Pentekosta/Alatsinain'ny Pentekosta.

1. niryna ( 24/05/2007 17:07)
Inona no fieritreretanao ny hoe fety Pentekosta?
Ary ny Alatsinain'ny Pentekosta ,misy an'izany ve ao anaty Baiboly?Raha eny ,dia aiza ao anaty Baiboly ao no misy milaza andro Alatsinainy io na fankalazana andro iray ao aorian'ny Pentekosta?Raha tsia,dia mba fantatrareo ve iza no namorona an'io na avy taiza no nahatonga ny olona nankalaza an'io.Ary inona no antony,misy hidiran'ny fivavahana ve?
Misaotra mialoha.
(l)niryna
2. xxx ( 24/05/2007 17:21)
ianao milaza ho mpiandry ve dia tsy ahafantatra an'izany?ianao mijoro vavolombelona etsy sy eroa ve dia tsy mahafantatra an'izany?
3. ikaretsaka ( 24/05/2007 17:47)
fomba frantsay ny alatsinainy pantekosta, ohatran\'ny alatsinainy paka ihany!

ny pantekosta raha hatrany @ mboalohany dia fety katolika (katolika no nametraka ny datinandro hoe eo @ 50 andro aorian\'ny paska io, mba hampifanaraka azy @ litorjiany) dia nanaraka an\'io datin\'andro io daholo ireo kristianina rehetra na katolika na ny ts\'izy!
4. pissoa ( 24/05/2007 19:52)
Ary hono hoa : mba hanao HS ato amin'ny resaky ny namana mpanao HS aho :oops::oops::oops:

Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly kay no misy soratra hoe "asio signature (l)niryna" ny soratry i Niryna eto amin'ny forum ... Mba tena nitady mafy aho rey olona fa dia tsy nahita mihitsy a ! Manontany aho mantsy fa i Niryna manompo sampy ! Izy tsinn manisy an'io signature keliny io nefa io tsy ao anaty Baiboly akory ! Marina e ... :cry::cry::cry:
5. ikaretsaka ( 24/05/2007 19:56)
tsssssssss leeeeetieeeeeeeeee
=))
6. cutie ( 24/05/2007 22:36)
tena tsy nahalala za we latsinainy ny pentekote @ latsinainy e
oups HS koa iny :-D
7. niryna ( 25/05/2007 05:44)
xxx:

ianao milaza ho mpiandry ve dia tsy ahafantatra an'izany?

Izay ilay mahavoa anareo itony.Na mamalia amin'ny fo feno fitiavana na aleo tsy manao esoteny amin'ny tsy misy dikany fa ianao ihany no jerevan'ny olona eto:roll:.

ianao mijoro vavolombelona etsy sy eroa ve dia tsy mahafantatra an'izany?

Fitenin'ny mpankahala sy tsy mpino io,raha misy Izy dia asaivo manao an'izao.Mampalahelo ianao.Mivavaha mandrakariva mba tsy hivoana any amin'ny tsy tokony aleha fa ny fankahalana olona dia milaza mazava fa tsy mba manana fo faly ilay olona.Atra mamaly vavaka ho an'izay torotoro fo sy manantona azy.

Faly dia faly ny foko satria aho sa nijoro fa misy Atra ary velona sy mahery Izy.Ny fifaliana ananako dia tsy ho azon'iza esorina amiko,ny fitiavany ahy dia tsy ho voazeran'ny mpankahala na rahoviana na rahoviana.Efa resiny na ny fahafatesana aza ka maika fa ny herin'ny ratsy izay manosika ny olona hankahala ny olona mitovy aminy.
Ho Azy irery anie ny voninahitra^:^
Ianao anie na miafina ao amin'ny xxx eo foana feno fankahalana sy fo tezitra lava e.Ny namana ato amin'ny sera2 tsy mahalala anao saingy fantatra ihany hoe izy io olona io:roll:=))=)). Atra mahita anao satria tsy izaho no hankahalanao fa Izy :cry::cry: .
8. Rasiligaoma ( 25/05/2007 05:47)
angamba kosa efa voavaly ity e.. io nomen'ikaretsaka io ny valiny
Raha mipetraka amin'ny tany tsy manaraka fomba frantsay ianao dia miasa tsara rehefa lundi de pentecote
raha hoe pantekosta nandray ny fanahy masina..blablabla... dia resaka hafa indray iny
9. niryna ( 25/05/2007 05:49)
pissoa:

