fiainana mandrakizay

21. ikaretsaka ( 17/04/2007 16:19)
sambatra be kiranila.. sahy mitompo teny fatratra fa ho any andanitra tsy misy fitsarana... hanampy mihitsy za hiantso hoe Masindahy Piera o sokafy ny lakile'ny Karetsaky ny varavaran'ny lanitra hidiran'i Kiranil o:wink:

fa ny aza hitako raha mikapoka lalitra tampoka za ...kay izy tampoka le izy no mety hanahirana...:wink: Miserere mei

na heno hoe mitono vomanga any ambondrombe na hivavahana ary @ afo fandiovana...

aza hitako aza mahita ahy!

[quote-kiranil]Tahaka ilay jiolahy nolazain'i Jesosy hoe:: "anio no hihaonao amiko any Paradisa" Vakio ao @ Lioka 23[/quote]

le jiolahy io fa tsy i kiranil!

Soava dia dia any mihaona ..Raha samy ho any!
22. pissoa ( 17/04/2007 16:20)
le resaka tsisy soratra hoe "Fiainana mandrakizay an'ny Kristianina", dia marina tsara ny tenin'ny namana milaza hoe samy manana ny Fiainana Mandrakizay aminy satria tsy ny finoana Kristianina irery no misy sy manerana. Raha ho avy koa ny mpanaraka ny finoana "Tsy Mino" dia hilaza izy fa tsisy ny fiainana mandrakizay ...

ka farito tsara alou ny resaka atao vao mifampitory lavareny ! na mifampitsara hoe toy ny tsy Kristianina no miteny (Prime :{ ) ... toa fitanisana ny fiheveran'ny "tsy mitovy aminareo" ny atao hoe fiainana mandrakizay mantsy no hitako sasany eo ambony eo, fa tsy hoe izaho ho lasa rajako na ... :-D:-D:-D
23. simplex ( 17/04/2007 16:40)

Tsy misy mankany @ Ray afa tsy avy @ alalako
24. ikaretsaka ( 17/04/2007 16:43)
simp: matahotra aho!
@ alalan'ialay @ ahoana?:-D
25. cutie ( 17/04/2007 16:49)
efa we simple hono koa:-D
26. simplex ( 17/04/2007 16:58)

sambatra izay tsy mahita kanefa mino
27. cutie ( 17/04/2007 17:11)
tsy mahita an'le fiainana mandrakizay ve zany 8O
28. Fiffi ( 17/04/2007 19:36)
ary izaho mino ny fanahy masina
ny eklesia masina katolika
ny fiombonan'ny santa
ny famelan-keloka
ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty
ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY Amen........
29. kiranil ( 17/04/2007 20:49)
zao le izy e::

\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra IZAO TONTOLO IZAO, nomeny ny Zanany Lahitokana [Jesosy Kristy] mba tsy ho very IZAY REHETRA MINO AZY, fa hanana FIAINANA MANDRAKIZAY\" Jaona 3:16

Mazava be izany Tenin\'Andriamanitra izany, ho an\'ireo izay manetry tena sy manaiky ny Fanomezana avy amin\'Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay ao @ Jesosy Kristy, fa tsy miavonavona.

Ary marina ny tenin\'ny cutie hoe \"sambatra\" satria matoky an\'Andriamanitra sy ny Teniny, fa tsy matoky tenin\'olona @ resaka fiovana rajako sy lalitra ary ny afo fandiovana sns...::

Vakio Jeremia 17 hanazava an\'io fahatokisana an\'Andriamanitra io.



\"sambatra izay olona manao an\'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman\'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin\'ny lainga.\" Salamo 40:4

Izao no lazain\'i Jehovah: Ho voaozona izay olona matoky olona Sy manao ny nofo ho sandriny, Ka miala amin\'i Jehovah ny fony.

