Taratasin'ny eveka

1. ikaretsaka ( 24/05/2007 03:16)
Ity dia nataoko copy paste avy ary @ "hoy ny gazety"
Marina fa fanazavana sy fampalalam-baovao tokoa izy ity kanefa misy resaka finoana dia mino aho fa tsy tezitra jefra raha asiako koa ato

Tahaka izao ny fanambarana nataon’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara:

1 - Tafavory teto Antananarivo ny Evekan’ny Madagasikara noho ny fanamasinana an’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa koa dia mamerina etoana ny fiarahabana ny diosezy : ary misaotra an’Andriamanitra noho Izy nanome mpiandry ondry ny diosezin’i Miarinarivo ; ny hamaroan’ny olona sy fiombonam-bavaka teo dia mampiharihary fa velona marina ny Fiangonana katolika

2 - Fotoana nifampizarana ny vaovao manerana an’i Madagasikara koa izany ary nahatsapanay, fa nitombina ny ahiahinay tamin’ny taratasy nalefanay tamin’ny 23 fevroary 2007.

- Ambany dia ambany ny taha-pahavitrihana tamin’ny referendaoma satria tsy nazava tamin’ny olona ny anton-javatra hisafidianana na teo aza ny fiezahana hanazava.

- Teo koa ny fahasahiranana sy ny voka-dratsin’ny rivo-doza: zava-maika kokoa ho an’ny olona ny hahita hanin-kohanina sy toeram-pialofana toa izay handeha hifidy.

- Mbola mampametra-panontaniana ny maro ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo.

- Mampikaikaika ny be sy ny maro, indrindra ireo zanantsika mpianatra amin’ny oniversite ny delestazy lavareny amin’ny faritra maro; ka nahatonga fihetsikehena tetsy sy teroa.

3 - Manoloana ireo fahasahiranana ireo dia tianay ho marihina eto fa tsy famahana olana velively ny fampiasana herisetra sy fampihorohoroana, na avy aiza na avy aiza, vao mainka aza manarona na mampihombo ny olana ireny ; ary melohinay ny fandrangitana ny adim-poko izay manimba sy mandrava ny firaisam-pirenena

4 - Nanaitra ny besinimaro ary nanohina sy nandratra ny kristianina katôlika manerana an’i Madagasikara ny fomba nandroahana an’i Mompera Sylvain Urfer.

- Moa va tsy olon-dratsy

- Tsy mba nisy akory fifanantonana - endriky ny fifanajana - tamin’ireo ambaratongam-pitondrana misy ato amin’ny Fiangonana katôlika.

-Marina fa manana ny fiandrianany ny Firenena, nefa eo koa ny hasina sy ny zo maha-olona ny tsirairay. Miombona tanteraka amin’ireo Masoivohom-Pirenena naneho ny tsy fankasitrahany ny tsy fanajana ny zo aman-kasin’ny olombelona ny EKAR.

5 - Adidin’ny Fiangonana ny mitory ny Evanjely sy mampandroso an’i Madagasikara. Anisan’izany ny misionera, ary tianay ny mankasitraka azy etoana. Vaindohan-draharahan’ny Fiangonana ny mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny, ary miandany mandrakariva amin’ireo madinika indrindra, ka tsy maintsy miteny izy - na misionera vahiny na misionera zanatany - raha voatohitohina ny zo aman-kasin’ireny madinika verezin-jo sy poretina ireny ; ary làlan’ny fitoriana ny Evanjely izany amin’ny maha-mpaminany azy, fa tsy fitsabahana velively amin’ny raharaham-pitondram-panjakana.

6 – Nisy ny teny nataon’ireo iraky ny Fitondrana tamin’ny fety tany Miarinarivo iny, mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra mahomby sy fifanajana eo amin’ny Fanjakana ny EKAR.

Ka vonona izahay handre ny fanazavana atolotry ny Fanjakana momba ireny fihetsika sasantsasany mampiseho tsy fatokisana ny Eglizy katôlika ireny.

7 - Koa manantena izahay fa hisy fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra ary fampiharana marina tokoa ny 3 P izay ambara ombieny ombieny nefa toa tsy mbola ampiharina.

Miankina amin’izany ny endriky ny fiaraha-miasan’ny EKAR amin’ny Fanjakana.

