Ilay vehivevy Janga mitaingina bibidia

1. LazaDaddy ( 11/04/2007 07:01)
1) "Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany." Apokalipsy 17:4

inona ny sarisary tonga ao an-tsainareo momba io lamba volomparasy sy kapoaka volamena io?

2) "Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy". Apokalipsy 17:9

Aiza avy no mety ahitana firenena / tanana malaza misy tendrombohitra fito?

3) "Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila" Apokalipsy 18:16.

Aiza avy ny tanàna lehibe misy rongony sy ahitana an'io karazam-pitafiana volomparasy io?


2. sakaizakely ( 11/04/2007 07:33)
lazaDaddy> dia miandry valiny fa mba liana te hahalala koa

zavabetabeta, loton'ny fijangajangany :?::roll:

inn marina ? :roll::?:
3. xxx ( 11/04/2007 07:45)
ao am-ponao ihany, izay fatra-panenjika fivavahan'ny olona no misy azy fa aza mijery lavitra.
4. ikaretsaka ( 11/04/2007 13:29)
XXX> voalazanao.
LD> fanontaniana ny anao...dia valiako..

1) "Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany." Apokalipsy 17:4

inona ny sarisary tonga ao an-tsainareo momba io lamba volomparasy sy kapoaka volamena io?


ny FAHITAKO an'io dia oharin'i Md Joany amin'ilay vehivavy janga ilay euh... (tsoriko rangaha an... ataoko sekta) maniratsira ilay fiangonana 1,

---> ny zavatra ("materiel") ohatra hoe ilay lamba jaky inoan'ilay fiangonana 1 fa akanjon'ilay Rangahy Mpanjakany izay nitsangana tamin'ny maty sy nanorina ilay fiangonana!
Sy ny kaopy volamena fasiany ny ran'ilay mpanjaka rehefa eokaristia manko no raisin'ilay olona hafa (=ilay vehivavy izany) sy fenoiny fahavetavetana sy tsiratsirainy (tafiany sy satrohany) sy ampiasaintsainy mba hahazoany ny feelings ho azy manokana sy hanaovany karazan-pivavahana ho azy manokana, hisandohany hisitonany kil, saosy .. araka ny maha vehivavy janga (makossa, makorelim.piangonana anazy)

2) "Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy". Apokalipsy 17:9

Aiza avy no mety ahitana firenena / tanana malaza misy tendrombohitra fito?


Tsy any Madagasikara aloha e for sure! Imerina fotsiny manko any d'efa tendrombohitra 12:wink:

fa ny fandraisako an'reo fito ireo dia ny vatanao sy ny manodidina azy : 1-Saina, 2-Fo, 3-Fanahy,4-Aina, 5-Fitaovam-pitsapana rehetra maha vatana (body) anao , 6-dia ny fanarahana (procreation) , 7- ny asa(action, achievements)

3) "Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila" Apokalipsy 18:16.

Aiza avy ny tanàna lehibe misy rongony sy ahitana an'io karazam-pitafiana volomparasy io?

Ny rongony lazainy eto aloha tsy ilay zavatra fohana fa karazana lamba fitafy an! (sao manao ilay hoe "nankaiza ny kapaotiko" eo koa fa mandray ara bakiteny fa tsy mahafantatra akory)

