666

61. pimaso ( 06/04/2007 12:10)
ho to you earth and see,
where the devil been with raft
because you know the time is short,
who has understanding the number of the beast?
it's a human number,
it's a number six and sixty six
apocalipse
62. prime ( 06/04/2007 12:39)
kiranil> Mitovy hevitra tanteraka...
ikaretsaka> Mitombina io fanamarihana ataonao io saingy tsy ampy mikasika ny finoana miorina amin\'ny fitsanganana amin\'ny maty... i Kristy maty noho ny fahotan\'izao tontolo izao ary nisolo heloka ny maro dia anisan\'ny fiorenam-pinoana fototra mampanan-danja feno ny fitsanganany tamin\'ny maty fa tsy ny fitsanganana amin\'ny maty fotsiny amin\'izao toy ny manao \"magie\" na manao fahagagàna...

Raha tsy nisy ny ota, raha tsy nisy ny heloka, izany hoe raha tsy nisy ny mpanota, raha tsy nisy ny olo-meloka dia tsy nisy ny sorona hamelàna ny heloka... ny famelan-keloka avy amin\'i Kristy dia tsy maintsy mandalo ny fahafatesany... ka raha maivana ny fahafatesany dia mbola mitoetra ny heloka sy ny ota... Ny fitsanganany tamin\'ny maty dia maneho fandresena lehibe ka na ny fahavalo sarotra resena indrindra aza (ny fahafatesana) dia resin\'i Kristy... izay no foto-pinoana mampitombina feno ny antony nahafatesany...
63. boubounezy ( 06/04/2007 18:50)
prime toizo iany ary alou ny fanazavana fa tena mi interressée bé anah mintsy ny resaka otrizao satry betsaka bé ny oull tsy té ieritreritra anizany na manao fananina tsy té alala kou nefa itako fa mila mitandrina iany tsika olombell @ fanah antsika mba tsy ho very an!
zay alou no mbola faitako ny resaka fivavahana hatramizao!...:?:
64. cutie ( 06/04/2007 18:52)
Mpandefa : prime [ Valio ] 06-04-2007 14:39:50
Lohateny : Re : 666
kiranil> Mitovy hevitra tanteraka...
ikaretsaka> Mitombina io fanamarihana ataonao io saingy tsy ampy mikasika ny finoana miorina amin'ny fitsanganana amin'ny maty... i Kristy maty noho ny fahotan'izao tontolo izao ary nisolo heloka ny maro dia anisan'ny fiorenam-pinoana fototra mampanan-danja feno ny fitsanganany tamin'ny maty fa tsy ny fitsanganana amin'ny maty fotsiny amin'izao toy ny manao "magie" na manao fahagagàna...

Raha tsy nisy ny ota, raha tsy nisy ny heloka, izany hoe raha tsy nisy ny mpanota, raha tsy nisy ny olo-meloka dia tsy nisy ny sorona hamelàna ny heloka... ny famelan-keloka avy amin'i Kristy dia tsy maintsy mandalo ny fahafatesany... ka raha maivana ny fahafatesany dia mbola mitoetra ny heloka sy ny ota... Ny fitsanganany tamin'ny maty dia maneho fandresena lehibe ka na ny fahavalo sarotra resena indrindra aza (ny fahafatesana) dia resin'i Kristy... izay no foto-pinoana mampitombina feno ny antony nahafatesany...

pasitera prime :lol::lol::lol::lol::lol:
65. cutie ( 06/04/2007 18:54)
Raha tsy nisy ny ota, raha tsy nisy ny heloka, izany hoe raha tsy nisy ny mpanota, raha tsy nisy ny olo-meloka dia tsy nisy ny sorona hamelàna ny heloka... ny famelan-keloka avy amin'i Kristy dia tsy maintsy mandalo ny fahafatesany... ka raha maivana ny fahafatesany dia mbola mitoetra ny heloka sy ny ota... Ny fitsanganany tamin'ny maty dia maneho fandresena lehibe ka na ny fahavalo sarotra resena indrindra aza (ny fahafatesana) dia resin'i Kristy... izay no foto-pinoana mampitombina feno ny antony nahafatesany...

de ampidiro koa aza Izy teraka e :lol:
66. boubounezy ( 06/04/2007 19:35)
cutie :-D:-Dtsy mazava trony é!:-D:-D:-D
67. cutie ( 06/04/2007 19:38)
ka ifandirana eo njay le resaka we Izy tafantsangana , sy le we Izy namoy ny ainy .
Ka hoy za we , de ampidiro koa zany le we Izy teraka e :-D
68. fijo ( 06/04/2007 21:14)
cutie an,hay nahita pasitera ndry ???
69. cutie ( 06/04/2007 21:16)
ie
i prime :-D
70. prime ( 07/04/2007 06:43)
cutie> Ny fahaterahany ka nangalany sy nahatongavany ho olona (tena olona feno satria teraka, niaina toy ny olona rehetra, noforaina, niasa, natao batisa, nitory sy nampianatra, maty...) dia maneho ny fototry ny fitiavan'Andriamanitra satia tsy nijanona tany an-danitra fotsiny Izy ka niandry ny fotoana hitsaràna ny zanak'olombelona fa nidina tety an-tany ary nahita ny tena zava-nisy marina teo amin'ny andavanandron'ny olona... mbola azo velabelarina io fa aleo ajanona eo aloha satria tsy ireo no lohahevitra eto...

Aoka tsy ho adino fa ny vahoakan'Andriamanitra tena izy dia ny Jiosy, nefa na ireo aza dia nanehoan'Andriamanitra ny fahatezerany rehefa tsy nankato sy nanaja Azy... (tsy efa babo impiry moa ny Zanak'Israely ary efa nohandevozina impiry noho ny ditrany?)... nefa dia tonga Kristy ary tsy ho an'ny Jiosy ihany fa ho an'izao tontolo izao mihitsy... ary efa fantany aza fa ny azy (ny Jiosy toa Azy) tsy handray Azy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0332