eglise
22. tslem
(
23/03/2007 09:21)
xxx:
t@ voalohany dia toa katolika sy protestanta no eglise
@izao fotoana izao anefa dia lasa nihamaro ilay izy .
Misy afaka manazava ve hoe: naninona no nizara be de be ny protestanta taty aoriana dia inona daholo ny maha samy hafa azy?
Ny fiangonana protestanta fantako:
-batista
-evanjelika
-eglise reforme
-adventiste
MRE
Apokalipsy
FAAK
Pentekotista
etc...
ka raha tsy manandrana mitety an'ireo angaha mahafantatra izay misy ao anatiny ao? mbola misy koa ny fm foi, Jesôsy mamonjy, universelle, Mailhol...andramo ka izahao e, dia mazotoa !
23. miarina
(
23/03/2007 10:08)
Correction : Eglise tsy protestante Temple no iantsoana azy raha protestant (voir dictionnaire).
Fa raha jerena ny niandohany fivavahana Ny voalohany nizara dia ny Katolika
Fa raha jerena ny niandohany fivavahana Ny voalohany nizara dia ny Katolika
25. eritra
(
23/03/2007 10:23)
tsotra ny fototra nihavian'ny fizarazarana (nanomboka hatrany amboalohan'ny fizarazarana io )dia ny fandikana araka izay ahazoan'ny mpanorina ny fiangonana azy ny baiboly sy araka izay ambarany fa "itarihan'ny fanahy azy" ( nataoko f kely ny fanahy satria tsy fantatro na ny Fanahy Masina io na fanahy mamitaka)
Oh : Luther nisaraka t@ fiangonana Katolika fa nanohitra ny famelan-keloka azo vidiana vola
Ny fiangonana hafa nisaraka t@ protestanta satria tsy mety oh ny fanaovana batisa ny zaza ; rehefa mivavaka dia tokony sabotsy satria izay no sabata.... sns eh
!
Heveriko fa tsy dia mitondra inona izany , fahalalana ara- tsaina fotsiny angamba fa raha maniry hitombo amin'ny finoana dia tsy misy afatsy ny fitanana ny finoana an'i Jesoa ihany na inona fiangonana misy antsika na inona dia samy mahavonjy avokoa rehefa mino Azy

26. xxx
(
23/03/2007 12:08)
majesty:misy tsy ampy
ny anglikana?
tslem: tsy voatery mandeha @ilay fiangonana fa afaka mangataka hevitra @ izay mivavaka ao ka
ny anglikana?
tslem: tsy voatery mandeha @ilay fiangonana fa afaka mangataka hevitra @ izay mivavaka ao ka
27. Rasiligaoma
(
23/03/2007 12:24)
xxx:
Misaotra anareo rehetra namaly fa ny tiako hofantarina dia inona avy ny fomba maha samy hafa ireo fiangonana ireo.
Fantatra fa samy mino an'Andriamanitra
Fantatra fa izay mino an'i Jesosy ihany no hovonjena sy izay mandray azy...
Raha misy izao tsy mpino ka te-hiditra any @ fiangonana mba hampitombo ny finoany sy hitaizany ny fanahiny dia afaka misafidy @izay fombafomban'ny fiangonana tiany izy.
Tsy natao hoe: ny ahy no tsara na ny anao no ratsy fa lazaina eto izay fomba mahasamy hafa azy dia anjaran'ilay tsy mpino no manapaka ny heviny.
Misy ihany koa mba te-hahalala hoe: ahoana ny fomban'ny hafa.
"Miorena tsara ary tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao"
Ny protestanta FJKM izao dia manao litorijia, vavaka nampianarin'i Tompo etc,ny pasitera ihany no mitory teny ny mpiangona mihaino ampanajàna, misy ny batisa zazakely na lehibe fa tsy mijoboka anaty rano, mandray ny fanasan'i Tompo, misy ny mpiandry, diakona ...
Ny katolika indray: raha vao miditra ny fiangonana dia manao @ Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
Mompera no fiantsoana ny mpitondra fiangonana,
Pretra?...
Mino ny vierja Marie
Manao konfesy
Misy ny mandray ny kominio (manomboka firy taona no afaka mandray an'io?)
Mino ny olomasina
...
