Ho an'i niryna

41. boubounezy ( 30/05/2007 11:50)
niryna An/tra tompony fiadinkevitra, ary ainao tsara io fa anaty baiboly; dé aléo tsy valina ra tsy zany azony tambabé eto ndry.:wink::-*
42. majesty ( 30/05/2007 14:42)
diamondra27: tena tsy haiko akia fa efa elaela izy tsy nandalo
43. rush ( 30/05/2007 15:36)
xxx:

niryna:

Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.

Tsy nampoiziko ho ianao no hamaly ohatr'izao
mahagaga marina!

44. xxx ( 30/05/2007 18:44)

Ikaretsaka: misaotra anao nanazava sy nampahalala ny namana tsy mahafantatra.

LazaDaddy
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 30-05-2007 12:59:44
Lohateny : Re : Ho an'i niryna
Hoy aho etsy ambony:
Aoka mba hitandrina kely isika tsy hamoron-dainga sy hanitatra toy ny SILIGAOMA fa tsy misy miafina amin'andriamanitra ny marina rehetra.

Hoy i xxx voalohany:
Marina aloha fa tsy mba mamaky baiboly amin'ny teny frantsay sy teny anglisy aho fa amin'ny teny grika sy armaniana ihany e.
hanky vare ka misy izany Baiboly @ teny aramaniana izany koa e Dia taonjato fahafiry taorian'i Kristy sa taon'arivo fahafiry no nandikana ny Baiboly t@ teny "aramaniana"?

Ny nilazako fa afaka manao fampitahana aminao izay voasoratra amin'ny teny grika aho dia satria io no efa voafehiko kely amin'izao. Ny teny iray kosa izay tsy mantsy ianarako dia mbola eo an-dalam-pianarana azy aho. Ary tsy diso ny teniko raha nilaza aho fa tsy mamaky baiboly amin'ny teny anglisy sy frantsay.Raha te handalina ny Evanjelin'i Matio, dia ilaina ny mahay an'io teny io satria misy soratra sasany nataon'i Matio tamin'ny teny armaniana.
Mbola misy boky hafa koa ao amin'ny baiboly ao tamin'ny teny armaniana no nanoratana azy voalohany. Mbola maro ny documents amin'io teny io koa.

Fanamarihana: Aleo manontany rehefa tsy mahay na tsy mahalala fa aza maika mihomeny ny hafa. Tsy dia tsara loatra ny manenjika be fahatany ohatran'izao ataonao izao.

Farany: ny dikan-teny tamin'ny teny anglisy sy teny frantsay dia mbola taty aorina be mihitsy. Ny dikan-teny tamin'ny teny latina no nialoha ireo, noho izany tsy ferana ny hadisoana ao anatiny. Ohatra fotsiny ilay resaka fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, izay mbola hamafisiko fa diso be ny fandraisanao sy niryna azy. Tsy izany no voasoratra ao anaty Baiboly fa hafa mihitsy.

Aza ovana ny tenin'Andriamanitra
45. ikaretsaka ( 30/05/2007 20:07)
io ilay lost in translation dia rehefa misalasala ianao dia any dikan-teny voalohany itsy jerena toy izay lasa miteniteny foana sy mitompo teny fatratra @ zvt tsy vohadihady sy tsy marim-pototra.
46. marozevo ( 30/05/2007 23:10)
Hoy i xxx :
Voalohany: ataoko fa efa fanao eto ny manokatra lohahevitra iray mba isaorana olona manokana. Efa nisy nanao tany aloha tany koa nanokatra lohahevitra iray ary miantefa amin'ny olona iray ny fanontaniana. Ka ny tsy azoko dia hoe: nahoana no omena tsiny ny tenako rehefa mba manokatra lohahevitra iray hanontaniana zavatra maro tsy mazava voalazan'i niryna? Sa matahotra ny sasany hoe ho tratra eto androany ny hadisoana be antsika?

Tsy nisy nanome tsiny anao ka. Fanontaniana fotsiny no napetraka.