--->rehefa tsy hainao ny mitafy ireo... dia aza mitafy! raha tsy izany ..indrisy...
5. prime ( 11/04/2007 13:58)
Amiko indray moa ry zareo, sady "codé" rahateo ny "textes apocalyptiques" rehetra (ohatra ny voalazan'ny boky Daniela sy Apokalipsy fotsiny) dia izao ny fahitàko azy :
- ny vehivavy = fiangonana, (angamba tsy iadiana hevitra eo aloha)
- ny fijangajangàna dia tsy ilay fijangajangàna ara-bakiteny loatra fotsiny no heviny ara-tsoratra masina ka ilazàna fijangajangàna amin'ilay fiangonana voalohany toy ny filazan'i Ika eto fa fijangajangàna amin'Andriamanitra... miaro fandikàna fitiavana, fisalorana anarana tsy mendrika, fisandohana, fanovàna lalàna, fandikàna ny sitrapon'Andriamanitra... lazain'ny bokin'ny Apokalipsy aza fa fisotroana sy fampijaliana ny ràn'ny marina mihitsy no ataon'io vehivavy janga io... ary izany fijangajangàny amin'Andriamanitra izany, dia ny filazàny tena ho vadin'Andriamanitra (fiangonana lehibe) nefa miray amin'ny fahalotoana rehetra tsy sitrak'Andriamanitra dia indrindra ny firaisana amin'izao tontolo izao sy satàna mihitsy izay tena endrika fijangajangàna lehibe tsy zakan'Andriamanitra...
6. ikaretsaka ( 11/04/2007 14:18)
dia samy manana ny fiheviny marina.. fa dia izay.. i da vinci manana ny code-ny tsy voahava,
maika fa ilay Md Joany izay tena nahita ny tompo>
fa ilay hoe fijangajangana amin'iza? tsy misy mahavaly an'io ngamba afa tsy i Joany ihany ka!
7. Fiffi ( 11/04/2007 14:28)
zah aloha de mamaky zay lazainareo fa tsy misy zavatra azoko ...
8. xxx ( 11/04/2007 14:42)
prime:

Amiko indray moa ry zareo, sady "codé" rahateo ny "textes apocalyptiques" rehetra (ohatra ny voalazan'ny boky Daniela sy Apokalipsy fotsiny) dia izao ny fahitàko azy :
- ny vehivavy = fiangonana, (angamba tsy iadiana hevitra eo aloha)
- ny fijangajangàna dia tsy ilay fijangajangàna ara-bakiteny loatra fotsiny no heviny ara-tsoratra masina ka ilazàna fijangajangàna amin'ilay fiangonana voalohany toy ny filazan'i Ika eto fa fijangajangàna amin'Andriamanitra... miaro fandikàna fitiavana, fisalorana anarana tsy mendrika, fisandohana, fanovàna lalàna, fandikàna ny sitrapon'Andriamanitra... lazain'ny bokin'ny Apokalipsy aza fa fisotroana sy fampijaliana ny ràn'ny marina mihitsy no ataon'io vehivavy janga io... ary izany fijangajangàny amin'Andriamanitra izany, dia ny filazàny tena ho vadin'Andriamanitra (fiangonana lehibe) nefa miray amin'ny fahalotoana rehetra tsy sitrak'Andriamanitra dia indrindra ny firaisana amin'izao tontolo izao sy satàna mihitsy izay tena endrika fijangajangàna lehibe tsy zakan'Andriamanitra...



YES
betsaka ny zavatra "imagé" voalazan'ny Baiboly ka tsy azo raisina ara-bakiteny. Be dia be ao @ Baiboly ny voalaza hoe "... dia oharina @ ..." : ohatra ny fanjakan'Andriamanitra dia oharina @ ...

Miandry izay lazain'i Laza ary
9. lapino ( 11/04/2007 15:20)
ny FAHITAKO an'io dia oharin'i Md Joany amin'ilay vehivavy janga ilay euh... (tsoriko rangaha an... ataoko sekta) maniratsira ilay fiangonana 1,
- precision kely : tsy i Jaona no manohatra fa ilay mampahita fahitana azy. Mitantara sy manao description ny fahitana hitany fotsiny i Jaona eo. :wink:

- ary raha nijangajanga ilay fiangonana 1 ?

ilay fanazavan'i prime :
Mijangajanga = tokony hiray amin'i Jesosy izy, kanefa dia lasa niray tamin'ny devoly, mpanjakan'ny tany.
(cf ilay dinika 'Satana' sy ilay dinika 'miray amin'i Jesosy')

