azo sotroina ve ny toaka?

81. marozevo ( 22/06/2007 18:54)
Lasa saina be aho namaky io nolazainao io, ry prime. Marina anie izany eh... lasa saina aho.

Lasa saina satria tsy diso mihitsy izay lazainao, nefa dia io no zava-misy.

Dia mieritreritra ny fiainana ankehitriny aho : firifiry ny olona miantehitra amin'ny alkool hivelona. Tsy hoe misotro izany anh... mpiasa... mpivarotra.... Manisà fotsiny isika eo amin'ny tanana kely iray. Ohatra Ambohimandroso. Firy ny mpivarotra toaka ao ?

Dia mieritreritra ireo vahoaka mpamokatra fary sy ny sisa.... ny mpanao toaka gasy.... vanité de vanité, tout est vanité ! Odray marina ! Eritreritro io fa tsy nisy niteny an'io akory teto an.

Dia mieritreritra ireto firenena be dia be aty Europe, matanjaka ara-toe-karena, satria tena ambony dia ambony ny impôts momba ny alkool. Fa tsy hoe manan-karena noho ny toaka koa anefa an...

Dia lasa ny saiko marina eh....

Ny fandanjalanjana.... iza daholo no afaka mandanjalanja.... Misy ny misotro mba hifanajana... tena misy izany, fa misy koa, indrisy, ny misotro mba ho mamo. Ary rehefa mamo dia fantatra ihany ny tohiny sy ny vokany...

Dia hoy indray aho : Fa angaha moa ny toaka (alcool) ihany no tokony hanaovana fandanjalanjana ?
82. prime ( 27/06/2007 11:49)
marozevo> Ny tena hevitro aloha dia tena mifady mihitsy ry marozevo fa tsy hoe mandanjalanja... nefa moa ny tsirairay ihany no tena mahita izay sahaza azy...
83. marozevo ( 27/06/2007 18:50)
Hajaina amin'ny hevitrao ianao, ary irariana hahavita izany marina tokoa.

Ny ahy kosa dia lazaiko ihany : Ilaina ny alcool. Ilain'ny mpisotro mahay mandanjalanja; ilain'ny mpivarotra; ilain'ny mpiasa madinika (karama any amin'ny usine star ohatra); ilain'ny volam-panjakana. Ireo rehetra ireo anefa dia samy miaky, fa misy lafiny ratsy be dia be ny toaka. Porofon'izany, tsy azo atao ny manao pub momba ny toaka, ary tsy maintsy asiana soratra hoe "l'abus est dangereux". Ny sigara koa mitovitovy amin'io.

Efa nisy nanatsidika tao ambony tao ilay hoe : Toakan'olona; toakan-kisoa; toakan'alika....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077