azo sotroina ve ny toaka?
61. marozevo
(
15/06/2007 17:28)
AD = Annus Dei = Année de Dieu. Raha manoratra hoe 468 av JC dia talohan'i Kristy izany, fa raha hoe 468 AD dia taoriany izany. fanazavana fotsiny iny.
62. mbelotavao
(
16/06/2007 03:55)
Miala tsiny aho raha somary nahery ny teniko fa ny tiako hatongavana ho feniny dia izao:
Ilay divay voalaza fa nosotroiny dia tsotra ihany fa ranom-boaloboka ary amarino any Israely anie raha tsy mbola ramom-boaloboka no anaovan-ny olona any fanasan'ny Tompo e!! Divay tsara izany..
Divay manao ahoana moa no nampiasain’I Jesosy tamin’Izy nanendry ny Fanasan’ny Tompo? Izao no voalaza ao@ Mat 26 : 27-29: “Ary nandray kapoaka Izy , ka nony efa nisaotra ,dia natolony azy ka nataony hoe: sotroinareo ity ; fa ity no rako, dia ny @ fanekena ,izay alatsako ho an’ny maro ho famelan-keloka . Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony aho”
Ao @ Baiboly frantsay (dikan-teny Segond) ny teny hoe: “itony vokatry ny voaloboka itony” ,dia izao no ilazany azy : ce fruit de la vigne” . Mazava ho azy @ izany fa ranom-boaloboka ( tsy nilona na nisy alikaola ) avy @ voam-boaloboka , no nampiasain’I Jesosy ho tandindon’ny rany ,t@ nanendreny ny Fanasan’ny Tompo.
Tsy nisotro toaka na divay ratsy velively izany J.K ary izay no mifandrindra @ ireo divay tsara mirakitra fitahiana voalazan'ny soratra masina.

63. marozevo
(
16/06/2007 09:56)
Io volaza momba ny fanasan'ny tompo io dia tsy maintsy raisina amin'ny contexte général. Any amin'ny boky Levitika no mifototra izy io... Fankalazana ny Paka.... Berakah. Io no nataon'i Jesoa niaraka tamin'ny mpianany.
Raha io no raisina dia tena mazava fa ranom-boaloboka divay fa tsy jus de raisin.

66. prime
(
18/06/2007 14:21)
Mitoy hevitra amin'i Marozevo aho eto... mila jerena @ zava-nisy ilay teny fa tsy mandeha irery ka azo andraisana azy amin'ny hevitra manokana hoe ranom-boaloboka=jus de raisin...
67. mbelotavao
(
19/06/2007 02:14)
Misy fanontaniana manitikitika ahy ity .
Ny mpivavaka ao aminareo izany ve tsy maninona na misotro toaka kely aza fa tsy manao mamo rehefa mandeha any am-piangonana ? Satria J.K ilay ho jereny any efa nisotro kely koa fa tsy nanao mamo ?

68. pissoa
(
19/06/2007 02:30)
Ny fanontaniana manitikitika ahy hatramizao mbola tsy novalian'i Mbelotavao ihany :lol::lol::lol:
Ianao koa ve hoa mifady vinaigre ? :oops:

69. mbelotavao
(
19/06/2007 04:16)
Pissoa>> Eo indrindra isika izao :
Ny dikan'ny vinaigre dia avy @ teny hoe: Vin-aigre ka dia marina tokoa fa karazana dovay misy Alcool izy io fa ataontsika @ fangarontsakafo izy io ary tsy hitako izay maharatsy izany.
Tandremo anefa fa tsy fisotro izy io ? Ianao angaha misotro vinaigre ?
J.K rehefa nohomboana teo ambony hazo fijaliana dia nomen'ny olona vin-aigre fa tsy nety nisotro ny antony fantatrao ihany fa tsy misotro zava-pisotro misy Alcool J.K .
Fomban'ny olona t@ izany mantsy ny fanomezana vinaigre ny homboana mba tsy haheno fanaintainana izy nefa J.K tsy nety.
Mbola porofo iray koa io fa tsy Alikôlika J.K tahakan'ny ambaranareo .

