azo sotroina ve ny toaka?

41. naughtyboy ( 12/06/2007 20:39)
fa ahona no alalan'ela fa tsy nisy? io ndray le miseho mahafantatra ny zv tsy hita akory fa elao pas..:lol:
42. pissoa ( 12/06/2007 21:18)
Mitovy ve ny atao hoe divay sy toaka ? Amiko tsy mitovy aloha ireo. Ao amin'ny Baiboly dia voalaza, araka io ambony io, fa nisotro divay i Jesoa.
Tsy voalaza kosa hoe nisotro toaka izy. Noho izany tsy fantatra na nisotro toaka izy na tsy nisotro. Efa nisy toaka ve tamin'izany fotoana izany rey olona ?


Tsy haiko ! Notsindriako tsara fotsiny ilay hoe "Alcohol" ao amin'ny divay. Heveriko mantsy fa raha tsy azo sotroina ny taoka, dia tsy noho "fary" sns ao aminy (satria tena azo hanina toy ny voaloboka ny fary) fa noho ny alikaola mahadomelina (sa misy koa ao amin'ny det hoe tsy mahazo mihina-pary ^^ ) . Ka rehefa nanontany i Mbelovato hoe nisotro taoka ve Jesosy dia hoy aho hoe nisotro zava-pisotro misy alikaola ! :-D:-D:-D
43. ikaretsaka ( 12/06/2007 22:06)
fa entre pas HS kely..
fa samihafa angaha ny mamon-divay sy ny mamon'ny toaka?
44. mbelotavao ( 13/06/2007 04:16)
Tandremo tsara ny zavatra soratana fa raha izaho aloha dia tsy sahy hilaza mihitsy fa nisotra toaka na divay mahamamo J.K .
Sady tsy mba hivavaka @ J.K misotro toaka izany aho.
Rehefa te hisotro toaka mantsy isika dia lazaintsika fa nisotro toaka J.K.
T@ andro taloha ary rehefa manantona ny trano fihaonana ny olona dia tsy mahazo mandray toaka na divay.
Lev 10:8-9 "Ary JHV niteny t@ Arôna ka nanao hoe: Aza misotro divay na toaka ianao na ny zanakao raha miditra @ tranolay fihaonana, mba TSY HO FATY IANAREO (Ho lalàna mandrakizay hatr@ taranaka faramandimby izany "
Tsy hifanohitra velively anefa ny tenin'Atra.
45. pissoa ( 13/06/2007 04:29)
:-D:-D:-D

Mbelovato : ianao lasa manao "lasitra" asiana an'ilay Jesoa ! Ary rehefa tsy mety miditra ao amin'ilay lasitra namboarinao Jesoa dia hoy ianao hoe tsy hivavaka Aminy ianao ! Diniho ihany ny soratra fa sao ianao hamariparitra andriamanitra vaovao ny hiafaranao raha izao no mitohy !!! Sao Izy no tokony manao lasitra hasiany anao ?

Sady mampihomehy fa andalana iray no alainao dia hoy ianao hoe tsy hifanohitra velively ny soratra masina ... toy ny miteny sahady hoe izay hosoratanareo eo dia tsy izy na dia Soratra Masina aza ! :-D:-D:-D

Ny tsy azonao lavina nefa dia :
1 - Jesoa dia tao amin'ny TV no tena noresahina mivantana ny fiainany tety an-tany.
2 - Jesoa dia nanova ny rano ho divay tao Kana. Nahamamo ve ny divay tao sa tsia ... ady hevitra be atsy ambadika io :-D:-D:-D
3 - Mbola sy resaka divay sy Jesoa hafa fa tsy tadidiko :-D
46. pissoa ( 13/06/2007 04:30)
+++ Jesoa tsy nanoratra teto amin'ny serasera :-D:-D:-D
47. diamondra27 ( 13/06/2007 08:44)
asio size iray ndray zany we: inona no atao we: toaka e!