Ary hono hoa : mba hanao HS ato amin'ny resaky ny namana mpanao HS aho :oops::oops::oops:

Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly kay no misy soratra hoe "asio signature (l)niryna" ny soratry i Niryna eto amin'ny forum ... Mba tena nitady mafy aho rey olona fa dia tsy nahita mihitsy a ! Manontany aho mantsy fa i Niryna manompo sampy ! Izy tsinn manisy an'io signature keliny io nefa io tsy ao anaty Baiboly akory ! Marina e ... :cry::cry::cry:

Tiava ny namanao no tiako tenenina raha tianao.Io fa mivoana indray ilay sujet=))=))=))
ka malahelo mitovy ilay namanao iray koa izany ianao fa tiava ny namanao,tiava ny fahavalonao,tiava ny rehetra?

I(l)you pissou.:*:* Ba mamikely ho andry(l)(l)(l)
10. prime ( 25/05/2007 06:40)
ikaretsaka:
ny pantekosta raha hatrany @ mboalohany dia fety katolika (katolika no nametraka ny datinandro hoe eo @ 50 andro aorian\'ny paska io, mba hampifanaraka azy @ litorjiany) dia nanaraka an\'io datin\'andro io daholo ireo kristianina rehetra na katolika na ny ts\'izy!
... Aiza kosa e, ny pentekosta dia tena fety jiosy mihitsy tany am-boalohany, fety lehibe firavoravoana sy fifaliana lehibe nentina nanomezam-boninahitra an\'Andriamanitra noho ny fiakaran\'ny voaloham-bokatra... anisan\'ny fety jiosy lehibe mihitsy ny pentekosta toy ny amin\'ny paska ihany.

\"Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin\'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin\'ny fanangonana amin\'ny faran\'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.\" Eksodosy 23:16

\"[Ny amin\'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan\'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin\'ny volana Abiba no nitondran\'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin\'ny alina.\" Deotoronomia 16:1

Dia tamin\'ny fotoana nivorian\'ny fiangonana voalohany notarihan\'ny apostoly 12 t@ andro pentekosta no nilatsahan\'ny Fanahy Masina voalohany t@ olona rehetra nanatrika teo na hatr@ antitra na ny zazakely, na ny lahy na ny vava ho fahatanterahan\'ny fanambaràn\'i Kristy fa omena sy zaraina @ tsirairay mihitsy ny fahasoavan\'Andriamanitra aorian\'ny iakarany... dia fotoana nilatsahan\'ny Fanahy Masina io no endriky ny fety pentekosta kristiana mandrak\'ity ny androany...

\"[Ny nilatsahan\'ny Fanahy Masina tamin\'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon\'i Petera tamin\'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin\'ny fitoerana iray izy rehetra.\" Asan\'ny Apostoly 2:1

Mikasika ny alatsinainy dia tsara ny katôlika tokoa no manome fanazavàna misimisy satria lasa \"traditions\" mihitsy io rehefa voapetraka ny mahaizy azy ny paska sy pentekosta kristiana izay hafa raha oharina amin\'ny paska sy pentekosta jiosy...
11. xxx ( 25/05/2007 06:59)
Aza afangaro aloha hoe : PAka jiosy sa Paka kristianina, ary Pentecote jiosy sa Pentecote kristianina.
Zavatra samy hafa be ireo ka tokony apetraky ny mpamorona sujet tsara ny vala-pamaritana.
12. Imahaka ( 25/05/2007 09:19)
niryna:

