vahaolana ve ny fikapohana ankizy?

41. bozyboleta ( 06/06/2007 14:22)
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 06-06-2007 15:07:30
Lohateny : Re : vahaolana ve ny fikapohana ankizy?
Hoy i bozyboleta:
Tsy mitovy kosa ny fikapohana ankizy sy ny fikasihan-tanana vady ry Sakaizakely a!

Hoy Sakaizakely:
Mitovy ka ! Samy matanjaka manapatra ny heriny @ kely tsy afaka hiaro tena akory. Amiko dia tena mitovy.
Ampiharo aminao fotsiny ohatra hoe rehefa tsy faly aminao ny vadinao fa tsy manao ny sitrapony ianao dia felahany satria ananany fahefana. Toy izany no fihevitrireo RaD faingantanana ireo. Heveriny fa maha hendry ny ankizy izany

Ho ana aloha tsy mitovy e! Ny fikasihan-tanana vady araka io lazainao io hoe tsy mety manao zay tian’le lhl atao dia tena herisetra mitsy.
Ny fanontaniana eto de hoe “vahaolana ve ny fikapohana ankizy”. Ny andraisako ny fikapohana eto de le hoe fanitsiana sy fananarana ny ankizy raha maditra fa tsy hoe raha tsy manao ze tian’ny RAD atao. Io maditra io koa manko izao de misy heviny 1000 arakaraky ny tsirairay. Fa ho ana ny maditra de ze tsy mandeha araka ny lalana efa eken’ny fiarahamonina fa mety, ohatra hoe tsy miteny ratsy, tsy misotro toaka, tsy mangalatra...; ary koa araka ny fitsipika efa apetraky ny RAD hifampifehezana ao an-trano ary efa fantatry ny ankizy.
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 06-06-2007 15:07:30
Lohateny : Re : vahaolana ve ny fikapohana ankizy?

Hoy ianao hoe mahay mitaiza ny malagasy miohatra @ hafa. Omeo ohatra.

@ ankapobeny ny RAD malagasy de mbola mampianatra ny sens de l’hiérarchie sy mampita valeur morale @ zanany avy.
Ny ahy raisiko ankapobeny foana fa raha ireo tranga tsirairay raisin’i Sakaizakely ohatra ireo dia sal@ hoe tsy alehany mitsy ny fitaizana nomen’ny RAD malagasy hany ka lasa jiolahy daholo ny zaza malagasy.
Ka ianao le voakapoka t@ kiraro sy voatsongo sofina zany lasa inn? De manome tsiny ny reninao ve ianao t@ fihetsiny fa tsy nandini-tena hoe inn no antony nahatonga azy nanao ireny? Mino aho fa tsy haratsiam-panahy velively no nanaovany izany.

Ny tsirairay ihany no mahita ny mety @ zanany avy e.
42. kally ( 06/06/2007 15:35)
Sakaizakely>> Tsy misy itovizan'ny mpamono vady sy ny rad mikapoka eto.

Ny an'i xxx aloha daroka no nahazo azy fa tsy kapoka ka avaho aloha ilay daroka sy kapoka.

Fa io ho'a samy manana ny mety aminy sy ny mety amin-janany. Na zaza iray tampo mbola averiko fa tsy mitovy mihitsy.

43. pissoa ( 06/06/2007 18:03)
kelly13:

xxx>kay, tena mampalahelo b zany. fa zao e, tsy misy RAD tonga lafatra ry reto fa samy mahita ze mety atao @ zanany ny olona tsirairay a! za klou mikapoka fa aveo marary ny tanako e! ny tena mampimé ahy d refa le mikapoka azy d le couche no kendrena hihihi, @ zay samy tsy marary na za na izy, lollll

ndrooooo ! ontsa be ny foko mamaky ny soratry kelly13 hoe le couche no kendrena :cry::cry::cry::-D:-D:-D

44. kelly13 ( 06/06/2007 18:15)
:-D:-D aleo asina amôrtisera iany kou, mavaivay ny tananay aveo tsinn :°):°)
45. sakaizakely ( 07/06/2007 08:14)
bozyboleta:
Ny andraisako ny fikapohana eto de le hoe fanitsiana sy fananarana ny ankizy raha maditra fa tsy hoe raha tsy manao ze tian’ny RAD atao.


