Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?

1. niryna ( 20/03/2007 14:11)
Maro ny resaka mifanjevo ato mikasika ny misy Atra ,tsy misy Izy.Omeo porofo ny tsy fisiany.Tsy resaka sy fifamaliana fotsiny no tena tanjona eto fa ny hanampy ny namana tsy mahalala na mbola tsy te-hiverina hanantona Azy.Raha ny fiainantsika rehetra tokoa mantsy no ho dinihina dia tsy tongatonga foana toy izao isika raha tsy teo ny fitadiavana azy.Mety tao anaty fahoriana,tsy fahasalamana,aditsaina,very olon-tiana sy akaiky ny tena,famoizam-panahy sns...
Tsy voatery mila porofo izaho na ianao vao mahatsampa ny fahasoavana nomeny ahy na ianao.Afaka kosa isika manome sy mijoro ho vavolombelona ny antony nanantonanao Azy.Mety nanafaka anao tamin'ny fahoriana Izy,fijaliana,nahatsapa ny fitiavany sy ny famelana anao koa ianao,mety ny fahasitranana ny aretina izay tsy sitran'ny olona.
Mba mangataka antsika aho raha azo atao ny hijoro vavolombelona nahatonga anao hifikitra Azy.
(l)niryna
répondu par diamondra27 le 08/04/2007 21:48
2. ikaretsaka ( 20/03/2007 14:15)
fa tokony asiana rules kosa hoe tsy miandany @ fisiany/tsy fisiany kosa ilay arbitre e:wink:
njary miangatra:roll:
3. niryna ( 20/03/2007 14:26)
Mahita porofo amin'ny fiainanao moa ianao dia raisina an-tanandroa satria nizara izany ianao.Nahita ny olon-kafa koa moa ianao dia anisany mijoro vavolombelona ihany koa izany.
Izaho no hijoro vavolombelona voalohany ary:P
Zanak'olona mahantra aho,tsy mba nanana ny rar-ko,izaho anefa tia fianarana kanefa tsy nanam-bola hampianarana ahy intsony ny raiko.Nipetrapetraka tamin'ny fianakaviana aho,nandefitra,niafy,nijaly,nihinan-kanina azy arahi-maso.
Toy ny akohokely mifatotra tady mahazaka ny fiainako,tsy mba manana olona hitarainana,ny tena koa moa mbola kely,nianatra ihany aho ary ny zokiko no niantoka ny ecolage-ko saingy rehefa manambady ny olona tsy afaka hanao toy ny mbola celibataire.Kely sisa dia ho tonga ny fotoana handoavana ny ecolageko,niady saina aho ary nino koa aho fa tsy nahita-tory toy izany koa ireo rar.Inona ity no ataoko?Izaho mbola kely,tsy hieritreritra ny hanambady izany.Ny tao an-tsaiko dia hoe raha tsy mianatra intsony aho izany dia miandry vady,dia izy no mba hanambady ahy tsy manam-pahaizana?Tonga daholo izao fanontaniana rehetra izao tao an-dohako saingy tsy noho ny mbola mahazaza ahy dia kely toy izany koa ny fisainako.
Lany haiky aho,tsy nahita vahaolana,tonga ny fanontaniana adaladala satria na noentin'ny rar-ko niangona aza izahay ankizy tsy dia nisy niditra izany ary tena tsy natadidy izay toroteny kosa aloha aho e.
Naka baiboly aho dia namadika ilay baiboly ka nisy teny nanome hery ahy tao.Salamo ilay izy ary dia toa nisy ray hafa niresaka aho ary nankahery ahy.Nisy feo niteny hoe mandefa ttsy any amin'ny nenitoanao.Rehefa avy nivavaka aho dia nandefa nanoratra ttsy tokoa.
Izany rehetra izany anefa dia efa nafoiko daholo ankehitriny satria noho ny fitiavany ahy dia mbola afaka nomeny andro aho hijoro hitory Azy fa tena misy Izy ary mbola misy hatramin'izao.