Inona no fieritreretanao ny hoe fety Pentekosta?
(l)niryna


Ny nidinan'ny Fanahy Masina. Tsy hisy hatoriana indray amin'io ny Pentekotista ao atsimon-trano ao!

niryna:

Ary ny Alatsinain'ny Pentekosta ,misy an'izany ve ao anaty Baiboly?Raha eny ,dia aiza ao anaty Baiboly ao no misy milaza andro Alatsinainy io na fankalazana andro iray ao aorian'ny Pentekosta?Misaotra mialoha.
(l)niryna


Tsy miasa saina amin'izay niaviany fa ankafizina tsotra izao hoe andro tsy fiasana e!Ohatran'ny manontany hoe voasoratra ao anaty baiboly ve ny fetim-pirenena? maninona no ankalazaina?:-@
Sady ilay lundi de pent ange ny fahitako azy toa tsy misy manao fety sy hoe ankalazaina izany fa mitsangatsangana e!

Misy havana izay témoin, tsy mankalaza anniversaire satria tsy voasoratra ao anaty baiboly hono 8O:{
13. xxx ( 25/05/2007 09:25)
Dia inona no fahotàna ry niryna raha manao fety ? Raha mahatsiaro fa nilatsahan'ny fanahy masina ?

Raha tsy fetim-piangonana koa ve dia tsy tokony hankalazaina, ny anniversaire nay ve izany dia tsy mba hatao fety

ny lundi de pentecote anie tsy fetim-piangonana e, mba chomé hanaovana repos fotsiny fa tsy nisy nilaza hoe fetim-piangonana
14. prime ( 25/05/2007 09:34)
xxx> mazava io ry xxx fa pentekosta kristiana no resahina satria io no mitanjozotra misy alatsinaininy a...
ika:
(katolika no nametraka ny datinandro hoe eo @ 50 andro aorian\'ny paska io, mba hampifanaraka azy @ litorjiany) dia nanaraka an\'io datin\'andro io daholo ireo kristianina rehetra na katolika na ny ts\'izy!
...:-D Ny maha dimampolo andro azy dia satria voalazan\'ny soratra masina fa efapolo andro taorian\'ny nahafatesana sy nitsanganan\'i Kristy tamin\'ny maty no niakarany nandray ny fahefàna tany an-danitra ary folo andro taorian\'io ny no nilatsahan\'ny fanahy masina voalohany tamin\'ny andro pentekosta fa tsy misy katôlika nametraka an\'io izany...

15. xxx ( 25/05/2007 09:36)
témoin de Jehovah angaha i niryna e ?
16. xxx ( 25/05/2007 09:45)
Niryna:
Tsy manova ny sujet apetraka aho akory fa mba te hanontany ilay nametraka ny sujet kosa:

1- Izay ao anatin'ny Baiboly ihany ve no izy sy azo ekena?

2- Ny Baiboly ve no fototry ny finoana sy maha Kristiana sa Kristy?

3- Ianao milaza fa tsy ao anaty baiboly io alatsinain'ny pantekoty io, ary olona mpankahala sy tsy mpino no mankalaza an'io, nefa ahoana ianao no mbola mankalaza ny Noely, na krismasy. Sa koa ianao tsy mankalaza an'io? Fetin'ny mpanompo sampy koa io, fa mandehana mba vakio kely ny tantara.

4- Tsy voalaza ao anaty baiboly koa ny resaka ordinatera ampiasainao io. I Jesoa dia tsy niteny mihitsy hoe mampiasa ordi rehefa hitory ianareo. Izy aza nilaza fa aza mitondra kitapom-bola na zavatra hafa... fa tehina sy inona koa angaha izay,no ento. Aiza amin'izany ny resaka ordi? Dia moa ve mba fantatrao hoe iza no namorona io ordi ampiasainao io? Raha fantatrao ilay olona nahoana no mbola ampiasainao ihany io ordi io?

