Marina ve fa ny vehivavy Malagasy no maro alaina indrindra

101. soanja ( 25/05/2007 03:04)
patrick2002:

zay rangahy bandy gasy ,fa avia aty izay vadim-bazaha ,hivahiny ato aminay hahita an'izany fitiavana tena malagasy izany ah! :-D:-D:-D
Tsy ambaka noho ny vazaha lahy ny aty :P:P


Zah zao vao saika hiteny hoe fa nankaiza daholo ny lehilahy gasy ato no tsy mba miaro ny voninahiny. Sa ve vavy aby sika ato? Sa ve vazaha lahy aby?

Good job, Patrick a. Tsy ambakan'izay vazaha tokoa ianao!:-*:-*:-*:-*
Ilay somizy aloha tsy lasa fa kazaka no mety.

Andraso fa alefako ato koa izay olona iray fantatro izay hiarotena.:-D:-D:-D:-D


102. xxx ( 25/05/2007 05:46)
soanja: ié izay mihintsy aloha no hitako hatrizay e!
hoy enao hoe ny bandy gasy mahantra , fa na mahantra toy inona aza tiana foana izy refa ao ilay fitiavana, fa tsy izay fahatrany no hanambadiana vazà

zina : tena macho ny bandy gasy ny ankabeazany ka io toetra io no mety nampitsoaka ny sipa gasy ny bandy gasy hiatsampy eny am vazà sa ahoana ry patrick????
103. soanja ( 25/05/2007 20:09)
xxx> Efa saika tsy hanohy an'ity resaka ity aho nefa dia hiresaka azy ihany satria mila misokatra ny masontsika ary hahalala hoe inona no zavamisy eto an-tany.

Afaka mifandahatra sy mifanasa vangy eto isaka momba izany fa tsy mampaninona akory, tsara manko ny miady hevitra.

Eto aho kosa dia hilaza fa ny vazaha raha i Madagasikara no resahiko, amin'ny ankapobeny, dia manambadimbady foana. Ny amin'ny mahaGasy ahy no iresahako izany.
Firifiry moa ny eo iamasontsika sy ny fomba nitaizana antsika dia ahitana hoe :"Izany ka vehivavy!" eo amin'ny fiarahamonina Malagasy no resahiko. Ny Malagasy lahy dia mino aho fa mitaky izany satria izay no nitaizana sy natao hisokafan'ny masony. Mino aho fa ny Malagasy lahy raha mahalala dia tsy hanambady olona efa nanao fivarotan-tena aman-taonany maro izany sy ireo izay hoe ity misy koresy tsy fantatro dia vadiko satria tsara bika ary tsara tarehy.
Tsia, ny lehilahy gasy dia manadihady sady mijery hoe inona no hevitry ny Ray mandreny hajainy momba izany vehivavy izany vao miroso amin'ny fanambadiana. Zany hoe misy "haja" takiana ao anatin'iny tokatrano iny fa tsy izay vehivavy rehetra vao zao vao hita sy mahay mampiasa fahaizana ambony fandriana dia alefa izay fa vady.
Nefa ireto vazaha ireto tompoko dia misy tokoa manao izany. Tsara bika, mahay mampandihy mosta, sariaka, metimety dia lasa izao. Manampahaizana ve? Ie mety na tsia. Tsy voatery. Rehfa mahay manome fahafinaretana ahy dia tsara. Vadiako.

Hitany aminareo aho fa misy fiantraikany be amin'ny taranaka sy ny zaza mivoaka avy ao an-kibo izany. Saingy le izy moa tsy tazana mialoha.

Tsy ifanomezan-tsiny izany fa misy tokoa ny kritera takiany any amin'ny misy azy any fa tsy azontsika Malagasy vinaniana aloha raha tsy efa tonga any.

Koa dia izao e. Ireo lehilahy Malagasy ireo dia mitaky ny hoe NY RAY NO LOHAN'NY FIANAKAVIANA. Io no fiarahamonintsika gasy hatramin'izay. Tsy misy maharatsy azy mihitsy izany. Andraikanstika vehivavy ny mikarkara tokatrano sy mampiodina azy fa ny fandidiana ny goavana dia tokony anjaran'ny lehilahy.
Raha tena gasy fisainana isika dia tsy ahita izany ho olonaakory fa izay no nahatonga antsika ho toy izao ny razambe tany aloha dia nametraka an'io ho fady mihitsy aza hoe Ny raim-pianakaviana no voalohany dia ny fizokiana hatrany.