(l)niryna
4. niryna ( 20/03/2007 14:44)
Ika marina izany e.Afaka mijoro hilaza ny antony tsy nampino azy intsony koa anie ny olona ato e,ary afaka miteny koa izy ny antony tsy hinoany.
Rehefa nanoratra ttsy aho dia nisaotra sy nivavaka a.Izay angamba ilay atao hoe Fanahy Masina fa tsy fantatro mihitsy.
Nijaly aho ary indraindray aho tsy mihinan-kanina fa mangahazo kely no hohaniko amin'ny antoandro.Taloha moa dia lavitra ny fianarana ary mandeha mandrato ianao fa tsy toy any ankehitry intsony.Raha nisy ankizy nijaly tamin'ny fiainana dia ataoko fa tsy nisy nijaly mihoatra noho izaho.Izay no nandinihiko ny tenako.Tsy nisy telo andro tokony dia namaly ny nenitoako ary lasa aho nifindra toerana nianatra.Mafy tamiko izany nandao ny rar izany kanefa moa noho ny tsy fananana dia mahazaka maniraka ka dia naleo nandeha no ho any na tsia.Noentiko nanaraka ahy ilay baiboly ary teo aho no nanomboka namaky baiboly.Mipetraka aman'olona?Raha efa nipetraka ianao dia mahalala tsara ny tiako ho tenenina,raha tsia dia izao no nitranga:Tsy maintsy manao izay tenenin'ny olona ianao,na ny fihetsikao,ny fijerinao,ny toetranao dia tsy atao mandefitra ary tsy afaka milaza na mijoro ny zavatra tianao ho tenenina ianao sao dia mahasosotra,sao dia mahatezitra ilay olona,sao dia ...izao sy izao.
Nifikitra aho ary niafy tanteraka,ny ankizy maka rivotra tsy tamana fa tonga dia mody,ry zareo manontany tena ahoana no mahatamana ahy ao?Valiny ary tokana:tsy manambola ka tsy maintsy mihafy.
Nianatra mafy aho ary iny no tena tanjoko dia ny ho tafita ka hiverina hody any amin'ny rar-ko.Ny ankizy ao an-trano?Misy mialona satria angamba lasa zaraina ny sakafo,na tsy fantatro izay ao an-tsainy.
Teo no nanomboka nisokatra ny varavarana ho ahy.Teo no nanomboka nifikitra tamin'ny Tompo aho satria tena tsy tao an-tsaiko mihitsy izany hoe hanoratra ny nenitoako izany.
Ny akanjoko? tablier namboarin'i mamanay ary matevina ka iny foana no anaovako isan'andro rehefa maloto dia sasana amin'ny alina miaraka ny silipy kely roa raha betsaka indrindra.Ny fahoriana hitako sy nianjady ahy dia nahatonga ahy nifikitra taminy ary nahatonga ahy amin'izao fotoana izao ka na hatramin'izao fotoana izao aza aho dia mbola te-hianatra foana izay tratrako.Maro ny fianakaviana mahantra any dago koa satria ho nijaly vao tafita dia ireny zanaka mahantra ireny no hiantoanay mivady ecolage isam-bolana amin'izao fotoana izao.Ny vadiko koa dia zanaka mahantra ary samy mahantra izahay no niezaka ka ny fitiavan'Atra anay no nameno ny tokantranonay na dia tsy nanana aza izahay.
5. Zina ( 20/03/2007 15:08)
amiko ny tanjoko dia ny miteny ny fahamarinana eto izay mankasitraka dia tsara izay tsia mankasitraka dia azy samy irery izany.
6. Zina ( 20/03/2007 15:09)
adiniko izay tsy mety azo asiana (ny Nefa... sy ny But.... sy ny mais......) mitovy ireo :wink:
7. ikaretsaka ( 20/03/2007 15:16)
Zina:

amiko ny tanjoko dia ny miteny ny fahamarinana eto izay mankasitraka dia tsara izay tsia mankasitraka dia azy samy irery izany.




ka ny tena olana GOAVANA eto dia ilay "samy manana izay eritreretiny hoe fahamarinana" arakaraka izay naha "brainwashed" azy aby ny tsirairay!

ny tena izy angaha dia hoe ... "hanao publicite ny fiangonako sy ny finoako" aho...
fa manaiky koa hoe samy manana ny hanitra ho azy koa ny hafa.. na ny tsy mpino aza
fa tsy hoe "ny ahy no marina"
8. niryna ( 20/03/2007 15:21)
Ika>efa novaliako eo ambony io ny teninao mahazo mijoro daholo izay antony nahatonga nanantonany an'Atra sy izay antony tsy hitiavany na ny zavatra nitranga taminy nahatonga azy tsy hino.
9. Zina ( 20/03/2007 15:27)
Ika,
hanao publicite ny fiangonako sy ny finoako"

Tsy mety mihitsy io,
ny filazana ny fahamarinana ny tenin'andriamanitra no tokony ataon-tsika.

ahona no ho brainwashed eto ianao? ohatra. Mijoro amin'ny finoanao...:wink:
10. niryna ( 20/03/2007 15:29)
Mijoro vavolombelona aho izany amin'ny fitiavany sy famonjeny ahy tao anaty fiainako.Mafy tokoa izany mipetraka amin'olona izany fa tsy maitsy manana fandeferana ianao.Nampianatra ahy koa hanao zavatra tsara sy hizara hatrany koa io ary nampiova ny fiainana ho tsy tia tena fa mba manampy araka izay ho vita.Tsy nisy nananenako ny nahazo ahy ary mbola miezaka foana izaho sy ny vadiko manampy ireo fianakaviana mahantra tsy mba afaka mianatra satria samy tao anaty fahantrana izahay no nivady ka ny fitiavanay roa no niroborobo ary dia tsy nahatsapa firy ny fahantrana fa nampitamberina ireo no nahatonga anay niezaka hatrany hatrany.Tsy nanadino an'Atra izahay ary izay fantatray fa mba mety hamonjenay ireo havanay mahantra dia mbola miezaka foana izahay hatramin'izao.
Raha tianareo dia araho-ambavaka daholo izay atao ary aoka tsy ny sitrapontsika no atao fa ny Azy ka izay mahasoa sy fantany fa mety ho antsika.
11. Zina ( 20/03/2007 15:45)
Niryna:-*
Tsy ho adiniko tokoa moa isika rehetra ato... mivavaka mandrakariva ho an'ny rehetra tokoa moa.

Mahereza fa mbola manana espoir (hope) isika ary tsy manary antsika mihitsy andriamanitra fa isika no manadino azy indraindray.:-*
12. routa ( 20/03/2007 17:21)
ny zavatra tsapako de zao an raha faly aho de miteny Aminy raha malahelo na mijaly na misy olana sarotra eo @ fiainako de miazakazaka aho de avi mitaraina fa tsapako fa misy mandre ny teniko sambatra tsika manana Azy tsyreraka mihaino IZY .
13. ikaretsaka ( 20/03/2007 17:31)
Zina:

Ika,
hanao publicite ny fiangonako sy ny finoako"

Tsy mety mihitsy io,
ny filazana ny fahamarinana ny tenin'andriamanitra no tokony ataon-tsika.

ahona no ho brainwashed eto ianao? ohatra. Mijoro amin'ny finoanao...:wink:


zina> ka aminao nge ny hoe tenin'andriamanitra no fahamarinana e.
fa raha silamo ohatra io dia hafa ny tenin'andriamaniny sy ny fahamarinany
Raha jiosy io ohatra dia hafa ny tenin'andriamaniny sy fahamarinany
raha dadarabe io dia hafa kao ny tenin'andriamaniny sy ny fahamarinany
Ary samy manao ny azy ho marina aby
--->Io ilay hoe samy manao publicite an'ny finoany.

Raha mijoro @ finoanao ange ianao dia diniho tsara fa ilay finoana ijoroanao iny no naha brainwashed anao e.. ko tsy te hahalala afa ts'iny ko.

raha ohatra hoe mijoro eo @ finoany filalaovana ody ny dadarabe sy ny mpamosavy / mijoro @ tsy finoany an'i jesoa ho zanak'andriamanitra ny Jiosy sy ny silamo sy ny Temoins .... satria izay no nanasana ny atidohany!
----> io ilay samy mijoro @ finoany
14. cutie ( 20/03/2007 18:07)
zina> ka aminao nge ny hoe tenin'andriamanitra no fahamarinana e.
fa raha silamo ohatra io dia hafa ny tenin'andriamaniny sy ny fahamarinany
Raha jiosy io ohatra dia hafa ny tenin'andriamaniny sy fahamarinany
raha dadarabe io dia hafa kao ny tenin'andriamaniny sy ny fahamarinany
Ary samy manao ny azy ho marina aby
--->Io ilay hoe samy manao publicite an'ny finoany.