70. pissoa
(
19/06/2007 04:43)
:-D:-D:-D
Enao ny anontaniko aloha fa tsy i Jesoa amin'izao !
Anyway ... nijereko tao amin'ny Baiboly, ka ny soratra ao amin'ny Jaona koa dia hoe
Nandraman'i Jesoa ony ilay vinaigitra ! I Jesoa ve manandrakandrana "fahotana" izany fa tsy tonga dia nahifiny fotsiny ny lohany ? :-D:-D:-D

Jaona 19:
29 Ary nisy bakoly feno vinaigitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaigitra notohiziny tamin'ny hysopa ka nataony tamin'ny vavany.
30 Ary rehefa nanandrana ny vinaigitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
Nandraman'i Jesoa ony ilay vinaigitra ! I Jesoa ve manandrakandrana "fahotana" izany fa tsy tonga dia nahifiny fotsiny ny lohany ? :-D:-D:-D
71. mbelotavao
(
19/06/2007 10:49)
Pissoa>>>
Raha izao no anontanianao dia tsy misotro vinaigre aho fa manisy vinaigre @ salady.
Ny dikan'ny hoe manandrana dia tsy mahafantatra ny tsirony dia manandrana .Samy hafa ny misotro sy manandrana fa tsy nisotro mihitsy J.K
Ity indray misy iray raha mbola tsy mino ihany ianao.
Mark 15:23
"Dia notolorany divay miaro miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy"
Mazava tsara angamba io.
Ianao koa ve aloha efa nahita an'J.K nisotro toaka no tsy manaiky mihitsy e!

72. prime
(
19/06/2007 13:36)
mbelo:... Mamelà ahy r'ise mba hihomehy a...:-D ny mpivavaka ao aminareo ve ry mbelo afaka tsy mankany am-piangonana koa fa maka varin'olona eny an-tsaha dia tsy misasa tanana rehefa misakafo amin'ny andro sabata... satria Jesosy nanao an'izany koa?:wink::-D
Misy fanontaniana manitikitika ahy ity .
Ny mpivavaka ao aminareo izany ve tsy maninona na misotro toaka kely aza fa tsy manao mamo rehefa mandeha any am-piangonana ? Satria J.K ilay ho jereny any efa nisotro kely koa fa tsy nanao mamo ?
73. pissoa
(
19/06/2007 17:28)
Pissoa>>>
Raha izao no anontanianao dia tsy misotro vinaigre aho fa manisy vinaigre @ salady.
Hi hi hi ! Hay ianao izany tsy mifady zavatra misy alikaola akory ? :-D:-D:-D
Fa maninona ny alikaola no mety raha atao amin'ny salady, fa tsy mety raha atao amin'ny salady ? Sa manana karazam-pahefana manamasina alikaola koa le salady ?
Ny dikan'ny hoe manandrana dia tsy mahafantatra ny tsirony dia manandrana .
Jesoa ve dia heverinao fa tsy hahafantatra ny tsirony raha tsy nanandrana ? :-D
Minoa ahy ianao fa tsy ilain'i Jesoa akory ny mamantantra ny tsiron'izany atao hoe "fahotana" raha tena izay tokoa ny fikitihana alikaola. Ary i Jesoa dia tsy hanao mihitsy hoe : Hanota kely fotsiny aho hahalalako ny tsirony :-D:-D:-D
Ity indray misy iray raha mbola tsy mino ihany ianao.
Mark 15:23
"Dia notolorany divay miaro miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy"
Mazava tsara angamba io.
Izaho misotro labiera ... fa tsy hoe isaky izay misy manome labiera dia misotro foana ! Toa tsotra be izany :-D:-D:-D
Ianao koa ve aloha efa nahita an'J.K nisotro toaka no tsy manaiky mihitsy e!
Sao te hiteny koa ianao hoe "Ianao ve efa nahita an'i J.K vatana no manaiky fa tena tonga nofo tokoa izy e " :-D:-D:-D
Izaho tsy niteny mihitsy hoe "mpisotro taoka" (otranao taloha) i Jesoa an ! Hoy fotsiny aho hoe tsy nifady zavatra misy alikaola izy :-D:-D:-D
74. marozevo
(
19/06/2007 22:21)
Mbola porofo iray koa io fa tsy Alikôlika J.K tahakan'ny ambaranareo .
Nitady aho ka nitady, fa tsy nahita olona milaza tato hoe "alkolika" i Jesoa.
75. naughtyboy
(
20/06/2007 16:38)
za tsy momba an'iza2, tsy mila adika ary mazava tsara reo voalazany pissoa momba an'JK sy ny alkola ,
ny anampiako an'io fotsiny de tsy zay misotro rehetra
akory de alkolika daoly fa ao ny mahay mandanjalanja ao ny manao be ambosika ary ao ko ny tsy misotro mintsiny nefa sahy miteny fa ratsy tanteraka io ,na ny siansa aza milaza fa ilainy vatana refa tsy tafahoatra

