Ho an'i niryna

1. xxx ( 28/05/2007 08:42)
Matetika izahay eto no diso hevitra, na disona ny hevitra lazainay. Ifonana aminao ny amin'izany. Ekenanay ny hadisoanay, ary vonona ny hanintsy ny dianay izahay.
Izao anefa: ny tsy fahalalana no mahatonga anay ho diso matetika, ka mahatonga anay hanontany koa. Ny mampalahelo anefa dia tsy mba valianao ny fanontanianay. Indrisy!
Nosokafo ity lohahevitra iray ity ary mba hahafahanao mamaly ireo fanontanianay maro be ato.
Ireto misy ohatra vitsivitsy, fa ataoko mbola ho avy eo ny sasany.

1- izay volaza ao anaty baiboly ihany ve no izy, ary rehefa tsy ao dia tsy azo atao sy tsy azo ekena?

2- izay tsy voasoratra ao anaty baiboly ve dia manohitra ny baiboly? Ahoana anefa ianao mampiasa ordi nefa tsy izany no voasoratra sy voalazain'i Kristy mikasika ny fitorian-teny sy fampianarana?

3- Aiza ao anaty Baiboly ny tantaran'ilay vehivavy jamba? (Ikaretsaka)

4- Baiboly ve sa Kristy no fototry ny finoana?

5- Aiza ao anaty baiboly no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fantatra ny Fanahy Masina? Izaho mantsy rehefa namaky ny baiboly, tamin'ny teny grika, dia tsy nahita an'io mihitsy?

6- Ahoana no asahianao miteny fa rehefa ianareo no miteny amin'ny teny tsy fantatra dia avy amin'ny Fanahy Masina, fa rehefa ny hafa kosa dia misy tromba?

7- Nandidy ny tsy hanaovana sary vongana Andriamanitra, nefa naniraka an'i Moizy hanamboatra sarina bibilava varahina hamonjena ny olona. Ahoana izany?

Izay aloha fa dia manasa ny hafa koa hametraka ny fanontaniana izay tsy mazava aminy eto.

Misaotra anao mialoha

hanilo anao anie ny Tompo
novalian'i namanao ny 07/06/2007 15:24
2. Fiffi ( 28/05/2007 09:34)
ny anaha de faran'zay tsotra no mba tiako lazaina...... http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4659b040d8de8
rehefa mba afaka mamaky an'io jereo eto sy mandalindalina an'io niryna de ampy anaha zay .
3. marozevo ( 28/05/2007 22:21)
Misy antony ao matoa natao anaran'ilay olona mpiserasera mihitsy ny sujet. Ilay antony tsy fantatro loatra, fa toa malaza (Tsara sa ratsy!) io anarana io. Inona no antony ?
Mba afaka mamaly ve ianareo ?
Mba afaka mamaly ve ilay olona voatonona amin'ny loha hevitra ?
4. cutie ( 29/05/2007 00:15)
za koa mba gaga ry marozevo
tsy tokony fanononana anarana oul mitsy ( ps manko ) ny atao lohahevita eto, fa refa misy manitikitika an;i xxx manin tsy andefasana hafatra i Nyrina?
Na tonga de ataovy sujet daholo reo fanontaniana reo ohatra, raha te atao anatin'ny forum le izy.
5. malalatinasoa ( 29/05/2007 03:02)
:roll::roll::roll::?:
6. LazaDaddy ( 29/05/2007 03:37)
cutie> marina tokoa ny voalazanao.

Aleo mba andray anjara hamaly ilay fanontaniana aho na dia tsy niryna aza ny anarako :)

