fanekena fahatelo

1. nathie86 ( 10/04/2007 08:56)
Miarahaba antsika reetra.

@nareo manankevitra ambara :mety hisy ve ny fanekena fahatelo?? Ny fiainan'ny zanak'olombelona mantsy toa miha ratsy andro aman'alina.
répondu par ikaretsaka le 17/04/2007 18:29
2. Fiffi ( 10/04/2007 09:07)
inona aloha ity "fanekena faha-telo" ? ary miha-ratsy ahoana zany fiainana zany ?
3. tslem ( 10/04/2007 09:12)
zah ndray mba te ahalala oe inn n voaloha sy fahroa?
4. booboo ( 10/04/2007 09:32)
Amiko tsy misy ilaina fanekena fahatelo zany tsony. Efa tanteraka ao Aminy aby ny fanekena aby aby...
5. Fiffi ( 10/04/2007 10:14)
fa inona aloha le hoe "fanekena" io ?
6. mikavao ( 10/04/2007 10:51)
Efa voalaza mazava tsara ao amin'ny fanekena faharoa na (Testamenta vaovao) Taratasy faharoa nosoratan'i Paoly ho an'i Timoty tokoa faha-3: "fa any am-parany any dia hisy andro mahory, Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra", ..., (II Timoty 3: andininy 1 sy ny manaraka)
dia tena araka ity voalazanao ity mihitsy manao hoe ->... Ny fiainan'ny zanak'olombelona mantsy toa miha ratsy andro aman'alina...

Samy azo ilazana ny Tapany voalohany sy faharoa ao amin'ny Baiboly tokoa ny hoe Testamenta Taloha sy Vaovao na Fanekena Voalohany sy Faharoa.
Ny voalohany dia nifanaovan'Andriamanitra sy ny vahoaka Israely.
Ny faharoa ny nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy ho an'ny olombelona rehetra, izany hoe Israely sy ny hafa rehetra tsy ankanavaka...

Asa raha nahavaly ny fanontanianao ilay fanazavana toa lavabe
Tsy hahita fanekena fahatelo isika ary raha izao fizotran'ny tantaran'ny olombelona izao no dinihina dia isika ihany no hita fa hamarana azy...

Bizoroka ho anarareo andriambavilanitra tia manadihady sy mandalina.

mika
7. ikaretsaka ( 10/04/2007 11:44)
aza manahy ny ampitso hozy Jesoa.
8. prime ( 10/04/2007 12:58)
nathie86> Efa ny Fanahy Masin'Andriamanitra mihitsy no zarainy ho an'ny tsirairay... ary sady nampanantenainy no efa nomeny rahateo... bala farany io fa raha mbola io no tsy inoan'ny olona intsony satria tena ho an'ny olona tsirairay dia afa-nenina Andriamanitra... (raha manam-potoana dia vakio ny lioka 16:19-31)

Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina," Titosy 3:5
9. nathie86 ( 10/04/2007 14:10)
fiffi sy tslem io efa voalazan'i mikavao io le fanekena1 sy 2 eh.

Misaotra ry Prime ah. Hovakiako aloa io versé nomenao io de itako eo indray izay holazaina eh
10. pissoa ( 10/04/2007 18:11)
Andraiamanitra ekeka de calma fotsiny :-D:-D:-D
11. Rasiligaoma ( 10/04/2007 18:43)
prime:
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina," Titosy 3:5

Dia izay tokoa izany ry prime no mahatonga ny propestà sasany hoe tsy dia manao asa sosialy loatra ô?
12. rakaroka ( 10/04/2007 19:31)
Rasiligaoma:

prime:
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina," Titosy 3:5

Dia izay tokoa izany ry prime no mahatonga ny propestà sasany hoe tsy dia manao asa sosialy loatra ô?


Izany mihitsy, manantena ny famindra-po e!:-D:-P
13. LazaDaddy ( 11/04/2007 00:21)
ikaretsaka :):
Dia izay tokoa izany ry prime no mahatonga ny propestà sasany hoe tsy dia manao asa sosialy loatra ô?
Tsy hoe "ny sasany" fa ny ankamaroany, ary tsy ny protestant ihany fa ny ankabeazan'ireo mitonona ho "kristianina", na protestant, na katolika, na vavolombelon'i Jehova, na mormon, na Anglikanina.