Tsy maintsy ho faly ihany ra fijo mahita anareo mifandramatra eo,soa ihany lery fa tsy teo

Fa angaha kosa moa isika mitady izay hahatezitra an-dRaFijo.

Hevitro kosa indray : Marina fa ilaina ny miverina any amin'ny dikan-teny nipoirana, saingy aoka samy hiaiky kosa fa natao ho an'ny mpandalina sy ny manam-pahaizana izany. Fa ny tena tanjona voalohany indrindra dia ny hielezan'ny TENY amin'ny firenen-drehetra. "Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mampianara ny FIRENEN-DREHETRA". Ka toy izay hiverina tsy aleo ve mikaroka mba hatao hitombo ny dikan-teny. Teny Antandroy, ohatra, na teny Mahafaly, na vezo sns.... Amin'izay mba mahay mamaky sy mahazo daholo izay manao ABIDIA.
47. ikaretsaka ( 31/05/2007 06:24)
xxx:
Voalohany: ataoko fa efa fanao eto ny manokatra lohahevitra iray mba isaorana olona manokana. Efa nisy nanao tany aloha tany koa nanokatra lohahevitra iray ary miantefa amin'ny olona iray ny fanontaniana. Ka ny tsy azoko dia hoe: nahoana no omena tsiny ny tenako rehefa mba manokatra lohahevitra iray hanontaniana zavatra maro tsy mazava voalazan'i niryna? Sa matahotra ny sasany hoe ho tratra eto androany ny hadisoana be antsika?

Izay indrindra manko! misy zavatra hahasoa azo tsoahina sy zavatra mazava azo raisina manko amin'ireo noho ilay hoe aoka izy e.. zao izy eee. oy a oy izy eeee.

marozevo:
Hevitro kosa indray : Marina fa ilaina ny miverina any amin'ny dikan-teny nipoirana, saingy aoka samy hiaiky kosa fa natao ho an'ny mpandalina sy ny manam-pahaizana izany. Fa ny tena tanjona voalohany indrindra dia ny hielezan'ny TENY amin'ny firenen-drehetra. "Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mampianara ny FIRENEN-DREHETRA". Ka toy izay hiverina tsy aleo ve mikaroka mba hatao hitombo ny dikan-teny. Teny Antandroy, ohatra, na teny Mahafaly, na vezo sns.... Amin'izay mba mahay mamaky sy mahazo daholo izay manao ABIDIA.

Ekena fa aoka kosa mba tsy ho dikanteny diso no entina mampiely ilay TENY ka tsy ilay teny araka ny voalaza no tafita fa TENY hafa mihitsy...
efa mpandeha ato koa manko io hoe minam-bary aza misy latsaka ko mainka fa mandika teny? Marozevo moa tsy teo, fa nisy fotoana teto niova mihitsy ny hevitra lehibe sy ny zavatra tian'ilay hafatra ampitaina noho ny teny anankiray nalatsaka!
ilay resaka "rahalahy" sy "cousins" fotsiny ohatra!
ny "nous" mety ho "isika" mety ho "izahay"!
48. tsiafoi1 ( 31/05/2007 06:53)
Raha misy teny iray tiana hofantarina ny dikany sy ny heviny, dia ampiasaina mandrakariva ny dictionnaire.

Toy izany koa ny momba an'Andriamanitra, tsy nisy nahita Azy mivantana isika ankehitriny, azontsika atao kosa ny mianatra na mamantatra Azy @'ny alalan'ny Teny voasoratra (Voasoratra amin'ny takela-bato, takela-drindrina, ary ankehitriny dia voarakitra @'ny Baiboly...), @'ny alalan'ny zava-boariny (Ny natiora sy ny science).

FANTARO IZAY INOANA FA IZANY NO VOALOHAM-PAHENDRENA

Mahereza aky Nyrina a !aza kivy fa tsy maintsy hotoherina ny mpianatry ny Tompo, torio sy zarao izay kely anananao, ny Tompo Jesoa aza moa voafantsika sy nolefonina.
49. diamondra27 ( 31/05/2007 11:10)
rush:

xxx:

niryna:

Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.

