Ho an'i niryna

21. soanja ( 29/05/2007 11:43)
Tafaverina soamatsara ve i Marovezo? Tongasoa!

Azo atao tsara ny mametraka fanontaniana ho an'olona iray eto amin'i forum nefa afaka jeren'ny rehetra. Raha manabatibaty sy manazimbazimba olona fotsiny no tsy mety sy tsy tsara.
Afaka mandray anjara mamaly koa zay mahita havaly.
Ny zavamisy mantsy dia tahotra no be dia be manjaka eto. Dia na amin'ny zavatra tsara aza ny fisehon'ny zavamisy dia matahotra foana isika. Ireo fanontaniana ireo dia tsara petraka tokoa. Enga anei ka hahazo valiny mahafapo ilay nametraka.
22. xxx ( 29/05/2007 12:15)
diamondra27:
satria efa haiko daholo ny fihetsiky ny akamaroan'ny mpidinika eto, fa tena tsy haiko mihintsy io xxx manoratra eto io ary tsy te-hahalala aho hoe: iza izy.
aza avadika ny sujet e!inona no idiran'izao eto?fa tsy maintsy mila fantarinao koa nga ny rehetra?ary izaho dia tsy xxx andefa ny lohankevitra akory!


23. xxx ( 29/05/2007 12:29)
diamondra27:

za aloha de mahalala fa i nyrina dia tena olon'Atra tokoa ary te-hampita ny fahalalany momba an'Atra amintsika (mizara araka ny efa nasain'i Tompo natao taminy)
te-hitarika antsika ho eo @ Atra

ny but-ny xxx indray de tsy haiko satria xxx tsy mitonona anarana fa raha fantatra mety ho haiko ihany
tsy hitako izay hidiran'izao @ sujet!fa tsy tsy mamaky ve ianareo e?avereno vakiana ny dinika nataon'i xxx raha tsy azo e!FANONTANIANA no napetraka @ niryna ka aoka izy no hamaly azy e!ary matoa ny olona mametraka fanontaniana dia misy antony izany ka tsy ohatran'izao zavatra lazainao eto izao no andrasana azy!
ary raha azo atao raniryna dia valio tsotra ny fanontaniana fa aza afangaro @ fijoroanao vavolombelona fa lava loatra!


24. diamondra27 ( 29/05/2007 12:50)
xxx: ary xxx toa aviavy be ery fa misy inona
tsy faka miteny ny hevitro angaha izaho?
tsy misy mamadi-dresaka izany eo fa efa namaky tsara aho. Rehefa tsy tiana atao eto sy tsy azo valiana de tsy aseho.

fanontaniana ho an'i nyrina fa afaka mamaly doly izay te hamaly, ary maninona koa i xxx no mamaly raha izany?

xxx: ka raha tsy arahina fijoroana vavolombelona ny fanarahana an'i Jesosy dia tsy hazava ny resaka satria resaka expérience ny fanarahana an'i Jesosy
Nahoana no terena tsy hanao vavolombelona tsotra izao ny olona?


25. diamondra27 ( 29/05/2007 13:00)
xxx:

diamondra27:

za aloha de mahalala fa i nyrina dia tena olon'Atra tokoa ary te-hampita ny fahalalany momba an'Atra amintsika (mizara araka ny efa nasain'i Tompo natao taminy)
te-hitarika antsika ho eo @ Atra

ny but-ny xxx indray de tsy haiko satria xxx tsy mitonona anarana fa raha fantatra mety ho haiko ihany


tsy hitako izay hidiran'izao @ sujet!fa tsy tsy mamaky ve ianareo e?avereno vakiana ny dinika nataon'i xxx raha tsy azo e!FANONTANIANA no napetraka @ niryna ka aoka izy no hamaly azy e!ary matoa ny olona mametraka fanontaniana dia misy antony izany ka tsy ohatran'izao zavatra lazainao eto izao no andrasana azy!
ary raha azo atao raniryna dia valio tsotra ny fanontaniana fa aza afangaro @ fijoroanao vavolombelona fa lava loatra!




