FIHAONANA TAMIN'NY niryna

41. mbaliana ( 23/04/2007 20:12)
tsy mihomehy ika raha tsy eo i mimich sy ari. aza mototra foana ary e
42. sasa ( 24/04/2007 05:53)
nefa i ari izay efa ela be tsy nande fihaonana tsony :cry::cry::cry: sahirana foana:-*:-*
fa i mimich indray hummmmmm presente foana :-*:-*
43. niryna ( 24/04/2007 11:43)
naritsimba:


Miarahaba antsika indray.
Tanteraka soa aman-tsara t@ Sabotsy 14 Avril teo ny fihaonana tamin'ny niryna ilay namana avy any Etazonia.
Nahafinaritra ny fifankahitana sy ny fifankahalalana ireto avy no tonga tao ny namana eto Tana: ravatorano, naritsimba, blackman,patou, voahirana, sasa, blanche, lobaka, harisoa, nix, poupounesana, nausica, glou, jaya, lo, tianalove, pisokely, misy ireo tsy tadidy ny PS ny satria izay vao nanatrika
fihaonana tahaka an'ireny, nisy 4 mirahalahy izy ireo.
Isaorana manokana ny renin'i niryna izay nanotrona azy, ary ireo namana vaovao izay miisa 8 mirahavavy be izao izay nentin'ny niryna ary vonona ny hanampy isa ireo namana eto Dago.
Nisy ny fifankahalalana avy eo dia niroso t@ fiaraha-misakafo taorian'ny vavaka izay nataon'ny
namana nix.
Izay no azo ambara fa dia mankasitraka an'i niryna, Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hitahy antsika mandrakariva, ka hampitombo ny fifankatiavana eo anivontsika namana izay vonona ny hifankahita sy hihaona n'aiza n'aiza misy antsika tsirairay avy. Mirary anao ho tonga soa aman-tsara any USA indray.
SOAVA DIA E!



Bjr naritsimba.Misaotra betsaka tamin'ny tatitra nalefanao ho an'ny namana rehetra.
niryna

Miarahaba antsika rehetra namana ato amin'ny serasera ny tenako dia i niryna izany.Misaotra ireo namana rehetra izay tratra antso sy ireo izay te-hihaona amiko kanefa tsy afaka dia hisaorako ihany koa.
Nahafinaritra ny fihaonanay ary hita teo tokoa ny maha-malagasy mpiray tanindrazana izay tsy misara mianakavy.Mamy tamiko ny fahitako ireo namana na nisy aza mbola tsy nifanoratra na nifanatsafa ahy dia tsy nisalasala fa samy nifamihana sy nifanoroka izay rehetra."Tsiky kely dia mahafoaka ny ao am-po rehetra"
Hisaorako manokana i gloo sy ny namana niaraka nanantotosa io fihaonana io.
Misaotra e ary mbola hitohy ihany ny fitantarako ny diako atsy ho atsy.
Ny sary dia misy tokoa ary miandry ny tenin'ireo namana izay nalaina sary aho raha azo avoaka ho hitan'ny be sy ny maro ilay izy na misy tsy tiany aseho ny sariny.Eo no mipetraka kely ny olana amiko.:P:P
Ba mamikely ho antsika rehetra,na ny eo an-toerana na ny any avy lavitra.:*:*
Dia hanomboka hiasa indray izany izao e ary tsy ho ela dia hiverina eto amin'ny serasera indray e.
(l)niryna
44. ravatorano ( 24/04/2007 13:34)
izay indray sary
hihihi
hay v misy an ity ato e
ary za taiza foana kle ????
varina loatra amin ity pevaka ity wa d tena :-P:-P:-P
io tsy resaka hoe olona iray no anaovana fihaonana ry zareo a fa zao misy namana mba tonga mandalo eto antanindrazana d te hijery sy hihaoana amin ny namana eto izy ka inona no olana
raha ny fihaonana natao teto izay defa maromaro ihany ary isaorana anareo namana rehetra namaly ny antso izany indrindra fa ianareo mpikarakara an'izany fa zahay d tonga foana :wink: rehefa afaka e
Ny fihaonana manaraka d ho hit a eo ihany fa mbola miketrika izao ry zareo mpikarakara ary ho zaraina amitsika etoi ihany izany satria hatao mafanafana mantsy ny fihaonana manaraka e fa maro no manontany sy mila ny fiarah mikorana indray !
tsiky d ampy :D
45. ftma ( 24/04/2007 14:58)
varina loatra amin ity pevaka ity wa d tena
zoky efa sepotry ny pevaka mihitsy ko midira amin'izay amin'ny clubnay tsy mandray pv
Tonga soa nyrina e, mahafinaritra ireo namana ao Dago ireo ka sady toa nitombo hono ny ekipa solida :D
46. fijo ( 24/04/2007 21:08)
ravato an,mba handraso kosa izahay amin'izany manaraka izany kle.
47. sasa ( 25/04/2007 05:26)
niryna :-*:-*:-*:-* za mino fa afaka alefa ato ny sary fa tsy manonona pseudo fotsiny d tsy manome sopapa fa aleo ankamantatra, d tonga soa any indray
ravatorano tsssss efa teneniko amin'io pevaka io tsy mino ny tenin'i zandry mintsy mantsy ianao io.
ftma miandry anjy indray izahay akia fa ny ekipa solida mitombo hatrany
fijo iandrasanay elah :-D:-D:-D:-D
48. niryna ( 25/04/2007 11:21)
Marina izany e nitombo tokoa ny isa ary mbola maro no tsy mahalala saingy anjarantsika no mampahafantatra azy.Ny ahy moa dia nahavita mission betsaka aho ka hisaorako ny Tompo izany satria faniriako io dia tanteraka.Maro ny fanazavana nomeko ireo ekipa vao ireo izay miisa sivy ary anjaran'izy ireo no mijery izay zavatra mahafinaritra azy.
Tena nahafinaritra anie ry ireto izany mifankahita ny namana izany e.Nisinda daholo ny adikely tao anaty serasera.Tarehy feno fitsikiana no setrin'izany taminay rehetra.:*:*
49. ftma ( 25/04/2007 11:30)
sasa: ho avy tsy ho ela akia raha tsy misy ny sampona, raikitra indray izany ny devinety iza no iza, soa ihany za fa efa mahalala anjy :wink:
niryna: eto anie ady virtuel fa rehefa mifakahita samy finaritra daholo e
50. fijo ( 25/04/2007 21:45)
eeeee za moa de tsy mba mahalala an'i sasa na dia aseo eto aza ny sarony ko.to aiznay koa i mamzely sy ari malalaa
51. niryna ( 26/04/2007 05:01)
ftma:

sasa: ho avy tsy ho ela akia raha tsy misy ny sampona, raikitra indray izany ny devinety iza no iza, soa ihany za fa efa mahalala anjy :wink:
niryna: eto anie ady virtuel fa rehefa mifakahita samy finaritra daholo e


Izany tokoa a

52. sasa ( 26/04/2007 06:13)
fijo aleo mintsy elah tsy mahafantatra mintsy fa refa tonga aty mahita ha ha haha ha ha
nefa izy efa aleo tsy tohizako tsony e
Fa d miandry anjy indray akia
niryna hi hi hh ny olona akia tsy miady izany fa ny hevitra no ampiadina an!
53. naritsimba ( 26/04/2007 08:57)
Mahafinaritra ny fihaonana fa asakasak'izay tsy te hiseho io fa hiafin'endrika foana e! hihihihi
Raha mety dia alefaso mail-aty amiko ny sary ry niryna dia omena ny namana aty dia aleo ny tsirairay no hamoaka ny sariny raha tiany.
Dia miandry an'i ftma sy fijo zany zahay e!
ravatorano>>> aiza indray ny ketrika manaraka e!!!
54. niryna ( 26/04/2007 13:07)
naritsimba:

Mahafinaritra ny fihaonana fa asakasak'izay tsy te hiseho io fa hiafin'endrika foana e! hihihihi
Raha mety dia alefaso mail-aty amiko ny sary ry niryna dia omena ny namana aty dia aleo ny tsirairay no hamoaka ny sariny raha tiany.
Dia miandry an'i ftma sy fijo zany zahay e!
ravatorano>>> aiza indray ny ketrika manaraka e!!!

Eny ary e raha izay no fanampahankevitra e.

55. fijo ( 26/04/2007 23:16)
sasa an tsy aleo ve mba asiana "sous papa" aloha e
56. naritsimba ( 27/04/2007 05:47)
Misaotra an'i niryna nahafoy fotoana nihaonana, ary ny tena nahafinaritra dia tsy manadino ny fisaorana an'Andriamanitra ny namana dago rehefa mihaona n'aiza n'aiza.
57. niryna ( 27/04/2007 05:57)
naritsimba:

Misaotra an'i niryna nahafoy fotoana nihaonana, ary ny tena nahafinaritra dia tsy manadino ny fisaorana an'Andriamanitra ny namana dago rehefa mihaona n'aiza n'aiza.

Tsy misy fisaorana fa misaotra antsika isika izany e

58. fijo ( 27/04/2007 21:33)
hi hi hi ,
59. xxx ( 27/04/2007 22:09)
hahaha, manao vedety rehefa mody anie io olona io e!
ny olona rehetra mody tsy be tantara fa izy hono mila kômité hafa mihitsy, iny indray no tsy hitako!!!
60. cutie ( 27/04/2007 22:48)
ary tara za t@ ty kle
Misaotra an'le namana nahatsiaro ahy e
niryna :wink::-$
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1127