sakaizakely:
ny zanaka tiana no "anarina sy faizina" izany hoe tsy avela ho baranahiny izy ary faizina rehefa ilaina izany. Faizina tsy midika hoe kapoka, azonao sazina izy ahatsapany ny ditrany, somary asintaka kely ary anjorotrano 1-2 mn, tsy mila mitrerona fa somary henjana fotsiny ny fijery sy fiteny. Rehefa tsy zarina @ kitakita ilay zaza dia mora tenenina sy mankato.


bozyboleta:
Io maditra io koa manko izao de misy heviny 1000 arakaraky ny tsirairay. Fa ho ana ny maditra de ze tsy mandeha araka ny lalana efa eken’ny fiarahamonina fa mety, ohatra hoe tsy miteny ratsy, tsy misotro toaka, tsy mangalatra...;


Marihina fa zaza 8 taona no resahin'i xxx eto, tsy resaka halatra sy fisotroantoaka fa efa azavainy hoe

xxx:
ohatra avy mianatra ilay zanako dia tsy manolo akanjo fa manipy kitapo dia lasa milalao na mamelona télé dia iny dia efa histoire bbbbbbbbbeeeeeeeeeeee mandritra ny andro...

@ maha ankizy ny ankizy dia misy iany ny hakamoana hanao raharaha, ary dia iny koa dia efa
histoire bbbbbbbeeeeeeeeee,

@ maha ankizy ny ankizy dia ao iany koa ilay tia manipitsipy akanjo etsy sy eroa, dia iny dia efa hisoire bbbbbbbbeeeeeeee...


Aminao zany ve ditra ? Dia mendrika kapoka sy vazavaza ilay zaza ? Aiza am zao ny "valeur morale" lazainao ?

bozyboleta:
@ ankapobeny ny RAD malagasy de mbola mampianatra ny sens de l’hiérarchie sy mampita valeur morale @ zanany avy.


inona no tianao lazaina am sens de la hierarchie ? Ny zaza @ foko hafa anga tsy mahalala an'izany ?

toy izany koa ny "valeur morale". Raha toa mantsy voatery mindrana teny vahiny ilazana zavatra iray dia concept tsy mi existe izany

raha tianao raisina ankapobeny ny ohatra omeko dia izay fahazahoanao azy atao, fa raisiko @ ankapobeny koa hoe raha toa ka tena vahaolana ny kapoka, nahoana no lasa jomaka le bandikely ? Tsy tokony le ankizy tsy voakapoka mihitsy ve no lasa jomaka ? Eo manko no tena tsy azoko.

Dia tsy haiko koa raha mamaky tsara bozyboleta fa tsy nilaza mihitsy aho hoe izaho ilay voarirotsofina. Fa za kosa klou t@ mbola kely rehefa voakapoka @ tsy rariny dia nolazaiko hoe tsy rariny ny ataonareo, dia vao maika nahazo, izay ilay hoe tsy misy dikany @ olondehibe mihitsy izay mba fahatsapan'ny ankizy, tsy nanaiky nieritreritra hoe tsy ilay voakapoka tokoa no nanao ny hadalana fa dia lasa bouc émissaire fotsiny izy. dia hoy aho tam zany hoe rehefa lehibe aho ka mananjanaka dia tsy kapokapohiko fahatany ry zareo fa anontaniako tsara, ka raha tsy hitako ny porofo dia tsy hikapoka zany mihintsy aho. Notanako io teniko io.

Ary hatr@zao za dia mbola mamerina @ neny foana hoe tsy rariny ilay zao sy zao tam fahazazana ireny ary mbola tadidiko foana. matoa aho tsy nampita am njanako ny fanabeazana voaraiko dia misy antony ao.
46. nikopol ( 07/06/2007 08:29)
vahaolana hoan'ny ray amandreny ny fikapohana ankizy indraindray, mapilamilamitsaina azireo fa tsy voatery ho vahaolana ho an'ny ankizy.

