vahaolana ve ny fikapohana ankizy?
21. kelly13
(
01/06/2007 19:19)
tandremo kou fa mankarary tanana le mikapoka ka, lolll, experience vécue! hihihi
22. wooda
(
02/06/2007 02:37)
arabaina alou nareo reny rehetra eh!
@ manaraka angambany za mamaky le dinika nandalo teo ambony sy ambany ireo fa manararaotra kely alohany ande hatory!
le fikapohana ankizy aloha de misy ny mahatsara azy, par éxperience io an, fa tsy voatery hitovy fona @ olona rehetra akory! ianareo reny no tena mahay ny mombamoba anay ary hainareo ihany ny ho mety @ zanakareo ho tsara atao sy ny tsy mety ho atao!
mbola hitohy fa :cry: za (efa te dodo mafy be)

23. Fiffi
(
03/06/2007 08:24)
sakaizakely:tena miombion-kevitra @ io zah ! tsy misy an'zany hoe kapohina zany sady miteny aminy hoe tsy mety zao ! tsy misy zavatra hiditra ao an-dohany ny fanazavana ataonao aminy raha harahina kapoka zany !
TSIA DIA TSIA
Tsy vahaolana mihintsy fa fitaizan'ny tsy ampy fanabeazantsaina t@ andro fahiny izany mikapokapoka izany.
Miresaka sy manazava ihany dia ampy. Fitaizana tsy midika hoe mikapoka dia vita. betsaka manko no milaza fa rehefa mikapoka dia mitaiza izay,
ny zanaka tiana no "anarina sy faizina" izany hoe tsy avela ho baranahiny izy ary faizina rehefa ilaina izany. Faizina tsy midika hoe kapoka, azonao sazina izy ahatsapany ny ditrany, somary asintaka kely ary anjorotrano 1-2 mn, tsy mila mitrerona fa somary henjana fotsiny ny fijery sy fiteny. Rehefa tsy zarina @ kitakita ilay zaza dia mora tenenina sy mankato. Asa firy taona ilay zaza.
Aza mety ahodin'ny reninao @ fomba fitaizan'ny ntaolo raha toa tsy mifanaraka @ idealinao izany. Efa vitany ny anjarany, tsy tokony mitsabatsabaka @ fitaizanao ny zanakao izy fa mpitazana fotsiny sisa. Tsy faniratsirana azy izany fa tokony ahatsapa izy fa tsy aferany ny fitaizanao ny zanakao.
Momba ny toetrandreninao indray, lehibe izy ka anjarany ny mieriritreritra ny vokatr'izay ataony. matoa izy manohy dia mbola tsy sendra olona mahay mametraka azy @ toerany. Mihevitra fa mety ny ataony, anjaranareo havany akaiky ny miteny azy tsy ankisy olakolaka.
24. xxx
(
04/06/2007 06:35)
Manamafy ny faiarahabana ny reny rehetra dia mamerina ny fisaorana hatrany. Izaho aloha nisy fotoana tena nanana toetra ratsy faingantanana be de nampalaelo ahy ilay zanako, ka izany no antony nanontaniako ny hevitrareo... Ny nitaizana ahy fahizany mantsy dia kapoka isak'izay mandeha, dia heverin'i neninay fa izany ve no nahomby tsy haiko, fa rehefa niresaka an'izany izahay dia hoy izy hoe fitaizana no nataoko satria noteneniko izy hoe tsy toy ny nitaizanareo ana fahiny hoe voakapoka isak'zay mandeha hoa no itaizako ny zanako fa efa zany no nifankazaranay mianaka hoe miresaka dia hoy izy hoe tsy haiko izay fandraisanao azy fa fitaizana no natao anao fa tsy vono akory, nefa izaho nahatsaap fa nisy tsy rariny iany tao... :-( fa efa lasa moa izany sady tsy miverina intsony...
25. Fiffi
(
05/06/2007 05:41)
hafahafa be zany fitaizana miaraka am kapoka zany an ! heu......de tsy mba mankarary (l) ve ny fikapohana an'io zaza io ?