76. marozevo
(
20/06/2007 21:09)
Sady raha tsy diso aho dia hoy i Paoly ao amin'ny Baiboly ao hoe : "Misotroa divay kely ho an'ny fahasalaman'(ny vavoninao)".
77. mbelotavao
(
21/06/2007 03:51)
Faranako eo angamaba ny hevitro mikasika ity loha hevitra ity ,fa teny nalaina tao @ tenin'Atra avokoa no noresahiko teto fa tsy hevitro manokana.
Tsy mitovy mihitsy anefa ny J.K antsika.
Ny ahy ny fieverako Azy dia modely ; filamatra ;Fakan-tahaka sns....ary tsy misotro izany.
Ny tena musulman ary anie mifady zava-pisotro misy Alcool e!.
Isika Kristianina indray ve no anao fampianarana hoe mahazo misotro fa kely fotsiny.Ary J.K koa nisotro fa kely fotsiny .Vakio tsara daholo ireo voalaza ambony ireo.
Nisy tovolahy kely mpifady zava-pisotro misy Alcool; mpikambana ao @Choral Kristianina nanao fanasana ;dia nolazain'ny membre tao @ Choral hoe misotroa kely fa malalà onony .Dia nanomboka teo no nisotro ary taty aoriana dia lasa mpidoroka ary farany aza moa matin'ny toaka mihitsy .
Tsy aleo ve namporika azy hifady ihany.
Ho afaka @ izany eo anatrehan'Atra ve ireto tanora ireto ? Antsika ny mieritreritra .....
Misaotra ny rehetra nandray anjara .

78. prime
(
21/06/2007 12:33)
mbelotavao> Izaho manokana dia mitovy hevitra aminao fa ratsy ny fisotroana ary tsara ny mifady... raha ny tenin'Andriamanitra no itarafana ny lahadinika dia tsy mandrara velively ny fisotroana fa tsy mankasitraka ny fimamoana sy ny fahamamoana ary ny filibàna kosa... raha ny fampianarana araka an'i Kristy no andinihana azy indray dia tsy niteny mihitsy Kristy na dia indray mandeha aza hoe aza misotro na aza manendry fa nampitandrina kosa ny amin'ny fitondrantena tsy mendrika ka tokony hifadiana ny toaka sy ny ratsy rehetra...
Hafa ny Kristy anao hoy ianao dia mahereza fa tsara ny mihazona ny fahatsaràna araka izay nahafantaranao an'i Kristy fa aza manana eritreritra ny hitsara na dia kely aza hoe ny Anao no tena Izy fa ny Kristy an'ny hafa tsy Izy...:)

79. marozevo
(
22/06/2007 09:09)
Mbelovato > Dia mba torio aminay ary ilay Kristinareo eh... Raha mpitory mahay sy crédible ianao dia hino anao ny olona ary tsy hisy hisotro intsony. Nefa dia hitombo ny mahantra : Ho foana ny asa mahakasika ny famokarana sy famarotana zava-pisotro misy alkaola.... Resaka materialy be izao io, nefa hoy ny fiteny hoe "Raha noana ny vatana mivezivezy ny fanahy".
Na resaka ara-piaraha-monina izao aza dia manana ny anjara toerany ny zava-pisotro misy alkaola. Entina hifanomezam-boninahitra sy hifanajana. Hafa indray ny hoe bobohina ka mahatonga fihoaram-pefy.
Eny tsy mahakasika mivantana fivavahana angamba ireo voalaza ireo, nefa tsarovy fa ny fiainantsika manontolo, fa tsy ny fanahy fotsiny ihany, no tian'i Kristy ho heniky ny Vaovao Mahafaly.
Mifankatiava ianareo, hoy izy, fa izany no hahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo. Io no nolazain'i Kristy-nay sy inoako koa fa nolazain'ilay anareo.

80. prime
(
22/06/2007 13:27)
marozevo> Aoka kosa r'ise a... raha hamarin'ise ny fisotroana satria mamelona firenena (hetra), mampihary tanora (hetra), sy ankohonana maro (asa) ka mampitombo toekarena... na koa hoe hifanomezam-boninahitra dia tsy dia mitovy hevitra amin'ise loatra aho ary eto vao hitako hoe tokony tena hanomboka aza ny adihevitra...
Amiko indray tsinona dia mamono firenena, manimba tokantrano sy fiarahamonina ary mampifandrafy mpirahalahy mihitsy aza ny fisotroana toaka "matetika"... (izay aloha no fahitako azy) mba tsy itenenako aloha hoe manakona ny voninahitr'Andriamanitra mihitsy koa aza...:)
hatreo aloha...