Neny

1. wooda ( 02/06/2007 23:55)
Andro tsy toy ny zato ny andro androany kanefa kosa isan'andro amiko no tena fetin'i Neny!

Bizz be ho anareo Neny rehetra izay mizaka ny jaly sy mitantaina lalandava @ fitaizana anay!

na de efa tsy eto aza izy de mahatsiaro anazy fona ity foko kely feno ratra!

mamela ana ianareo rehetra raha nindrana kely ity tononkalo ny namana ity fa anisany nampatsiaro @ mamako ilay izy!





Ianao ry Neny
No fototry ny aina
Nefa izaho toa singan-drery
Ka mitalaho sy mitaraina

Lasa ianao , izay no lahatra
Fa tsy izaho no mpandahatra
Mbola hihaona any aoriana
Izany koa ny faniriana

Naninona ianao no nandao
Nefa aho mbola mila anao
Mbola kely aho dia lasa ianao
Dia tsy nisy nasolo anao

Neny ô ! ny fivavahako
No indro hatolotro ho anao
Ka ny foko sy ny fanahiko
Hitoetra mandrakizay ho anao

Ho tahiana anie ianao ry Neny
Izay nikolo , nibaby , nitondra ny mangidy
Ka tsy ho hadiniko ireny
Satria ianao no tena Reny

Mahantra ny foko izao
Tsy mahita anao
Nefa kosa mino aho
Fa mitsinjo ahy ianao

Neny malala tsy fohiko
Hatolotro ho anao ny foko
Ho anao irery mandrakizay
Ka ho tsarohana rahatr'izay

Ny fangatahiko amin'ny Tompo
Dia ny hitsinjo anao hatrany
Ka harahako amin'ny foko
Ny fivavahako tsy ho lany

Izay ry Neny no azoko lazaina
Tsy hoe akory mitaraina
Fa ny Tompo anie Hitahy anao
Hoy ity sombin'ny ainao.


Mpanoratra: Fiffi


http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v450e8642a76f0
novalian'i sympa ny 29/06/2007 12:00
2. sitlo ( 03/06/2007 00:49)
:^), tonga dia babo aako na de tsy neny aza

Dia miarahaba ny reny fanindroany ary eh :-* :-* :-*
3. xxx ( 03/06/2007 03:16)
Ho fetin'i Neny : http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v466231f6723ce

:-*:-*:-*:-*:-* ho an'i Dada sy Neniko tiko be na de tsy hamaky eto aza :-D:-D:-D
:-* ho an'ny reny rehetra.

Pissoa
4. tslem ( 03/06/2007 04:02)
Dia faly miarahaba ny reny rehetra rehetra, dia enga anie samy ho tratry ny mitsingeringerina daholo.:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-* ho an'ny reny rehetra tsy an-kanavaka indrindra ny reny namana eto am serasera, misaotra an' i pissoa nanolotra tononkalo :-*
5. tess ( 03/06/2007 06:14)
bonne fete daholo izay maman rehetra e!:-*:-*:-*
izaho ny mamanay efa maty dia:cry::cry::cry::cry::cry::cry:(l)
6. Fiffi ( 03/06/2007 07:19)
Faly miarahaba ny Reny rehetra......Ho tahian'Andriamanitra lalandava anié.

Neny ô !


Androany ihany ony
no natao ho fetinao ?
Androany monja !
Nefa anie ka ny onja
mafy resinao
no tena mampitony.

Fa iza moa no niaritra
ny feoko raha nikiaka ?
ny ditra sy tomany
raha tsy ianao ihany !
Ny sasany aza moa mipiaka
helika ... Finaritra !

Ry Neny tokako eto an-tany,
Ry volako baliaka,
Izao no tarigetra :
Ny andro sisa rehetra
mbola iharahantsika
Dia ho fetinao hatrany.