xxx:
1- izay volaza ao anaty baiboly ihany ve no izy?
Tsia ny valin'ny fanontanianao. Tsarovy anefa fa izay voalaza ao anaty Baiboly dia marina, izay mifanohitra aminy dia diso (ho an'izay mahatsiaro tena ho Kristianina)
xxx:
ary rehefa tsy ao dia tsy azo atao sy tsy azo ekena?
Rehefa manohitra ny voalaza ao anaty Baiboly dia diso (ho an'izay mahatsiaro tena ho Kristianina).
xxx:
2- izay tsy voasoratra ao anaty baiboly ve dia manohitra ny baiboly?
Tsy voatery, saingy tsimaitsy atao sy adidy ary andraikitra ny mampitaha azy amin'izay voarakitra ao amin'ny Baiboly ho an'izay mahatsiaro tena ho Kristianina).
xxx:
3- Aiza ao anaty Baiboly ny tantaran'ilay vehivavy jamba? (Ikaretsaka)
ikaretsaka ve no mihafina ao @ xxx sa i legaoma?...sa moa mitovy ihany izany :) Tsy azoko ilay fanontaniana aloha.
xxx:
4- Baiboly ve sa Kristy no fototry ny finoana?
i Kristy, ary i Kristy dia nanamafy fa marina ny Tenin'Andriamanitra. Ka raha milaza fa mino an' Kristy kanefa "mankahala" na "tsy mankatoa" ny Teniny dia "mpihatsaravelatsihy". Raha ny teniny voarakitra boky aza tsy inoana, mba fomba ahoana no ahafahana hino ny teniny tsy voarakitra an-tsoratra raha tsy "fihatsaram-belatsihy?
xxx:
5- Aiza ao anaty baiboly no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fantatra ny Fanahy Masina?
ny nisehoan'io voalohany indrindra araka ny fahatadidiavako azy dia ao @ Jenesisy 11
xxx:
6- Ahoana no asahianao miteny fa rehefa ianareo no miteny amin'ny teny tsy fantatra dia avy amin'ny Fanahy Masina, fa rehefa ny hafa kosa dia misy tromba?
tsy afaka mamaly an'io aho satria mivantana manokana amin'i niryna ilay fanontaniana :)
xxx:
7- Nandidy ny tsy hanaovana sary vongana Andriamanitra, nefa naniraka an'i Moizy hanamboatra sarina bibilava varahina hamonjena ny olona. Ahoana izany?
mila voatsihary ve ilay Andriamanitra hoy i xxx? :)
7. niryna ( 29/05/2007 03:38)
[quote=xxx]
Any xxx.Bjr.Voalohany indrindra aloha dia misaotra anao aho nametraka ny anarako ato,misongadina irery.:D.Ny antony aloha dia ianaoa sy Atra no mahafantatra izay ao anaty sainao ao.:D
Raha resaka zavatra tsy valiana,tsy ho voatery ho hitako indray mandeha daholo izay valin-tenin'ny olona.Ianao koa ve mba manaraka ny valin-teny any ambadika any?Tsy no valina,ny antony dia tsy mbola nijery ny sujet mikasika izay nanontanianao aho dia novaliako ao ilay izy.Vao maika aza mampazoto ahy izany,indrindra fa ny fizarako ny vavolombelona.
Ianareo moa tsy tia miresaka Baiboly ka mino aho fa tsy hitovy mihitsy ny fitiavana raha izany.
Raha toy ny namana rehetra manontany zavatra iray indray,raha namaky iny aho ka fahalalako kely izay fantatro no resahiko aminy dia ho faly izy.Raha olona tsy hino sy mitovy ny zavatra tiako ho tenenina aminy kosa indray dia tsy hino izay resahiko izy.
Raha manontany ny olona misy teny tsy ilaina valiana,raha manompa anao ny olona na manao teny tsy mandeha amin'izay alehany.Tsaratsara kokoa ny tsy mamaly toy izay miteniteny foana.Fivavahana no resahina ka mila fidina tsara izay teny avoaka sy resahina.Io no teneniko mandrakariva hoe izay avoaka ato anaty soratra ato no ao anatin'ny fon'ny tsirai2.
Raha tsy mamaly ny tenin'ikaretsaka aho,angaha ianao no ikaretsaka sa xxx iany no manonona ho izy.?Sorry Ikaretsaka:roll:
Maninona no izaho irery no tsy maintsy hamaly azy"=))=))=)).Izaho anie tsy mandray karama ato amin'ny serasera e,tsy tompon'andraikitra ato koa aho e,eny manao asa soa aho,mitory teny ho an'izay mandray,tsy voatery mandray izay tsy tia,tsy voatery hamaly ny fanontanian'ny mpanome sujet izay mpamaky.Tsy voatery hamaly ny fanontanianao koa aho izany.Zavatra tsotra sy marina dia mijere ny baiboly mikasika ilay Fanahy Masina.
Fianarana no ataontsika rehetra eto,tsy misy milaza azy ho tapo-pahaizana eto,ny fantatra kosa dia tsy mamaly ny sujet araka ny tokony ho izy ireo olona manana saina????.Mivoana foana ny sujet.
Maninona no tsy notenenina ny rehetra hoe o ry namana ato amin'ny sera2 a ,aiza re-no misy ny toy izao.
Na inona na inona koa no valin-teny sy fanazavana omeko anao dia tsy hino ianao raha tsy ao anatin'izay efa noheverinao ho valiny ilay izy.
FA HOE HO AN'I NIRYNA ITY.:D:D MISAOTRA RY XXX A MAHAFALY AHY IZANY.:*:*:roll:8):lol::cry::D:D:D
Tsotra ny valiny:Baiboly ny ahy iresahiko ,hitoriko ,hijoroko vavolombelona.:arrow:Raha te-ahalala kokoa ny ao anaty baiboly ianao dia araho ny scriptures na teny izay omena voasoratra ao anaty Baiboly.Ny olana amin'io anefa dia ity8-)8-)8-),misy ny manala ,misy ny miteny hoe iray Atra,misy ny miteny hoe Atra tsy Jesosy kristy.Koa raha tsy mifanaraka ny Baiboly izay vakiko ny anao dia ilaza indray ianao hoe tsy ao io.
Misaotra indrandra.Ny mampihomehy ahy dia ity,maninona ianareo rehetra izay manao teny manohitra na ny resahiko,na ny fanontaniana no miafona ao anaty XXX daholo?
Mijoro amin'ny tena izy fa aza afenina ao anaty xxx ao foana ny tava.
May God bless you xxx and ask Him to lead you,guide you,protect you,.The word of God correct us,convince us,clean us,and equip us.Aks Him to send you the Holy Spirit.For me,He is the only Hope.With Him everything is possible if we believe Him.