26. kally
(
05/06/2007 09:24)
Io tsy misy fanabeazana ho an'ny daholobe izany fa miankina amin'ny zaza tsirairay.Misy zaza malefaka mila iresahana, bedesina na jerena fotsiny dia mahalala hoe hatreto ny farany azoko atao. Misy zaza mila kapoka kely vao mipetraka fa na hiresaka aminy mandra-paharivan'ny andro aza ianao, jereny fotsiny.
Na zaza iray tampo aza tsy mitovy ny fitaizana aza noho ny toetrany samy manana ny azy.
Fehiny: izay mety amin'ny zanakao tsy mety amin'ny zanaky ny hafa fa aza mifampitsikera fomba fitaizana.
Na zaza iray tampo aza tsy mitovy ny fitaizana aza noho ny toetrany samy manana ny azy.
Fehiny: izay mety amin'ny zanakao tsy mety amin'ny zanaky ny hafa fa aza mifampitsikera fomba fitaizana.
27. bozyboleta
(
05/06/2007 11:49)
Mpandefa : kally [ Valio ] 05-06-2007 11:24:37
Io tsy misy fanabeazana ho an'ny daholobe izany fa miankina amin'ny zaza tsirairay.Misy zaza malefaka mila iresahana, bedesina na jerena fotsiny dia mahalala hoe hatreto ny farany azoko atao. Misy zaza mila kapoka kely vao mipetraka fa na hiresaka aminy mandra-paharivan'ny andro aza ianao, jereny fotsiny.
Na zaza iray tampo aza tsy mitovy ny fitaizana aza noho ny toetrany samy manana ny azy.
Fehiny: izay mety amin'ny zanakao tsy mety amin'ny zanaky ny hafa fa aza mifampitsikera fomba fitaizana.
Tena marina mihitsy io. Tsy standard ny fitaizana fa ny RAD tsirairay ihany no mahita ze mety @ zanany.
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 30-05-2007 09:23:22
Fa raha aty ivelany no misy anao de na ny RAD aza tsy mahazo mikasi-tanana ny zanany zany ! hummm.....ny zanaka aty de vitany mintss ny mitory ny RAD-ny raha mikasin-tanana azy !
Raha mandé mianatra le zaza ka mitaraina am le mpampianatra hoe zah nokapohin'i .......hummm;...de ho lasa indray zao enkéty rehetra zao !
Satria ny an'ny vaza efa betsaka le hoe enfants martyrisés ka de zay no hitan'ny fanjakana fa vahaolana. De manararaotra koa ny ankizy @ io ary misy aza manao simulation mitsy hoe vonoin'ny RAD-ny hanafenany ny ditrany. Ati-doha koa anie ny zana-baza e!
Fa ny an'ny malagasy de apetrany hoe fananarana sy fanitsiana ny kapoka fa tsy sazy. Izay no mahatonga ny fiteny hoe ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsakazo ary ny tiana ihany no anarina.
Ary ze nahatsiaro voakapoka t@ fahazazany angamba tsy afaka hilaza fa no-martyriser-ny RAD izy t@ izany. Torak'izany koa ze mbola mikapoka zaza @ zao, mahalala ze mety @ fitaizany ny zanany izy.
28. kelly13
(
05/06/2007 12:08)
Fa raha aty ivelany no misy anao de na ny RAD aza tsy mahazo mikasi-tanana ny zanany zany ! hummm.....ny zanaka aty de vitany mintss ny mitory ny RAD-ny raha mikasin-tanana azy !
ny zanaky ny zaobaviko no nanao oe "je v appeler etc..." io fa nomeko (za fa tsy le zaobaviko akory an) ny numero sy ny tel d ozy aho mantsy azy oe "j'en ai marre de tes menaces a la c.., tiens appelle qui tu veux et ca nous fera des vacances qd on viendra te chercher".
30. sakaizakely
(
05/06/2007 16:41)
bozyboleta:
... ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsakazo ary ny tiana ihany no anarina.
