Hira Ankalazao ny Tompo
45. ikaretsaka
(
23/06/2007 04:38)
ka....
"feno hafaliana" daholo ny fonareo ve aloha e!
dia "izaho no andoalihako anatrehan'izy Ray"
"tsy hitsahatra hisaotra an'Andriamanitra isika nohon'ny soa ara-panahy. . . "
"feno hafaliana" daholo ny fonareo ve aloha e!
dia "izaho no andoalihako anatrehan'izy Ray"
"tsy hitsahatra hisaotra an'Andriamanitra isika nohon'ny soa ara-panahy. . . "
46. marozevo
(
23/06/2007 22:28)
Oay oh... ilay hoe "Feno hafaliana ny foko" tsy ao amin'ny Ankalazao.... tsy mahay indray kay izy !!:lol:
Fa inona kosa no havalinao
ny tombom-pitiavana tsy mandao
manenika ny fiainanao tontolo ? ... misaora !
Aza misasatra mankalaza
manandra-tànana ho fiderana
Ilay Tompo tia miahy anao... misaora !
Atreho ny Tompo manao Sorona,
kalisim-pisaorana amin'ny Ray,
Ny ainy natolony mba ho ohatra... misaora !

48. marozevo
(
28/06/2007 21:53)
Izaho koa very amin'ilay te-hihaino, dia izany no anoratako eto....
Jeu de "citation" ao amin'ny Ankalazao ny Tompo ireo ifanomezanay ireo retsy ah !
Jeu de "citation" ao amin'ny Ankalazao ny Tompo ireo ifanomezanay ireo retsy ah !
49. ikaretsaka
(
03/07/2007 13:08)
'Sika niara nisotro ny aleoko maty t@ Jesoa Tompo
sahy manao antso avo, sy mitaky fahafahana
fahafahana sahaza , ny zanak'Andriamanitra
Sanatria: tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any a! fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra...
sahy manao antso avo, sy mitaky fahafahana
fahafahana sahaza , ny zanak'Andriamanitra
Sanatria: tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any a! fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra...
50. marozevo
(
03/07/2007 20:52)
Isika niara-nisotro ny aleoko maty tamin'i Jesoa Tompo
Sahy milatsaka ho iraka mpitondra hafaliana.
Hafaliana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
Sanatria, Tsy ho vahoaka manirery eo anivom-pirenena fa ho masoandro lohataona hampiravoravo ny olona reheytra.
Sahy milatsaka ho iraka mpitondra hafaliana.
Hafaliana mendrika ny zanak'Andriamanitra.
Sanatria, Tsy ho vahoaka manirery eo anivom-pirenena fa ho masoandro lohataona hampiravoravo ny olona reheytra.
51. ikaretsaka
(
03/07/2007 23:55)
'sika niara nisotro ny aleoko maty tamin'i Jesoa Tompo
sahy manolotra ny aina hampijoro fitiavana.
Fitiavana sahaza ny zanak'Andtiamanitra
Sanatria, tsy fitiavana kanosa mora kivim-panenjehana fa fitiavana mahatoky omena ny olona rehetra...
sahy manolotra ny aina hampijoro fitiavana.
Fitiavana sahaza ny zanak'Andtiamanitra
Sanatria, tsy fitiavana kanosa mora kivim-panenjehana fa fitiavana mahatoky omena ny olona rehetra...
53. marozevo
(
04/07/2007 17:38)
Ampio kely hoe fahendrena eo anelanelan'ilay mahatoky sy omena.
Izay efa niara-nisotro ny aleoko maty izay moa dia tsy afaka misaraka aminy intsony izany. Tsy hoe tsy fidiny anefa fa sitra-po sy fitiavana.
Izay efa niara-nisotro ny aleoko maty izay moa dia tsy afaka misaraka aminy intsony izany. Tsy hoe tsy fidiny anefa fa sitra-po sy fitiavana.
55. pissoa
(
05/07/2007 19:11)
Hi hi hi, tiako ny dihin'ny seminarista zandriny amin'iny ! Ataony matetika refa mivavaka eny @ Petit Seminaire Ambohipo :-D:-D:-D
56. marozevo
(
05/07/2007 19:21)
Tsia ! Tsy ho safotry ny ranobe akory ny fitiavana.
Eny eh ! Tompo ô. Inty aho iraho hampiray ny olombelona.
Andeha isika hifampitantana ho any Jerosalema.
Andeha hamelatra ny fiainana mba hitsenana ny Tompontsika.
Fa i Jesoa tsy milavo lefona nanao sorona ny fiainany.
...... fa tamy izy ee.
Misy ilàn'ny Tompo azy, ka lazao izy ee...

57. pissoa
(
05/07/2007 19:27)
Andeha isika hifampitantana ho any Jerosalema.
Andeha hamelatra ny fiainana mba hitsenana ny Tompontsika.
Fa i Jesoa tsy milavo lefona nanao sorona ny fiainany.
Ny lalan-kodiaviny omankomanina fa tamy Izy eee !
[tsy tadidy] ny lantsi-tanana fa tamy Izy eee !
Izao no nafarany tamin'ny mpianany
Rehefa akaiky i Jerosalema
Andeha ianareo mialoha lalana Ahy
Manketsy amin'ny vohitra tazana itsy
Ao an-tanàna ao misy ampondra
Mbola ampatorana izy izay
Mirao-bilona akaikiny eo
Zanak'apondra miriorio
Vahao reniny ho afa-patorana
Entonareo izy mankaty
Ary raha misy be fanontany
Manadikadina anareo
Misy ilan'ny Tompo azy ...
Lazao izy eeee
...
Misy ilan'ny Tompo antsika ... Lazao izy eee
Ho ela velona ny hira Katolika :-D:-D:-D
58. marozevo
(
05/07/2007 19:35)
Bravo pissoa ! Sambatra ianao afaka mihira teny Malagasy foana. Ny anay aty rehefa mba mivavaka dia teny Frantsay foana ny hira.
Hatsikatsino ny latsi-tànana fa tamy izy ee...
Hatsikatsino ny latsi-tànana fa tamy izy ee...
59. pissoa
(
05/07/2007 20:10)
Hi hi hi, tsy afaka mihira tena gasy zany za fa tadidiko fotsiny io ... Refa fety gasy ihany vao mihira sady tsy mihira an'reny fa le hira Miara-mizotra matetika !
Ny aty aminay Anglisy na le teny tsy haiko reny (fiteny locale). Dia refa tsy Anglisy d tsy azoko akory ze zavatra hiraiko fa arahiko fotsiny ze misoratra ao amile boky :oops: :-D:-D:-D
Ny aty aminay Anglisy na le teny tsy haiko reny (fiteny locale). Dia refa tsy Anglisy d tsy azoko akory ze zavatra hiraiko fa arahiko fotsiny ze misoratra ao amile boky :oops: :-D:-D:-D
60. marozevo
(
05/07/2007 21:29)
Fa ahoana àry no nahaizan'i Pissoa an'io hira "Jerosalema" io eh... Tena nahavariana ahy marina !....