vahaolana ve ny fikapohana ankizy?
1. xxx
(
30/05/2007 07:00)
Miarahaba ny mpiserasera rehetra indray,
Vahaolana ve ny fikapohana ankizy rehefa misy hadalana ataony? ary ny fanaovana teny maharary? Tsy izany mantsy fa manome tsiny ahy mafy dia mafy neninay satria dia tsy mikapoka ny zanako aho fa miresaka aminy no ataoko ampahalalako azy ny tsy mety nataony sy ny tsy tokony amerenany an'ilay izy intsony, mi chouchouter zaza hono aho... Lasa halan-janako mintsy koa neninay amzao, satria refa miteny azy dia ilay manao vavabe manindrona ireny, (sanatria tsy fanaratsiako olona, fa neninay refa miteny de le olona grande gueule ireny), d efa miteny azy foana aho fa tsy mety ilay mahay vava, fa tsy mety miova mintsy izy... Inona koa no tokony atao hanovàna ny toetrany? (ilay mahay vava no tiako tenenina eto) Dia misaotra mialoha e!

novalian'i xxx ny 18/06/2007 14:55
2. Fiffi
(
30/05/2007 07:23)
Vahaolana ve ny fikapohana ankizy rehefa misy hadalana ataony? ary ny fanaovana teny maharary?heu....de hitondra inn nefa io ? vao maika ataony ny haditrana ! inn koh nefa zany hoe haditrana ataony zany ? na hadalana ? rehefa tsy mety am-nao na ny mamanao de atao hoe hadalana ? hummm....aleo ny ankizy mba hanao hadalana....aiza ho aiza ny hadalana vitantsika nefa zany ? :-w:-w
Tsy izany mantsy fa manome tsiny ahy mafy dia mafy neninay satria dia tsy mikapoka ny zanako aho fa miresaka aminy no ataoko ampahalalako azy ny tsy mety nataony sy ny tsy tokony amerenany an'ilay izy intsonynefa tena tsara be zany fitaizanao ny zanakao zany ! zah mahafantatra zaza zay an ! hazavaina azy fotsiny ny antsony tsy hanaovana an'zao sy zao de tsy manao izy ! heu....possible mety hadinony hoe tsy azo hatao fa .....averina aminy ny antony de zay !
mi chouchouter zaza hono aho...normale ! zanakao io koh ! ho iza indray no andé ho chouchoutena raha izany ?
Lasa halan-janako mintsy koa neninay amzao, satria refa miteny azy dia ilay manao vavabe manindrona ireny, (sanatria tsy fanaratsiako olona, fa neninay refa miteny de le olona grande gueule ireny),ka mampatahotra an'le zaza izy ! de aiza kosa ve de tsy mba afaka ny hanao ditraditra mihintsy ve le zaza ? de inn fotsiny no maha-zaza azy raha izany ? sady nga fantany hoe ditra nagé zao ataoko zao raha tsy hampafantarina azy ny mety sy ny tsy mety ?
. Inona koa no tokony atao hanovàna ny toetrany? (ilay mahay vava no tiako tenenina eto)heu....io indray aloha de tsy aiko ....
Fa raha aty ivelany no misy anao de na ny RAD aza tsy mahazo mikasi-tanana ny zanany zany ! hummm.....ny zanaka aty de vitany mintss ny mitory ny RAD-ny raha mikasin-tanana azy !
Raha mandé mianatra le zaza ka mitaraina am le mpampianatra hoe zah nokapohin'i .......hummm;...de ho lasa indray zao enkéty rehetra zao !
3. diamondra27
(
30/05/2007 08:59)
misy fitenenana manao hoe: ny zanaka tiana no anarina
araka ny vanimpotoana ankehitriny dia efa niova ny fomba fitaizana zaza ka io de anjaranao ny manao izay mampety ny fiainanareo
ny fahalalako ny fitaizana ankehitriny dia hoe: tenenina tsotra ilay zaza , aseho azy ny ratsy sy tsara @ zavatra iray dia lazao izy hoe: efa fantatrao izao ny maharatsy an'izao sy zao ka raha misy mahavoadona anao dia zakao irery fa efa nananatra aho
(mba hahatonga saina le zaza io fa tsy hoe: tena arahina ara-bakiteny akory)
Tokony teneninao neninareo hoe: efa niova ange we ny fiainana fa tsy tahaka ny taloha e! de tokony tsy hiditra @ fiainanao koa izy ,zany hoe: tokony hanoro hevitra fotsiny fa tsy tompon'ny teny farany.
Ataovy izay hihavanan'i bebe sy zafikely fa tsy mety izany tsy mifankatia izany
Mbola mety azo resahana le zaza, hazavaina aminy hoe: aza omena tsiny bebe fa zao sy zao...
Mirary soa