_____________________________________

xxx nametraka fanontaniana angaha ianao?

Raha xxx nametraka fanontaniana dia izao no lazaiko anao hoe: matoa natao eto ity dia afaka mamaly ny rehetra na dia tsy za aza ny nyrina,

nahoana no sakanana tsy hijoro vavolombelona ny olona

fahasoavana nataon'Atra izany ka raisinao izy tsara tsy raisinao izy dia efa nafafi iny aloha.
Amin'ny maha-kristiana dia ilaina ny mijoro vavolombelona fa tsy kobonina ho anao samy irery ihany ny zavatra noraisinao.

Momba ny valinteniko indray dia zavatra tsapako eto io ary ambarako
Matoa za namaly io dia nisy olona nametraka le fanontaniana etsy ambony dia novaliako.
Sao dia ianao aza no tsy mahay mamaky.
Araho tsara ny dinika fa aza entimpo be tahaka izao fa tsy mety.

"Mifalia mandrakariva": II tesaloniana 5:16 :lol:

26. xxx ( 29/05/2007 16:54)
Fiffi:

ny anaha de faran'zay tsotra no mba tiako lazaina...... http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4659b040d8de8
rehefa mba afaka mamaky an'io jereo eto sy mandalindalina an'io niryna de ampy anaha zay .

Tsy miditra ato mihitsy io ramatoa io raha tsy mitsikera foana.Aza mitsara mba tsy ho tsaraina:roll:

27. ikaretsaka ( 29/05/2007 17:07)
efa ela aho no niteny anareo hoe mba mandinin-tena ho'a! mba mandiniha tena!
diam's: tsisy toko faha 5 ny tesalonianina faha 2.. toa I io fa tsy II :wink: tsetsatsetra fotsiny iny fa za tsy baibolistra
28. xxx ( 29/05/2007 17:24)
[quote=xxx]
Matetika izahay eto no diso hevitra, na disona ny hevitra lazainay. Ifonana aminao ny amin'izany. Ekenanay ny hadisoanay, ary vonona ny hanintsy ny dianay izahay.
Izao anefa: ny tsy fahalalana no mahatonga anay ho diso matetika, ka mahatonga anay hanontany koa. Ny mampalahelo anefa dia tsy mba valianao ny fanontanianay. Indrisy!
Nosokafo ity lohahevitra iray ity ary mba hahafahanao mamaly ireo fanontanianay maro be ato.

AZA KIVY NIRYNA A,TSY IRERY IANAO FA MIARAKA AN'I TOMPO :D:D .Efa nanome hery anao hatrany izahay,matoa ianao halan'ireo fahavalo dia marina ny fitorianao,aza mihemotra,tohizo hatrany fa zaranay aza misy ny toy itony hianarana.:*
Miala tsiny aho fa nahavariana ahy ity anaran'olona irery ato amin'ity fivavahana ity,heveriko fa mba hisaotra an'ity olona nandany ny androny nanoratra ho antsika ianareo,hay fankahalana,tsy fitiavana,fialonana,fatahorana ny marina rehetra hivoaka ary fandrembireben'ny satana no nasetrinareo an'izany.Tena nahazo namana maromaro ny satana ary tena faly sy mibitaka izy,indrindra ny olona toa anareo milaza ho kristiana.Miditra ato amin'ny fivavahana ianareo milaza ho kristiana,mivoaka any amin'ny sehatra hafa resaka vetaveta,fifosana,fankahalana olona:Raha miresaka olona sy mankahala olona isika ka resahina eraky ny serasera dia mifosa izay,izay mamaly an'io koa fa tsy mba mamporisika ilay mpifosa hilaza ny marina dia mpifosa miaraka aminy koa.Mampalahelo,indrisy anefa hoy ianareo mantsy ny omena sujet.

