eglise

1. xxx ( 22/03/2007 19:51)
t@ voalohany dia toa katolika sy protestanta no eglise
@izao fotoana izao anefa dia lasa nihamaro ilay izy .
Misy afaka manazava ve hoe: naninona no nizara be de be ny protestanta taty aoriana dia inona daholo ny maha samy hafa azy?

Ny fiangonana protestanta fantako:
-batista
-evanjelika
-eglise reforme
-adventiste
MRE
Apokalipsy
FAAK
Pentekotista

etc...
novalian'i lapino ny 28/03/2007 14:18
2. Fiffi ( 22/03/2007 20:13)
de miandry zay mahay an'io zany....
3. pissoa ( 22/03/2007 20:29)
nenah ny tena mahagaga ahy de le fiangonana kely be da be misaratsaraaka nefa samy milaza ny tenany oe mampiasa ny baiboly fotsiny ihany ! :-D:-D:-D

(Efa nanontaniko io fa tsisy namaly tamizany :lol: )
4. kiranil ( 22/03/2007 20:45)
Izao no fahitako azy::

Ny fanontaniana mipetraka voalohany tiako apetraka dia ny hoe :: anisan'ireo mahazo miditra ny fanjakan'i Jehovah Andriamanitra ve izaho sa tsia?? satria na katolika aho na protestanta teo amin'ny fiainako kanefa tsy hiditra ny fanjakany dia tsy misy dikany izany.

Jesosy Kristy, izay Andriamanitra tonga nofo tety an-tany, dia nampianatra izao::

"tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra " Matio 7:21

Izany hoe tsy ny maha katolika na protestanta no hidirana ny fanjakan'ny lanitra fa ny fanaovanao ny sitrapon'Andriamanitra na fankatoavana ny teniny irery ihany.

Vakio ny Soratra Masina dia ho hitanao inona avy zany sitrapony izany. ary ankatoavy izay rehetra azoano avy ao.

"Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. " Jaona 6:40
5. pissoa ( 22/03/2007 20:50)
Io indray le bla bla bla mandany andro :-D:-D:-D

Fanontaniana hafa ary e :
Tsy ny "fiangonana" no mahavonjy fa ny Andriamanitra/Jesoa ... Ka maninona "ianareo" (ilay fiangonana be da be izany) no mandany andro misaratsaraka lava toa io, fa tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana iray fotsiny ? :-D:-D:-D
6. Zina ( 22/03/2007 20:51)
Kiranil tonga aloha ko hihihih

t@ voalohany dia toa katolika sy protestanta no eglise

raha tia mamaky histoire nareo dia jereo ny encyclopedia inona ny antony...fa voalaza ao doly...

Voire encore ny fiangonana voalohany (universelle mihitsy) dia ny Katolika.....:wink:
7. pissoa ( 22/03/2007 20:59)
refa tsy anontaniana mikasika ny konfesy akory i zina de milaza ny heviny ... fa rehefa antaniana mikasika ny azy izy de jereo ny encyclopedia ny valiny :roll:
8. Zina ( 22/03/2007 21:10)
Pissoa tsy ho tianao ny valiny ho lazaiko eto :
1- lava be ilay izy mila manaraka ny tantara hatramin'ny voalohany.
2- Ary fantatro fa tsy ho ekenao mihitsy satria tsy hino ianao
dia izany no nanaovako oe mandana jereo ny encyclopedia milaza ny tantaran'ny katolika sy ny protestant voalohany indrindra...
Fair enough?
9. Zina ( 22/03/2007 21:14)
refa tsy anontaniana mikasika ny konfesy akory i zina de milaza ny heviny


milaza ny hevitro amin'ny pretra aho satria olombelona mitovya amiko izy nefa mi-considerer ny tenany ho mpamela ny eloka....:wink:

izy ity anie ry pissoa dia forum e miteny izay fantatro aho tsy midika oe aza atao na ataovy e... samy mametraka ny opnion-ny :wink:
10. pissoa ( 22/03/2007 21:23)
:-D:-D:-D
aza be morala fa za nge tsy niteny ninninn mikasika ny forum sy tsy forum e :wink: gaga fotsiny za fa refa tsy antaniana de miteny fa refa antaniana dia tsy miteny ... ! Ilay resaa pretra tsy valiko fa ny efa novaliana atsy ambadika aza toa tsy hitanao akory raha io soratrao io no jerena indray :-D:-D:-D

Pissoa tsy ho tianao ny valiny ho lazaiko eto :
1- lava be ilay izy mila manaraka ny tantara hatramin'ny voalohany.
2- Ary fantatro fa tsy ho ekenao mihitsy satria tsy hino ianao
dia izany no nanaovako oe mandana jereo ny encyclopedia milaza ny tantaran'ny katolika sy ny protestant voalohany indrindra...
Fair enough?