4. sakaizakely
(
30/05/2007 09:01)
TSIA DIA TSIA
Tsy vahaolana mihintsy fa fitaizan'ny tsy ampy fanabeazantsaina t@ andro fahiny izany mikapokapoka izany.
Miresaka sy manazava ihany dia ampy. Fitaizana tsy midika hoe mikapoka dia vita. betsaka manko no milaza fa rehefa mikapoka dia mitaiza izay,
ny zanaka tiana no "anarina sy faizina" izany hoe tsy avela ho baranahiny izy ary faizina rehefa ilaina izany. Faizina tsy midika hoe kapoka, azonao sazina izy ahatsapany ny ditrany, somary asintaka kely ary anjorotrano 1-2 mn, tsy mila mitrerona fa somary henjana fotsiny ny fijery sy fiteny. Rehefa tsy zarina @ kitakita ilay zaza dia mora tenenina sy mankato. Asa firy taona ilay zaza.
Aza mety ahodin'ny reninao @ fomba fitaizan'ny ntaolo raha toa tsy mifanaraka @ idealinao izany. Efa vitany ny anjarany, tsy tokony mitsabatsabaka @ fitaizanao ny zanakao izy fa mpitazana fotsiny sisa. Tsy faniratsirana azy izany fa tokony ahatsapa izy fa tsy aferany ny fitaizanao ny zanakao.
Momba ny toetrandreninao indray, lehibe izy ka anjarany ny mieriritreritra ny vokatr'izay ataony. matoa izy manohy dia mbola tsy sendra olona mahay mametraka azy @ toerany. Mihevitra fa mety ny ataony, anjaranareo havany akaiky ny miteny azy tsy ankisy olakolaka.

5. diamondra27
(
30/05/2007 09:02)
raha ditra tsotra tsy mila kapoka fa raha tena manao zavatra tsy mety kosa tokony arahina ratsakazo an!
manjary bandit kely eo io sady ianao indray no darohiny eo @ farany
raha nizarina @ teny mora ilay zaza de tsy mila kapoka izany. Maso mijery fotsiny dia efa ampy mampipetraka azy.
Donc marina ny voalazan'ny Baiboly hoe:"zaro @ lalana tokony alehany ny zaza fa rehefa lehibe tsy afaka aminy intsony izany" =ao @ bokin'ny ohabolana

6. xxx
(
30/05/2007 13:02)
Misaotra sahady @ valinteny.Lahikely ilay zaza ary 8taona. Ny tena olana dia izaho miara mipetraka @ neninay satria tsy manambady (mère célibataire), dia idirany daolo ny momba ny fiainako iray manontolo:-( nisy fotoana aza taloha hatr@ zavatra vidiako hoanjanako avy teneniny hoe aoka izay, izao vidiana hoazy sns, aza mandany vola b sns sns e, hors sujet kely iny, fa ilay ataony hoe hadalana anie dia tsy hitako hoe hadalana be mankaiza e! ohatra hoe avy mianatra ilay zanako dia tsy manolo akanjo fa manipy kitapo dia lasa milalao na mamelona télé dia iny dia efa histoire bbbbbbbbbeeeeeeeeeeee mandritra ny andro... @ maha ankizy ny ankizy dia misy iany ny hakamoana hanao raharaha, ary dia iny koa dia efa
histoire bbbbbbbeeeeeeeeee, @ maha ankizy ny ankizy dia ao iany koa ilay tia manipitsipy akanjo etsy sy eroa, dia iny dia efa hisoire bbbbbbbbeeeeeeee... leo aho e! fa ny tiako anontaniana anareo dia hoe ahoana no fomba anitsiako ilay zanako satria tena lasa mazandoa be mmintsy izy amzao satria leo anle vavabe an'ny renibeany... misy fotoana izy refa za no maniraka azy dia mandeha izy, fa refa ny renibeany no mitenyd ia tena henoy izany ry hazondamosiko.. ary ny tena loza aza dia lazain'i neninay fa ny zanako no fototry ny pb ao antrano sy mampiady anay, satria dia tena mitroatra aho refa vazavazainy lava le zanako fa marary ahy iny ko! asa tadiaviny roahiko aiza angaha ny zanako! tsy azoko mmntsy! ny an'ny olona ny renibe mahatambitamby fa ny an-janako mankahala toa sanatria renikely :-(