Raha nahazo anjara vazaha ianao dia tsara izany. Saingy ny anjara gasy koa tompoko dia tretrika. Satria nahoana ireo no afaka hiredsaka bebe kokoa sy hifandihady ary hifanasoa ara-piarazanana sy ara-kolotsaina mba hiampita any amin'ny taranaka.

PS: Efa nahita tena nalahelo be indray mandeha zavavy gasy manambady vazaha. Ompa sy levilevy no omeny ny mpiasany sy ny manodidina azy. Ilay vazaha tsy mahalala izany mihitsy satria refa manoloana ny vadiny izy dia miteny vazaha sady mitsikistiky. Ilay vazaha tsy mahalala izay tena toetrambadiny. Menatra amin'ny mahagasy ahy aho refa nahita izany satria manimba tokoa ny mahagasy ahy sy ny mahavadim-bazaha ahy. Nefa dia hilaza aho fa tsy sambany izany fa ny TENY dia anisan'ny bariera tsy hahalana toetran'olona koa afaka mihatsara velatsihy daholo ny rehetra refa tsy tena mifankahazo resaka.

Misaotra indrindra. Anao indray!
104. xxx ( 25/05/2007 20:21)
amen!


eo ndrindra tsika izao; ny gasy varina mijery hoe inona no fariahaizan'i kala fa raha tsy injeniera tsy alaina vady na koa hoe inona no fariahaizan'i rangahy fa raha tsy manana metrise tsy mahazo manambady ny zanako , koa raha tsy ny diplome no hanambadiana azy koa!

au moins ny vazà ny bika aman'endriny no nanambadiany analay gasy fa refa tiny iny dia tiany tokoa anie e!
manana ny hajany ao anotokatranony iny manana ny lanjany lehibe ao antokatranony iny

eny na dia sanatria aza ka lay sipa kely mpivarotena etsy tsaralalana no nalainy vady, mampaninoa moa izany, sady manavotra an'ilay sipa izy no nanao asa soa , nanafafaka ny nanavotra ny fiaina'ilay sipa izy izany koa!

ny bandy gasy koa nga tsy heverinai' soanja fa mila an'irony mahay manmpadihy mosta be ireony sa ilay manana diplome no alina vady dia avy eo manenika an'i ra be mosta ivelan'ny otkatrano amin'izay avy eo! tranga matetika ary betsaka mitranga anefa io fa dia aleo ho tsorina ihany koa.....

io tsy misy hoe vazaha na gasy fa samy misy lafy ratsiny sy lafy tsara daholo....ary ny olona samy manana ny tandrifiny daholo na manambady inona izy na inona dia izay no anjarany izany......

105. soanja ( 25/05/2007 23:10)
xxx> Tsia velively hoa aho satria raha hanambady gasy ianao dia fotorana tsara hoe iza na aiza no fototra niaviana. Iza ilay fianakaviana ary inona no toeran'io fianakaviana io eo amin'ny fiarahaminona, ahoana nanao ahoana daholo ny zanany na izay taranany. Tsy voatery hanampahaizana akory , satria tsy izany amiko no fahendrena fa ny maha ianao ianao eo amin'ny fiarahamonina dia isan'ny kritera jeren'ny lehilahy gasy vao matetika, tsindriako matetika, vao miroso amin'ny atao hoe fanambadiana.

Zany hoe tsy voatery ho tena fitiavna be akory ny fanambadiana eto fa ny fitsonjavana ny fiapianan'ny mpianakavy sy ny voninahiny ary ny ho avy ny taranaka. Azo atao tsara ny mamorona fitiavana ao anat'izany fianakaviana izany na dia tsy nisy aza tany ambohalohany, ary hilaza aminao aho fa IREO no maharitra satria nahoana TSARA FOTOTRA na TSARA ORINA ny fianakaviana. Ny soa toavina rehetra dia manoloana izany fianakaviana izany.

80% n'izay fanambadiana tsy mitovy firazanana dia misaraka. Inona ny antony. Dia efa nisy etude izany, ny antony dia satria bariera misy eo amin'ny elanelan'ny kolontsaina sy ny teny io ary ny back ground nahalehibe.
Ka eo ny tsy haiko hoe inona no tsara na ratsy. Tsy manana izay valinteny aho fa hiteny fotsiny hoe manana risaka ny fanambadiana vazaha ary tena zavatra efa mitombona nianarana izany. Iza moa no victime tompoko, ny zanaka ihany fa ho aiza moa.
Eo ny ahy no tiako tsindriana.

Tsy lafatra ny zatovo Malagasy. Siangy tsy hanomezako tsiny azy izany fa ny fiarahamonina nitaizana azy no mitongilana amin'ny fikarakrana ny zazavavy. Efa mivoatra isika izao dia lasa misy lesoka be ilay izy.