ny divay sy ny toaka aloha de fantako fa iray ihany ireo , ny pourcentage d'alcool no tsy mitovy

raha jus de raisin zao sy ranompary tsotra de toy ny jus rehetra fa raha traiter-na na andrasana, fermenter-na de lasa mivaika toaka = betsabetsa ny fary ary lasa mahamamo ny divay

ka mety le rano vao niova divay iny no nasaona nosotroina satria divay vao tsy mahamamo

sns sns
48. marozevo ( 13/06/2007 09:25)
Tena fantatro leity fa tsy nisy dom-bera tamin'izany ah... Lazaiko an'ialahy ny porofo : Mbola tsy nisy vera tamin'izany fotoana izany. :lol:
49. naughtyboy ( 13/06/2007 10:09)
aza map:-D tsy porofo less io fa filazana ah=))=))=))
50. prime ( 13/06/2007 10:52)
mbelotavao> Na holavina na handrebireby ny saina na mety tsy hampino mihitsy, azo atao ny mamorona Jesosy araka izay mahamety azy ny tsirairay fa ny zavatra tsy azo ovàna dia izay voasoratra araka ny tenin'Andriamanitra sy voaporofo ara-tantara koa mikasika ny fiain'ny jiosy sy ny divay...

Marina ny lazain'i pissoa, resaka atsy ambadika atsy io fa rehefa divay dia divay... Jesosy tsy mamo na indray mandeha aza, fa ny tenin'Andriamanitra koa dia manamafy fa Jesosy namadika rano ho divay, nisotro divay, namahana divay ny mpianatra (sakramenta talohan'ny paska jiosy)...

Izaho mitovy hevitra aminao fa ratsy ny toaka sy ny zava-pisotro misy alikaola, indrindra fa ny mimamo ary izaho aloha dia anisan'ny mpifady, saingy aoka tsy ovàna izay voasoratra ka soloina fampianaram-piangonana na fampianaram-pikambanana...

Tsy mampiova ny herin'ny tenin'Andriamanitra velively ny hoe Jesosy nisotro divay nefa tsy manamarina ny fisotroan-toaka sy ny fimamoana velively koa... fanamarinan-tena ny mihoatra izany...
51. naughtyboy ( 13/06/2007 15:10)
diamondra >> sahala reo fa tsy mitovy nefa 1 ihany ny anapiko azy fotsiny de malalaka be le oe toaka fa nozaraina @ anarana samihafa oh. labera,rhum,vodka,whiskey sns..
le voalohany ty zao oh. noresahina bebex de mbola tao
Sumeria(mesopotamie)ihany no nahitana azy voalohany atr@ zao 3000 taona talohany io J.K \\\"Sikaru\\\" no anarany t@ zany, na ny re7 aza de hita tany ko sary sikotra vita @ vato: le monument de blau zay voatahiry ao londres British museum atr@ zao de tonga ny sivilizasiona lehibe isankarazany egyptian zay namindra io t@ greek de avy eo tonga ny romana ary taty aorina ny germains sy ny gaulois ary nisy ko ny soavaly telo avy any dago avy eo
reto no ampiasaina anmboarana bex:
l\\\'orge (tsy fantatro @ teny gasy fa azafady),zay ahazaona ny malt base-ny labera refa tafaraka @ levure
Ary houblon sy rano madio
ra efa ela toy izany no nisy ny toaka sy divay de gaga aho fa mbola misy oul mieritreritra fa tsy nisy ny vera t@ androny Jesosy:lol:na de tsy crystal aza..miala tsiny re oul ra somary lava2
52. mbelotavao ( 14/06/2007 03:40)
Prime>> Ianao milaza fa mifady zava-pisotro misy Alcool .... Mahagaga ihany izany ....
J.K anefa lazainao fa nisotro zava-pisotro misy Alcool...... Vao maika mahazendana .... Tokony izay ataon'J.K anefa no ataonao fa Kristianina ianao.
Ao @ fiangonanao anefa misy sampana croix bleu e ? Iza oa no tsy mahalala fa manimba ny zava-pisotro misy Alcool ,ary amina tapitrisa ny olona efa matin'izany .Aoka hitandrina isika ....
53. pissoa ( 14/06/2007 03:47)
Mbelovato > tsy ny zava-pisotro misy alikaola no manimba fa ny fisotroana azy tafahoatra ! Ary io tafahotra io no tsy Kristianina. Ny vinaigre anie ohatra dia misy/avy amin'ny alikaola e, fa inoako fa tsy mifady vinaigre ny boobaka amin'ireo Kristianina "mpifady" taoka !