Antananarivo anio 21 mey 2007
novalian'i sonwin ny 07/06/2007 10:57
2. rakaroka ( 24/05/2007 05:07)
Miombon-kevitra 100 isan-jato @ Katolika aho eto,
marina dia marina fa raha Atran'ny "fahamarinana" tokoa no ivavahantsika, dia iombom-pijery aminy isika
satria zava-marina tsy ho zoviana izay nosoratany eto, ary ny fahamarinana mitsimbina ny zon'ny olona
tahaka izao amiko manakaiky an'Atra kokoa.
Deraina rizareo eo amin'ny "fijoroana ho vavolombelon'i Kristy" . C'est comme ça amiko ny hoe "asandrato i Kristy" fa tsy ny fisehoana kely etsy sy eroa mba hoe mivavaka anefa ny "acte" miady @ tena fahamarinana , tsy misy fa fanasintahana ny hafa mba hisongadinan'ny "fitiavan-tena no mibahana"
Waohhhh encore MERCI les Catholiques, namanareo koa aho!
3. rakaroka ( 24/05/2007 05:23)
Ary eo anatrehan'ny Andriamanitra, ny fiaraha-monina sy izao tontolo izao no inoako fa "ANKASITRAHANA" kokoa ny fijery sy fihevitry rizareo io!
4. pimaso ( 24/05/2007 08:12)
Kristianina
Ary
Tena
Olombelona
Liana
Ijoro
Kanefa
Arabiraby

;-)
;-)
;-)
5. sonwin ( 24/05/2007 08:19)
Ny fehezan-teny namaranan-dry 'zareo ilay taratasy tena tsy masaka. Toheriko 1000%.

6. dasy ( 24/05/2007 09:14)
mitovy hevitra @ sonwin aho, tena mba tsy azoko mihintsy ny hevitr'ny archeveque Razanakolona,tonga ho filohan'ny katolika eto antananarivo izy dia tsy mba nanatona ny filohan'ny repoblika, misy fandraisan eny iavoloha ( fandraisana vahiny ) tsy tonga izy, izao indray ny fiheverako azy dia manao" chantage" mihintsy izy ( raha tsy averina ny pretra sylvain ... dia tsy mifandray intsony ny katolika sy ny fitondrana malagasy ) kristianina ve izany sa ? raha mpanohitra izy @ tena irery " c'est son droit " fa tsy ampidirina @ izany ny kristianina rehetra
7. stephane197 ( 24/05/2007 09:41)
dia hanao inona hono ry zareo rehefa tsy ho tanteraka ny tediaviny? 8O tena laviko tanteraka koa ny tediaviny!! hita mihintsy hoe mpanakorontana.
8. xxx ( 24/05/2007 09:54)
sonwin:

Ny fehezan-teny namaranan-dry 'zareo ilay taratasy tena tsy masaka. Toheriko 1000%.




inona kay ilay fehezan-teny voalaza io fa tsy dia azoko loatra
9. sonwin ( 24/05/2007 10:20)
xxx> azonao io fa tonga dia azavao izay tianao ho lazaina.
10. prime ( 24/05/2007 10:20)
Raha ny hevitro dia azo jerena tokoa ny mikasika ireo andininy rehetra ireo afatsy ny andininy fahafito sy ny teny famaranana voalaza no mahasadaikatra...

Ny mikasika ny andininy fahafito dia laviko fa diso tanteraka, tena lasa lavitra mihitsy ny régime 3P amin'izao fotoana izao fa tsy misy izany tsy fampiharana azy izany... matoa ny fiangonana katôlika tsy mahita ny fampiharana dia angamba izy no tsy mety hisokatra amin'ny 3P hatr@ izao aloha...

Ny amin'ny teny famaranana indray dia toa mihantsy hafahafa izany miaraka amin'ny fandrahonana ankolaka (chantage) ka anerena ny fitondram-panjakàna hanaraka ny hevitry ny fiangonana...
11. xxx ( 24/05/2007 10:29)
sonwin:

xxx> azonao io fa tonga dia azavao izay tianao ho lazaina.


Ilay point 7 ve ?
12. xxx ( 24/05/2007 10:30)
izaho koa tsy mahay ilay 3P , tsy ampy information angamba
13. tsiafoi1 ( 24/05/2007 10:41)
Tamin'ny brona niaraka ihany koa efa sola vao we andao hanao divorce?:lol::oops::):D:lol::
Ho aiza eo e?? Ny be kintana anie ka à 85%protestante fa tsy catholique!
Mba mahalala menatra wa!!!

