky ny Ray talohan\'ny taona rehetra ka mahalala Azy Ray mihoatra noho isika, ka raha tsy Izy no mitondra tsy misy afaka ny hoany satria Izy no hany mahalala ny lalana...Izy rahateo no efa niteny hoe tsy misy mahalala ny Ray afa tsy ny zanaka
19. hery ( 13/06/2007 12:08)
Hmmm

Ary i Laza tsy namaly teto fa efa avy namafy atsy ambadika atsy indray.

Tahaka ilay hoe nandalo ny mpamafy dia namafy... dia izay ifanarahanareo ao :-D
20. kelly13 ( 13/06/2007 12:12)
:-D fombany io ry hery a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0619