fiainana mandrakizay

1. diamondra27 ( 17/04/2007 10:29)
Azo antoka ny fianana mandrakizay....
novalian'i deric ny 31/07/2007 11:59
2. rakaroka ( 17/04/2007 10:39)
Eny fa samy manana ny hiheverany izany:lol:!
3. prime ( 17/04/2007 11:21)
Tsia tsy samy manana ny hiheverany azy fa samy manana ny finoany...

Fa na mino an'i Kristy sy izay voalazany na tsy mino izay voalazany fa mino fanambaràna hafa (na koa tsy mino Azy fotsiny tsotra izao...)

Tokana ny fiainana mandrakizay fa tsy misy lalana maro na endriny isankarazany araka ny hiheverana azy... hoy mantsy Kristy :

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20
4. rakaroka ( 17/04/2007 11:36)
[quote=prime]
Tsia tsy samy manana ny hiheverany azy fa samy manana ny finoany...


Eny samy manana ny hiheverany izany araka ny finoany avy....

Tokana ny fiainana mandrakizay fa tsy misy lalana maro na endriny isankarazany araka ny hiheverana azy... hoy mantsy Kristy :


Tsy azo!...
Ka ny sasany eo ankavanan'i Allah"
Ny sasany eo ankavanan'Atra!
Ny sasany ho any @ "fikotriha-nify"
Ny hafa mi-re-incarne....
Dia ahoana moa no hanaporofoana fa ny finoanao no marina?....:roll::roll::roll::?::?::?:

i]"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay."[/i] I Jaona 5:20


Tsy tokony hitopmo teny fantatra BBbbe fahatany raha toa i Jesoa en perso aza tsy mahalala hoe "eo an-kavanana sa "ankavia"nAtra ny toeran-dranona sy ranona!....
5. anselme999 ( 17/04/2007 12:10)
Raha ny finoana no resahina de anisany finoana koa ny fiainana mandrakizay satria tsy mbola nisy avy tany isika na ireo teo alohantsika nefa mahatoky sahady ary aza mody manao manankambara eo momba ny soratra masina fa ataovy parkera aloha io baiboly iray manontolo io zay vao miteniteny sy manoratsoratra
6. Fiffi ( 17/04/2007 12:18)
rakaroka:
Tsy tokony hitopmo teny fantatra BBbbe fahatany raha toa i Jesoa en perso aza tsy mahalala hoe "eo an-kavanana sa "ankavia"nAtra ny toeran-dranona sy ranona!....
heu.....tsy mazava......


7. ikaretsaka ( 17/04/2007 12:33)
betsaka ny mino ny fiainana mandrakizay..
fa miombok'hevitra @ rakaroka aho hoe samy manana ny fiheverany sy ny finoany azy"
-ny sasany any misy virijiny 77

-ny sasany misy an'i Md piera manao gardien ny tananany rahatrizay

-ny sasany misy anakitelo iznay fiainana mandrakizay izany "ny afobe , ny afo fandiovana, ny heaven"

-ny sasany misy manao hoe reincarnated ho lasa kadradraka de avy eo lasa voalavo dia avy eo lasa sokatra. omby, lalitra .. tsy haiko aby,

-ny sasany lasa atao mommie aloha ny vatanao dia ny fanahinao i orisis no manapaka ny atao aminy

-ny sasany mino hoe mitono vomanga any ambondrombe

sy ny sisa sy ny sisa
8. hajatia ( 17/04/2007 12:37)
manahoana daholo nahaliana ahy le resaka teo fa tsy hoe mahay be anio za fa ra izaho manokana de tsy mino ninoninona intsony satria nisy zvt nahazo ahy kanefa misi marina ny tenin'ny sasany hoe samy manana ny finoany
9. cutie ( 17/04/2007 14:49)
Tokana ny fiainana mandrakizay fa tsy misy lalana maro na endriny isankarazany araka ny hiheverana azy... hoy mantsy Kristy :

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 17-04-2007 14:33:00
Lohateny : Re : fiainana mandrakizay
betsaka ny mino ny fiainana mandrakizay..
10. ikaretsaka ( 17/04/2007 15:11)
an an an
zahako:
betsaka ny mino ny fiainana mandrakisay saingy samy manana ny fiheverany ny mety ho fiainana mandrakizay anefa
11. cutie ( 17/04/2007 15:16)
namaste wa :lol:
12. prime ( 17/04/2007 15:31)
rakaroka:
Tsy azo!...
Ka ny sasany eo ankavanan\'i Allah\"
Ny sasany eo ankavanan\'Atra!
Ny sasany ho any @ \"fikotriha-nify\"
Ny hafa mi-re-incarne....
Dia ahoana moa no hanaporofoana fa ny finoanao no marina?....

...Satria tsy fihevitr\'iolombelona na fahendren\'olombelona no itompoako teny fantatra fa ny tenin\'Andriamanitra nambaran\'Izy tenany...

...Satria Kristy izay fototry ny finoako no efa manambara toy izao :


\"Ary amin\'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.\" Ohabolana 2:9

\"...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray, afa-tsy amin\'ny alalako.\" Jaona 14:6... Iza re no Andriamanitra na Mpaminany sahy miteny toy izany e?...
rakaroka:
Tsy tokony hitopmo teny fantatra BBbbe fahatany raha toa i Jesoa en perso aza tsy mahalala hoe \"eo an-kavanana sa \"ankavia\"nAtra ny toeran-dranona sy ranona!....
... Fantany soamantsara izany fa hitondra inona moa ny fahalalàna izany?... Andriamanitra Tompon\'ny lanitra sy ny tany anie no iantsoana Azy e...

