tandremo ry diaspora!!

1. bazylou ( 07/05/2007 22:04)
Manomboka amin'ny volana Oktobra izao, izay ankizy teraka ka tsy misy fanampin'anarana malagasy, dia tsy mahazo mizaka ny zom-pirenena malagasy.
Tandremo fa ho lasa lavitra izy ity an!!:wink::wink::wink:
novalian'i Ratoa ny 29/05/2007 12:48
2. hery ( 08/05/2007 00:13)
OMeo ny référence ra bazyl fa sao dia Tsaho a.

Sady mora anie ny manao anarana gasy e... OHatra hoe Jacques Sylla dia tonga dia atao hoe Zaka Silahy :-)
3. fasaly ( 08/05/2007 05:30)
:-D:-D:-D
4. niryna ( 08/05/2007 06:02)
:roll:
5. rakaroka ( 08/05/2007 06:49)
:roll::roll::roll:
Ahoana indray izany? ary iza no fototra nipoiran'izany: fa rehafa tsy "Rakoto sy Rabe" sy izay tsy eritreretinareo ve dia tsy gasy e?....Maro anie ny cotier mitondra anarana vahiny tahaka ny "Filomèna, ikala Marie,Jéroma,Boniface
6. xxx ( 08/05/2007 06:52)
Tsy haiko aloha izay didy mivoaka any amizao fotoana izao fa zv marina no lazaiko, ny anaran-janako tsy misy anarana gasy tokoa fa dia tsy nahazo ny zo-pirenena malagasy araka io voalaza io fony tany madagasikara, hany ka tsy nahazo passeport gasy koa.
7. Samoana ( 08/05/2007 08:00)
xxx:

... ny anaran-janako tsy misy anarana gasy tokoa fa dia tsy nahazo ny zo-pirenena malagasy ...


Ny "code de la nationalité" antsika gasy dia somary hafa tokoa raha oharina @ ny an'ny frantsay ho an'ny couple mixte:
-Raha ny rain-jaza no gasy dia tsy misy olana fa gasy avy hatrany ny zaza
-raha vahiny kosa ny lahy fa ny renin-jaza no gasy dia tsy automatique fa tsy maintsy manao fangatahana naturalisation toy ny vahiny rehetra raha tiana ho gasy ilay zanaka:roll:

Ny fieritreretako azy dia mbola mana-danja goavana eo anatrehan'ny lalàna malagasy ilay hoe ny lahy no loham-pianakaviana .


8. Samoana ( 08/05/2007 08:02)
bazylou= minisitry ny savorovoron-kevitra:-D
9. bazylou ( 08/05/2007 08:59)
savorovorohoy ianao nefa io xxx nanao temoignage an!!
10. xxx ( 08/05/2007 09:44)
Ny an'ny Gasy dia raha vao gasy ny anarana dia moramora kokoa ny mahazo naturalisation. Amin'ny firenena hafa tsy misy ohatra an'izany fa mitovy daholo.

Ny Gasy izany tsy hoe sarotra kokoa fa vao mainka aza misy tombony kokoa. Rehefa tsisy anarana gasy dia atao tahaka ny any @ firenena hafa.
11. ds ( 08/05/2007 13:09)
Raha ny fahafantarako azy, dia tsy mbola niova ny lalàna mifehy ny maha teratany malagasy.
Vakio ato ny savaranonandony
12. fijo ( 08/05/2007 20:54)
tsy mbola misy fiovan aio lalana io,ka aza dia manadala ani e ry bazy e.io PS ny bazy io izao raha adika anarana gasy di atsotra?lo fototra.avy dia mahazo le taratasy izany
13. Samoana ( 08/05/2007 21:16)
Hanamafisana ny efa voalazako etsy ambony:

"La nationalité malgache est essentiellement une nationalité de filiation. Est malgache : l'enfant légitime d'un père malgache, l'enfant légitime d'une mère malgache et d'un père qui n'a pas de nationalité ou dont on ne connait pas la nationalité. Lorsque le père a une nationalité étrangère, l'enfant ne naît pas malgache, il peut seulement le devenir sous certaines conditions et en en faisant la demande.