Mangata amin'Atra mba hitantana,hitarika,hiaro anao.Ny tenin'Atra no manitsy,mandresy lahatra,manadio.Angataho izy mba omeny ny Fanahy Masina ianao hitari-dalana anao.Amiko izy irery ihany no fanantenako.Tsy misy zavatra sarotra Aminy rehefa mino Azy.
(l)niryna

8. majesty ( 29/05/2007 04:46)
Tsy mahazo mamaly ve izany ny tenanay :D;
Tsy maninona fa mba manao specta kely zany aloha androany :D
Dia mahereza Niryna a,ianao izany no voafidy manokana androany :-*
9. niryna ( 29/05/2007 04:57)
xxx:


Matetika izahay eto no diso hevitra, na disona ny hevitra lazainay. Ifonana aminao ny amin'izany. Ekenanay ny hadisoanay, ary vonona ny hanintsy ny dianay izahay.

Maro be angaha ianareo ato:roll::roll: no miteny ianao ,izahay.Tsy tokony hifona amiko ianao.8O Mandehana any amin'i Tompo ,mifona any aminy raha mahatsapa tena ianao fa misy zavatra fantatrao fa tsy mety kanefa ninianao notoherina ny teniny na ninianao tsy norarahina fa ny anao no marina.Tsy misy olona iray marina eto an-tany na ny tenako izao koa aza dia mpanota.Mangataha famelana any aminy.Raha hoe mba hivavaho aho ,dia tsy maninonoa fa vonona aho ny hivavaka anao.:D
*** Matetika koa isika dia tsy manana faharetana,ary manantena fa tsy maitsy ho valiana araka izay tiantsika hamaliana azy ity.Miankina ny tsirairay io.Mila mianatra ny fiandrasan-tanana izany isika.Samy mbola mianatra an'izany na izaho izao aza,misy zavatra tsy mifanaraka ny loha,miandry bus,maika ny ahavita zavatra sns.Mihirahira aho ary miezaka ny tsy ho tezitra fa manontany tena hoe ,misy mahazo matoa tsy tonga ara-dalana ny bus.Ohatra ny ahy io fa tsy mivoaka akory ny fanontaniako a.Io no iray sarotra indrindra amin'ny fiainana.Mianatra manetry tena,tsy ny moi,moi lava fa mijery aloha.