matetika ny raymandreny dia mamerina ny fitaizana natao taminy taminy mbola kely fotsiny ... dia raha voakapoka zany izy dia mba mikapoka ... instinct io

solution simple loatra ilay mikapoka fa tsy mampianatra ny zaza ho tia adihevitra ... hany ka na lehibe aza dia lasa tsy mi-reagir raha tsy misy fampitahorana ...

ny vokatry ny fikapohana dia lasa "relation karoty sy baton" no tena be dia be eo amin'ny société ... fa tsy firesahana firy ...


tsy midika kory zany hoe tsy ilaina ny hentitra ... saingy dinio fa ny olona niaina kapoka matetika na dia "tsara fanahy aza " dia misy takaitrany foana ...

ny hitako ireny olona voakapoka ireny rehefa lehibe dia matetika ( tsy voatery an) sahirana kokoa raha te ho sefo .. satria efa zatra misy pikapoka ...ary raha lasa sefo aza dia ( matetika ) mbola sahirana koa aminy relation amin'ny hafa satria zatra mapiasa "force "


fa fianana daholo zany kalongany e !




47. lapino ( 07/06/2007 09:30)
niko:
... fa tsy firesahana firy ...
Kanefa ny olona afaka miresaka tsara tsy dia mi-raisonne firy :roll::-P
48. bozyboleta ( 07/06/2007 11:57)
>>> sakaizakely [ Valio ] 30-05-2007 11:01:22
Tsy vahaolana mihintsy fa fitaizan'ny tsy ampy fanabeazantsaina t@ andro fahiny izany mikapokapoka izany.
>>> sakaizakely [ Valio ] 06-06-2007 10:27:25
tsy misongadina mihitsy @ fanabeazana malagasy izany fanajana zanaka @ maha-olombelona kely azy izany fa toa tadiavina ho hankato be fahatany tsy misy fieritreretana foana ny ankizy.

Raha takatry ny saiko zany ny fehiny de hoe: ratsy taiza ny malagasy satria notezain'ny tsy ampy fanabeazantsaina sy tsy manaja zanaka @ maha-olombelona??? Pauvre gasy hozy le raikalahy ato zay.

:roll::roll::roll:

49. sakaizakely ( 07/06/2007 12:11)
bozyboleta> izay ve no takatry ny sainao amin'ireo zavatra bedabe voasoratra ireo ? 8O8O8O8O

Mazava loatra :idea::idea::idea:
50. bozyboleta ( 07/06/2007 12:21)
Tena zay no mba takatro e! Hitanao ihany ny gasy tsy de ampy fanabeazana!

Sady aty aminay nge tsatsan'ny delestazy de tsy mirehitra reo takamoa 3 nalefanao reo de tsy mazava le izy e!
51. xxx ( 07/06/2007 13:14)
Miala tsiny aloha ry reto raha toa lasa fifandirana ilay lohahevitra narosoko a! aza tsiny indrindra re e! fa inty misy fanontaniana mba tiako apetraka, indrindra @ sakaizakely, tam za mbola kely dia tsy mba nanan-javatra firy fa nahantra e! misy izany mandeha pieds nus mandeha mianatra :( dia ny tao an-tsaiko dia hoe rehefa lehibe aho ka manan-janaka dia tsy mba ataoko orin-javatra ny zanako raha misy ny azoko atao. Izany tokoa no nataoko, niezaka be aho ny hananany zavatra, fitafiana, kiraro, kilalao sns... kinanjo amin'izao fotoana izao tena lasa tia tena be izy, ary tsy te hahalala ny hafa mintsy, mbola mety hovoaariko ve izany? Misaotra mialoha!
52. sakaizakely ( 09/06/2007 15:59)
xxx > hevitra no ampiadiana dia tsy maintsy misy fifandirana ihany, fa ny valy boraingina dia fanaon'ny olona tsy ampy arguments. Efa mahazatra io

Momba ilay zanakao dia tsy misy mafy tsy laitry ny zoto, fa mila miezaka mafy ianao tsy hanolotolotra intsony mandritry ny fotoana maro, dia miandrasa vanimpotoana manokana vao manome, hialana @ ilay fahazarana.