Ireo fiangonana hafa dia tsy haiko ny mombamomba azy dia mangataka ho an'izay mahay mba hampita azy eto ô
akoatran'ireo voalazananao ireo dia saika "nindramina" tamin'ilay Katolika nisarahana ihany ny litorjia an'ny FJKM :
mizara roa koa ny an'ny katolika (Na ny Roman, na ny Orthodoxe) sy ny anglikanina ny litorjia:
Ny litorjian'ny teny (Liturgie de la parole)
Ny litorjian'ny sakrifisy (Eucharistie)
28. prime
(
23/03/2007 12:36)
miarina:... Tena marina izany, mbola nisy Eglizy katô roa koa aza (Orient sy Occident)... dia mbola nisy Papa maro niara-nitondra amin'ny fotoana iray koa (Occident)... dia mbola nisy Papa niteraka koa...
Fa raha jerena ny niandohany fivavahana Ny voalohany nizara dia ny Katolika
http://fr.wikipedia.org/wiki/Alexandre_VI
http://www.basile-y.com/historiettes/h7.html
http://www.infobretagne.com/heresie-schisme.htm
Rehefa nizara ny katôlisisma (Orient sy Occident)... ny Eglizy Katôlika Rômana io nizara bdb io (Protestantisme) fa ny Eglizy Ôrtôdôksa sy ny papany mbola iray ihany mandrak'ity ny androany.... Rehefa tonga any Moyen Orient ianao (Israël, Jordanie, Liban...) ny fiangonana kristiana any dia ny Eglizy Katôlika Ôrtôdôksa no mitantana azy...
29. Rasiligaoma
(
23/03/2007 13:04)
Tsy ny eglisy katolika romanina no nizara bedebe fa ny protestanty no te hiala ka (tsy nisy nandroaka tao hoe miala fa ry zareo no te hiala) .
Ny nahatonga ny occident sy orient indray dia noho ilay Bloc na Empire Silamo be teo ampovoany.. dia tsy afaka nifandray intsony izy ireo.. fa samy Apostolika ihany
Ny nahatonga ny occident sy orient indray dia noho ilay Bloc na Empire Silamo be teo ampovoany.. dia tsy afaka nifandray intsony izy ireo.. fa samy Apostolika ihany
31. nikopol
(
23/03/2007 13:30)
Ary iza ny anaran'ilay Papa vehivavy nisandoka lehilahy dia kobo taty aoriana ?
32. prime
(
23/03/2007 13:57)
rasiligaoma:... Tsy nisy Protestanta te-hiala izany fa pretra Katôlika i Lotera no te-hitondra fanavaozana tao amin'ny Eglizy satria nahita izy fa misy "dérives" bdb tao noho ilay fepetra t@ fotoan'andro hoe ny pretra sy ny mpandraharaham-pivavahana ao @ Eglizy ihany no mahazo mamaky baiboly... dia rehefa nandinika sy namaky izy dia nahatsapa fa tokony miverina amin'izay voalaza ao amin'ny baiboly ihany ny fiangonana (fomba sy fanao mihitsy)... dia tsapany fa misy zavatra maro tokony hahitsy... tsy nanaiky nefa ny fitondràna sy ny fahefàna mahefa... (ny tantara no nanoratra fa fony mbola Pretra i Lotera dia nandady niditra teo amin'ny vavahadin'ny Rôma mandrapahatonga tao amin'ny fandraisan'ny Papa azy mba hihainoana azy, nefa noheverina ho tsy hary saina izy satria mandika ny Eglizy sy ny fampianarany ny hevitra entiny)... vokany "ex-communié" izy... ary dia nanohy izany fanavaozana tiany natao izany ka rehefa nisy nanara-dia vao nitsangana ny protestantisma... ireo mpanara-dia azy ireo dia fiangonana Katôlika ihany nahatsapa fa misy fahamarinany ny lazain'i Lotera...
Tsy ny eglisy katolika romanina no nizara bedebe fa ny protestanty no te hiala ka (tsy nisy nandroaka tao hoe miala fa ry zareo no te hiala) .