Tsy nampoiziko ho ianao no hamaly ohatr'izao
mahagaga marina!

______________________________

tsy misy tonga lafatra akia eto an-tany ry rush a!

na de zao koa aza mety solafaka rehefa tsy Jesosy no mitantana ny fiainako

Anatin'ny 1 segondra monja de mety mampiova ny olona

Tsy midika akory izany we andraso @ kendry tohina izy

50. gasynamana ( 31/05/2007 13:30)
tsiafoi1, niryna, sy ny namana rehetra
Mahereza aky Nyrina a !aza kivy fa tsy maintsy hotoherina ny mpianatry ny Tompo, torio sy zarao izay kely anananao, ny Tompo Jesoa aza moa voafantsika sy nolefonina.

Raha zava-marina no lazaina dia tsy manohitra mihitsy aho ary tsy mitsikera koa. Raha zavatra tsy fantatra kosa no ambara dia tsy mba manakina aho, na mitsikera fa manontany.
Raha zavatra tsy mifanaraka amin'izay kely mba fantatro sy namaplalaina ahy kosa dia avy aho, mitsikera, manao fampitahana mba hahitana ny tena marina.
Ary farany, raha zavatra DISO kosa dia toheriko zato isan-jato, tsy ielezany hanimba ny hafa, sy ho fanintsina ny havana nanao hadisoana.

Tsy haiko na manenjika ny hafa aho ny amin'ireo voalazako ireo na tsia. Fa ny ahy dia mazava, voalanjalanja ny zavatra lazaiko satria tsy ho an'ny hafa ihany izany fa ho ahy ihany koa.

Mandehana ary iaino sy zarao ny Tenin'Andriamanitra. Ho amintsika hatrany anie ny Fitiavan'i Kristy. Amen
51. soanja ( 31/05/2007 13:54)
tsiafoi1:

Toy izany koa ny momba an'Andriamanitra, tsy nisy nahita Azy mivantana isika ankehitriny, azontsika atao kosa ny mianatra na mamantatra Azy @'ny alalan'ny Teny voasoratra (Voasoratra amin'ny takela-bato, takela-drindrina, ary ankehitriny dia voarakitra @'ny Baiboly...), @'ny alalan'ny zava-boariny (Ny natiora sy ny science).

FANTARO IZAY INOANA FA IZANY NO VOALOHAM-PAHENDRENA

Io fotokevitra io mihitsy no voiziko hoe fantaro izay hinoanao. Nefa rehefa mametraka fanontaniana aho hoe:
"Iza no namorona an'Andriamanitra izany?" na hoe "Nahoana i Andriamanitra no nisy?" dia raikitra ny tsy fanekena na fanaratsiana ny fitadiavana io fahamarinana io.
Tsara ny fametrahana fanontaniana. Ny ahy dia hoe aza ferana ao anaty baiboly ihany ny valiny fa eny rehetra eny dia mety ahitana valiny avokoa. Mahereza daholo. "Aza mitsahatra mikatsaka ny tsara indrindra." Soanja.

52. diamondra27 ( 31/05/2007 15:59)
majesty:

diamondra27: tena tsy haiko akia fa efa elaela izy tsy nandalo

___________________________________

mbola repos

53. niryna ( 01/06/2007 03:55)
boubounezy:

niryna An/tra tompony fiadinkevitra, ary ainao tsara io fa anaty baiboly; dé aléo tsy valina ra tsy zany azony tambabé eto ndry.:wink::-*

:D

54. ikaretsaka ( 01/06/2007 04:10)
gasinamana:
Raha zava-marina no lazaina dia tsy manohitra mihitsy aho ary tsy mitsikera koa. Raha zavatra tsy fantatra kosa no ambara dia tsy mba manakina aho, na mitsikera fa manontany.
Raha zavatra tsy mifanaraka amin'izay kely mba fantatro sy namaplalaina ahy kosa dia avy aho, mitsikera, manao fampitahana mba hahitana ny tena marina.
Ary farany, raha zavatra DISO kosa dia toheriko zato isan-jato, tsy ielezany hanimba ny hafa, sy ho fanintsina ny havana nanao hadisoana.