Sao mifady vinaigitra tokoa aloha ianao e ? :oops::-D
54. ari.malala ( 14/06/2007 06:45)
mbelotavao, tsy hitako izay hahagaga anao raha mifady zavapisotro misy alokaola ny olona iray... sous pretexte hoe nisotro divay Jesoa de tokony hisotro koa ny mpanaradia azy...ianao koa izany tokony manao kapa fingotra sy mandeha mitory teny sy mijanona lava any ampiangonana fa tsy miasa satria izay no nataon'i Jesoa Kristy de tokony atonao satria kristianina mpanaradia azy ianao:-D:-D
55. mbelotavao ( 14/06/2007 15:53)
Ahoana indry ary ity:
Lio 1:15 “Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady ho fenoina ny fanahy masina hatrany ankibon-dreniny aza”
I Jaona mpanao batisa no resahina eto ; izay tsy nisotro toaka mihitsy na divay manimba satria feno ny fanahin'Atra .
J.K izany ve izay misotro toaka raha araka ny voalazanareo tsy misy ny fanahin'Atra ? Sa J.K kelikely fanahy noho Jaona mpanao batisa ?
56. marozevo ( 14/06/2007 22:55)
Nisy vera sa tsy nisy vera tamin'izany. Miala tsiny aminareo namana rehetra fa somary nanao HS kely aho, noho ilay hoe "dom-bera" voalaza ao e...
Fa toa hoe tamin'ny AD firy moa no nisy ny decouverte momba io ?
Resaky ny te-hihomehy iny ka ialana tsiny indrindra re Tompoko ô !
57. naughtyboy ( 15/06/2007 10:52)
inn ty AD fa tsy mazava? nisy ny vera na de mety ts tsy mitovy @ ampiasaintsika @ zao fotoana zao,sivilizasiona anisany nadroso indrindra t@ zany no niainany ry zareo
58. lapino ( 15/06/2007 11:13)
mbelotavao:
Prime>> Ianao milaza fa mifady zava-pisotro misy Alcool .... Mahagaga ihany izany ....
J.K anefa lazainao fa nisotro zava-pisotro misy Alcool...... Vao maika mahazendana .... Tokony izay ataon'J.K anefa no ataonao fa Kristianina ianao.
Avelao amin'ny fiadanana izy rehefa safidiny ny hifady alikaola :wink:

Hoe "tsy izay miditra ny vavan'ny olona no mahaloto azy", mainka moa fa izay tsy miditra ? :)

mbelotavao:
Ahoana indry ary ity:
Lio 1:15 “Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady ho fenoina ny fanahy masina hatrany ankibon-dreniny aza”
I Jaona mpanao batisa no resahina eto ; izay tsy nisotro toaka mihitsy na divay manimba satria feno ny fanahin'Atra .
J.K izany ve izay misotro toaka raha araka ny voalazanareo tsy misy ny fanahin'Atra ? Sa J.K kelikely fanahy noho Jaona mpanao batisa ?
Mba lojikan'olona koa re izany e :^)
59. ari.malala ( 15/06/2007 13:30)
andrekaky ooooo!!! fa kelikely fanahy ahoana ny Zanak'Andriamanitra ry mbelotavao?80:-D:-D
60. prime ( 15/06/2007 14:14)
mbelo:
Prime>> Ianao milaza fa mifady zava-pisotro misy Alcool .... Mahagaga ihany izany
... :wink: Tsy misy mahagaga izany... tsy hitako loatra izay mahagaga amin\'izany, safidy io, afaka misotro aho fa tsy misotro dia inona no mahagaga amin\'izany?
mbelo:
J.K anefa lazainao fa nisotro zava-pisotro misy Alcool...... Vao maika mahazendana ....
... Ahitsy avy hatrany, ny soratra masina no manambara fa nisotro divay Kristy araka ny voasoratra hoe :

\"Tonga ny Zanak\'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan\'ny mpamory hetra sy ny mpanota.\" Lioka 7:34...