9. meva2
(
31/05/2007 07:32)
Bjr xxx,
Izao no fijeriko sy hevitro vitsivitsy momba ity resaka ity.
- Ny zaza dia mila mahafantra ny limite-ny zavatra azony atao. Ary io dia mila vigilance lehibe avy aminao satria rehefa mi dépasser an'io limite io izy dia ho sarotra aminy ny miverindalana ary tadidio fa hitombo izy ary raha mitohy dia any andro iray tsy ho voa contrôler-nao intsony izy.
- Marina fa eo ny fon-dreny, izaho koa reny.Izao no conseiller-ko anao: Makà fotoana kely hanaovana analyse ny fiananareo sy ny fitaizana ny zanakao.
Moa ve misy culpabilité ianao satria tsy misy dada ilay zaza? Moa ve mazava tsara amin'ny neninao ny fomba tianao hitaizana an'ilay zaza? ary sao misy tokony hiova @ toetranao manokana?
- Tiana ny zanaka, maharary ny fo mahita azy mitomany, TADIDIO anefa fa tsy hanampy azy mihitsy raha toa ianao ka tsy mienjana rehefa tsy mety ny ataony.
- Mila fantatry ny zaza hoe iza no lohan'ny fianakaviana, iza no mandidy ao antrano, iza no repère-ny mba tsy ho lavo.
- Izany tsy midika velively fa tsy afaka maneho fitiavana sy tambitamby azy ianao.
- ARY NY KAPOKA DIA ILAINA rehefa mihoatra ny tokony ho limite, rehefa voazava, rehefa nisy fampitandremana.

10. kelly13
(
31/05/2007 07:37)
ianao izany no mipetraka ao @ reninao sa ny reninao no mipetraka ao @nao?
ra ianao mantsy no mipetraka ao aminy d heveriny fa manana autorité be eo aminao sy ny zanakao izy, ary eo ambany "fiandidiny" nareo mianaka.
ra izy kosa no mipetraka ao aminao d tokony handray decision ianao oe aiza ny toeran'ny reninao ao @ tranonao, d aiza ny toeran'ny zanakao.
bon courage na izany aza fa ny reny ange reny fona e! eny fa na d mandreraka aza tsindraindray. :)

11. xxx
(
31/05/2007 12:52)
Hoan'i meva2,
Misaotra indrindra @ teninao. Hovaliako ny fanontanianao hoe misy culpabilité ve aho fa tsy misy ray ilay zaza, misy fotoana aho mi assume iany, fa misy fotoana aho mi déprime hoe raha mba nisy ray ity zaza ity mety tsy ho toy izao... Fa en général zakako iany ny situation ka! refa le tena mitabataba lava neninay no mitady hidaprime aho :-(
Kelly13, mipetraka ao aminy izaho sy ny znako ka! eny e, ny reny reny iany, ary tiako izy fa tsy naita masoandro aho raha tsy izy