Andraso ohatra rehefa misy fety iny, tsingerintaona, noely... Raha toa ka izy no mitady zavatra dia asio tambiny sy daty, ohatra hoe raha mahazo naoty tsara any ampianarana, na hoe mandritry ny herinandro, raha toa ka tsy manipitsipy akanjo sy kitapo rehefa avy mianatra fa mampirina tsara. Mampianatra azy hanana faharetana sy hiezaka tanjona iray izany.

Aza avela hanana fitaovana "en double" koa izy fa zaro hoe rehefa simba ihany vao soloina. Marina fa fahafinaretana ho antsika RaD ilay manolotolotra, nefa tokony asiana fitsipika izany mba hianaran'ny ankizy hankafy ny zavatra atolotra azy.

Ny hoe fitiavantena indray, tsy azoko loatra ny tianao ho lazaina amin'io. Tsy mety mizara kilalao @ zandry ohatra ve ? Sa midongy zavatra nefa ny vola tsy misy ?

Misy vahaolana foana eo @ fiainana f'aza manahy.
Mahereza :-*:-*:-*:-*
53. wooda ( 09/06/2007 23:17)
xxx-> aza miasa loha ianao raha toa ka somary misy ny fiandin-kevitra eto, fa ao anatin'ny dinika maromaro no ahitana ny vahaolana indraindray! :wink:

sakaizakely-> Hita mihintsiny ianareo fa tena Tia ankizy sy mahay mandanjalanja ny tokony ho hatao sy ny tsy mety.

Fa ny tiako ho fakafakaina indray de aminay lhl. Matetika manko izahay surtout izaho de malaky mikapoka izay rehefa misy ditra tsy laitra ataon'ilay ankizy!
Mety midika ve izany fa fitiavana hikapoka fotsiny @ maha lehilahy an-tena sa marika ny fitiavana @ le ankizy mba tsy hamerenany ilay ditra?
Samy hafa be manko ny fomba fitaizanareo vehivavy ny ankizy raha oharina @nay lehilahy.
54. naughtyboy ( 10/06/2007 10:39)
samihafa tkoa ny fomba fanoroany Ray sy Reny ny adisoany ankizy nefa tsy azo atao ambaninjavatra ny maha ankizy azy sy ny mahaizy ilay zaza eo ampivoarana.
Za kalo tsy mino mihitsy oe fikapohana no vahaolana mandaitra anitsina ankizy:roll:eritrereto oe averina ndray zany ny fitaizana ratsampaiso sy fehikibo sns
betsaka ny RAR taloha no fantatro nanao izany adisoana B
Na le mpananatra na ny anarina de samy miezaka miaramanala ny sakana misy @ 2 tonta manoloana olana samihafa ajaina foana ny mahaolona ilay zaza nahoana?fadio avy atrany ny ampiasa herisetra @ le zaza avelao isokatra ny sainy mba andanjalanja ny tsy mety nataony
Marihana fa tsy misy olona nateraka ho RAR avy atrany na de nisy aza taratra t@ fitaizana azony @reo niteraka azy fa ny zv atoro ampitiavana mandaitra koko..noho ny omena ankerisetra:)
hevitro ihany iny fa avereno amiko ra misy mahadiso azy:wink:
55. sakaizakely ( 10/06/2007 15:36)
wooda> ny fahitako azy, tsy hoe tsy fitiavana no mahatonga ilay fikapohana, fa tsy fananana faharetana handinika ny antony mahatonga ilay \"ditra\" tsy laitranao. Azonao omena ohatra ditra iray mahatonga anao hikapoka ve ?

Misy antony daholo ny fihetsiky ny ankizy rehetra. Mila fakafakaina kely. Ohatra ilay izy be kitikitika iny, nefa efa tenenina hoe aoka izay na impolo aza. Matetika anefa dia fitsiriritana (curiosité) fotsiny no mahatonga azy hanao izany. Betsaka ny RaD no milaza hoe tsy azo tenenina ity zaza ity, efa lazaina impiry hoe aza mikitikita an\'io mbola manao ihany, farany dia mahazo kapoka ilay zaza

Azo atao anefa ny manome ilay zavatra ho kasihany, azavaina aminy hoe inona iny, ohatra : haingotrano, mora vaky, tsy azo lalaovina fa jerena fotsiny, fa raha te hikasika dia antsoy dada na i neny manampy anao. Rehefa afapo ny curiosité-ny dia tsy mierikerika na mitady hanakatra iny zavatra iny irery izy, satria efa nazavaina azy amin\'ny teny milamina ny antony, fa hangataka aminao hoe ampisehoy ahy indray ilay zavatra. Dia toy izany hatrany, sady lasa zatra mangataka permission izy amin\'izay. Ary any aoriana any aza dia ho hadinony tanteraka ilay zavatra. Ohatra iray fotsiny ihany iny.