:roll::roll:Tena tsy matahotra an'Andriamanitra ianareo ireto.:twisted::twisted::twisted::twisted::twisted::twisted:vs niryna irery.Rehefa mitady hirongatra ny finoana marina dia sitomina aingana hidina an!Izany ve no atao hoe kristiana?Tsy manana fitiavana,miteny etsy sy eroa hoe mandinihitena.Mila mandinitena tokoa ianareo rehetra,voafatotra amin'ny teninareo ianareo izao.
=))=))=))=((.
Aza izy no hiadivana rehefa tsy mitovy ny finoanareo ny azy,mila porofo ianareo fa tsy mahita?Satria tsy ao aminareo Andriamanitra.:cry:
[quote]
Ireto misy ohatra vitsivitsy, fa ataoko mbola ho avy eo ny sasany.

1- izay volaza ao anaty baiboly ihany ve no izy, ary rehefa tsy ao dia tsy azo atao sy tsy azo ekena?

Izaho manokana aloha dia ny marina dia ao anaty baiboly ,izay tsy ao dia tsy izy.:roll::D:D:D

2- izay tsy voasoratra ao anaty baiboly ve dia manohitra ny baiboly? Ahoana anefa ianao mampiasa ordi nefa tsy izany no voasoratra sy voalazain'i Kristy mikasika ny fitorian-teny sy fampianarana?

Eny koa no valiny

3- Aiza ao anaty Baiboly ny tantaran'ilay vehivavy jamba? (Ikaretsaka)

Fa angaha ianao ikaretsaka tokoa,misy olona hafa koa manko ato anisany iray mpankahala azy rehefa manaraka ny dinika foana aho.Mpivavaka tokoa ve ianareo e?Asehoy anay izany amin'ny fitiavana fa tsy fankahalana,izany ve no nampianarina anareo tany am-piangonanareo e,sa tsy ampy ny fahalalana ny didy folo?

5- Aiza ao anaty baiboly no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fantatra ny Fanahy Masina? Izaho mantsy rehefa namaky ny baiboly, tamin'ny teny grika, dia tsy nahita an'io mihitsy?

Tena tsy menatra ny mandainga ianao ity>Raha mamaky
baiboly tokoa ianao dia ho hitanao io,izaho aza mba namaky tonga dia nahita.
[i]FA NANDRE AZY NITENY TAMIN'NY FITENY TSY FANTATRA SY NANKALAZA AN'ANDRIAMANITRA IZY.[I]
Io ve ilay hiadivanao an'i niryna lava?Tsy misy an'io angaha ao anaty baibolinareo?
Izaho aza vao nitady dia nahita Asan'ny Apostoly 10:46.
Fiantsiana ady raha mbola manontany azy an'io ianao satria tsy ho fantatrao mihitsy tokoa ny dikany.


29. Fiffi ( 29/05/2007 18:25)
xxx:
Tsy miditra ato mihitsy io ramatoa io raha tsy mitsikera foana.Aza mitsara mba tsy ho tsaraina:roll:
zah aza mba sahy nilaza izay mba tiako lazaina fa tsy manao ohatranao miafina ....raha ohatra koh ve ka mba milaza an'olona hoe mba vakio ity de mandalindalina zay voalaza ao de midika hoe "mitsikera sy mitsara" ? fa inona no dikan'hoe mitsikera sy mitsara am-nareo ? ianao io indrindra zao nefa no tena nahatsapa-tena fa mitsara sy mitsikera anaha.....:) de ampy an !


30. diamondra27 ( 29/05/2007 18:52)
ikaretsaka:

efa ela aho no niteny anareo hoe mba mandinin-tena ho'a! mba mandiniha tena!
diam's: tsisy toko faha 5 ny tesalonianina faha 2.. toa I io fa tsy II :wink: tsetsatsetra fotsiny iny fa za tsy baibolistra

__________________________

miala tsiny @ faute de frappe re e!Mampiova zavatra be de be

I Tesaloniana5:17====> MIFALIA MANDRAKARIVA :wink:

Ika misaotra nanitsy an!:-*

31. xxx ( 29/05/2007 19:37)
diamomdra27: Ataoko fa fantatrao fa tsy izaho nametraka ny lohahevitra ny xxx sasany ireo. Ny ahy dia mazava ny zavatra tadiaviko dia ny hampazava izay tena volazan'ny Baiboly marina, sy izay nolazain'Andriamanitra.
Izaho tsy mankahala an'iza an'iza fa tsy ekeko kosa ny fampianarana diso. Raha misy kosa izay fiheverako hita sy tsapa fa diso dia vonona ny hiova famindra aho.
Misaotra anao.
Ho aminao hatrany anie ny Tompo. Amen
32. LazaDaddy ( 29/05/2007 22:21)
Aoka mba hitandrina kely isika tsy hamoron-dainga sy hanitatra toy ny SILIGAOMA fa tsy misy miafina amin'andriamanitra ny marina rehetra.
xxx voalohany:
Marina aloha fa tsy mba mamaky baiboly amin'ny teny frantsay sy teny anglisy aho fa amin'ny teny grika sy armaniana ihany e.


xxx faharoa:
Fa angaha ianao ikaretsaka tokoa,misy olona hafa koa manko ato anisany iray mpankahala azy (*)rehefa manaraka ny dinika foana aho.Mpivavaka tokoa ve ianareo e?Asehoy anay izany amin'ny fitiavana fa tsy fankahalana,izany ve no nampianarina anareo tany am-piangonanareo e,sa tsy ampy ny fahalalana ny didy folo?
(*) mankahala Baiboly ve no tianao ambara?
33. marozevo ( 29/05/2007 23:01)
Hitako ato ny namana rehetra : Fiffi - Soanja - Diamnondra27 (hitako any amin'ny messanger koa) - sy ny maro be dia be. i xxx koa hitako ato, fa tsy haiko tsara ny manavaka azy. Fa ianareo rehetra ireo, sy izay tsy voalaza, dia arahabaina daholo.:)
Hoy i xxx
Hoy i Fiffi:

ny anaha de faran'zay tsotra no mba tiako lazaina...... Jereo eto
rehefa mba afaka mamaky an'io jereo eto sy mandalindalina an'io niryna de ampy anaha zay .


Tsy miditra ato mihitsy io ramatoa io raha tsy mitsikera foana.Aza mitsara mba tsy ho tsaraina


Raha tena mpamaky baiboly anefa i xxx dia hahatsapa avy hatrany fa tsy tenin'ilay heverinao fa "mitsikera foana" ireo nasainy nojerena tato ireo, fa tenin'ny Baiboly ihany. Ka iza izany no mitsikera foana, raha zohina izay lazainao?
34. Zina ( 29/05/2007 23:59)
oy i diams,
za aloha de mahalala fa i nyrina dia tena olon'Atra tokoa ary te-hampita ny fahalalany momba an'Atra amintsika (mizara araka ny efa nasain'i Tompo natao taminy)
te-hitarika antsika ho eo @ Atra


marina izany:-*
35. diamondra27 ( 30/05/2007 04:09)
xxx:

diamomdra27: Ataoko fa fantatrao fa tsy izaho nametraka ny lohahevitra ny xxx sasany ireo. Ny ahy dia mazava ny zavatra tadiaviko dia ny hampazava izay tena volazan'ny Baiboly marina, sy izay nolazain'Andriamanitra.
Izaho tsy mankahala an'iza an'iza fa tsy ekeko kosa ny fampianarana diso. Raha misy kosa izay fiheverako hita sy tsapa fa diso dia vonona ny hiova famindra aho.
Misaotra anao.
Ho aminao hatrany anie ny Tompo. Amen

___________________________________________

za manko saika gaga fa toa hafahafa le fidiran'i xxx hafa ato

Za ve moa nahalala fa heveriko fa ianao daholo no manao ireo xxx ireo dia novaliako araka ny hevitro

Eny e, samy mitady daholo isika satria na dia manana fahalalana aza isika dia ilaina foana ny hevin'ny hafa ary izay no mahatonga ahy tsy d'accord @ le avy hatrany tonga dia mi-contré avy hatrany ny hevin'ny hafa.