Mpanoratra: Pissoa
7. nanoukely ( 03/06/2007 07:38)
:-*:-*:-*:-*(l):-*(l) ho an'ny NENY rehetra
8. Fiffi ( 03/06/2007 07:41)
Ry Neny ô
Ry Neny tiako
Ianao no fifaliako.....
9. vale ( 03/06/2007 08:09)
Bonne fêtes dol ah,
tononkalo ho an'ny neny, avy @ ankizy madinika!:lol::°):P

Ry neny o, ry neny tiko
lazaiko anao fa tsy afenina
ny tenako dia mbola kely
tsy manam-bola velively
aza dé omena tsiny
ry nitrotro aany fahiny
fa ny azoko omena
de ny foko volamenà!
bonne fety dol:-*:-*:-*:-*

10. Fiffi ( 03/06/2007 08:16)

Neny

Ho tahiana anie i Neny
Izay nitondra folo volana
Nahitako ny masoandro
Sy ny kintana amam-bolana

Dia i Neny izay nanoro sy nampianatra nivavaka
No angatahiko amin'ny Ray
Ny fitahiana tena mihavaka

Ny tanana manambitamby
Ny lamosinao mpibaby
Ny tratranao fiondanana
Nahitako fiadanana

Ho tahiana anie ry Neny
Ireny rehetra , rehetra ireny
Hivavahako mihintsy
Ny any ambony mba hitahy
Ireo molotrao izya efa zatra nitsiky sy nanoroka

Mbola ho tahiana koa
Ireo masonao manganohano
Rehefa misy halahelo
Dia toy ny dobo feno rano
Ho tahiana anie ry Neny
Ireny rehetra , rehetra ireny

Angatahiko mihintsy
Mba ho eo hatrany an-danitra
Ny havelomanao ry Neny
Raha sendra tsy aharitra

Satria raha eo ianao tsy hakana fitoviana
Fa ny kamboty mbola kely no
Tena fara-fahoriana.
11. Fiffi ( 03/06/2007 08:17)
(raha hitan'i Lanto ity...:))
12. karinah ( 03/06/2007 08:26)
Lanto irery ve ?:roll:
13. diamondra27 ( 03/06/2007 08:50)
za moa izany tsy de mahay tononkalo firy e!

fa misaotra anareo rehetra nahatsiaro anay reny


ho fisaorana azy dia ndeha andeha hiaraka hikalo
(l):-*:-*:-*:-*(l)

http://www.dailymotion.com/relevance/search/neny/video/x247ln_bodo-neny
14. diamondra27 ( 03/06/2007 08:53)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/neny/video/x1pvy5_vilonandroy-ry-neny/1

http://www.dailymotion.com/relevance/search/neny/video/xqikm_poopyneny/1
15. diamondra27 ( 03/06/2007 09:00)
mba mahafinaritra koa ny mahita ny lhl tia reny toy an' wooda sy reto mpihira reto an!

http://www.dailymotion.com/relevance/search/neny/video/x1fslm_kiady-neny/1

^:^^:^
16. karinah ( 03/06/2007 09:03)
Diamondra::D mahay mihira kosa indry na dia tsy manana poème aza koh!!
sotra ah,:wink:
:°)tsaroana fona le féssé kely iny rhf manao bétises , fa anefa fitiavana dol marina izany. sotra t@ hira =D=D=D
17. sipagasy ( 03/06/2007 09:23)
Miarahaba ny rehetra, e!

Mirary ny reny rehetra hanao fety sambatra otronin'ny fianakaviana sy ny zanaka aman-jafy e!:-*

18. diamondra27 ( 03/06/2007 09:36)
karinah:

Diamondra::D mahay mihira kosa indry na dia tsy manana poème aza koh!!
sotra ah,:wink:
:°)tsaroana fona le féssé kely iny rhf manao bétises , fa anefa fitiavana dol marina izany. sotra t@ hira =D=D=D


__________________________

:-D:-D:-D :oops: aoka reitsy e! menatsa be za!
19. karinah ( 03/06/2007 09:43)
:roll: mahay mihira ve de mahamenatsa?:lol::wink:, Milay! kah:P
20. ikalakintina ( 03/06/2007 09:44)
tratry ny fetin'ny reny daholo e!, de mirary soa hoa antsika rehetra e!, de indrindra mahereza am fitaizana e!, fa homba antsika Andriamanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2101