Izao anefa: ny tsy fahalalana no mahatonga anay ho diso matetika, ka mahatonga anay hanontany koa. Ny mampalahelo anefa dia tsy mba valianao ny fanontanianay. Indrisy!

Mampitoma ianao izany raha tena amin'ny fonao tanteraka izany,izaho irery ihany angaha no tianao hamaly azy:cry:,sa eritreretinao fa fantatro daholo ny zavatra rehetra fa tsy mba niangavy ny rehetra ianao hamaly azy:wink:Aza malahelo ny fon'i xxx fa ezahiko valiana araka izay izy.Eo aloha omeko :* fa nalahelo tsy nahazo valiny taty amiko (l)niryna.
Samy mbola mianatra daholo na izaho na inareo izay lazainao (pluriel).Raha tsy ohatra angaha ka efa tapitra ohatra amin'ny fahaizana fivavahana ianareo,izay indray aloha no tsy fantatro.:idea::idea:
Ny tsy fahalalako sy ny fitadiavako ny marina koa no mahatonga ahy andany andro hamaky ny baiboly8)

Nosokafo ity lohahevitra iray ity ary mba hahafahanao mamaly ireo fanontanianay maro be ato.
Ireto misy ohatra vitsivitsy, fa ataoko mbola ho avy eo ny sasany.

Ka ianao ve aloha hianatra sa mandrebireby fotsiny e,omeko izay kely fantatro fa aza malahelo.:idea:Naninona no tsy nalefa tany amin'ny hafatra manoka ho ahy raha tena tsy nahandry ianao.:?::roll:Rehefa zavatra tiana no ho resahina dia mazoto koa ny olona hamaly ka na mbola variana miasa sns.Tsy voatery hamaly koa anefa fa tadidio, matoa aho mamaly dia safidiko izay,matoa ianao mandray,dia safidinao izay,matoa ny olona miditra ato dia samy te-ahazo fahafinaretana sy fianarana.Ny an'ny hafa,safidiny ihany koa izay antony idirany ato8-)
Tsy ho voatery hanaraka na hamaly ny olona.Toy izany ihany koa aho.Raha tsy ohatra angaha ka nisy zavatra mety nazahoana fifaliana sy fianarana tao.Matetika ny mizara no fantatro ary mamaly izay fantatro aho.
Eny alefaso ny fanontanianao fa valiako araka izay kely fantatro,mivavaha koa anefa manomboka androany isaky ny mamaly zavatra ianao,na hiditra amin'ny sehatry ny fivavahana fa mahery ny satana,isika olombelona ihany no anisany tohatra sy fitaovana iray manaiky ampiasainy.Izay no mahatonga ny fitenenana hoe miambena ianareo.Mino an'izany ianao sa tsia fa ny olona no fitaovana ampiasainy,sao dia eritreretina hoe olona ratsy tarehy misy tandroka,m,m .m Anjelin'izao tontolo izao izy ary ity toerana hipetrahantsika ity dia azy sy ny namany rehetra?Satana no lehibeny,ny devoly no miaramilany,ny demony indray no mipetraka amin'ny olona ka ireny no esorina.Asa mino an'izany ianao sa tsia.