Hotahina izay olona matoky an\'i Jehovah, Dia izay manana an\'i Jehovah ho tokiny. Jermia 17


>>>> \"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra IZAO TONTOLO IZAO, nomeny ny Zanany Lahitokana [Jesosy Kristy] mba tsy ho very IZAY REHETRA MINO AZY, fa hanana FIAINANA MANDRAKIZAY\" Jaona 3:16

Ho an\'izao tontolo izao io Famonjena sy Fitiavan\'Andriamanitra ao @ Jesosy Kristy io, fa anjaran\'ny tsirairay na hanaiky izany na tsia..

Vakio Jaona 3


\"Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin\'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran\'ny Zanakalahy Tokan\'Andriamanitra izy.\" Jaona 3:17-18


>>> Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan\'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

Misaotra.


30. rakaroka ( 17/04/2007 22:18)
Fiffi:

[quote=rakaroka] Tsy tokony hitopmo teny fantatra BBbbe fahatany raha toa i Jesoa en perso aza tsy mahalala hoe "eo an-kavanana sa "ankavia"nAtra ny toeran-dranona sy ranona!....
heu.....tsy mazava......


Voalazan'i Prime hoe
]"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay."[/i] I Jaona 5:20


Ny remise en question "goavana" mipetraka dia hoe:
ilay "aspect" hoe "hazavan-tsaina" efa nomena antsika
dia hoe ny fahafarana ny marina no mampitoetra ao @
marina...Ataoko 'ty maro no mahafantatra ny "marina"
sans avoir hoe miaina @ izany. Tsy fe fahafantarana an'i Jesoa no "tanjona" fa fanatrarana "fahatanterahana" @ fahamendrehana ho @ fiainana indrindra!....





31. rakaroka ( 17/04/2007 22:44)
prime:

[quote=rakaroka]Tsy azo!...
Ka ny sasany eo ankavanan\'i Allah\"
Ny sasany eo ankavanan\'Atra!
Ny sasany ho any @ \"fikotriha-nify\"
Ny hafa mi-re-incarne....
Dia ahoana moa no hanaporofoana fa ny finoanao no marina?....

...Satria tsy fihevitr\'iolombelona na fahendren\'olombelona no itompoako teny fantatra fa ny tenin\'Andriamanitra nambaran\'Izy tenany...


Ireo finoana samy hafa ireo dia samy mitoky @ Andriamaniny tahaka an'i Prime izao koa , ka tsy lazaina fa avy @ olombelona rehefa tsy mitovy fijery
aminao


\"...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray, afa-tsy amin\'ny alalako.

Ny resaka toa izao raha ao @ Maitreya dia "izaho sy ny Ray dia iray ihany...tsy misy mpanalalana akory!".
En fait raha ao anatinao sy manjaka ao aminao ny Fanahy Masina...tsy misy akory mpanalalana... Nisy angamba fa efa nahavita ny Mission-ny!

\" Jaona 14:6... Iza re no Andriamanitra na Mpaminany sahy miteny toy izany e?...


Koa 'nareo tsy mba mis'ouvrie @ hafa koa mametra-panontaniana! Nisy tokoa!...Tsy hoe Atra aloha no reko fa "raha ny marina teo @ fahafenoana "fahatanterahana": nandilatra lavitra an'i Jesoa hono i Bouddha: mino na tsia ianareo...tsy anjarako ny handresy lahatra !
Tsy tokony hitopmo teny fantatra BBbbe fahatany raha toa i Jesoa en perso aza tsy mahalala hoe \"eo an-kavanana sa \"ankavia\"nAtra ny toeran-dranona sy ranona!....
... Fantany soamantsara izany fa hitondra inona moa ny fahalalàna izany?... Andriamanitra Tompon\'ny lanitra sy ny tany anie no iantsoana Azy e...


Raha mamaky ny bokin'i Marka 10 revoir séquence 35 40
fony Jakoba sy Jaona zanak'i Zebedio niteny hoe "mba ekeo ny anankiray eo ankavananao...any @ voninahitrao.
, dia novaliany hoe "tsy ahy ny hanome izany!"
32. ikaretsaka ( 17/04/2007 22:54)
Fiffi:

ary izaho mino ny fanahy masina
ny eklesia masina katolika
ny fiombonan'ny santa
ny famelan-keloka
ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty
ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY Amen........


tsy katolika io fa anglikanina (vazivazy eeee)
33. kiranil ( 17/04/2007 23:27)
Voalaza teo :
[quote]"...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.