Ary ze nahatsiaro voakapoka t@ fahazazany angamba tsy afaka hilaza fa no-martyriser-ny RAD izy t@ izany. Torak'izany koa ze mbola mikapoka zaza @ zao, mahalala ze mety @ fitaizany ny zanany izy.
Anisan'ny voataiza tam zany ny tenako ary tsapako loatra ny tsy fetezany ka noho izany dia tsy averiko aminjanako. Tsy modely ho ahy mihitsy ny fitondrana ahy taloha dia naleoko nitady izay mahafapo ahy ary hitako ihany. Izay tsy mitady ihany no tsy mahita mantsy
Amiko dia samy manao izay takatry ny sainy arakarak'izay fikarohana manokana vitany @ lafiny ara panabeazana. Fa raha ny famonoana sy famelezana tehamaina na fehikibo zaza tsy mitovy hery amintsika no heverintsika fa fitaizana mendrika dia samia mametraka izany @ anjara eritreriny.
Tsy misy ifanomezantsiny izany fa ny ho avy no hitsara ny vokany
31. sakaizakely
(
05/06/2007 17:02)
fa ny fitiavako azy indrindra no tsy ikasihantanako azy, saingy ny fananarana kosa mandeha foana fa tsy hoe rehefa tsy mikapoka dia tsy mitaiza izay
izay mantsy ilay fahadisoana be, mihevitra fa rehefa tsy mamelaka sy mandaka dia tsy misy fitaizana izay.
izay mantsy ilay fahadisoana be, mihevitra fa rehefa tsy mamelaka sy mandaka dia tsy misy fitaizana izay.
32. kally
(
05/06/2007 17:43)
Izaho aloha voakapoka fa tsy voadaroka tamin'ny kely fa hendry aho izao an!:-D
Mafy loha sy tsy hay tenenina loatra mantsy fa ny vavan-dry mamanay foana hono no tataka niresaka tamiko.Ka nahazo tamin'ny rariny tokoa aloha e!
Io ho'a averiko fa samy manana ny azy dia samia manao izay mety aminy fa zavatra tsy azo ifampidikidirana na ifampitenitenenana io resaka io.

33. sakaizakely
(
06/06/2007 08:27)
ka raha maka izay fotopiheverana izay dia manaiky koa ny lhl manangatanana @ vadiny, satria fitiavana ihany koa izany.
ny fanabeazana dia ny fampianarana ny ankizy ahafantatra ny tokony atao, ny tsara sy ny ratsy, hankato. matoa midohika tsy mety manao izay tenenina azy ny ankizy dia ny consigne mihintsy no misy tsy mety ka tokony ovaina, fa tsy hoe nde felahana de bastà. Saingy marina fa ny habetsahan'ny Rad dia tsy te handany fotoana handinika an'zany, no tsy miezaka koa ahafantatra fa misy alternative hafa.
Tsy hoe fitsikerana, fa izay RaD te hamelaka ny zanany dia malalaka izy hanao izany, fa mba tiako asongadina hoe misy sy azo atao ny fanabeazana tsy mikasitanana ankizy, saingy mila fandalinana izany ary tsy vonona hiezaka amin'io fomba fitaizana io ny ankabeazan'ny RaD. Anjarany izany
Pour une parentalité sans violence, dans le respect de la personnalité des enfants.
tsy misongadina mihitsy @ fanabeazana malagasy izany fanajana zanaka @ maha-olombelona kely azy izany fa toa tadiavina ho hankato be fahatany tsy misy fieritreretana foana ny ankizy.

