Ilay vehivevy Janga mitaingina bibidia

41. ikaretsaka ( 13/04/2007 17:10)
euh.. ny kristianina?
42. pissoa ( 13/04/2007 17:24)
Ny Kristianina toa 33% an'ny olona eto ambonin'ny tany fotsiny. Amin'ny Kristianina kosa nefa dia ny Katolika Romanina (According to Wikipedia) no "Largest".

Dia ahoana ry xxx ? :-D:-D:-D
"Lehibe indrindra" angaha ilay "fiangonana" ozizy ny baiboly sa "Lehibe" ! Sao nitarinao ary io baiboly io ? :-D:-D:-D
43. xxx ( 14/04/2007 07:10)
Vakio ary Apokalipsy 17/ 15; Ary hoy izy tamiko : ny rano efa hitanao izay hipetrahan'ilay vhv janga dia dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny
Apokalipsy 17/ 18 ; ary ary ravhv ilay hitanao dia tanana lehibe , izay manjaka @ mpanjakan'ny tany
Ka iza @ fiangonana erantany ary no mahatanteraka io e ? :D
44. pissoa ( 14/04/2007 07:29)
:-D:-D:-D

Ny Katolika mahatanteraka an'io :wink:
Ny Silamo mahatanteraka an'io :wink:
Ny "Anti-Katolika" koa tena mahatanteraka anio mihoatra lavitra noho ireo. Miseho amin'ny endrika maro izy io mantsy, fa mody hoe tsy iray tsy iray ! :wink:

Dia ahoana ry xxx ? :-D:-D:-D

Ny tena mahazendana ahy aminareo ireo koa anie dia izao e : rehefa maninona izy ity no ANARAM-PIANGONANA dia rehefa mananinona no TSY NY ANARAM-PIANGONANA e ? Saingy toy ny mahazatra ihany anie ny fombanareo e, cf dinika Tetsy sy Teroa ... :wink: Ozizy i Lapino tao hoe "ratsy fanahy i xxx1" ... hay ve ratsy e :-D:-D:-D

Izaho miteny anareo fa na Katolika na tsia ny vehivavy janga ... Na ny Vatican na tsia ny 666 dia tsy antoka hidiranareo any an-danitra ny tsy maha-Katolika anareo, ary fantatrareo tsara izany fa tsy ianareo no tokony omeko ny sermon eto. Ka sao lany andro hanao demineur hoa, ka tsy hahita an'ilay Kristy mandondona eo ambaravarana :-D:-D:-D


Fehiny :
Mankany amin'ny afobe ve zahay mianakavy ? None of your business ... fa kosa take care of your soul sao hifankahita aminay any ihany fa samy lehibe anie na ny Kato na ny Anti-Kato e, ary hoy ny pli-vava anareo hoe tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy :-D:-D:-D
45. xxx ( 14/04/2007 07:46)
:-D:-D:-D Fa ilay anakiray voalazanao voalohany no tena mahatanteraka azy e! ny silamo angaha manjaka @ mpanjakan'ny tany raiso ohatra anie ao Mada e ! ary ny anti-katolika koa ve manjaka @ mpanjakan'ny tany fa angaha hadinonao ny famangian'ilay filohampiangonanareo erantany fa mandray azy daholo sady mifampiraharaha mihitsy @ ilay prezida :-D aza modiana tsy hita e! ekeo hoe ny fiangonana misy ahy io voalazany baiboly io , de inona no tokony hataoko hanaraka an'i Jesosy Kristy sa anaraka an'i :roll:
46. pissoa ( 14/04/2007 08:12)
:-D:-D:-D

Hay ve rehefa mamangy dia lasa hoe Mpanjaka e ? Ary hono hoa, ny Katolika ve no zakany dia hoy ianao hoe Mpanjakan'ny tany izy ? Fa firy moa ny isan'ny Kato ao Mada ry xxx ? Sao mananika ny 57% an'ny mponina no tsy Kristianina akory (izany hoe tsy Kato), ary amin'ny Kristianina dia ny Protestant betsaka noho ny Kato :-D

Hay koa ve rehefa mifandray amin'ny Filoham-pirenena dia mpanjakan'ny tany e ? :-D Dia firy izany ny mpanjakan'ny tany ry xxx ? Dia misy mpanjaka be dia be ve ?