:-D:-D:-D
1 - Fa ilay encyclopedia angaha fohy kely dia tonga dia eny an-tenantenany :-D:-D:-D
2 - Fa angaha mihevitra ny handresy lahatra ahy no hoe tsy hino aho no lazaina mialoha ? Raha zay dia aza mandrera-tena akory fa marina ny anao ! Fanazavana tsotsotra no ilaiko, fa ny resaka finoana efa manana betsaka noho ilay heverinao aho :-D:-D:-D
11. ikaretsaka ( 22/03/2007 21:35)
xxx:

t@ voalohany dia toa katolika sy protestanta no eglise
@izao fotoana izao anefa dia lasa nihamaro ilay izy .
Misy afaka manazava ve hoe: naninona no nizara be de be ny protestanta taty aoriana dia inona daholo ny maha samy hafa azy?

Ny fiangonana protestanta fantako:
-batista
-evanjelika
-eglise reforme
-adventiste
MRE
Apokalipsy
FAAK
Pentekotista

etc...



misy hiragasy izay.. asa raha Ramilison be sigara izy iny na iza mampitaha ny katolika @ protestant
dia misy miteny hoe:
I mopera tsy niteraka dia nijanona 1 ihany ny katolika
fa ny pasitera arakaraka ny isan-janany ny isam-piangonana...

12. cutie ( 22/03/2007 23:41)
misy hiragasy izay.. asa raha Ramilison be sigara izy iny na iza mampitaha ny katolika @ protestant
dia misy miteny hoe:
I mopera tsy niteraka dia nijanona 1 ihany ny katolika
fa ny pasitera arakaraka ny isan-janany ny isam-piangonana...

:-D:-D:-D:-D:-D
13. cutie ( 22/03/2007 23:43)
Izany hoe tsy ny maha katolika na protestanta no hidirana ny fanjakan'ny lanitra fa ny fanaovanao ny sitrapon'Andriamanitra na fankatoavana ny teniny irery ihany.

ka ahoana ny ahalalana ny sitrapony raha tsy niatomboka t@le finoana alou( katolika, protestante sy ny tariny ), sa tongatonga ho azy teo @ kiranil fotsiny le baiboly fa tsy nisy nanoro :lol:. Nilatsaka avy any an-danitra:-D
14. ikaretsaka ( 23/03/2007 00:14)
Zina sy pissoa>aza miady eo moa eee..

Ny famintinako ny ansiklopedia nomen\'i Zina dia tsotra (ny ahy noraisiko hatrany @ voalohan\'ny Kristianisma mihitsy an) izay te hanamarina mahazo manamarina @ baiboly ..indrindra ireo manao hoe baiboly ihany ireo!

1)I Jesoa talohan\'ny nandehanany dia nametraka rafitra mazava aloha: nataony hoe \"fiangonana\" (eglizy) ilay izy!

2)dia teo amin-Drapiera Vatolampy sy ny Apostoly napetrany ny fitantanana io rafitra io.. (jereo fa misy an\'io aby aloha ze soratra masina na baiboly na apokrifa na inona-)
---->apostolika aloha zay le Fiangonana..

3) 1 ihany no naoriny, izy no nifidy ilay olona hitarika azy rehefa lasa izy , ary nomeny fahafahana sy hafatra ireo ambiny 10 lahy (11 niampy an\'i matiasy nanolo an\'i Jodasy taty aoriana)
noteneniny koa fa na inona na inona mitranga dia ho eo foana io \"fiangonana\" io hatr@ farany ary hitana io rafitra io.
---> tokana ilay fiangonana

4) Izy 12 lahy ireo miampy an\'ilay Ramatoa nafarany t@ ilay Iraika lahy mpianany izay no nanaparitaka hatreo rehefa nidinan\'ilay fanahy avy any aminy. ireo no nanapaka izay ho dimbiny, sns
ireo koa no nanapa kevitra hanoratra ny tantaran\'i jesoa sy hisafidy nony taty aoriana hoe ireto no atambatra dia atao hoe testamenta vaovao dia avy eo atambatra @ ilay an\'ny jiosy testamenta taloha dia atao hoe baiboly no anarany...dia nandeha manerana ny tany
----->Mamerana ny tany ilay fiangonana

(tadidio fa tsa mbola nisy Imprimeria t@ izany ary vitsy no nahay namaky teny sy nanoratra fa izay kely mba voasoratra sy lovantsofina no nandeha..)

1500 taona taty afara nisy rangahy namaky baiboly teo am-pivalanana... dia nizarazara amzayy

-
15. Fiffi ( 23/03/2007 06:51)
Zina:
milaza ny hevitro amin'ny pretra aho satria olombelona mitovya amiko izy nefa mi-considerer ny tenany ho mpamela ny eloka....:wink:
olombelona mitovy @ nao marina ny pretra.....saingy tsy mino an'zany kosa zah hoe "mi-considerer ny tenany ho mpamela heloka zany izy....
Choix-n'ny tsirairay io fanantonana ny pretra hi-se confesy io fa tsy nisy nanery.....amiko de samy manana ny andraikiny ny tsirairay...ny pretra @ maha pretra azy de aminy no hiconfesena na dia fanatra aza fa Andriamanitra hiany no afaka mamela ny heloka...fanampiana ny an'ny pretra.....de anjaran'ny tsirairay no mahita sy manao zay tiany....