Raha mijoro @ finoanao ange ianao dia diniho tsara fa ilay finoana ijoroanao iny no naha brainwashed anao e.. ko tsy te hahalala afa ts'iny ko.

raha ohatra hoe mijoro eo @ finoany filalaovana ody ny dadarabe sy ny mpamosavy / mijoro @ tsy finoany an'i jesoa ho zanak'andriamanitra ny Jiosy sy ny silamo sy ny Temoins .... satria izay no nanasana ny atidohany!
----> io ilay samy mijoro @ finoany

namaste foana :lol:
15. Zina ( 20/03/2007 18:54)
routa [ Valio ] 20-03-2007 18:21:17
Lohateny : Re : Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?
ny zavatra tsapako de zao an raha faly aho de miteny Aminy raha malahelo na mijaly na misy olana sarotra eo @ fiainako de miazakazaka aho de avi mitaraina fa tsapako fa misy mandre ny teniko sambatra tsika manana Azy tsyreraka mihaino IZY .

routa a marina mihitsy izany.:-*

Ika:
Ny finoko ananako dia SAFIDY fa tsy brainwash zany... Rehefa te hivadika amin'iny dia afaka mivadika..

Ny anao zany ny finoanao ideologie?
ratsy zany:wink:
16. Vahinala ( 20/03/2007 18:56)
Ny porofo be dia be saingy tsy ary ho voatanisa eto avokoa angamba, ny ahy fotsiny d izao, na amin'ny fiainako andavanandro aza dia efa ahatsapako foana fa tena misy izy; betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina nefa d toa misy valiny hoazy eny foana ilay izy ary tsy tokony hiezaka ny hikaroka be ny olombelona ny mikasika izany satria izay no maha Andriamanitra azy, tsy voazavantsika izany na dia eo aza ny ezaka be ataony mpanao science mba hi défier na azy.
Ny ahy angamba dia ny zavatra lehibe indrindra niseho teo aminy fiainako sady tsy mahamenatra ny miteny azy dia efa saika tsy nanako zanaka; efa imbetsabetsaka aho no bevohoka teo aloha tamlay olona niaraka tamiko taloha, tsy nety foana fa na afajaza hoazy na voatery tsy maintsy alana hany ka na ny dokotera aza dia efa saika afanenina hoe mety tsy hanajanaka intsony aho. Nivavaka mafy foana aho, nitalaho taminy hoe mety tsy maintsy mbola hoavy angamba ny anjarako fa tsy kivy aho. Nony niaraka tam vadiko amzao fotoana anefa aho, tsy nisy zavatra natao tsinotsinona fa tonga hoazy teo ilay izy, izahay aza tena gaga satria za d efa nalahelo mihitsy ary tsy nisy niriako noho izany hiteraka izany. Ka asa izay fanazavana izany fa d izay aloha no fandehany, ny tsapako d tsy nanary ahy Andriamanitra satria fantany fa tena niriako mafy izany zavatra izany.
Za isaky ny mivavaka d izao foana no ambetiteniko hoe ankiniko aminao ny fiainako, tsy hanatahotra aho fa aoka ianao no hitantana ny diako.
Tandremo anefa fa tsy azo iatsarana velatsihy ny fivavahana ka hoe izy milaza fa mandeha miangona isankalahady no tena atao hoe mpivavaka sy mino marina, ankinina am sain'ny rehetra ny fahatsapana izany.
17. ikaretsaka ( 20/03/2007 20:04)

Ika:
Ny finoko ananako dia SAFIDY fa tsy brainwash zany... Rehefa te hivadika amin'iny dia afaka mivadika..

Ny anao zany ny finoanao ideologie?



zina> za tsy makorelina (azafady @ ilay fiteny) ka hoe hivadika atsy de hivadika atsy ka

fa za koa mandinika aloha vao mipataloha... sao ny aoriana no lasa aty aloha! =))
18. fijo ( 20/03/2007 21:16)
ka izahay tsy mino ,ko porofo inona no asehonay eo????
19. xxx ( 20/03/2007 22:14)
ka inn no hidiranao ao @ fivavahana sy finoana rehefa tsy mino???
20. Vahinala ( 20/03/2007 22:44)
fijo a, raha tsy mino ary enao d mba azavao anay hoe inn no antony tsy mampino anao e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0608