Ny fijangajangana izany dia ny firaisana amin'ny ota (jereo koa Jakoba.4:4).
10. xxx ( 11/04/2007 15:21)
Fa raha mbola tohizana zao io de hoe iza no nanome hery ny bibidia ? ny dragona na ilay devoly sy satana , ny manaraka izany ilay tandroka kely izay lasa lehibe kely nefa manana ny heriny , ny tandroka dia milaza firenena na ny filohany , firenena kely , aiza eto ambonin'ny tany no misy izany nefa matanjaka be :-D:-D:-D mampalahelo ny olona izay hazavaina @ jiro nefa minia manao solomaso maizina
11. LazaDaddy ( 11/04/2007 15:21)
1)
ny vehivavy = fiangonana
io aloha dia tena marina ary voaporofo araka ny Baiboly. Ka fiangonana toy inona no "mitafy volom-parasy sy mitana kapoaka volamena"?

2) "Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy". Apokalipsy 17:9 Io aloha dia tsy sarisary intsony fa efa fanazavana ara-bakiteny ny dikan'ilay loha fito. Raha ampifandraisina @ ilay 1) dia toerana misy ilay fiangonana. Aiza izy io?
12. xxx ( 11/04/2007 15:26)
Any ROMA italia , ao ilay tandroka kely no mitoetra ilay sitrana t@ ny fery saika nahafaty azy , ary gaga ny tany rehetra nanaraka azy ^^
13. lapino ( 11/04/2007 15:32)
xxx:

YES
betsaka ny zavatra "imagé" voalazan'ny Baiboly ka tsy azo raisina ara-bakiteny. Be dia be ao @ Baiboly ny voalaza hoe "... dia oharina @ ..." : ohatra ny fanjakan'Andriamanitra dia oharina @ ...

Miandry izay lazain'i Laza ary

Fa izay lazain'i Laza no maninona ? :roll:

Fa hono hoa, maka tranga extreme iray aho :
Zavatra imagé ve ilay sary kintana pentacle mitsingoloka an'ny satanista iny ? Ka raha mahita olona mitondra an'iny "image" concrétisé iny ianao, tsy tonga ve dia holazainao hoe satanista izay olona mitondra pendantif na tatoo sns ohatra an'iny ?

Raha mahita fiara misy an'ilay kintana telo rantsana voahodidina faribolana iny ianao, tsy tonga ve dia hoy ianao hoe mercedes iny? Kanefa ilay marika dia tsy ilay fiara sady tsy ilay orinasa, fa ilay izy imagé.

Ka raha mahita fiangonana mitafy volomparasy sy mitondra kapoaka volamena ny olona, ahoana hoy ianao raha hoy izy hoe zava-betaveta no ao anatin'io kapoaka entiny io ? Sa mety hataonao ve hoe Hyundai io fa tsy Honda ? :wink:
14. lapino ( 11/04/2007 15:37)
LD >
Toa mbola mitohy amin'ny andininy faha-10 io faha-9 io

9 Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy.
10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.


Raha azoko io, dia milahatra ao anatin'ny fotoana ireo tendrombohitra fito ireo (fa tsy ao anatin'ny espace). Angamba representation ohatrohatra ny kisary ohatra an'itony (chromatogram), izay soritra araka ny fotoana no hitan'i Jaona. Ka pics fito ny tendrombohitra fito, izay maneho ny mpanjaka fito.
15. ikaretsaka ( 11/04/2007 15:59)
XXX> gaga nanao ahoana moa ny tany ?

lapino> dia iza aby ilay 5 lavo?

ny hoe Mijagajanga moa ahoana ny tena heviny? tsy hoe manambady 2 na maro? de raha ny vadinao no anaovanao firaisana dia mijangajanga koa ve no ilazana azy?
Raha hoe miray amin olonkafa... efa nisy nahita sy nanana porofo ve fa nanao izany ilay vehivavy?

