Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?
21. soanja
(
21/03/2007 04:20)
niryna:
Maro ny resaka mifanjevo ato mikasika ny misy Atra ,tsy misy Izy.Omeo porofo ny tsy fisiany.Tsy resaka sy fifamaliana fotsiny no tena tanjona eto fa ny hanampy ny namana tsy mahalala na mbola tsy te-hiverina hanantona Azy.Raha ny fiainantsika rehetra tokoa mantsy no ho dinihina dia tsy tongatonga foana toy izao isika raha tsy teo ny fitadiavana azy.Mety tao anaty fahoriana,tsy fahasalamana,aditsaina,very olon-tiana sy akaiky ny tena,famoizam-panahy sns...
Tsy voatery mila porofo izaho na ianao vao mahatsampa ny fahasoavana nomeny ahy na ianao.Afaka kosa isika manome sy mijoro ho vavolombelona ny antony nanantonanao Azy.Mety nanafaka anao tamin'ny fahoriana Izy,fijaliana,nahatsapa ny fitiavany sy ny famelana anao koa ianao,mety ny fahasitranana ny aretina izay tsy sitran'ny olona.
Mba mangataka antsika aho raha azo atao ny hijoro vavolombelona nahatonga anao hifikitra Azy.
(l)niryna
Ity resaka ataon'i Niryna ity no mitondra antsika amin'ny fihevitra filozofika hoe inona Andriamanitra manoloana ny olombelona. Fakafakao!
De samy manome ny heviny eo.
Aza kivy mitady ny valina fa na ry Pluto sy ry Socrates sy ny ambiny dia sahirana vao nahazo ny tsoaky avy. Tsy zava-baovao akory ny ho valiny fa omeo izay fahitanao azy.
22. niryna
(
21/03/2007 06:03)
Vahinala:
Ny porofo be dia be saingy tsy ary ho voatanisa eto avokoa angamba, ny ahy fotsiny d izao, na amin'ny fiainako andavanandro aza dia efa ahatsapako foana fa tena misy izy; betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina nefa d toa misy valiny hoazy eny foana ilay izy ary tsy tokony hiezaka ny hikaroka be ny olombelona ny mikasika izany satria izay no maha Andriamanitra
Vahinala>misaotra anao lehibe aho nitantara ny fiainanao.
Ny filazako izany dia nanamaivana ny enta-mavesatra tato amiko,mino aho fa toy izany koa ianao.
23. niryna
(
21/03/2007 06:09)
fijo:
ka izahay tsy mino ,ko porofo inona no asehonay eo????
fijo > ilay antony nahatonga anao tsy nino azy e,tsy manery aho a.
Toy ireny mpino ireny nahita taratra teo amin'ny fiainana ny fisiany
Nisy eritreritra kely ve ianao taloha nino Azy sa tonga dia tsy nino fotsiny?Nisy zavatra hitanao ve teo amin'ny fiainanao ka nahatonga anao tsy nino azy.Nisy olona ve nanome fanafitohina anao kanefa mpivavaka ka dia nanamafy ny fonao izany.
Na zavatra hafa ,ireo mety mahavaly ilay fanontanianao raha tianao ny hamaly azy.
24. niryna
(
21/03/2007 06:11)
xxx:
ka inn no hidiranao ao @ fivavahana sy finoana rehefa tsy mino???
xxx a aiza kosa e,ny fahalalana ny fivavahana no mety hitarika azy hino indray andro any,tsy mety kosa izany,avelao izy mba hiteny fa tsy tonga dia bokaina e.Asa aloha e.
25. diamondra27
(
21/03/2007 09:42)
* Momba an'Andriamanitra
Ny zavatra tsapako dia tsy miala @ Andriamanitro aho na inona na inona miseho.
Niantso ahy Izy, efa namonjy ahy Izy, ary mbola hiaro ahy ihany koa eny ampandehanana eny raha trotraka aho ary mbola manantena Azy.
Andriamanitra mitàna ny teny fikasany.
Aza adino ireo promesses be de be ao @ baiboly: inoy sy araho fa ho tanteraka aminao tokoa.
Andriamanitra izay inoako tsy mbola namitaka ahy fa teo foana na dia efa nandao Azy aza aho, niandry ahy Izy.
Fa ny olona kosa mety mamitaka anao, eny fa na dia ny olona milaza fa tia anao indrindra aza.
Be dia be ny zava-mahagaga izay nataony tamiko.
* Vavolombelona sy tsy Mpino
Ny nahatonga ahy hino sy hanaraka an'Andriamanitra dia satria:voaantso aho t@ fomba tsotra
misy manko ny tantara hoe: narary aho , na nanana olana aho dia nitodika t@ Andriamanitra.
Ny ahy t@ fahatanorana tsy nanana olana t@iza na t@inona ary namojy itony réunion itony fa invité, dia nisy fangatahana fanoloran-tena tao dia nanolotena aho. Ary niasa ho an'i Tompo .
Sarotra ny dia fa na dia izany aza dia manankina Aminy foana mba tsy ho solafaka.