1- izay volaza ao anaty baiboly ihany ve no izy, ary rehefa tsy ao dia tsy azo atao sy tsy azo ekena?[quote]
Efa novaliako io ary mila manao recherche kely ianao fa tsy namaky ny valiny any amin'izay toerana nametrahanao an'io fanontaniana io.:wink:
Tsy mazava ny fanontaniana,no izy amin'inona,tsy azo atao amin'inona,tsy azo ekena amin'inona?Azavao tsara fa tsy mazava.
[quote]2- izay tsy voasoratra ao anaty baiboly ve dia manohitra ny baiboly? Ahoana anefa ianao mampiasa ordi nefa tsy izany no voasoratra sy voalazain'i Kristy mikasika ny fitorian-teny sy fampianarana?
.Ahatsiarovako ilay mpampianatra ahy io fanontanianao io Civilization,hiverina amin'ny fitafiana ravin-kazo indray izany ny olona?
Maninona no tsy maka vato dia kasokasohy amin'ny hazo ela eo mandra-pirehitry ny afo,maninona no mividy afokasika?:roll:
Matetika ny olona rehefa tsy matoky tsara ny finoany dia mitady hoe raha misy izao dia izao,raha tsy izao dia izao,tsy vao androany aho no nahita an'io,ny tena marina dia mino ny fisian'ny Tompo ianao fa manana fisalasalana kellllyyy e! ianao no mahalala ny antony.
Toy isika mivavaka ireny.Mitady ny valimbavaka ka rehefa tsy mamaly ny Tompo dia manome tsiny Azy .Mila mandinika tsara isika dia mamontany tena hoe inona no antony,moa ve aho nisaotra Azy aloha,nifona taminy,nidera Azy,izay vao nangataka?Mivavaha mandrakariva anefa fa mihaino ny fitarainan'izay mitady Azy amin'ny fony tanteraka Izy(l)(l)(l).Izay no mahatonga ny hoe te-hiresaka anin'ny Tompo ianao?Mivavaha,miresaha aminy,tsy mila diploma io,tsy mila fahaizana miteny io,fo madio sy torotoro no atolory azy,tsy mila hianarana tsianjery io,toy ianao miresaka amiko izao,toy izaho mamaly anao izao.Toy izany ihany koa no hiresahinao ny Tompo.Manaova aza fanandramana manomboka anio.Te hihaino fa miresaka aminao ny Tompo ianao?Mamaky Baiboly fa ao anaty Baiboly izy no miresaka antsika.
Hisaorako Azy koa fa nisy ny ordinateur ahafahako mifampizara amin'ny rehetra sy mampianatra ahy ny tokony ataoko,arahako,finoana hafa izay nodinihiko ary mino aho fa tsy izaho irery ihany no hisaotra amin'izany fa ny rehetra,ianao koa tafiditra amin'izany.Io izao no fitaovana iray nampiroborobo ny fivavahana,fitoriana ny filazantsara eran-tany.=D=D=D Tsy ho voatery manana an'io ianao vao afaka mandray anjara,afaka mankany amin'ny bibliotheque na librairy manao fanadihadiana mikasika ny fivavahana,ianao indray ve atoro an'izany na zavatra hafa.Izahay ary mba mahita mangirana kely afaka manao koa maika fa ianareo rehetra:cry:.Toy ny finoana io e,na kely aza dia hamoa be tokoa rehefa manana ny finoana an'i Tompo.
3- Aiza ao anaty Baiboly ny tantaran'ilay vehivavy jamba? (Ikaretsaka)

Voalohany indrindra aloha ,raha ikaretsaka i xxx, dia aleo izy hanontany ahy mivantana.Sa moa ianao efa nilaza fa izahay ka tsy fantatro intsony izany ++++
Isika indraindray tsy mamaky tsara izay voalaza,faly aho nampahatsiahy ahy ianao fa ho resahiko ao ambony ao ny antony nanokafako an'iny sujet iny.:@
4- Baiboly ve sa Kristy no fototry ny finoana?

Tratra indray i xxx fa efa novaliako any amin'ny sujet nanontanianao io.:°)
Finoana dia maro:Anjaranao ny mamaly azy,Kristiana mino sy manaraka ny hafatra nomen'i kristy.
Silamo dia toy izany,tanisao daholo izay finoana fantatrao ka na ianao irery ihany aza dia hiteny na iza no hinoanao na iza8-)8-)
.
5- Aiza ao anaty baiboly no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fantatra ny Fanahy Masina? Izaho mantsy rehefa namaky ny baiboly, tamin'ny teny grika, dia tsy nahita an'io mihitsy?

Ianareo moa tsy tia mamaky baiboly koa ahoana no hanomezako ny andininy sy ny andalana ho anareo;-)
Porofo iray koa izany fa tsy mamaky baiboly ianareo raha milaza fa tsy mahita ao.Toa bentika ianareo mahita andininy maro dia maro,bentika indray toa tsy mahita:roll:8-);-)
(l)niryna
10. Fiffi ( 29/05/2007 05:23)
marozevo: tongasoa aloha enao :) faly mahita anao eto indray :)

"niryna":
Ianareo moa tsy tia mamaky baiboly koa ahoana no hanomezako ny andininy sy ny andalana ho anareo
Porofo iray koa izany fa tsy mamaky baiboly ianareo raha milaza fa tsy mahita ao.
ahoana kosa moa no ahafantaranao fa tsy tia mamaky baiboly ny olona ?@ zay tena porofonao mihintsy le izy......

