RNS

41. Fiffi ( 10/04/2007 20:15)
fasaly: heu.....zah aloha de tsy tafa indray am-io an ! tena efa chargé be ny programako io week io klé ! ny 5,6,7,8 tsy afaka mihetsika na de kely aza klé !
Samoana: marina hiany zany lazaindry zany an ! sady le izy koh samy manana ny tiany jerena de.....
42. fasaly ( 10/04/2007 20:16)
ka lay fihaonanay niaraka tam sipagasy tam eritaona ange nety ihany e! sady maro maro ihany no tonga teo am toerana fa tsy naharitra ela fa samy somokotra am zé tiny aleha tokotrany.....:°) nihinana chips sy cocacola de lasa njay;-):wink:
43. fasaly ( 10/04/2007 20:18)
fiffi tsy manin ka! ny ahy efa pro vita ny 04-05-06 fa am manaraka njay zany e!:?:-P
44. ds ( 10/04/2007 21:10)

Mba tsy hamafana sary, dia izay nety no nalaina :-)
jereo eto
45. fasaly ( 10/04/2007 21:18)
hummm hummm! bien entouré be nao zany:p fa iza klou reo e! de tam inona lay fotoana :-P;-)
46. fasaly ( 10/04/2007 21:20)
msôtsa tam lay sary fa otran'ny hoe tany ihany ny tenanay azany8)
47. ds ( 10/04/2007 21:47)
In-4 aho no nanatrika rns tany Vichy, fa ity indray mitoraka ity no tsapako tsy namely.
Ireo lafy ratsiny :
- Nihena be ny isan'ny mpijery na dia nitombo be koa aza ny mpandray anjara amin'ny lalao
- Lasa niova be ny tarigetran'ny ekipa : betsaka ny mpikarama an'ady. Nafarana hatrany Dago... Hany ka naleoko nijery ny kilalaon'ny ankizy
- Miroborobo ny fitadiavam-bola isan-karazany
- 1 sambos = 1 € (aty aminay rehefa manao fety 1,50 € = sambos 3 + lasary)
Ireo lafy tsara :
- Tsara be ny andro :-)
- Mitombo ny isan'ny taranja azo handraisana anjara
- Miha mahazo vahana ny kolotsaina
- Mbola misy tokoa ny mampihatra ny tarigetra : "firahalahiany izay vao fifaninana"
Samy manana ny fahitany azy anefa.

Tsy nihodina firy aho nitady Namana tamin'ity fa efa nomen'ny zanako anaram-bosotra hoe CDP (Chercheur De Potes). Ilay toerana tokony hihaonana koa lasa nisy fefy :-(
Na izany aza dia nasesiky ny razana teny ihany ny fihaonana (Mimoza, Oully, Bichette,...). I infinity tazako tery andamosin'ny latabatra (nisy an-drajacky) tamin'ny lalao famaranana. I samoana indray tazako fa tsy nifankafantatra izahay. Izy rahateo teo am-pilalaovana kanety be. Tamin'ny fanolorana amboara, dia nantsoina i samoana kanefa dia tsy mbola hitako ihany ny tavany :-(
Mety nisy namana tsy tadidiko teny ho eny ka miala tsiny fa tsy miavona aho akory fa very tadidy.
Ho an'izay mpankafy Samantsy (échecs) : mety hampidirintsika ao koa io taranja iray io amin'ny herintaona. Efa hatramin'ny roa taona aho no nifampiresaka tamin'ireo mpikarakara saingy tsy azoko antoka hisy mpandray anjara, dia tsy nasiana aloha.
48. Fiffi ( 10/04/2007 22:04)
heu.....ary zah nijanona teo am io association zazakely any Antsirabe io an ! niresaka ela beeeeee heu..efa ho 1h30 tam le vazaha vavy sy lahy iny....

Ny sakafo aloha lafo eh ! le piment na saucisse kely mahia kely ireny ve 1€ ny 1 tsssssss ny kanety na jus inn na inn de 2,50€ klé hehehehehe tena lafo beee kosa aloha an ! bref....nefa rehefa noana tsy maintsy mividy hiany !
ds: misaotra tam le sary aloha an ! :)
49. fijo ( 10/04/2007 23:28)
aleo hiova fa efa mandreraka koa le vichy kle
50. fijo ( 10/04/2007 23:32)
ds,ary niha nahazo aina kosa bichette izany kle.hummmmm
51. sasa ( 11/04/2007 04:54)
kiiiii hay ve i fasaly tsy tany hi hi hihihih azafady akia
tsara le sary fa tsy haiko hoe iza avy hi hi hihih hi
52. fasaly ( 11/04/2007 05:54)
ds: misaotra tam tatitra e! afa po mahitsiny....
hay va re ka niha ratsy ny fandehany..
ny vidintsakafo kosa alu tsy lasa e!:xtena fanararaotana marina tokotrany tssssssss

sassa: hihihihi! mba te hanentana ny nandeha tany aho e! hitondra tatitra:-D
zà tsy tany fa raha miova any NANCY am eritaona de mazoto be njay zà sady akaiky kokoa ahy ao e!;-)

fijo: hummmmm! haiko amzay reo sary ireo kan! aléo atao sékiré sao tsy azo lazaina:-P
53. kelly13 ( 11/04/2007 06:16)
fa aiza zany sary zany e?8O
54. tywa68 ( 11/04/2007 06:32)
Hay ve enao no ds e !! d namana koa zany ireo akaiky ireo ? bichette sy iza ?
Tena marina mihitsy io tantarainao io hoe lafo velona dhl ny tai-kanina sy menu tany !
Tena misy mahay azy mihitsy @ilay mivarotra sambosa telo 2€, na laoka ratsy nahandro no 6€(soa ihany aza fa efa nangotry ihany) : soa aza mba nisy Mcdo teo akaiky teo fa efa kivy ny ankizy hoe encore du riz ?:-D
55. Oully ( 11/04/2007 09:42)
Samoana:

Miarahaba ny rehetra indray ary inoana fa nandia paska mahafinaritra avokoa isika rehetra.