Mandeha araka ny Fanahy Masina ary mandiniha miaraka aminy.
Ho aminao hatrany anie ny Tompo
17. xxx ( 25/05/2007 10:05)
Ho an'i Prime:
Raha Paka na Pentecote kristianina ary no référence dia mi-se contradire ianao:
Aiza kosa e, ny pentekosta dia tena fety jiosy mihitsy tany am-boalohany, fety lehibe firavoravoana sy fifaliana lehibe nentina nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny fiakaran'ny voaloham-bokatra... anisan'ny fety jiosy lehibe mihitsy ny pentekosta toy ny amin'ny paska ihany.


Fanamarihana kely: ny Fiangonana voalohany lazainao dia efa Kristianina ireo. Satria ny Appostoly no mpitarika tao.
Farany: mety tsy d'accord angamba ianao nefa tsy maintsy lazana ihany: efa Katòlika koa io Fiangonana voalohany lazainao io satria hatrany am-boalohany dia io irery no nisy. Taty aoriana vao nisy ny nihataka.


18. prime ( 25/05/2007 11:29)
xxx> raha mamaky tsara ianao dia misy antony ny nanomezana an\'io nentina namaly ny nolazain\'i Ika izay diso tanteraka hoe ny pantekosta dia ny katôlika no nametraka azy, dia avy eo indray hoe mba hampirindra litorjia... mba hampitoetra tsara izay voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra dia tsy maintsy nambara aloha ny tena pentekosta izay an\'ny jiosy izay vao nozohin\'ny kristiana fa tsy tonga dia ny kristiana na ny katôlika no nanana pentekosta ho azy teo... toy ny androm-panafahana t@ paska ihany... na samihafa mihitsy aza dia nisy niaingany vao nohamasinina araka ny an\'i Kristy fa tsy fety kristiana amin\'izao ho azy akory ireo...

Ka diso famaky ianao ny tena marina fa tsy mifampi-\"contredire\" ireo fa mifameno... raha tsy nisy ny paska jiosy dia tsy andro paska Kristy no maty sy nitsangana tamin\'ny maty... raha tsy nisy ny pentekosta jiosy dia tsy tamin\'ny andro pentekosta no nilatsahan\'ny fanahy masina...

Mikasika ny fiangonana voalohany dia tsy iadiako hevitra loatra raha izay no maharesy lahatra anao fa ny nolazaiko tsy ny mahakatolika na tsia ny fiangonana voalohany fa ny filazàna fa mba hampirindra ny litorjia no namoahan\'ny eglizy katolika ho 50 andro aorian\'ny paska ny pentekosta izay diso tanteraka... ny tenin\'Andriamanitra no milaza izany fanisan\'andro izany fa tsy ny katolika na ny fiangonana voalohany velively... Andriamanitra mihitsy no mitondra sy mamaritra ny fotoana rehetra sy ny tantara fa tsy ny eglizy katolika raha mikasika ny pentekosta sy ny 50 andro nilatsahan\'ny fanahy masina taorian\'ny paska...:wink:
19. xxx ( 25/05/2007 12:53)
Aleo tsy asiana adi-hevitra lava loatra ny @ ity. Satria tsy mitovy ny sehatra misy antsika. Fa izao fotsiny é, iza no mi-déterminé ny datin'ireo fety ireo?
20. ikaretsaka ( 25/05/2007 13:15)
prime:

..:-D Ny maha dimampolo andro azy dia satria voalazan\'ny soratra masina fa efapolo andro taorian\'ny nahafatesana sy nitsanganan\'i Kristy tamin\'ny maty no niakarany nandray ny fahefàna tany an-danitra ary folo andro taorian\'io ny no nilatsahan\'ny fanahy masina voalohany tamin\'ny andro pentekosta fa tsy misy katôlika nametraka an\'io izany...


fa ilay matetaka ilay datin'andro hoe natao amin'ny 'ny volana mars- avril ny paka dia natao mai-juin ny pantekoty matetika no tiako lazaina ka

fa tsy natao septembre ohatra na jolay na tsy haiko!




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.425