Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?

41. niryna ( 22/03/2007 16:56)
eritra:

Misaotra an'i nyrina nankatra ity adihevitra ity satria heveriko fa ny fijoroana vavolombelona dia isan'ny fitoriana ihany koa toy ny nataon'ireo olona nositranin'i Jesoa ao amin'ny Soratra Masina.

Tsy misy fisaorana fa ianao koa aza no hisaorako
Raha ny momba ahy manokana dia efa notezaina t@ finoana kristiana aho fony mbola zaza saingy tsoriko fa fahazarana fotsiny ireny ary na ny Ray aman-dreniko aza dia nanery anay mianadahy avy handeha hivavaka saingy izy ireo t@ izany tsy nanome

Toy izany koa aho efa voalazako fa saingy nandeha irery ary nitety ireny fianakaviana mahantra ireny rehefa mirava ny fiangonana satria moa tany amin'ny tanindrazan'i papanay izahay no niangona

fa isaorako ny Tompo fa efa niova izy ireo amin'izao fotoana izao ( ny tiako ambara dia nivavaka isan'alahady tamimpahazarana izahay fa sady tsy nanana modely hotahafina no tsy nisy mpitarika koa )

Manova ny fiainantsika izy ary efa niteny izy fa na mena toy ny jaky aza ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala raha miaiky ny fahotantsika isika ka miverina mibebaka aminy

Rehefa lehibe ka niakatra teny Ankatso satria ny RAD tsy nipetraka tany Tana dia nipetraka irery teny amin'ny cite ary teny no nahatsapako izany antson'ny Tompo sy ny valim-bavaka omeny satria tsapako fa mafy tokoa ny fiainana teny na lafiny fianarana io na lafiny ara-bola koa saingy rehefa nankinina taminy ireo rehetra ireo dia azoko tsapain-tanana mihitsy ny valimbavaka nomeny ,

Ary eto no tiako hotsindriana amin'ny fijoroantsika kristiana satria ny isan'ny namporisika ahy hiroso bebe kokoa dia ny fahitako ny kristiana resy lahatra tena manana fiainampiadanana azo tarafina ety ivelany ary iverenako ilay lohahevitra nosokafako hoe " isika ihany no antony" satria na io mampandroso ny hafa na isika mampihemotra azy ( sarotra amiko ihany mantsy no hino raha mbola tsy nandray ny Tompo aho hoe tsara ny Jesoa inoanao raha ny fiainanao aza tsdy itarafana izany akory "ambarako tsara hoe ho an'ny mbola tsy mpino hoy aho an sao dia misy miakatra eo indray hoe aza mitsara sns..."

Raha hotantaraina dia lavabe fa ny amintinako azy dia hatrizay nandraisako Azy izay ekeko fa tsy lavorary aho fa tsapako kosa fa misy arofanina aho amin'izay rehetra ataoko ary na misy zavatsarotra lalovako aza dia tsapako aty aoriana rehefa manao jery todika aho fa hay tena fanefena ahy ilay izy mba hitombo sy hihatsara kokoa.

Ankehitriny aho dia misy zavatra sarotra lalovako saingy mangataka vavaka aminareo aho handreseko izany ary matoky aho fa "mihoatra noho ny mpandresy amin'ny alalan'i Jesoa"

Mankasitraka

42. niryna ( 22/03/2007 17:03)
[quote=niryna]
[quote=eritra]

Misaotra an'i nyrina nankatra ity adihevitra ity satria heveriko fa ny fijoroana vavolombelona dia isan'ny fitoriana ihany koa toy ny nataon'ireo olona nositranin'i Jesoa ao amin'ny Soratra Masina.

Tsy misy fisaorana fa ianao koa aza no hisaorako
Raha ny momba ahy manokana dia efa notezaina t@ finoana kristiana aho fony mbola zaza saingy tsoriko fa fahazarana fotsiny ireny ary na ny Ray aman-dreniko aza dia nanery anay mianadahy avy handeha hivavaka saingy izy ireo t@ izany tsy nanome

Toy izany koa aho efa voalazako fa saingy nandeha irery ary nitety ireny fianakaviana mahantra ireny rehefa mirava ny fiangonana satria moa tany amin'ny tanindrazan'i papanay izahay no niangona

fa isaorako ny Tompo fa efa niova izy ireo amin'izao fotoana izao ( ny tiako ambara dia nivavaka isan'alahady tamimpahazarana izahay fa sady tsy nanana modely hotahafina no tsy nisy mpitarika koa )