indrisy...
14. ikaretsaka ( 11/04/2007 03:08)
LD> Inona aloha no eritreretinao sy fandraisanao ny hoe "asa sosialy"?
amiko manko ilay izy dia hoe fiarahana mirona sy mihosona amin'ny "society" mba hanampiana ity farany amin'ny fiainana andavanandrony , sady koa hisehoana ho apostoly eo imason'izy ireo mba ho halainy tahaka.
"miorim-paka mba hanasoa olona" hoy ilay sekoly 1 zay

fa tsy ilay mivazavaza ary ampovoantsena mizara depliants dia lalovan'ny mpandalo fotsiny .. karaha manao pub na fimailo!

ny katolika manko mbo manao ihany ko... (miala tsiny fa io no hitako sy fantatro an)
maro ihany manko ny hoe sekoly katolika, sentre sosialy katolika ary fanampiana sosialy ataon'ny katolika, ny sekoly koa mba maromaro ihany hoy ilay tsy mahay manisa . .

[size=10px]Anarako=Krtistianina, fanampiny=katolika :D[/size]
15. LazaDaddy ( 11/04/2007 03:36)
16. ikaretsaka ( 11/04/2007 04:15)
LD> inona nenao?:wink:euh... "nenareo" moa izany e
sa lasa antithese ilay teninao manao hoe

Tsy hoe "ny sasany" fa ny ankamaroany, ary tsy ny protestant ihany fa ny ankabeazan'ireo mitonona ho "kristianina", na protestant, na katolika, na vavolombelon'i Jehova, na mormon, na Anglikanina.

indrisy...



[size=10px]Anarako=Kristianina, fanampiny=katolika[/size]
17. majesty ( 11/04/2007 04:57)
ny fanekena voalohany aza ange ry nathie efa mametraka olana ve eo @ kristiana,nony tonga ny faharoa vao maika nifanjevo koa maika fa asina fanintelona tsy loza a :D
18. rakaroka ( 11/04/2007 07:18)
ikaretsaka:

LD> Inona aloha no eritreretinao sy fandraisanao ny hoe "asa sosialy"?
amiko manko ilay izy dia hoe fiarahana mirona sy mihosona amin'ny "society" mba hanampiana ity farany amin'ny fiainana andavanandrony , sady koa hisehoana ho apostoly eo imason'izy ireo mba ho halainy tahaka.
"miorim-paka mba hanasoa olona" hoy ilay sekoly 1 zay

fa tsy ilay mivazavaza ary ampovoantsena mizara depliants dia lalovan'ny mpandalo fotsiny .. karaha manao pub na fimailo!

ny katolika manko mbo manao ihany ko... (miala tsiny fa io no hitako sy fantatro an)
maro ihany manko ny hoe sekoly katolika, sentre sosialy katolika ary fanampiana sosialy ataon'ny katolika, ny sekoly koa mba maromaro ihany hoy ilay tsy mahay manisa . .

[size=10px]Anarako=Krtistianina, fanampiny=katolika :D[/size]


'Zaho koa mahatsapa ny fahamarinan'ny tenin'Ika eto, ny andrizareo katolika mbô misy ny asa sosialin-dry masera : fanampiana isan-karazany, en plus mba misy organisation fa lé propesta toa "on proteste" no betsaka knou
:-D:-D:-D
19. booboo ( 11/04/2007 09:01)
Rakaroka > rehefa tsy fantatrao dia mangiana fotsiny fa aza manaraby tahaka an'io ! ny fanaovana asa sosialy tsy natao hifanindriana hoe ny atsy manao an'zao sy zao fa inona kosa no mba ataon'ny atsy ? tsy natao ho fitatata etsy sy eroa kounkou raha juste hifanaovana fampitaha tsy mitondra mankaiza fa mitondra ho @ fahasorenana aza ....
20. ikaretsaka ( 11/04/2007 12:42)
rakaroka>booboo> za tsy momba an'iza na iza.. fa ilay fanontaniana tary ambony tary no nasiako fandinihana sy fijerena ny fipetrany amin'ny fiainana andavanandro de novaliako

Hoy i prime:
Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina," Titosy 3:5



dia nisy nanontany:

Dia izay tokoa izany ry prime no mahatonga ny propestà sasany hoe tsy dia manao asa sosialy loatra ô?


dia nijery ny fiainana andavanandro aho dia hitako fa tena toy izany tokoa no mitranga de nolazaiko io ambony io hitako

... de i rakaroka koa mahatsapa an'izany..

Booboo> avoahay ny hevitrao sy ny arguments sy ny ohatra hitanao @ fiainana andavanandro raha lazainao fa diso io e.
Zahay tsy mahafantatra----->ampafantaro!
fa aza tezitezitra fotsiny fa tsy totondry sy adim-po (...) no atao fa ady hevitra:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4766