34. xxx
(
06/06/2007 12:21)
Marina mintsy io tenenin'i sakaizakely io! Za (le nanokatra ny lohahevitra iany ity) izao dia tam mbola kely dia tena matin-kapoka mintsy, ary isaky ny namono ana dadanay de mametaka tehamaina ary mandeha ràn'orona fona aho tamzany, ary dia nisy fiantraikany tamin'ny fahasalamako ilay izy taty amzao fotoana izao, nisy fotoana tam za 10 taona, eritrereto hoe 10taona v d hahay an'izany sipa izany? Za manokana alo ts nahalala, fa dia endrikendrika nataon'olona mpiara-manofa trano taminay no nika nahafaty ahy, naika maty satria ireny fil ireny dia tapatapaka tamiko nivelesan'i dadanay ana!:-( tsy nahatoky ana mintsy izy fa dia ny tenin'ilay ramatoa mpiara manofa trano no nohenoiny fa hoe olon-dehibe hono iny ka tsy handainga aminy:-( efa lasa tsy miverina intsony moa izany:-(
35. bozyboleta
(
06/06/2007 12:26)
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 06-06-2007 10:27:25
ka raha maka izay fotopiheverana izay dia manaiky koa ny lhl manangatanana @ vadiny, satria fitiavana ihany koa izany.
Tsy mitovy kosa ny fikapohana ankizy sy ny fikasihan-tanana vady ry Sakaizakely a!
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 06-06-2007 10:27:25
Pour une parentalité sans violence, dans le respect de la personnalité des enfants.
tsy misongadina mihitsy @ fanabeazana malagasy izany fanajana zanaka @ maha-olombelona kely azy izany fa toa tadiavina ho hankato be fahatany tsy misy fieritreretana foana ny ankizy.
Io resaka violence io mitsy no maha-diso hevitra ny maro. Samihafa ny kapoka sy ny daroka an! Taloha tany am-pianarana nahazo kapoka t@ le règle vy reny ny rantsan-tanana refa tsy mahay lesona, tsy hitako aloha ze naharatsy an'izany, fa nampiezaka ny ankizy hiana-desona le izy avy teo. Zay le anatra ao anatin'le kapoka.
Ary io filazan'i Sakaizakely hoe ny fanabeazana malagasy tsy manasongadina ny fanajana zanaka @ maha-olombelona kely azy io ve tsy manao ny RAD malagasy ho tena tsisy fotony mitsy fa mpampijaly zanaka?
Ny RAD tsi-1-1 hoa mahalala ze mahasoa ny zanany avy, ary raha ampitahaina @ an'ny hafa, mbola tena tia zanaka ary mahay mitaiza ny malagasy.
36. kelly13
(
06/06/2007 12:27)
xxx>kay, tena mampalahelo b zany. fa zao e, tsy misy RAD tonga lafatra ry reto fa samy mahita ze mety atao @ zanany ny olona tsirairay a! za klou mikapoka fa aveo marary ny tanako e! ny tena mampimé ahy d refa le mikapoka azy d le couche no kendrena hihihi, @ zay samy tsy marary na za na izy, lollll
37. sakaizakely
(
06/06/2007 13:07)
bozyboleta:
Tsy mitovy kosa ny fikapohana ankizy sy ny fikasihan-tanana vady ry Sakaizakely a!
Mitovy ka ! Samy matanjaka manapatra ny heriny @ kely tsy afaka hiaro tena akory. Amiko dia tena mitovy.
Asa ianao raha mba efa namaky boky mikasika ny fanabeazana, fa raha izaho dia manana ampolony maro aro unanimes daholo izy rehetra milaza fa tsy vaha-olana ny fikapohana zaza.
Ampiharo aminao fotsiny ohatra hoe rehefa tsy faly aminao ny vadinao fa tsy manao ny sitrapony ianao dia felahany satria ananany fahefana. Toy izany no fihevitrireo RaD faingantanana ireo. Heveriny fa maha hendry ny ankizy izany
Hoy ianao hoe mahay mitaiza ny malagasy miohatra @ hafa. Omeo ohatra.
Hoy ianao hoe tsy misy maharatsy ny fikapohana ankizy rehefa tsy mahay lesona. Fiheverana tsy misy psikolojia sy pedagojia mihitsy izany ary tena bontolo feno fahadisoana tanteraka. fony izahay mbola garabola dia nisy zaza maromaro tena bado be, tsy mahay lesona mihitsy, dia nahazo kapoka sy voarirotsofina t@ Ramatoa foana, avy eo mbola mitatibolana amin'ny zay maka azy eo dia voafelaka imason'ny mpiray kilasy mihitsy ireo ankizy ireo. Ka nefa dia lasa mpanera sy mpivaromboanjo eny amorondalana ireo ankizy ireo taty aoriana. Izany hoe tsy nampahay azy akory ny daroka nomena azy sy ny famingavingana azony na t@ RaD na t@ mpampianatra ary ny tena mampalahelo aza dia tsy tafita na CEPE ara ry zareo.