16. majesty ( 23/03/2007 07:26)
hoy xxx:

t@ voalohany dia toa katolika sy protestanta no eglise


Tsy ireo no eglise kristiana voalohany fa ny an'ireo Apostoly 12 lahy,ary mbola misy hatramin'izao io fiangonana io fa saingy noho ny antony ara-panjakana dia tsy maintsy nomena anarana izany fiangonana izany mba ahafahana manome azy ny zo ara-dalana hisy eo amin'ny tany sy ny fanjakana iray.

Hoy i pissoa:

nenah ny tena mahagaga ahy de le fiangonana kely be da be misaratsaraaka nefa samy milaza ny tenany oe mampiasa ny baiboly fotsiny ihany !


Marina izany voalazanao izany,ny soratra masina anefa milaza fa iray ny batisa ,iray ny finoana,ary fanahy iray ihany no nomena an'ireo zanak'Andriamanitra,koa fanahy avy aiza ary ny nahatonga an'ireo fiangonana kely bdb miorina ireo,anjaranao no mamaly azy!
17. xxx ( 23/03/2007 07:35)
Misaotra anareo rehetra namaly fa ny tiako hofantarina dia inona avy ny fomba maha samy hafa ireo fiangonana ireo.
Fantatra fa samy mino an'Andriamanitra
Fantatra fa izay mino an'i Jesosy ihany no hovonjena sy izay mandray azy...

Raha misy izao tsy mpino ka te-hiditra any @ fiangonana mba hampitombo ny finoany sy hitaizany ny fanahiny dia afaka misafidy @izay fombafomban'ny fiangonana tiany izy.
Tsy natao hoe: ny ahy no tsara na ny anao no ratsy fa lazaina eto izay fomba mahasamy hafa azy dia anjaran'ilay tsy mpino no manapaka ny heviny.
Misy ihany koa mba te-hahalala hoe: ahoana ny fomban'ny hafa.

"Miorena tsara ary tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao"

Ny protestanta FJKM izao dia manao litorijia, vavaka nampianarin'i Tompo etc,ny pasitera ihany no mitory teny ny mpiangona mihaino ampanajàna, misy ny batisa zazakely na lehibe fa tsy mijoboka anaty rano, mandray ny fanasan'i Tompo, misy ny mpiandry, diakona ...

Ny katolika indray: raha vao miditra ny fiangonana dia manao @ Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Mompera no fiantsoana ny mpitondra fiangonana,
Pretra?...
Mino ny vierja Marie
Manao konfesy
Misy ny mandray ny kominio (manomboka firy taona no afaka mandray an'io?)
Mino ny olomasina
...


Ireo fiangonana hafa dia tsy haiko ny mombamomba azy dia mangataka ho an'izay mahay mba hampita azy eto ô

18. majesty ( 23/03/2007 08:08)
Ny batista:manaraka ny batisa ara-baiboly hoe olon-dehibe no atao batisa ary asitrika any anaty rano
Ny Evanjelika:mafana eo amin'ny fanompoana an'Atra amin'ny alalan'ny hira,dihy,zava-maneno isan'karazany
Eglizy reforma:tsy dia misy antony mazava loatra fa dia hoe mila fiovana d zay
Apokalipsy:manaja ny sabata,milaza fa Jesosy maty alarobia
Pentekotista:ny fanahy masina no tena angatahana fatratra sy fototry ny finoana,miteny @ fiteny tsy fantatra,hira mihetsiketsika arahina dihy sy zava-maneno isan'karazany
MRE,FAAK,:misy itovizany amin'ireo reforma
Loterana:manaraka ny fampianaran'i Lotera;"ny soratra masina ihany"
Adventista:manaja ny sabata,batisa asitrika,manaraka izay voalazan'ny soratra masina ny amin'ireo fihinana,fisotro,milaza fa mbola tsy lany andro ny didy folo,@ Jesosy irery ihany ny famonjena ,miandry ny fiavian'i kristy fanindroany sns

Ampio aho raha misy tsy voalaza!
19. xxx ( 23/03/2007 08:33)
Izay dadapasy te hangorom-bola dia manorina fiangonana
20. nikopol ( 23/03/2007 08:44)
hoy ika

misy hiragasy izay.. asa raha Ramilison be sigara izy iny na iza mampitaha ny katolika @ protestant
dia misy miteny hoe:
I mopera tsy niteraka dia nijanona 1 ihany ny katolika
fa ny pasitera arakaraka ny isan-janany ny isam-piangonana...



Mahery kosa Ramilison !
fa mety misy zazasary ihany ny mopera fa tsy ni-reconnaitre azy fotsiny rainy a! dia lasa tsy misy ray ilay izy ...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3944