Fa tsy izaho \"prime\" kely mpanompo tsy mahasoa ity no handeha hamorona izany... ka inona no mahazendana amin\'izany? hoe manamarin-tena aho sa maninona?

Aoka mba hanana \"honêteté spirituelle\" isika mpino ka manaiky ny zava-misy fa tsy mamorona Jesosy araka ny eritreretintsika... ny Jesosy Kristy inoan\'ny mpino kristiana dia izay Jesosy Kristy lazain\'ny soratra masina fa tsy izay lazaintsika araka ny fampianaram-piangonana velively... raha tsy izany dia mpino mpandainga sy mamita-tena isika ka mamorona Jesosy araka izay eritreretina fa tsy ilay Jesosy voalazan\'ny soratra masina...
mbelo:
Tokony izay ataon\'J.K anefa no ataonao fa Kristianina ianao.
... Tsia tompoko ô... kristiana mihitsy aho saingy tsy izay ataony fa izay ambarany sy ampianariny sy ananarany sy andidiany sy teneniny no ezahiko ankatoavina... raha izay ataony dia efa nanombo ny tenako teo amin\'ny hazofijaliana koa aho... raha izay ataony dia efa tsy niresaka teto aho...
mbelo:
Ao @ fiangonanao anefa misy sampana croix bleu e ? Iza oa no tsy mahalala fa manimba ny zava-pisotro misy Alcool ,ary amina tapitrisa ny olona efa matin\'izany .Aoka hitandrina isika ....
... Misy vokovoko manga tokoa kanefa tsy mandidy ny olona amin\'ny safidiny velively... mikasika ny zavatra simban\'ny zava-pisotro misy alikaola dia zava-doza tokoa saingy tsy io ihany no tena loza fa mbola misy loza hafa ihany koa dia ny fijangajangàna, ny fitsiriritana, ny fialonana, ny fieremana, ny fiahanahana... ny olona matin\'ny fialonana mbola maro dia maro tsy hita isaina...
mbelo:
Lio 1:15 “Fa ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady ho fenoina ny fanahy masina hatrany ankibon-dreniny aza”
I Jaona mpanao batisa no resahina eto ; izay tsy nisotro toaka mihitsy na divay manimba satria feno ny fanahin\'Atra .
J.K izany ve izay misotro toaka raha araka ny voalazanareo tsy misy ny fanahin\'Atra ? Sa J.K kelikely fanahy noho Jaona mpanao batisa ?
... Tsy resaka fisotroana na tsy fisotroana no mahalehibe na mahakely fanahy... ary zavatra tsy azo ampitahaina no ampitahainao, Jesosy Kristy Zanak\'Andriamanitra velona ve dia ampitahaina amin\'ny Mpaminany? ny asa fisoronana sy faminaniana ataon\'ny Mpaminany dia mitaky toetra manokana... ny asan\'i Kristy amin\'ny mahaKristy Azy dia Azy Andriamanitra velona ka na nisotro divay aza Izy tsy nampihena ny fahefàna nomen\'Andriamanitra Azy izany... sa iza isika olombelona no handeha hitsara an\'i Kristy raha nisotro divay Izy?

Miambena lehiretsy isika f\'andrao noho ny tsy fitandremana kely fotsiny dia isika ihany no hamorona ka lasa toy ny miteny ratsy an\'i Kristy... ny soratra masina milaza fa nisotro divay Izy dia nisotro Izy izany, saingy tsy misy ao na dia tendron-tsoratra iray aza hoe mamo Izy...

Ny fampianarana toy izao ambaran\'i mbelo izao no nahatonga fiangonana maro nanao baiboly manokana dia nanesorana izay rehetra mety hamandrika ny mpino ao amin\'ilay fiangonana satria misy zavatra tsy azon\'ny saina ekena loatra ny baiboly \"traditionnel\" misy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089