Araka ny voasoratra hoe : \"dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon\'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,\" Asan\'ny Apostoly 17:24


Ary Andriamanitra manana ny fahefàna feno any an-danitra sy ety an-tany ka tsy fantany ahoana hoy ianao?...

Araka ny voasoratra hoe : \"Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;\" Matio 28:18

ikaretsaka:
betsaka ny mino ny fiainana mandrakizay..
fa miombok\'hevitra @ rakaroka aho hoe samy manana ny fiheverany sy ny finoany azy\"
-ny sasany any misy virijiny 77

-ny sasany misy an\'i Md piera manao gardien ny tananany rahatrizay

-ny sasany misy anakitelo iznay fiainana mandrakizay izany \"ny afobe , ny afo fandiovana, ny heaven\"

-ny sasany misy manao hoe reincarnated ho lasa kadradraka de avy eo lasa voalavo dia avy eo lasa sokatra. omby, lalitra .. tsy haiko aby,

-ny sasany lasa atao mommie aloha ny vatanao dia ny fanahinao i orisis no manapaka ny atao aminy

-ny sasany mino hoe mitono vomanga any ambondrombe

sy ny sisa sy ny sisa
... :-D:-D:-D Raha tsy mpino ise ry Ika dia manaiky aho fa ny fisalasalàna toy izao ambaranao izao dia somary manahirana ihany ny hamaly azy satria toy ny olona tsy kristiana no miteny...
13. cutie ( 17/04/2007 15:43)
Tokana ny fiainana mandrakizay fa tsy misy lalana maro na endriny isankarazany araka ny hiheverana azy... hoy mantsy Kristy :

@ finoana kristiana zany de io ny lalana e
fa tsarovy koa fa tsy ny finoana kristian rery akory ny finoana misy eto ambonin'ny tany .
14. ikaretsaka ( 17/04/2007 15:49)
mpino aho ry prime an.. fa za ko anefa manaiky araka io lazain'i cutie io hoe tsy ny kristianina rery no finoana misy eto ambonin'ny tany, dia mila hay koa ny finoan'ireny
15. cutie ( 17/04/2007 15:53)
Ika
ka i prime nga te hahalala an';zany :-D
ny azy ny azy ihany araky ny TA hono :-D de refa tsy mitovy ny azy de tsy izy :-D
16. ikaretsaka ( 17/04/2007 15:57)
prime:
.. Raha tsy mpino ise ry Ika dia manaiky aho fa ny fisalasalàna toy izao ambaranao izao dia somary manahirana ihany ny hamaly azy satria toy ny olona tsy kristiana no miteny...


io ilay hoe:
raha vary no amboleko dia mba tokony mila ho fantatro ihany ny ambolen'ny manodidina ahy hahafahako mikarakara ny ahy misimisy kokoa.
hoe ny atsy katsaka dia ny atsy mangahazo dia ny atsy tsaramaso

sao takon'ny katsaka ny voly variko ko!
io ilay lazaina an'ise foana ry prime hoe mivoaha kely aloha ivekan'ny tanimbolin'ise sy ny borne an'ise!

ny finoana dia mivelatra fa tsy mihidy!


17. cutie ( 17/04/2007 16:01)
:-D:-D:-D:-D:-D
matahotra sao de ho lavo izy koa:-D
18. cutie ( 17/04/2007 16:02)
de avy eo mila an'le baiboly haingana atao assurance :-D
19. kiranil ( 17/04/2007 16:07)
Tsotra ny zavatra ambarako:

Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra [Jesosy Kristy], mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo.
IJaona 5:13


Manaraha an'i Jesosy Kristy:: mibebaha noho ny ota efa vita, miala @ ratsy fanao, minoa ny anarany, mankatoava ny Teniny, ary manaova ny sitrapon'Andriamanitra Ray dia ho fantatra mazava tsara fa hiainana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra ianao, rahatrizay miala eto an-tany.

Izaho aloha tsy misalasala intsony hoe ho lasa lalitra ve sa ho lasa rajako, tahaka ny voalazan-ny sasany @ reincarnation; na hoe hiaraka @ "virijiny 77 " izany, na hoe mankany @ afofandiovana..sns...

Fa efa nampafantarina ahy mazava tsara hoe ho aiza aho rehefa miala ny fofon'aiko. Tahaka ilay jiolahy nolazain'i Jesosy hoe:: "anio no hihaonao amiko any Paradisa" Vakio ao @ Lioka 23

http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=23&andininy=39-43&dika=


Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23



Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15


>>> Minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonananao..

Misaotra



20. cutie ( 17/04/2007 16:09)
Izaho aloha tsy misalasala intsony hoe ho lasa lalitra ve sa ho lasa rajako, tahaka ny voalazan-ny sasany @ reincarnation; na hoe hiaraka @ "virijiny 77 " izany, na hoe mankany @ afofandiovana..sns...

:-D:-D:-D:-D:-D:-D
Fa efa nampafantarina ahy mazava tsara hoe ho aiza aho rehefa miala ny fofon'aiko. Tahaka ilay jiolahy nolazain'i Jesosy hoe:: "anio no hihaonao amiko any Paradisa" Vakio ao @ Lioka 23

sambatra be mitsy i kiranil zany :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1263