Ny silamo ve ? Vao ampitahorin'ny Silamo dia efa mangina daholo ... :-D

Ny anti-Katolika ve ? Tena mpanjaka tokoa izy, ary eto amin'ny serasera aza moa dia efa hahatarafana ny fanjakany miezinezina. :-D

Mody fanina ve ? Fa maninona aho no tokony hody fanina ? Rehefa tsy fantatro ilay inoako dia afaka rebirebenao aho, fa indrisy ... fantatro tsara Izy ary fantatro fa miasa mafy any ampiangonanay ! :wink: (Oops, hay moa rehefa misy soa mitranga any aminay dia fanambatambazan'i Satana tampoka :-D)

Hanaraka an'i Jesoa sa anaraka n'i :roll: ? Iza moa ilay :roll: ... fa izaho manokana aloha raha tian'i xxx ho fantatra dia efa 23 taona izao no nanaraka an'i Jesoa tao amin'ny FIANGONANA KATOLIKA. Ary mbola tapa-kevitra ny ho Kristianina Katolika bebe kokoa hatrany fa tsy ny ANARAM-PIANGONANA hono hoa :-P:-D:-D:-D
47. xxx ( 14/04/2007 12:00)
Vhv janga moa no resaka eto ka tsara raha mba fantatrao avy ny hanjo azy ; Apokalipsy 19/2: fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony fa nitsara ilay vhv janga lehibe Izy , dia ilay nandoto ny tany t@ fijangajangany , ary namaly azy noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany
Apokalipsy 18/ 4 ary nahare feo iray avy any andanitra aho nanao hoe : miala aminy ianareo ry oloko mba tsy hiombonanareo ota aminy ary mba tsy hihahazo anareo ny loza izay hanjoa azy . Koa raha olon'i Kiristy marina ve ianao o!
Dia mazotoa aza mitoetra ao e! :-D:-D:-D fa misy hevitra kely ihany ity za tsy manao hoe miala tao de avy aty @ nay fa teneno ny filohanareo hoe tsara avoizina ny eglizintsika
48. ikaretsaka ( 14/04/2007 12:30)
ka izao ange mbola tsy fantatra hoe iza amin'ilay vehivavy no tena janga e..
sady tsy mbola namaly i Jesoa fa mbola manoratsoratra @ fasika!
49. xxx ( 14/04/2007 12:46)
Araka ny efa fantatsika dia vhv = fiangonana , ka @ izao fotoana iainantsika izao ary iza @ eglizy erantany no mitondra sy manapa-kevitra ary alehan'ny fanontanian'ny maro @ finoana Kristiana , fiangonandehibe io a! iza ary ? ankamantatra
50. ikaretsaka ( 14/04/2007 12:53)
ny sekta!
bedebe tompoko no mamorona sekta ary maniry ohatran'ny anana izy ankehitrio
51. ikaretsaka ( 14/04/2007 12:56)
ary betsaka ny marivo salosana no voajangajangainy sy mora sarihany ... ary izy no alehan'ny fanontanian'ny mar0 amin'izao!8)
52. xxx ( 14/04/2007 19:08)
Ny sekta tompoko vhv kely ireny , sady mba vakio moa ilay baiboly e! mba ahafahanao manamarina azy a . Fa ny toerana misy andravhv anie ka misy tendrombohitra fito e! ary ny misy azy dia tanandehibe e! ka sekta inona re no mahafeno io fepetra io e! Ny sekta tiana hambara eto aloha dia ireo lazainareo fa sekta a! ivelan'ny FFKM na ireo fiangonandehibe efatra a!
53. ikaretsaka ( 14/04/2007 19:19)
salt lake city zao misy tendrombohitra 7 manodidina azy any no foiben'ny mormonina ... ary tanandehibe ary, ny eglizin'ny mormonina koa miparitaka erak'izao tontolo izao...
mahafeno ny fepetra io izao!:wink:
de ho sanatria ve izy?
54. xxx ( 14/04/2007 19:36)
Mbola misy azo anamarihana azy koa ka , fa ny mormon moa angaha leon'ny ran'ny olona masina :^) sady tsy manerantany koa ny mormon fa vakio anie ny Apokalipsy 15/ 17 e ! de haza2 @ nao le zavatra e!
55. ikaretsaka ( 14/04/2007 22:35)
aiza ko ny tsisy mormons manerana ny tany ry XXX ( efa koboko)
56. tywa68 ( 15/04/2007 08:26)
pissoa sy Ikaretsaka : mahavita nareo manohitra an'ireny olona borné ireny ka !
57. ikaretsaka ( 15/04/2007 13:01)
tywa68> ka mila velarina kely sy entina mivoaka ny sahany kely aloha izy mijery hoe aiza ho aiza ny misy ny taniny
ny ankamaroany manko ao amin'ny taniny ihany izy no mitatatata
fa tsy mahita ny zavatra mitranga sy hoe aiza ho aiza ny tanim-pinoany eo anivon'ny saha rehetra!
58. lapino ( 16/04/2007 09:57)
pissoa:
Ny tena mahazendana ahy aminareo ireo koa anie dia izao e : rehefa maninona izy ity no ANARAM-PIANGONANA dia rehefa mananinona no TSY NY ANARAM-PIANGONANA e ?

