Ho an'i niryna

61. marozevo ( 01/06/2007 23:10)
Ekena ny filazana ao ambony hoe "tsy mety kosa raha teny diso no ampitaina".

Ny tsarovy anefa dia izao, raha mandika teny. Zavatra roa no atao an-tsaina : LE TEXTE sy ny L'ESPRIT.

Tsarovy koa fa tsy maintsy jerena ny kolon-tsain'ilay vahoaka kendrena homena ny dikan-teny. Na ireo Evanjely ireo aza dia efa nahadinika izany.
62. namanao ( 07/06/2007 15:24)
xxx:



7- Nandidy ny tsy hanaovana sary vongana Andriamanitra, nefa naniraka an'i Moizy hanamboatra sarina bibilava varahina hamonjena ny olona. Ahoana izany?





Na dia olonkafa aza no tadiavina hamaly ny fanontaniana dia mba omeko ihany ko ny fahitako azy.
Andriamanitra nandidy ny tsy ivavahana/iankohofana amin'ny sary vongana fa tsy hoe nandidy ny fanaovana sary vongana. Le sarina bibilava varahina tsy nasaina hivavahan'ny olona tsy akory !!! fa nasaina nojereny fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1489