Ny resaka toa izao raha ao @ Maitreya dia "izaho sy ny Ray dia iray ihany...tsy misy mpanalalana akory!".


Maitreya dia tsy Jesosy Kristy, sy tsy Andriamanitra velively; fa "AntiKristy" izay manandran-tena tahaka an'Andriamanitra voalaza ao @ II tes 2. Ary mamitaka.


"hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,

ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra."



.. nandilatra lavitra an'i Jesoa hono i Bouddha:



[Jesosy Kristy] no ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.

Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao;

fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;

ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

Ary Izy no lohan'ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy.

Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,


sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.

Ary hianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny



Misaotra.

34. rakaroka ( 18/04/2007 07:36)
[quote=kiranil]


Maitreya dia tsy Jesosy Kristy, sy tsy Andriamanitra velively; fa "AntiKristy" izay manandran-tena tahaka an'Andriamanitra voalaza ao @ II tes 2. Ary mamitaka.


Ié tsy Jesoa mihitsy izy fa ilay nantsoin'i Jesoa hoe Ray ô nahoana no dia mahafoy ahy ianao?....


"hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,


Tsy izay tsy ao anatin'ny fiheverana ho Kristiana dia lazaina fa zanaky ny fahaverezana

ilay manohitra

Tsy mifanipaka @ Yaveh ny fampianarany
ka manandra-tena ho ambony

Tsy manandra-tena izy satria sady tsy mitaky ny olona iankohoka aminy, tsy voatery hanonona ny anarany, tsy mitaky ny olona hivavaka aminy koa,
manaja aza ny safiny sy ny maha -izy azy ny tsi1/1

noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra."


Ny soratra soratanao eto tsy mifanaraka @ ilay "sujet" satria tsy fantatrao akory ilay "Sujet"!
tahaka ny hoe ianao no tena mpiapanga!

.. nandilatra lavitra an'i Jesoa hono i Bouddha:


[color=red]
[Jesosy Kristy] no ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.


Angamba?....hanavotra ny kristiana izy mais ce n'est pas sur tant que niteny izy hoe "tsy fantatro akory ianareo. Mialà amiko ianareo mpanao heloka."
Sao hanantena fa ho afaka madio tsotra anefa tsy mba miezaka akory...

Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita
,
Voarakitra fa tahaka an'Atra no namoronana ny olona koa! Tsy Izy irery... fa mieritrereta!

[
u] Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra,
[/u]

Tsy izy irery no nantsoina ho @ "Fahatanterahana fa isika tsy an-kanavaka araka ny soratra "Aoka ho tanteraja ianareo: tahaka ny fahatanterahan'ny Rainareo izay any an-danitra!
Hatreo aloha fa lava!:wink:
35. prime ( 18/04/2007 08:14)
cutie:
@ finoana kristiana zany de io ny lalana e
fa tsarovy koa fa tsy ny finoana kristian rery akory ny finoana misy eto ambonin'ny tany .
... Ka izaho angaha miteny hoe ny finoana kristiana ihany no finoana misy eto ambonin'ny tany?... mba hafa indray izany fahitànao azy izany...:-D Ny lalana no io ihany (Jesosy Kristy) fa tsy ny finoana...:
cutie:
Ika
ka i prime nga te hahalala an';zany
ny azy ny azy ihany araky ny TA hono de refa tsy mitovy ny azy de tsy izy
... Tsy hoe rehefa tsy mitovy ny ahy na ny hevitro fa rehefa tsy mitovy amin'ny lazain'ny tenin'Andriamanitra...:wink::-D