Manova ny fiainantsika izy ary efa niteny izy fa na mena toy ny jaky aza ny fahotantsika dia ho fotsy toy ny oram-panala raha miaiky ny fahotantsika isika ka miverina mibebaka aminy

Raha hotantaraina dia lavabe fa ny amintinako azy dia hatrizay nandraisako Azy izay ekeko fa tsy lavorary aho fa tsapako kosa fa misy arofanina aho amin'izay rehetra ataoko ary na misy zavatsarotra lalovako aza dia tsapako aty aoriana rehefa manao jery todika aho fa hay tena fanefena ahy ilay izy mba hitombo sy hihatsara kokoa.

Izany mihitsy

Ankehitriny aho dia misy zavatra sarotra lalovako saingy mangataka vavaka aminareo aho handreseko izany ary matoky aho fa "mihoatra noho ny mpandresy amin'ny alalan'i Jesoa"

Mivavaka ho anao aho ary rehefa mivavaka ianao dia aza adino ny miteny hoe enga anie ny sitraponao no ho tanteraka fa tsy ny ahy.^:^

43. niryna ( 23/03/2007 06:20)
Vavolombelona:
Silamo vavy nivadika ho kristiana
Ny vehivavy silamo hoy ity mpitantara dia toa voahozona hanompo ny lehilahy.Tsy nahita izany fitiavana izany ity ramatoa iray ity ka lasa izy nandao ny tokan-tranony rehefa avy nanoroka ireo zanany mianadahy.Nitady asa izy ary hafa ny fahitany ireo olona nampiasa azy.Nisy fianarana baiboly tao am-piasany ary nasain'ity mpampiasa izy,fiantsarambelan-tsihy no nanekeny azy,koa dia nihaino ny fampianarana izy.Teo izy vao nitombo ilay fifaliana tao anatiny izay tsy mba nanany hatrizay.Talohan'ny hiverenany hianatra ny soratra masina dia nivavaka tamin'ilay andriamaniny izy.Alla hoy izy tsofirano aho mba hanaraka an'i Jesosy izay tsy izy.Nandeha niangona izy ary hafa mihitsy hoy izy ilay fandaharana ary ny hira henoko voalohany dia ny amazing grace.Nitomany aho,niantso mafy azy aho,nitady azy aho,niangavy azy aho mba hamonjy ahy Izy.
44. niryna ( 23/03/2007 06:30)
Silamo vavy nivadika kristiana (tohiny)
Indray andro niantso ahy ity lehibenay ary nanidy trano.Mety ho fantany aho fa silamo,loza ny nahazo ahy,aiza indray aho no ahita asa.Izany rehetra izany no nitamberina tao anaty saiko.Niteny tamiko ity lehibeko."EFa reny ny antsonao hoy izy,efa hatry ny fony kely ianao dia efa fantany ny fisianao.Tsia,tsy manadino anao izy.Tsy manary anao izy fa manantona Azy."Tsy tanako intsony ny hafaliako fa hay Jesosy namaly vavaka.Nitomany aho ary dia nandohalika sady niteny ity lehibeko.Ity aho tompo o,vonona ny hanara-dia anao.
45. eritra ( 23/03/2007 10:02)
nyrina :Raha olona mitady vonjy kanefa latsa no omena azy dia vao maika mikomy ny fanahiny.

tena marina ary io matetika io no fahalementsika kristiana rehefa mitory ka manda ilay itoriana satria heverintsika fa isika no miasa fa tsy ny Fanahy Masina ka raha vao manda izy dia "tezitra" isika kanefa amin'izay vao mainka hihamafy fo ilay olona ka tsy hahafantatra ny tena hasarobidin'io famonjena toriantsika io .
Misaotra anreo nitondra am-bavaka fa tena tsapako sahady ny valim-bavaka amin'izao fotoana izao.