- Tsy mety nifankahita izahay sy "ds" fa nifanao fangalam-piery hatrany. Soa fa nisy namany kalaza @ échec toa azy mba akamako @ kanetibe koa
- Tsy tafiditra tanaty répertoire kay ny n° phonen'i "sipagasy" ! Nandalo in-2 tao @ Mac'do izahay nierikerika nitady sipa milanja"serasera" an-damosina fa tsy nahatazana8)
- Nitady an'i "Oully" tao @ tranolamba saingy mety tsy mbola tafarina am-pandriana angamba izy ( sabotsy t@ 9 1/2 maraina ). Nametraka hafatra tamina namanay mpanao taozavatra @ tandrok'omby fa tsy hay raha mba tafita ihany
- Namango vorovoronkena aho fa mba nisy mpahandro izany tany ka nahatsiaro tokoa an'i "soanja" sy ireo namana hafa mpankafy garadobo:miam:
- Manelanelana ny lalao dia raikitra ny tafa sy ny dinika ahatsiarovana an'i ftma sy mbaliana, kelly13,...:P
- Voatonona tao koa ny anaran'i "fijo" teo am-pisotroana dite niaraka t@ ireo pariziana efa akama t@ herintaona
-Najedaka t@ sambôsa avokoa ny dotation d'encouragement 80 euros nomena ny finaliste ankoatra ny amboara. Nierikerika nitady an'i "booboo" ihany sao voasariky ny fofona izy:-D
-Nividy tapakila alim-pandihizana hijerena ny namana "infinity". Tsy afaka nande tany indray anefa ka dia natolotra tanora ireo billets
-Nalefa nilalao niaraka t@ zaza madinika ny zanatsamoinakely sô mba mitapô @ "andréa's kilonga" ihany
-Ny mpaka sary matihanina eto @ serasera nokarohiko tany @ gymnase koa fa tsy tazako e ! Voatery mionona @ tantara an-tsoratra ny tenanay:cry:
Marihina fa nandritry ny 2 andro dia tsy nahatazana ireo irak'i sarkô nalefan'i "bazylou" ny tenanay na indrepa aza. Nisy pôlisy iray ihany tany saingy namana mpankafy kanetibe toa anay fa tsy mpisambotra malagasy araka ny fanirian'i bazylou. Mampamangy hono ianao r'Ikalaf... a :wink:!



Efa tafarina tokoa ny asabotsy tamin'ny 9ora sy sasany ry Samoana na dia tamin'ny 6sy sasany maraina aza vao tonga, (nitondra fiara sy tsy natory nandritra ny alina). Fa mbola nihazakazaka tany amin'ny ouverture fanisy nandray anjara tao aminay. Dia avy eo dia tsy afa-niala teo amin'ny tranolamba intsony na dia nanana faniriana hijery kanetibe aza. Tsy tonga ny hafatrao fa dia nifampijerijery tamin'ilay mpanao taozavatra @ tandrok'omby fotsiny.

I Sipagasy tsy salama dia tsy nandeha fa efa nifampiantso izahay.

Dia araka ny voalazan'i ds dia izahay no tafahaona. In-2 mihitsy, niaraka tamin'ny tribu ny. Marina daholo ny tsikera lafy tsara sy ratsy nolazain'i ds saingy faly izahay satria tsara ny andro, tsara koa ny tranonay, ny ekipanay, ny fandraisana anay, ny fahaonanay tamin'i ds, ... nalahelo kosa tsy nahita an'i samoana, ... sy ireo namana hafa tsy mbola fantatray.

I Fiffi angamba nandalo teo amin'ny stand nay saingy tsy mifankahalala isika.

Amin'ny manaraka indray eh
56. Fiffi ( 11/04/2007 10:25)
"Oully":
I Fiffi angamba nandalo teo amin'ny stand nay saingy tsy mifankahalala isika.
heu...tena teo mihintsy zah de nijanona ela beeeeeeee nijery an'ireo zavatra ireo saingy tsy nahafantatra hoe kay io ny stand-nao ?:(
57. fasaly ( 11/04/2007 11:00)
fiffi: defa hainjy zany i oully zao de aza adino trony ny stand ny am manarakaan!:-P;-)

kelly: io sary ngodabe io kou:-D
58. Fiffi ( 11/04/2007 11:49)
fasaly: ary tena possible mintss zah hoe niresaka taminy an ! sa ahoana ozy ndry ry Oully ? satria tena nijanona ela be teo zah.....
59. Samoana ( 11/04/2007 14:03)
ds/ Inoako fa misimisy ihany no liana @ io échec io raha asiana. Saingy mety hampiena ny kil boulistes ny fisiany:-D

fasaly/ I Nancy efa nandehanako fony fahagolan-tany:Dfa avy orana lava kouh

Oully/ ndry kosa angamba tsy nividy tandrok'omby de nateliny ny hafatra:-D
60. kelly13 ( 11/04/2007 14:06)
8O8O (manabe maso iany fa tena jamba kle)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5252