Tsy sarotra angé ny valin'le fanontanian'xxx an ! omeo eto fotsiny hoe aiza ho aiza ao anaty baiboly io satria mety tsy hitany ?
11. niryna ( 29/05/2007 05:31)
xxx:

7- Nandidy ny tsy hanaovana sary vongana Andriamanitra, nefa naniraka an'i Moizy hanamboatra sarina bibilava varahina hamonjena ny olona. Ahoana izany?

Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.

Izay aloha fa dia manasa ny hafa koa hametraka ny fanontaniana izay tsy mazava aminy eto.

:roll::roll:=))=)).Fa maninona tsy avadika ny teny hoe mangataka anareo mba hamaly koa aho fa ny hoe mangataka ny rehetra hanome fanontaniana an'i niryna.
Sao dia mba tsy mety izany ka hijoro eo indray ianareo xxx eo ambony hoe lasa mpampianatra indray aho.Tsy misy mahatezitra ahy izany fa alefaso fa vonona aho hamaly raha mikasika ny fantatro ao anaty Baiboly.
*** Tadidio koa anefa fa raha manontany zavatra ahy mikasika ny soratra masina ianao dia samy mila mitandrina na izaho hamaly na ianao mametraka fanontaniana ka mihaino.Antony,samy mbola ho hadinina isika ka raha zavatra diso no omeko,izaho no mandray ny vokany,raha nomeko kosa anefa ianao fa fanatsiratsirana na fankahalana na tsy aiko no omenao ahy dia hovaliako tsara,ianao izany efa naheno ny teny tao anaty Baiboly kanefa tsy nandray,dia anao sy Atra no mifandahatra.Ataovy hoe aiza amin'[ny baiboly koa hoe izany?Omeo ahy fontsiny ny andininy sy ny tonony fa rehefa tsy haiko ve tsy mba ho valian'ny namana hafa ato.:roll::wink:@ serasera,hitanareo mamaly mivantana eny ihany ny olona.Fa saingy tsy mihaino sy tsy miraharaha ianareo.Samy tsaraina izay ataony hono isika mantsy ka raha mahalala kanefa tsy miteny dia ho ahy ny fahadisoana(ny mpivavaka sy mpino ny Tompo no teneniko eto)raha miteny kanefa tsy mino na tsy mihaino dia ho an'izay olona tsy nandray izany.

Voninahitra anie ho an'i Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay.^:^dia ^:^.

12. Fiffi ( 29/05/2007 06:01)
"niryna":
Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.
an ?
13. xxx ( 29/05/2007 07:36)
Mba valio tac au tac ny fanontaniana re olona fa aza arahina fitorian-teny be fa sady mandreraka no mahamonamonaina ny mamaky azy
14. nathie86 ( 29/05/2007 07:42)
le hoe miteny @ teny tsy fantatra ndray aloha ra araky ny ao @ Baiboly d tsy hoe teny tsy fantatra no noteneni'ireo ol fa teny avy any @ fiaviany tsirairay no notenenina ao @ Acte des Apotres ngamba no misy izay ra tsy diso zà.
Fa za ko mba gaga @lay hoe ho an'i Nyrina fa mis in kay:roll:
15. xxx ( 29/05/2007 08:13)
niryna:


Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.



Tsy nampoiziko ho ianao no hamaly ohatr'izao
16. xxx ( 29/05/2007 09:13)
Voalohany: ataoko fa efa fanao eto ny manokatra lohahevitra iray mba isaorana olona manokana. Efa nisy nanao tany aloha tany koa nanokatra lohahevitra iray ary miantefa amin'ny olona iray ny fanontaniana. Ka ny tsy azoko dia hoe: nahoana no omena tsiny ny tenako rehefa mba manokatra lohahevitra iray hanontaniana zavatra maro tsy mazava voalazan'i niryna? Sa matahotra ny sasany hoe ho tratra eto androany ny hadisoana be antsika?