Rehefa hoe "katolika" dia anaram-piangonana
Rehefa hoe "fjkm" koa, dia rehefa hoe "advantista", "loterana" (mpanara-dia an'i Lotera?) na "orthodoksa", rehefa hoe "Jesosy Mamonjy", "Rhema", "Assemblée de Dieu", "Pentekotista mitambatra" ... Dia anaram-piangonana daholo izany rehetra izany.

Dia ireny no ataoko hoe : tsy rehefa ao amin'ny fiangonana x na y ianao, dia izay no mahavoavonjy akory. Maha-kristiana ivelany fotsiny ireny, ohatra ny akanjon'ny moine ihany, na za koa aza mahazo mba ho afaka mijoloka ao ihany sady mba manao sola loha na dia tsy moine akory aza. Fa ny tena maha-kristiana marina dia ny fanarahana an'i Kristy (ohatra ny sipa manaraka ny bandy nahazaka azy rehefa nikoty, ... sy ny etsetra rehetra ... :wink: ).

Ikaretsaka >
Raha tena samy araka ny Fanahy daholo ny miteny sy itenenana, dia tsy tokony hisy fahatafintohinana amin'ireo. Fa raha tsy izany, dia fara-fahakeliny ny iray tsy izy, raha tsy izy roa mihitsy aza no samy tsy izy. Na iray na samihafa fiangonana ry zareo.
59. prime ( 16/04/2007 11:31)
Ny tena lakilen\'io teny io dia ao amin\'ilay hoe \"janga\"... mijangajanga amin\'iza? mijangajanga hatramin\'ny oviana? mijangajanga aiza? dia maninona no antsoina hoe \"janga\"?...

Ny fanoharana ny amin\'i bibidia dia voazavan\'ny bokin\'ny Daniela amin\'ny antsipiriany... nefa hita taratra teo amin\'ny tantara koa ka tsy azo afenina ary fantatry ny rehetra...
60. rush ( 16/04/2007 12:01)
prime:
Ny tena lakilen\'io teny io dia ao amin\'ilay hoe \"janga\"... mijangajanga amin\'iza? mijangajanga hatramin\'ny oviana? mijangajanga aiza? dia maninona no antsoina hoe \"janga\"?...
aza averina hapetraka ireo fanontaniana fa valio e!indrisy fa firifiry ireo olona izay sahy mijangajanga tsy tahotra tsy henatra eo imason'A/tra ka mampijaly ny vadiny!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0333