Acquisition de la nationalité pour un mineur de mère malgache
Pièces à fournir pour les mineurs de dix huit ans à vingt et un ans:
- Formulaire à télécharger et à remplir ICI.
- Copie intégrale de naissance .
- Acte de mariage de parents.
- Extrait de casier judiciaire du père.
- Certificat de moralité du père.
- Certificat de nationalité malgache de la mère.
- Certificat médical attestant que l'enfant mineur est ou non exempt d'infirmité, de vice de constitution, s'il est ou non atteint de tuberculose, de maladie vénérienne, d'affection mentale.
Le tout en quatre exemplaires (un original et trois copies) "
-Source site n'ny ambassade-

14. linarako2 ( 09/05/2007 14:41)
Aiza koa no hisy an'izany fa toa misy milaza angano ato. Ny anarana gasy diso lavabe ara-no tokony asiana fiheverana.
15. Zina ( 09/05/2007 19:36)
:-D:-D:-D
16. fijo ( 09/05/2007 21:17)
avelao letsy ny anarantsika hoamin'izao an
17. sympa ( 10/05/2007 02:29)
Tsy loharanom-baovao na loharanon-kafatra no reko fa loharano etsy sy eroa :-@:-@:-@ ka mialatsiny dieny mialoha raha ohatra ka diso ny olazaiko eto, fa izao hono "HONO hoy ao " (amarino raha diso) raha tsy manana anarana gasy izao dia tsy afaka mifidy @ ity :!: Tsy aiko na marina fa otrany mapieritreritra ihany izany ka :?: 8-):-w
18. meva2 ( 10/05/2007 06:47)
Amiko aloha dia tsy mitombina mihitsy izany vaovao izany.
Ny fanampin'anarana dia safidy malalaka hoan'ny ray amandreny na teny anglisy io na arabo na sinoa, tsy hitako mihitsy izay idiran'ny nationalité amin'izany.
Marina fa indraindray misy mi abusé ihany ny RAR amin'ny prénom oh hoe: fête nat, marie mère de Dieu,ect...Fa izany akory tsy mampiova ny maha malagasy.
19. xxx ( 10/05/2007 07:29)
xxx:

Tsy haiko aloha izay didy mivoaka any amizao fotoana izao fa zv marina no lazaiko, ny anaran-janako tsy misy anarana gasy tokoa fa dia tsy nahazo ny zo-pirenena malagasy araka io voalaza io fony tany madagasikara, hany ka tsy nahazo passeport gasy koa.



Teo @ ilay "NOM" moa zany no tena tsy naneken-dry zareo azy e satria tsy Rakoto tsy Rabe tsy Rasoa tsy Ravao, nefa mahagaga tokoa aôna zany lé oe Sylla,ôtran nanaitra ah fa d aleo ndray aloha andé hively vy dieny mafana ra izany an!
20. sympa ( 10/05/2007 12:25)
xxx:

Teo @ ilay "NOM" moa zany no tena tsy naneken-dry zareo azy e satria tsy Rakoto tsy Rabe tsy Rasoa tsy Ravao, nefa mahagaga tokoa aôna zany lé oe Sylla,ôtran nanaitra ah fa d aleo ndray aloha andé hively vy dieny mafana ra izany an!


ko le io nolazain' i xxx io mintsy no tiako nolazaina @ le hoe: "NOM", Nom de famille fa adinoko ny nanamarika azy tetsy aloa :^) Enao na ny zanakao zany rehefa tsy manana Nom de famille gasy d'efa tsy afaka mifidy :!: Fa ilay fanampiny tsy maninona na izay anarana vahiny aza no ataonao eo tsy misy tsikera @ io :-*:-*


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.554