LazaDaddy: mampalahelo ianao fa miditra amin'ny zavatra tsy fantatrao ka manao valin-teny vilana. Mba vakio tsara ny fanontaniana rehetra. Misy antony matoa nametraka ireo fanontaniana ireo taminy aho.

Mba valio araka ny tokony ho izy ny fanontaniana ry niryna fa manahirana a!

Izay ao anatin'ny baiboly ihany no lazaiko hoy ianao. Izaho anefa lazainao fa tsy mamaky baiboly. Marina aloha fa tsy mba mamaky baiboly amin'ny teny frantsay sy teny anglisy aho fa amin'ny teny grika sy armaniana ihany e. Ka angamba izay no tsy nahitako an'ireo lazainareo sasany ireo. Izany hoe baiboly vaovao tsy mba nadika avy amin'ireo teny nanoratana azy voalohany ireo angamba ny anareo ka izay no tsy haiko.
17. xxx ( 29/05/2007 09:36)

Nangata-pamelana sy nifona tamin'ny rehetra aho noho ny hadisona nataoko. Ho ahy, araka ny fampianaran'i Kristy, dia izay no zavatra tsy maintsy atao raha mahatsapa fa diso. Tsy miaky heloka sy mangataka famelana amin'Andriamanitra fotsiny, fa amin'ireo olona nanaovana hadisoana koa. Izay no narahiko kanefa mbola nodisonao indray moa aho ny amin'izany ka tsy haiko intsony hoe: Baiboly inona sy nadika avy amin'inona io Baiboly vakinao isan'andro io?
18. xxx ( 29/05/2007 09:48)
Ianareo moa tsy tia mamaky baiboly koa ahoana no hanomezako ny andininy sy ny andalana ho anareo
Porofo iray koa izany fa tsy mamaky baiboly ianareo raha milaza fa tsy mahita ao.

Averiko eto fa tsy misy izany hoe: miteny amin'ny teny tsy fantatra izany ny ao anaty baiboly.

Omeo ny adiny sy toko misy azy, ary omeko anao koa ny dikany amin'ny teny nanoratan'izay nanoratra azy voalohany, dia hataontsika miaraka ny fampitahana. Ary ho hita eo na izaho no tsy mamaky na ianareo no mandika vilana.
19. diamondra27 ( 29/05/2007 10:45)
marozevo:

Misy antony ao matoa natao anaran'ilay olona mpiserasera mihitsy ny sujet. Ilay antony tsy fantatro loatra, fa toa malaza (Tsara sa ratsy!) io anarana io. Inona no antony ?
Mba afaka mamaly ve ianareo ?
Mba afaka mamaly ve ilay olona voatonona amin'ny loha hevitra ?



za aloha de mahalala fa i nyrina dia tena olon'Atra tokoa ary te-hampita ny fahalalany momba an'Atra amintsika (mizara araka ny efa nasain'i Tompo natao taminy)
te-hitarika antsika ho eo @ Atra

ny but-ny xxx indray de tsy haiko satria xxx tsy mitonona anarana fa raha fantatra mety ho haiko ihany

ny fantatra fotsiny de we mety mila fanazavana tsara izy fa misy tsy arany le izy.

marozevo: bizz de tonga soa indray :-*:-*

20. diamondra27 ( 29/05/2007 10:54)
za tsy we momba an'i xxx fa fanontaniana azo atao tsara izao amiko satria i nyrina ange no efa nanome dinika momba ireo dia atao diredte izany le fanontaniana ary mety hahasoa ny rehetra dia atao eto e!

tsy voatery hoe: côté négatif foana le izy fa mety misy zavatra tsy aritr'i xxx ao manitikitika azy momba izay voalazan'i nyrina dia io anontaniany io

Sao dia misy mieritreritra aloha fa izaho ihany io i xxx manoratra eto io fa aleo ny ahy no ataoko tonga aloha satria efa haiko daholo ny fihetsiky ny akamaroan'ny mpidinika eto, fa tena tsy haiko mihintsy io xxx manoratra eto io ary tsy te-hahalala aho hoe: iza izy.


Tena tsara fantatra daholo ireofanontaniana ireo na de tsy nyrina aza isika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5026