Deraina Jesoa
46. niryna ( 23/03/2007 23:18)

Tsy misy fisaorana ka.Ny antony hitenenako izany dia samy nandalo teo daholo isika rehetra,mety hafa ny zavatra nisy kanefa samy nandalo teo.Raha miaraka mihenjana ny tady hono dia miara-tapaka ary ny laferana no mandina dia noho ny fandeferana.Tsy maintsy misy iray mihevitra ny tenany ho diso na dia marina aza ny tenenina.
47. niryna ( 23/03/2007 23:27)
Nisy fanagejana olona tany Haiti ary dia lasan'ny miaramila tany ny zana-drahavavin'ity ramatoa.Efa ho herinandro izy mbola tsy nalefan'ireo olona ireo fa novetavetainy tany.Niantso an-tarobia ny fianakaviany taty izy hilavonjy ambavaka ho an'ilay tovovavy ary dia niara-nivavaka azy daholo ny iray mpira-miangona rehetra.Toy ny voasoratra ao anaty baiboly hoe ho avy io orana io kanefa tsy nino ny rehetra tonga tokony ny herinandro dia avy ny orana noho ny finoan'i Elizia.Noho ny finoan'ireo fianakaviana sy ny valim-bavaka dia navoakan'ny miaramila ilay ankizy ary tsy nokasian-tanany intsony. Nisoatra an'Atra ny ity ramatoa ary nijoro teo ambony alitara nilaza ny vaovao fa nafahan'ny miaramila ilay tovovavy.^:^^:^
48. niryna ( 23/03/2007 23:55)
Hoy aho mantsy Azy....Kanefa tsia no valiny.

-Hoy aho mantsy Azy:Hafao ity fahazaran-dratsiko ity
aho."
*Hoy Izy:"Tsia tsy izaho no hanafaka anao fa ianao
irery ihany."

-Hoy aho mantsy Azy:"Mba tiako ho salama vatana ity
zanako malemy"
*Hoy Izy:"Tsia,ny vatany dia mandalo ihany fa tsy
maharitra,fa ny fanahy feno tsy nisy nanalana no efa
nomeko azy."

-Hoy aho mantsy Azy:"Omeo fifaliana aho."
*Hoy Izy: Tsia,tsy omeko fifaliana fa tso-drano no
omeko mba hifalianao."

-Hoy aho mantsy Azy:" Omeo ahy daholo izay rehetra
tadiaviko."
*Hoy Izy :Tsia tsy omeko anao ireo fa omeko
fiainana(life/vie) ianao."

-Hoy aho mantsy Azy:"Esory amiko ity fijaliako."
*Hoy Izy:"Tsia,ny fijalianao no ahatonga anao hanakaiky ahy .

-Hoy aho mantsy Azy:"Omeo fo aho mba ahafahako mitia
ireo olona manodidina ahy."
*Hoy Izy:"Izany ahay,ENY omeko anao tokoa izany." :P
49. 08051972 ( 24/03/2007 13:41)
ka rah izany zavatra soratanoa izany de tena 1 % @ zavatr'angatahin'@ve hoy iano no mba ataon'A/tra ; ka tsy ho kivy ny tsy mpino?
50. niryna ( 24/03/2007 14:13)
08051972:

ka rah izany zavatra soratanoa izany de tena 1 % @ zavatr'angatahin'@ve hoy iano no mba ataon'A/tra ; ka tsy ho kivy ny tsy mpino?

Mifanohitra aza.Ny antony dia tsy ny fitiavantena no atao hibahana hitadiavana Azy fa ny inoana ilay Andriamanitra velona izay katsahako sy hisaorako noho ny famonjeny ahy.Tsy ny tamby no hitadiavana Azy(raha tena misy tokony ianao,porofoy fa ianao tokony io,angataka ity aho ka omeo dia hino anao aho)
Inona no mahasamihafa ny olona manana an'Atra amin'ny tsy manana.Zavatra iray izay tsy voavidy vola ary tsy takatrin'ny manao ny tenanany ho zavatra dia ny FANANTENANA/HOPE.
IZAY MANANA AN'I KRISTY DIA TSY HO KIVY NY FANAHINY FA NA MAFY AZA NY ZIOGAN'NY FIAINANA DIA MISY RAY MPANARINA,MPIARO,MPANAMPY.^:^^:^
Deraina anie ny Anarany fa mandrakizay ny famindra-pony.Raha tsy miaina sy matoky Azy aho tsy nahafantatra ny famonjena lehibe izay tsy voavidiko.
I(l)Jesus because He first loves me.
Tiako Jesosy satria vao tany ambohoka aho dia efa fantany ny fisiako.Ny lalam-piainako rehetra dia efa voasoratra.Zavatra tokana no angatahiny amiko dia ny fitiavako azy ato am-poko.Love (l)Him in all my heart.
51. diamondra27 ( 08/04/2007 21:48)
http://www.dailymotion.com/related/2741456/video/x143sn_rencontre-avec-dieu/1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.053