Mandaitra be @ zanako hatramboalohany io méthode io ary tena azo atokisana tsy hanakatakatra entana voarara ry zareo fa manontany foana.

nareo lhl tsy afaka hanana ny faharetanay reny satria tsy ianareo no nitondra zaza ankibo. Misy fiantraikany lehibe @ relation aminjaza izany, ataoko fa na samy tia zanaka aza ny RaD, dia lalimpaka kokoa ny an\'ilay reny ka mahatonga azy malemy paika kokoa matetika, na diso mandefitra koa aza indraindray.

Nefa kosa averiko indray fa tsy mampianatra ny zaza hisaina ny kapoka, mahatonga reflexe fotsiny @ hijanonany sur le coup, fa tsy mitondra fieritreretana lavitra. Arakaraky ny toetran\'ilay ankizy rehefa avy eo, misy mamerina antsikirano ilay ditra vao avy nikapohana azy par défi na provocation noho ilay kapoka. Tsy misy afatsy ny teny mora sy ny fanazavana \"juste & cohérent\" ihany, na firy taona na firy taona ilay zaza.
56. sakaizakely ( 10/06/2007 15:55)
naughtyboy> miombonkevitra tanteraka aminao, tsy tsara ny mampiseho herisetra @ ankizy. Satria aminy dia ianao RaD no modeliny alainy tahaka. Inona no anatra azony tsoahina @ kapoka ? Hoy izy any antsainy any hoe "hay rehefa misy olana dia ny herisetra no amahana azy", dia ataony faka tahaka iny rehefa eny ivelany miaraka amin'ny namany mitovy taona aminy izy.

Misy RaD manao hoe an an an, ianao tsy mahazo mikapoka n'iza n'iza. Dia ny ao antsain'ilay zaza am zay hoe dada na i neny mahazo mikapoka, fa za tsy mahazo, misy fiangarana kely izany ny fiainana. dia io notion d'injustice io izany ve no entin'ilay zaza mihalehibe ? Toy ireo RaD mifoka sigara, nefa ny zanany raràny tsy hifoka. Misy incohérence eo, tsy mety @ fitondrana sy ny fanabeazana. Nefa moramora kokoa raha toa ka ny ataonao ihany no alain'janakao tahaka. Izany hoe mila miezaka ny RaD roa tonta ho modelin'ny zanany, eny na dia mety ho sarotra aza izany @voalohany

Tsy misy olona nateraka ho RaR, marina ny voalazanao io, fa mila fanofanantena lava izany, mandritra ny andrompiainana rehetra aza.
57. naughtyboy ( 10/06/2007 17:12)
sakaizakely:wink:eka ouz
58. sympa ( 10/06/2007 20:22)
Neny wooda zany otr'izao zany [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Combat/0018j.gif[/IMG] sa [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Combat/0014.gif[/IMG]
59. wooda ( 11/06/2007 00:29)
:-D:-D:-D:-D

Sympa-> Aleo mba napetraka ilay fanontaniana fa ilaina ihany ny mba hanitsiana ny tsy mety raha mety! Dieny mbola izao! :wink:

Kiss @ le bandy kely any! De fiesta be zany @ fête des pères ah!
60. xxx ( 11/06/2007 11:40)
Misaotra indrindra @ valin-teny ary misaotra manokana ani' sakaizakely nanokatra ny saiko. Indrisy fa tezitra mafy t@ zanako aho teo fa tsy mety mianatra mintsy izy fa kamo be, dia tsy tanako ny tanako fa tafakapoka azy aho:-( ezaka lehibe ataoko indray tsy mikasitanana azy, ary misaotra anareo rehetra fa ahitako zavatsoa eto!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083