Tsy miteny amin'ny fo aho izao miresaka izao fa amin'ny maso tsy miangatra hoe Inona no azontsika hanampiana ny tanora Malagasy mba hananany ny izany soa toavina tsy helingelen'ny kolotsaina vahiny izany. Ka mitaky ny antsika hifanaraka amin'iny nefa tsy mbaola maharaka izany ny firenana. nY MEDIA dia tena blamer-vako mihitsy satria mampiana-dratsy ny tanora ankehitriny ny fahitany ny fiainana. LASA MANIRY VALALA TSY ANTANANA ny ankamaroany ary mampanaonao foana tokoa. Firifiry moa ny zanakantsika amin'izao no milalao porno sns hafa tsy voatanisa noho izany firongatra ny toetsaina vahiny izany.
Malahelo ny tenako aho sady malahelo ny taranaka any aoriana.


Ny fahatran'ny Malagasy no mahatonga ny fihazakazahana amin'ny fanambadiana Vazaha. Fa mino aho fa raha feno ireo tany ampotony dia tsy nisy izany fitobahana be loatra tsy amimpamendrehana izany.
Fa satria isika sy ianao manambady vazaha dia te hiaro izany vonihanitra izany tokoa. Manaiky aho. Saingy hoe aho hoe jereo ny zavamisy fa aleo tsy atao fitiavan-tena be loatra.
Inona no ho entiko ho an'ny taranako na ny Tanindrazako raha nanambady zazaha aho taty? Inona no mba najara birikiko ho an'ny tanora Malagasy tsy afa-manoatra? Inona no mahaMalagasy ahy na dia vadim-bazaha aza. Io ny ahy no takiako amin'ny rehetra. Tsy ankanavaka.
De manambady vazaha daholo ve ny vehivavy eto dia tsy hisy sahy hiaro ny voninahin'ny vadiny izay Malagasy no zimbazimbaina. Tsia. Fiatombohany izao. misy fanombohany ny zava-drehetra.
Manana kilema ny lehilahy Malagasy saingy tsy fositra mihitsy. Raha kilema koa anefa dia hilaza aho fa manana manaraka ny arabe ny vazaha. Mety ny ahy sy ianao no tsara fanahy sy metimety.
Ny tokatrano tokoa tsy misy volonkoditra. Marina izany fa raha misy etude nojerena ka miakatra ny taux na statistika hozy ny Amerikanina de izay no ilana ilay fijerena azy akaiky sy hitandrovana izay tsy mbola very sy azo arenina. FANABEAZANA ny tanora no amiko no vahaolana fa raha hoe ANJARA ny fanambadiana dia tamin'ny andron'ny Ntaolo izany.

Anao indray.
106. xxx ( 26/05/2007 07:20)
toa tsy izay intsony ilay izy amin"izao fotoana izao na bola misy aza zany...

samy manao zé tiny koa io anie e! resabe fotsiny zany fa raha mifakatia ilay olona dia alainy vady foana iny, tamin'ny fomban'ny taolo izany fa izao efa tsy izay tsony koa, rehefa mifakatia ny ankizy dia manao izay hahatateraka ny fanambadina ny zanaka sy ny ray amandreny:wink:
107. litabaombinn ( 04/07/2007 08:48)
:D Salut! ny fahantrana eto @ tanàna no mahatonga ny vhv gasy miparitaka eran izao tontolo izao ee! Ka na vazà efa lany mofo sy maty hozatra izao aza dia idiro r'ty fa sitrany ahay afaka ny fahantrana eto dago ah!Efa saala @ dadabe sy zafikely reefa miaraka fa dia eehheeee! Dé ny tena ro menatse ee! Bisous!
108. Jeankely ( 10/07/2007 09:41)
Tsy fiarahamamonina Malagasy ihany no hoe lehilahy no lohampianakaviana. Ny vazaha no nampianatra ny anarana mivadika anaran'ny lehilahy izany fa tsy ny Malagasy. Anisany manome vahana ny vehivavy ny Malagasy. Raha ny Silamo no resahina mbola aiza ity misarotava, tsy azo vangiana ary tazanin'ny namana ny tarehin'ny vady fa ilay rangahy ihany. Ny vehivavy Malagasy iahany no sahy miteny hoe tsy tsara ny lehilahy Malagasy mpiray firenena aminy fa ny hafa tsy sahy mteny izany amin'ny iray lehilahy iray firenena aminy. Vehivavy Indian tena miforitra ary ny lehilehy rehtra atahorany. Vehivavy Malagasy tena manana fahalalahana ary sahy mijery lehilahy hafa na manambady aza. Miala tsiny an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5814