Tsy haiko na manenjika ny hafa aho ny amin'ireo voalazako ireo na tsia. Fa ny ahy dia mazava, voalanjalanja ny zavatra lazaiko satria tsy ho an'ny hafa ihany izany fa ho ahy ihany koa.

Izay indrindra manko.
Dominus Vobiscum e!
55. niryna ( 01/06/2007 04:17)
rush:

Anontanio Atra fa Azy izany fa tsy misy hidirako.

Tsy nampoiziko ho ianao no hamaly ohatr'izao
[/quote]mahagaga marina!
[/quote]
:D

56. niryna ( 01/06/2007 04:24)
[quote=ikaretsaka]
Ny fiteny amin'ny teny tsy fantatra aza hatramin'izao mbola tsy hinoanareo ihany koa maika izay teneniko.
Na efa nomena sy mazava be toa ny masoandro lohataona izao aza ny tao anaty baiboly.8-)

57. ikaretsaka ( 01/06/2007 04:27)
taiza aho no niteny an'io ry nyrina:roll:?
58. niryna ( 01/06/2007 04:27)
tsiafoi1:

Raha misy teny iray tiana hofantarina ny dikany sy ny heviny, dia ampiasaina mandrakariva ny dictionnaire.

Toy izany koa ny momba an'Andriamanitra, tsy nisy nahita Azy mivantana isika ankehitriny, azontsika atao kosa ny mianatra na mamantatra Azy @'ny alalan'ny Teny voasoratra (Voasoratra amin'ny takela-bato, takela-drindrina, ary ankehitriny dia voarakitra @'ny Baiboly...), @'ny alalan'ny zava-boariny (Ny natiora sy ny science).

FANTARO IZAY INOANA FA IZANY NO VOALOHAM-PAHENDRENA

Mahereza aky Nyrina a !aza kivy fa tsy maintsy hotoherina ny mpianatry ny Tompo, torio sy zarao izay kely anananao, ny Tompo Jesoa aza moa voafantsika sy nolefonina.

=D=D
59. ikaretsaka ( 01/06/2007 04:33)
toa ovaovaina sy asaritakao aby izany olona miteny izany?

FANTARO IZAY INOANA FA IZAY NO VOALOHAM-PAHENDRENA
-Ny inoanao aza tsy fantatrao,
-ny boky ampiasainao hinoana azy aza dikanteny diso no ampiasainao,
-ny hevitra maro @ fomba finoanao azy aza disoinao ny ankamaroany. nefa tsy fantatrao akory ny tena antony hoe fa maninona no disoinao?
-ny Fandraisana ny hafany @ alalan'ny zavaboariny tsy ekenao...
Dia ahoana ihany?
Hendry ianao ve amin'izany?
mandiniha tena!

60. niryna ( 01/06/2007 20:58)
ikaretsaka:

Tsy fantatro aloha na iza io ianao resahan'ika io fa ny fantatra fotsiny dia tsy anjarantsika ny hitsara.
Tsy afaka hitsara olona isika,samy mihevitra ny finoany ho marina daholo.Finoana an'i kristy ihany torina dia voavonjy ny fanahin'ny namana izay mangetaheta mitady Azy.A/tra no hitsara antsika tsirairay.Izay teny aloakan'ny vavatsika no hitsarany antsika ihany koa.Manoro voana isika,manoro ny marina.Hitovizana daholo io.:D
Raha izaho ianao,ny teny torina fa tsy hoe she says,he says,lasa miverina toy ny olona mpifosa sy mpankahala olona ireny indray isika.Dia inona no tombotsoa azon'ny olona mandany andro mianatra fivavahana?Asa aloha fa avereno aty amiko ny teniko raha tsy mety e.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174