14. sonwin ( 24/05/2007 11:01)
tsiafo1> aza apetraka amin'ny resaka defi ilay izy manjary mivaona ny adi-hevitra. Tsy hisy tokony hahalala menatra eo fa samy manana ny heviny sy ny fijeriny. Tsy miady io akory, ary tsy mikorontana, fa sarovoron-kilatoana, ary tsy misavoritaka fa maka toerana.

xxx> ilay eo ambanin'ilay point 7 ka. Ilay hoe "Miankina amin'izay ny......".
15. bozyboleta ( 24/05/2007 11:13)
Le famaranana aloha amiko tsy santazy tsony no tsy presio tsotra fotsiny fa efa tena famakiana ady mitsy e!
Iza no sahy hanome antoka fa hahafa-po azy ny valinteny omen'ny fitondrana eo? De rehefa hanao ze efa nokasainy hatao izy avy eo de hiteny hoe efa nampiomana izahay. Efa manana zavatra kotrehana izy fa mody be sinema fotsiny eo.
16. xxx ( 24/05/2007 11:34)
sonwin > misaotra

azo raisina tsotra anie io fa tsy hasarotina e

raha fantatray ny antony nandroahana , dia arakarak'izay ny réaction-nay : il n'y a rien de plus normal

ny tianareo lazainy ve dia hoe ekenay foana izay ataonareo eo na tsy fantatray aza ny antony ? Dia avy eo atsy misy miteny hoe maninona ho aho ny gasy no manaiky lembenana foana ?
17. prime ( 24/05/2007 11:58)
xxx:
izaho koa tsy mahay ilay 3P , tsy ampy information angamba
... Partenariat Public Privé io r\'ise a... ary amin\'izao fotoana tena mifandrohy mihitsy io régime 3P io fa ny somary isian\'ny tsy fahalavorariana angaha dia ny privé matoa miditra dia fihariana ny azy fa tsy fanaovana asa soa velively ka rehefa mihatraika any amin\'ny vahoaka ny asa dia misy tambiny, izay matetika tsy voatery eken\'ny vahoaka avy hatrany...
18. prime ( 24/05/2007 11:58)
xxx:
izaho koa tsy mahay ilay 3P , tsy ampy information angamba
... Partenariat Public Privé io r\'ise a... ary amin\'izao fotoana tena mifandrohy mihitsy io régime 3P io fa ny somary isian\'ny tsy fahalavorariana angaha dia ny privé matoa miditra dia fihariana ny azy fa tsy fanaovana asa soa velively ka rehefa mihatraika any amin\'ny vahoaka ny asa dia misy tambiny, izay matetika tsy voatery eken\'ny vahoaka avy hatrany...
19. ikaretsaka ( 24/05/2007 12:25)
Ny ahy ilay andininy fahadimy no hitako fa mahafehy azy rehetra:raha ara tantara, sy ny zava-misy, ary tsy eto Madagasikara ihany, fa n'aiza na aiza ,dia tena io ny tanjona.

Tsiafoi1> disoiko kely: 30% n'ny olona mivavaka any USA ny katolika, ary ny ambiny 70% dia miparitaka beeeeeeeee mihitsy, ny sasany mormons, ko batista ko metodista ko (mbola misy zanany bedeba io hoe 1-2-3) , ko church of christ (mbola misy zanany bedebe koa io hoe texas e, boston e, international e) zao ko scientist e, quackers e, evanjelical e (io koa mbola misy 1-2-3)
Mbola manginy fotsiny ny satanisme sy ny sisa
Ny an-dryzareo ko ao anaty lalam-panorenany ny zareo koa ny fahalalahan'ny finoana, na hivavaka @ fitombenana aza izy dia zoany izany
dia ataovy @ zay ny calkul tsotsotra, firy isan-jato sisa no tena mivondrona ao amin'ilay anao?
20. sonwin ( 24/05/2007 12:35)
xxx> eny azo raisina tsotra tokoa. Nefa nohon'ny toe-draharaham-pirenena amin'ny ankapobeny dia tsy voarain'izay hiantefany ilay handraisana amin'ny maha-tsotra azy ka miteraka sy ahiko hiteraka resa-be.
Izaho tsy manohitra ny votoatiny amin'ny ankapobeny, fa noho ilay famaranana ilay taratasy dia sarona avokoa ny hevitra mafonja ao anatiny.

Na izany aza nefa:
Ny tsipika fahaefatra, andininy faha-2, aie aie aie :^), aleo aho tsy hiteny fa sao misy manararaotra lol.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483