Angamba hoy aho, mety zaza dyslexiques ohatra, no nahatonga azy ireo ho sedra sarotra toy izany. Ataoko angamba fa fantatrao fa tsy fitsaboana dislexie ny fikapohana ny loharantsana
Ohatra fotsiny izany hanehoako fa tsy misy mahasoa @ fikapohana mihitsy. Fa raha tianao moa izany tsy maninona.
Izahay aloha azoko lazaina hoe mba "tsara vintana" ihany satria nenay velesin'i neninay t@ kiraro "fotsiny" ny takolaka, mahazo aller retour kely fanimpanina mitsy sady voatsongo kely mangana herinandro ny sandry kely avy eo.
Fa nisy namanay tena vokapoka t@ fehikibo sy rotsakazo mihintsy, sady am zay alefand RaD mianatra miravaka ilay rotsakazo efa tapatapaka, sady mitondra baoritra misotra hoe zaza maditra. Fitaizana ombampahendrena tokoa ve izany aminao ? Miavaka tokoa ny malagasy ô ? Fitiavanjanaka tokoa izany ary mahagaga raha toa ka fitaizana mahomby toy izany no nataondRaD nefa dia lasa mpangalatra sy mpisoloky ilay iray izay, na dia nosaziana sy novelezina tahaky ny inona hatr@faha keliny aza :roll::roll::roll::roll:
Betsaka tsy ho tanisaina ny zavatra hitako sy niainako taloha ka nahatonga ahy hisolo vava tsy fidiny ireo zaza iharan'ny tsy rariny
38. sakaizakely
(
06/06/2007 13:36)
xxx> mampalahelo be tokoa ny nahazo anao izany. toejavatra matetimpitranga tokoa ny tsy fihainoan'ny RaD ny zanany.
Izaho manokana dia efa hiteraka vao nahalala zavatra be mikasika ny fanabeazana satria mandrampiandry vohoka dia namaky boky maro, ary nampisokatra be ny saiko izany. Soa ihany, fa angamba dia ho namerina ny zavatra niainako fahiny.
Momba ny zanakao dia tsy hitako izay vahaolana mahomby, satria ilaina hifanaraka fomba fitaizana ireo olona mitaiza, izay samy ao antrano io, izany hoe tokony miray hina ianao sy neninao. Raha toa mifandipatra mantsy dia tsy mety satria tsy hitan'ilay zaza izay arahina. nefa izy dia mila lalana voasoritra mazava tsara harahina.
Ny cas n'ny zanakao dia ohatra mampibaribary tsara ny tsy fetezan'ny fikitakitana sy ny fanaovana teny mahery @ ankizy, vao maika aza maha be mokony azy. Efa hita fa tsy mety dia tokony soloina am zay ny tetikady. Mila firaisankina avy aminao sy ny reninao raha toa ka tianareo hahomby ny fitaizana azy.
Rehefa tena tsy mahita vahaolana miaraka ianareo mianaka dia tena aleo misaramonina.

39. diamondra27
(
06/06/2007 13:56)
sakaizakely: oviana akia ndry no malalaka fa mba alefa vakansy any ny zanako
tena tiako be le fomba fitaizandry an!
za tsy miteny we: maditra izy fa hafa ihany le mba mahita ny fitaizan'ny hafa e!
tena tiako be le fomba fitaizandry an!
za tsy miteny we: maditra izy fa hafa ihany le mba mahita ny fitaizan'ny hafa e!
40. diamondra27
(
06/06/2007 13:57)
sakaizakely: lol io fa mba mampiresaka an! ny tena marina dia hita mihintsy ianao fa tena reny tia zanaka .
Vita tompoko
Vita tompoko