efa nisy an'io film io efa nandeha manko!
dia hoy fotsiny ilay rangahy Role hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy":wink:
16. xxx ( 11/04/2007 16:30)
Aleo tonga dia tsorina rakaretsaka fa ny fijangajangana dia tsy hoe ny fampirafesanao @ vehivavy roa samihafa ihany fa ao koa ny fijangana ara-pinoana a! dinio fa ilay vehivavy janga dia mino ATRA maro be fa tsy iray de atambany ao aby izao fomba fivavahana hafa izao ohatra : ny kristiana t@ andron'i Jesosy ve nampiasa saple , nanao sary vongana , nihinana kisoa ... mbola maro fa sao tsy zakanao
17. sonwin ( 11/04/2007 16:38)
ikaretsaka> mahafinaritra ilay maneho hevitra!manja e, bonne! nefa tsy ho takatry "les extremistes" sy ireo "feno fankahalana" ary nobeazina "hanenjika" ny tianao lazaina.

Fehiny: Tsy dia tsara ny miady hevitra amin'ny karazan'olona sahala amin-dry 'zareo ireo satria efa mazava ny tiany hatongavana, ary tsy voalohany izany raha teto amin'ity serasera ity. Aleo izy hilaza izay lazainy, hanazava izay heveriny ho mazava, fa tsy hampihemotra ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra akory izany. Ny hazo avo alan-drivotra ary ny aoriana ihany no manenjika fa tsy ny eo aloha. Adi-hevitra miendrika fifampizarana no tsara idirana fa tsy adi-hevitra mifono fanamelohana ny hafa.
18. pissoa ( 11/04/2007 17:00)
xxx:

Aleo tonga dia tsorina rakaretsaka fa ny fijangajangana dia tsy hoe ny fampirafesanao @ vehivavy roa samihafa ihany fa ao koa ny fijangana ara-pinoana a! dinio fa ilay vehivavy janga dia mino ATRA maro be fa tsy iray de atambany ao aby izao fomba fivavahana hafa izao ohatra : ny kristiana t@ andron'i Jesosy ve nampiasa saple , nanao sary vongana , nihinana kisoa ... mbola maro fa sao tsy zakanao

ny Kristianina tamin'ny andron'i Jesosy ve nampiasa BAIBOLY ? Nampiasa Internet ? Nampiasa Fihirana teny Gasy ? Nampiasa Tape na MP3 player ... Mbola betsaka fa sao tsy zakanao.

19. lapino ( 11/04/2007 17:16)
Ika > za tsy mahay tantara
Fa raha mahazo tsara ihany aho, dia tamin'ny fotoana nahitan'i Jaona an'io izany no nitoetra ny faha-6. Efa talohan'izay daholo izany ilay 5 efa lavo.

Ilay resaka mijangajanga, jereo any amin'ny pentateoka any toa misy manazava azy. Ity misy tsimpona tao amin'ny baiboly :

Marka.10:
12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
(vakio ao @ baiboly ny momba ny lehilahy :wink: )

Ika:
Raha hoe miray amin olonkafa... efa nisy nahita sy nanana porofo ve fa nanao izany ilay vehivavy?
porofo ?
20. piste ( 11/04/2007 18:33)
Vao niainga any ity sujet ity dia efa hitako sahady ny hiafarany : dia fanenjehana ny Fiangonana Katòlika. Dia izay no antony ilazako hoe ny ao am-pon'ilay nametraka sujet sy ireo mpomba azy no misy an'ilay fijangangajangana. Atao ahoana moa fa na i Jesoa koa t@ androny nolazaina fa raiben'ny demony(belzaboba) raha sendra mba nandroaka demony izy t@ izay.

Ny amintinako azy dia azo zaraina roa eto ny karazan'ny olona extrémiste : ieo milaza azy ho athée ary ireo secte milaza azy ho manana ny marina.
Ny itovizan'ireo dia samy milaza ny tenany ho marina ary tia manafoaka sy manaratsy ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569