33. Rasiligaoma
(
23/03/2007 14:24)
prime> ka katolika de protestant nisaraka.. ekena hatreo
fa ny katolika nijanona ho katolikal
fa ny protestant nisaraka ..de nisaraka de nisaraka de nisaraka de nisaraka de nisaraka!:cry:
fa ny katolika nijanona ho katolikal
fa ny protestant nisaraka ..de nisaraka de nisaraka de nisaraka de nisaraka de nisaraka!:cry:
34. prime
(
23/03/2007 14:53)
rasiligaoma> Izao anie ny fahitako azy e (fa mety ho diso hoy ianao...), ny Fiangonana Kristiana rehetra mihitsy dia Fiangonana Katôlika avokoa ara-tantara... fa misy ny Fiangonana Katôlika Rômana, Fiangonana Katôlika nohavaozina ("protestante reformée"), Fiangonana Katôlika ôrtôdôksa, Fiangonana Katôlika anglikana, Fiangonana Katôlika nohavaozin'i Lotera ("protestante luthérienne"), Fiangonana Katôlika manantena ny advento ("protestante adventiste")... (azo tohizana) fa na handà ahoana ny fiangonana hafa na ahoana dia tsy afaka ny handà fa niainga avy ao amin'ny Fiangonana Katôlika avokoa...
Izany no mahatonga ny Fiangonana hafa rehetra manaiky ho apôstôlika no sady maneran-tany (araka ny hafatr'i Kristy)...
Ka raha miteny ianao hoe ny protestanta no tena misaran-tsaraka betsaka dia ekena izany satria anisan'ny hevitra vohizin'ny protestantisma ny "fanavaozana ao amin'ny Fanahy Masina" ka ahafahan'ny tsirairay milaza ny heviny fa tsy manaiky foana fotsiny izay fampianaram-piangonana izay matetika tsy lavorary na ny an'iza na ny an'iza...
Ka amiko (averiko indray fa mety tsy dia tena ekenao loatra) dia niainga tao amin'ny Fiangonana Katôlika ny rehetra ary raha misy ny fisarantsarahana dia ny Fiangonana Katôlika no tena misarantsaraka betsaka noho ny foto-kevitra "protestantisma"...

35. ikaretsaka
(
23/03/2007 15:18)
hay misy an'izany fiangonana katolika navaozina izany koa?
ary samy te ho katolika aby ihany ange izany raha tena dinihina e:wink:
ary samy te ho katolika aby ihany ange izany raha tena dinihina e:wink:
36. lapino
(
23/03/2007 15:42)
xxx >
Aza ny anaram-piangonana no atao manan-danja!!
Ny fiangonana manko rehefa mandroso, dia tonga ny devoly higafy sy hahatonga fisavorovoroana ao. Etsy an-daniny anefa ny olombelona dia malemy, ka tsy mahefa n'inon'inona manoloana ny devoly raha tsy tena mitafy ny ran'i Jesosy marina. Ka raha misy tsy fiambenana tsara eo amin'ny fiangonana dia ho voatarika amin'ny ratsy ihany, dia hanjary fitaka lehibe ho an'ny olona aza. Zava-mitranga amin'ny fiangonana marobe izany.
Noho izany, izay fiangonana velona androany mety hangatsiaka rahampitso, sns ... Ka aza ny anaram-piangonana no jerena raha ny hitady an'Andriamanitra marina no tena tanjona.

37. Zina
(
23/03/2007 17:41)
Oy i pissoa,
morala hisy foana ka tsy voatery indry hamaky... tsy indry irery akory no ato @ forum:wink:
samy miteny izay tiany eto.. za tsy miteny anao oe vakio, rehefa tsy tantinao dia aza valina...
Ny momban'ny pretra - samy milaza izay tiany lazaina daholo ny rehetra...:wink:
za nga tonga eto handresy lahatra olona???? 8O8O
mandana mano recherche rehefa liana rehefa tsy liana dia mangina fotsiny:wink:
za tsy miady aminy mihitsy sanatria izany..
aza be morala fa za nge tsy niteny ninninn mikasika ny forum sy tsy forum e gaga fotsiny za fa refa tsy antaniana de miteny fa refa antaniana dia tsy miteny ... ! Ilay resaa pretra tsy valiko fa ny efa novaliana atsy ambadika aza toa tsy hitanao akory raha io soratrao io no jerena indray
morala hisy foana ka tsy voatery indry hamaky... tsy indry irery akory no ato @ forum:wink:
samy miteny izay tiany eto.. za tsy miteny anao oe vakio, rehefa tsy tantinao dia aza valina...