Izaho ihany koa ange nankasitraka ny fametrahanao ilay fanontaniana satria tsy nalefanao ho hafatra manokana ilay izy fa mba ho an'ny be sy ny maro satria tsara ny mba hahitana ny valiny, misy hodinihina

36. majesty ( 30/05/2007 07:35)
Tsy maintsy ho faly ihany ra fijo mahita anareo mifandramatra eo,soa ihany lery fa tsy teo :D
37. diamondra27 ( 30/05/2007 08:42)
majesty::-D:-D
fa lasa aiza hono izy?ngah mbola any allemagne foana e!:-P
38. xxx ( 30/05/2007 09:34)
LazaDaddy: Ilay olona tsy mamaky baiboly amin'ny teny frantsay sy anglisy dia izaho. Ary vonona ny hampitahy aminao ny zavatra tena voasoratra ao amin'ireo boky voasoratra tamin'ny teny grika aho raha izay no tianao.
Ny tanjoko dia ny hilazana ny marina amin'ny rehetra, fa tsy ny dika vilana ataonao io.

Ilay xxx faharoa kosa dia tsy izaho. Nefa raha mamaky tsara ny zavatra nosoratany aho dia mahita fa tsy ny Baiboly no resahany, fa niryna. Misaotra aloha nanontany e! Nefa na izany aza, aza de zatra loatra an'ity manapatapaka teny ity e! Raiso hatramin'ny voalohany izy dia ho azonao.

Ampianaro mandray ny teninao izahay ry Tompo mba ho tonga nofo ao aminay, toa anao tonga nofo tao amin'i Maria, ianao ilay Tenin'ny Ray. Amen!
39. LazaDaddy ( 30/05/2007 10:59)
Hoy aho etsy ambony:
Aoka mba hitandrina kely isika tsy hamoron-dainga sy hanitatra toy ny SILIGAOMA fa tsy misy miafina amin'andriamanitra ny marina rehetra.
xxx voalohany:
Marina aloha fa tsy mba mamaky baiboly amin'ny teny frantsay sy teny anglisy aho fa amin'ny teny grika sy armaniana ihany e.
hanky vare ka misy izany Baiboly @ teny aramaniana izany koa e =)) Dia taonjato fahafiry taorian'i Kristy sa taon'arivo fahafiry no nandikana ny Baiboly t@ teny "aramaniana"?
40. ikaretsaka ( 30/05/2007 11:28)
fanamarihana kely:

marina fa misy xxx bedebe ato fa ohatran'ny tsy mahita SILIGAOMA ato mihitsy aloha za amin'ireo xxx ireo e... tsy misy miafina amin'andriamanitra tokoa, fa jereo alohan'ny hitsarana fa mbola tsy Andriamanitra ianao!
amarino ao raha tsy mahatoky!:wink:

misy tokoa ny baiboly @ teny arameanina. anisan'ny fiteny anakiray tany amboalohany nanoratana ny baiboly io, nampiasaina t@ testamenta taloha.. ary bedebe ny bokin'ny testamenta taloha no t@ teny arameanina no nankana azy.. bouh! http://en.wikipedia.org/wiki/Aramaeans

za manokana tsy mpanao xxx izany ary anisan'ny niady sy miady tanteraka amin'ny tsy fanaovana an'io! ny forums tantanako rehetra ato dia raha manao xxx any ka manao ankamely fotsiny dia avoakako miharihary hoe iza ianao ilay manao xxx io:wink:

Ny mpivavaka marina dia mifanitsy rehefa diso ny ataon'ny namany, na misy fiheverana na tsy fahampiana na tsy fahalalana ao ataon'ny namany ka toritorian'io namany io nefa diso ,na raha tsy mazava hoe nahoana marina , na misy hevitra na fihevitra lazaina fotsiny (fihevitra an'i maria ohatra) dia mifanitsy raha diso ary mifandray sy mifanaiky izany hadisoana izany.
Raha ohatran'izany i Niryna dia izy no mpivavaka marina amiko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8561