12. linarako2
(
31/05/2007 12:56)
Tsy ho voatery kapohana ny ankizy vao hendry.Izay fomba fitazanao azy ihany.Mila bedesina izy dieny mbola kely.Ny mety sy ny tsy mety tenenina aminy.Omena fitiavana koa no tena mandaitra,tsikina lava,miresaka matetika,omena fampaherezana rehefa manao zavatra kely.Ilay manao teny mandratra fo kosa aloha dia tsy mba tiako raha izaho ilay zaza e:cry:Aleoko kapohana indray raha izany.:roll:
13. Samoana
(
31/05/2007 13:52)
xxx:
...Lahikely ilay zaza ary 8taona...
Ampanaovy activité extra-scolaire izy. Mifankaleo ianareo rehetra ( Ianao sy Neny, lezaza sy bebe ) raha anaty trano foana no mizaha vaha-olana.
Raha ampikotraninao izy ( oh: arts martiaux na sport collectif )dia mba very dia no sady mba misy lehilahy mibaiko azy ( ireo éducateurs sportifs ) mba mahasolo ny autorité an-drainy tsy eo anilany hanampy azy. Mahereza e:wink:
14. tisera
(
01/06/2007 03:28)
ny fikapohana zaza be fahatany aloha ho ahy dia tsy tsara mihitsy : tsy misy tsara ohatry ny mifampiresaka , ilay mikapoka koa anefa mety ilaina raha efa zavatra nandrarana ilay zaza ohatra no averiny ka efa nampitandremana izy fa hahazo kapoka: misy anefa zaza handairan'izany , misy zaza handairan'izay kapoka mihitsy an!
ny an'i nenin'i xxx an mety hoe malahelo anao izy @ maha mère celibataire anao dia inconsciemment izay mety ho fankahalany ilay rain-janakao dia any @ fifandraisany @ zanakao no miseho ilay izy .
Efa nolazainao fa tsy mbola afaka ny tsy miara-mipetraka @ neninao ianareo nefa io no tena vahaolana tsara indrindra.
Raha mitombina ny zavatra ibedesan'i neninao ny zanakao dia tsy tokony hanohitra izay lazain'i neninao eo imason'ilay zaza ianao fa manjary ohatry ny hoe mety ihany ny ataony .
Resaho milamina i neninao hoe @ izay zavatra tsy zakanao dia miaraka mihevitra izay tokony hatao , aryambonin'ny toro-hevitra rehetra raha mety dia miaraha-mivavaka ianareo 3 mianaka : mangataka @ Tompo mba samy hahay mifandray tsara am-pitiavana: tadidio fa tena marina ny hoe ny zanaka tiana no faizina sy anarina nefa lozan'izay manome fanafitohinana koa ka raha teny maharary no enti-mananatra dia tsy handaitra.
mahereza hatrany é!

15. nathie86
(
01/06/2007 07:35)
misy ny fiteny hoe ny zanaka tiana tsy hitsitsina rotsakazo. @ko mila kapoina ny zaza refa maditra izy, sady kapohana izy no tenenina hoe tsy mety matoa za mikapoka anao.
Tsy d olana ny mère celibataire fa ny tena olana d enao mipetraka ao @ reninao, mahatsiaro fôna mantsy io neninao io hoe eo ambany fahefany enao ka tokony hanaraka izay teneniny.
Mila choucoutena ny ankizy fa tsy atao gater pourris.

17. meva2
(
01/06/2007 10:34)
Salut xxx,
Tsara fa efa nanao analyse kely izao ianao momban'ilay culpabilité.
Io état d'esprit io dia tena mavesa danja mihitsy satria anisan'ny zavatra mitarika ny mety ho fihevitrao sy ny réaction-nao amin'ilay zaza.
- Ao ny fandeferana (laxisme) satria mampalahelo ilay zaza.
- Izany hoe tsy dia bedesina, tsy dia irahina firy, atao izay hanantaterahina izay zavatra tadiaviny ets...
Be dia be ny olona manana an'io problème io indrindra ny reny, ary matetika dia mitovy daholo ny réaction.
Io dia mila "travail" manokana avy aminao satria:
-mandiso làlana
-Tsapan'ilay zaza dia araraotiny
-tsy hanana sérénité mihitsy ianao
-tsy ho sûre @ tenanao koa
Mafy ny mamelonjanaka irery,kanefa fahasoavana ny zanaka. NY fiainana eo aloha fa tsy ao aoriana. Avadiho tanteraka ny pejy. Raiso ny andraikitra ary indrindra indrindra : NY ANJARAMASOANDRO DIA HOAN'NY REHETRA.

18. xxx
(
01/06/2007 11:38)
MAmerina ny fisaorana ho anareo rehetra indray ny tenako. Momba ilay activité extra scolaire aloha dia efa manao izy e, nampidiriko scout ary dia mazoto sy tamana tsara.
19. miantra
(
01/06/2007 13:35)
Tara aho vao nahita ilay dinika kanefa dia manamafy ny voalazan'ny namana rehetra eo ambony.
Tsy vahaolana ny fikapohana raha vao misy hadisoana raha ny fahalalako azy fa mba Asiana ambaratongany ny sazy.
Mahereza XXX fa tsy mora ny mi-gerer io toerana misy anao io.
Mitondra anareo telo mianaka amim-bavaka.:-*

20. diamondra27
(
01/06/2007 17:38)
rehefa manome kapoka de zao atao
sady mikapoka ianao no manazava hoe: tsy ilaiko manao an'izao sy izao ianao fa efa noteneniko etc....:wink:
Fa raha tsy fantan'ilay zaza ny antony nikapohana azy de tsy misy dikany ilay kapoka
De @iny fotoana misy zava-miseho iny no ikapohana le zaza fa tsy hoe: afaka minitra vitsy na efa tony