Ny momban'ny pretra - samy milaza izay tiany lazaina daholo ny rehetra...:wink:
Fa angaha mihevitra ny handresy lahatra ahy no hoe tsy hino aho no lazaina mialoha
za nga tonga eto handresy lahatra olona???? 8O8O
Fa ilay encyclopedia angaha fohy kely dia tonga dia eny an-tenantenany
mandana mano recherche rehefa liana rehefa tsy liana dia mangina fotsiny:wink:
Zina sy pissoa>aza miady eo moa eee..
za tsy miady aminy mihitsy sanatria izany..
38. ikaretsaka
(
23/03/2007 17:41)
tsy voatery ho marina kosa ilay
lapino hoe :
izay fiangonana velona androany mety hangatsiaka rahampitso,
misy 2000 taona fa eo foana.. fa misy ny maty rehefa ela ny ela
lapino> tsy maintsy atao manan-danja ny anaram-piangonana ary tsy tokony ho menatra amkmin'io ka... satria na ny Tompo aza nandany fotoana nandamina ilay rafitra t@ masindahy piera sy ny tohiny ary tsy menatra izy nanao an'io
39. Zina
(
23/03/2007 17:43)
Fiffi [ Valio ] 23-03-2007 07:51:06
Lohateny : Re : eglise
Hoy i Zina:
milaza ny hevitro amin'ny pretra aho satria olombelona mitovya amiko izy nefa mi-considerer ny tenany ho mpamela ny eloka....
olombelona mitovy @ nao marina ny pretra.....saingy tsy mino an'zany kosa zah hoe "mi-considerer ny tenany ho mpamela heloka zany izy....
Choix-n'ny tsirairay io fanantonana ny pretra hi-se confesy io fa tsy nisy nanery.....amiko de samy manana ny andraikiny ny tsirairay...ny pretra @ maha pretra azy de aminy no hiconfesena na dia fanatra aza fa Andriamanitra hiany no afaka mamela ny heloka...fanampiana ny an'ny pretra.....de anjaran'ny tsirairay no mahita sy manao zay tiany....
Fiffi a,
rehefa zay no fijerinao azy tsara.
amiko tsy izany dia izay fotsiny samy mametraka izay lazainy eto...:wink:
40. niryna
(
24/03/2007 01:16)
Sarotra ry namana isany ny hamaly anio.Raha nandalina ny antony nampisaraka ny katolika ny tena dia ny olona mihaino ny zava misy no miakatra fa tsy ilay fanazavana.Dia avy eo indray hoe avelao izahay hitazona ny finoanay fa tazomy ny anareo.
Mety mampieritreritra hoe ahoana no mizara,saingy izany ve hampiova ny finoanao an'Atra izay Tokana ,izany ve hampiova ny finoanao an'i Kristy izay mpanavotra anao?Tazomy ny finoanao fa Atra dia Atry ny fahamarinana .
Ny faniriko fotsiny ho antsika rehetra dia mbola manana fotoana isika hianarana ny soratra masina,raiso izay fantatrareo fa marina,ary Jesosy irery ihany no araho.Vakio ny baiboly fa io no sakafo ahalalanao ny marina.Tsy misy olona na iray aza hanome anao toky fa hiaraka aminao mandrakizay.Izy irery ihany no nanome izany toky izany ary mbola mitazona izany hatramin'izao.
Hitady ny valin'izany ianareo?Vereno vakiana ny baiboly ka raha misy fiangonana tsy mifanaraka ny voalaza ao dia anjarako,anjarantsika no mieritreritra."Nitady an'i Jehovah aho dia nahita ary eo ambavako mandrakariva ny fiderana Azy."
Ny fisian'ny fiangonana maro dia manome hery ny rehetra hanantona an'Atra fa tsy hiala pas hoe lavitra ny fiangonana.Ny zavatra tadiaviny amintsika dia ny hanao izao tontolo izao ho mpianany sy hino Azy,ny hitory ny filazan-tsara ho an'izao tontolo izao,ny hizara izay fahalalana sy fahamarinana ho an'ireo izay mangetaheta sy mitady ny tenin'Atra.
Ahoana raha tsy mahay mamaky teny? Moa ve misy zavatra sarotra aminy!Mety ny maso no tsy mahalala ny soratra fa ny vava kosa rehefa nomeny fahasoavana dia hisokatra hiantso sy hidera ny anarany ary dia omeny hery hanampy ireo izay mbola variana.