Raha miteny ny tenin'Andriamanitra hoe, mety diso izany ry prime fa misy lalana hafa ihany fa tsy lazaina ato amin'ny soratra masina dia manaiky aho... fa rehefa tsy misy dia izay no izy...:-D
cutie:
matahotra sao de ho lavo izy koa... de avy eo mila an'le baiboly haingana atao assurance
...:-D:-D:-D Aza mampihomehy ry cutie a... hay fantatrao lalina toy izany ny finoako?:-D fa niara-nianatra sa niara-nivavaka niara-nisakafo sa niray trano taiza izaho sy ianao no mitompo teny fantatra mahalala ahy toy izany ianao?...:-D

Izaho tsy mitsahatra ny mamerina fa Kristy no antony ahavelomako ary ao Aminy ny fiainako... azonao?... Ny finoako tsy mihidy, fa mivelatra satria Kristy no mampahafantatra ahy ny zavatra rehetra ary mampianatra ahy ny zavatra rehetra araka ny voasoratra hoe :
"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara." I Tesaloniana 5:21
... sy ny hoe : "Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra." Ohabolana 2:5
ikaretsaka:
mpino aho ry prime an.. fa za ko anefa manaiky araka io lazain'i cutie io hoe tsy ny kristianina rery no finoana misy eto ambonin'ny tany, dia mila hay koa ny finoan'ireny
... Izaho anie tsy miteny hoe io ihany ny finoana misy eto ambonin'ny tany ary mbola tsy niteny velively na dia indray mandeha aza tsy ilaina ny mianatra ny finoan'ny hafa... raha mahatsikaritra i Ika dia anisan'ny liana amin'ny fampianarana mandeha eto aho (ary tsy eto ihany)... efa nitondra teto i soanja sy rakaroka... fa mahaliana dia vakiana ary fantarina ka maninona moa?:):-D:-D
pissoa:
le resaka tsisy soratra hoe "Fiainana mandrakizay an'ny Kristianina", dia marina tsara ny tenin'ny namana milaza hoe samy manana ny Fiainana Mandrakizay aminy satria tsy ny finoana Kristianina irery no misy sy manerana. Raha ho avy koa ny mpanaraka ny finoana "Tsy Mino" dia hilaza izy fa tsisy ny fiainana mandrakizay ...
... Ekena ary mitombina ny fanamarihana...
36. bobone ( 18/04/2007 08:29)
Merci Diam: fa izao an! miakina @ zavatra hataon'ny olona no hahazoany antoka ny fianana mandrakizay!
ra manao zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra kosa ve akia de hiditra an!
kanefa koa hoy ny teny ny Tompo hoe 'ianareo izay mihevitra fa mijoro tsara de tandremo sao ho lavo''
:wink:
37. tsiafoi1 ( 18/04/2007 09:06)
Ny zavatra rehetra manam-piandohana, ary manam-piafarana avokoa
Misy ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino azy, fa tsy misy ho an'izay tsy mino.
Raha MINO ianao dia diniho ny Soratra Masina, izay manambara izany, raha tsy mino tsy ilaina akory mandany andro eto, koa ianao aza tsy mino.
38. prime ( 18/04/2007 10:02)
fa ny hevitr'i diams tokoa aloha tena andrasana an...
39. ikaretsaka ( 18/04/2007 11:41)
tsiafoi1:

Raha MINO ianao dia diniho ny Soratra Masina, izay manambara izany, raha tsy mino tsy ilaina akory mandany andro eto, koa ianao aza tsy mino.

Ny hoe MINO aloha ry tsiafoi1 tsy midika hoe tsy maintsy Kristianina, miovaova
arakaraka'ilay finoana io, satria eto dia vague be ilay hoe "MINO" lazainao
fa tsy hoe raha MINO dia tsy maintsy ho ny soratra masina no dinihina.
ny mino an'i Kristy angamba. Misy aza tsy mianona amin'ny Soratar masina fotsiny na kristianina aza fa mbola mandeha ny fomba isankarazany toy ny saple e, meditations e, la retraite e..

40. diamondra27 ( 18/04/2007 13:51)
prime:

fa ny hevitr'i diams tokoa aloha tena andrasana an...



kalou fa tena lava be ny ahy @io fa alefao ny anreo e! miverina eto ihany aho manome azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0551