Izaho dia mino fa misy Andriamanitra ary mamaly vavaka fa tsy araka ny fihevitrao.
Sois patient

26. Vahinala
(
21/03/2007 10:06)
niryna:
Vahinala:
Ny porofo be dia be saingy tsy ary ho voatanisa eto avokoa angamba, ny ahy fotsiny d izao, na amin'ny fiainako andavanandro aza dia efa ahatsapako foana fa tena misy izy; betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina nefa d toa misy valiny hoazy eny foana ilay izy ary tsy tokony hiezaka ny hikaroka be ny olombelona ny mikasika izany satria izay no maha Andriamanitra
Vahinala>misaotra anao lehibe aho nitantara ny fiainanao.
Ny filazako izany dia nanamaivana ny enta-mavesatra tato amiko,mino aho fa toy izany koa ianao.
Tsy misy fisaorana fa ho ahy koa dia fifaliana aza ny mitantara izany amin'ny hafa indrindra mba hisarihana ireo namana izay mbola tsy manana azy ny fijoroana vavolombelona toy izany.
27. routa
(
21/03/2007 11:46)
eny Zina ,zany mihintsy ry diamondra27 matetika mangataka isika de tsy mivaly eo de hoe tsy mamaly vavaka ny Tompo nefa mila faharetana fa ny Azy hafa mihitsy ny heviny .
28. niryna
(
21/03/2007 14:06)
Diamondra>misaotra toy izany koa i routa.Marina izany tsy ho voatery hisy zavatra hanjo antsika vao hanantona azy isika.Afaka manampy ny namana izay mbola misalasala kosa anefa raha sendra tra-pahoriana ny miantso ny anarany.Satria hoy izy izay mitady, mikatsaka Azy dia ahita,izay manokatra ny fony aminy dia ho avy ao Izy ary izay mandona varavarana koa dia misokatra ho azy ny varavarana.
Izaho mbola zaza dia efa niteny ny havana hoe manambitana io mety tsy fantatry ny olona angamba ny tena teny hilazana azy ary izay fanadinana nataoko rehetra dia toa moramora daholo ka tao anaty taona iray aho nanala BAE,BACC,CAE ary niraisina katekomena.Fanadinana tena samy hafa daholo ireo ary mandalo orale,pratique ary fahaizana mampianatra.Kanefa aho tsy nandeha tany am-pianarana.Nataoko koa ny fianarana taty aminay mba hijerevako ny faripahaizako ary dia afaka koa aho kanefa boky sy corsp fotsiny no nataoko fa tsy nandeha tany am-pianarana aho.
Tsy miambo aho sanatria fa tiako ho fantatry ny rehetra tokoa fa "HO AZY,INONA NO TSY HO VITANY?"
Ho antsika rehefa manana finoana sy manankina ny fotsika aminy tokoa isika dia taritiny amin'ny lalana izay hitiavany antsika ary dia ny fisaorana azy tsy tapaka,ny fiderana ny anarany andro aman'alina ary ny hanampiana ny hafa izay mbola tsy mahalala azy sy ireo mila vonjy ara-panahy no tena tanjoko hatramin'izao miampy ny zavatra maro hafa.^:^

29. niryna
(
21/03/2007 14:09)
xxx:
ka inn no hidiranao ao @ fivavahana sy finoana rehefa tsy mino???
Miandry an'i xxx :roll: mba hijoro vavolombelona ny fahasoavana nomeny anao!
30. Zina
(
21/03/2007 16:33)
routa [ Valio ] 21-03-2007 12:46:19
Lohateny : Re : Vavolombelona/tsy mpino/Andriamanitra?
eny Zina ,zany mihintsy ry diamondra27 matetika mangataka isika de tsy mivaly eo de hoe tsy mamaly vavaka ny Tompo nefa mila faharetana fa ny Azy hafa mihitsy ny heviny
:-*
31. Zina
(
21/03/2007 16:41)
Ika a oy ianao oe:
zina> za tsy makorelina (azafady @ ilay fiteny) ka hoe hivadika atsy de hivadika atsy ka
fa za koa mandinika aloha vao mipataloha... sao ny aoriana no lasa aty aloha!
mba hafa mihitsy zany example alainao zany.. akory atao
Ny finoko ananako dia SAFIDY fa tsy brainwash zany... Rehefa te hivadika amin'iny dia afaka mivadika..
Satria izaho nomen'andriamanitra safidy na hanaraka azy na tsy hanaraka azy ... ary raha ohatra ny finoaka mbola itako fa tsy mbola ao @ ilay tena izy (ilay hangatahin'Andriamanitra ahy mba ho izy) dia mbola manova aho ary mbola mitady..
32. boubounezy
(
21/03/2007 20:12)
aza mamaly ratsy ny ratsy, mazoto manampy oull f'aza mangataka zavatra hafa en retour, za miezaka fona mba anao tsara oul ary efa toetrako ary itako mintsy fa misy Andrémanitra fa Izy no mamaly sou anao refa vy eo, ny oull nanao ratsy anao tsy maintsy nisy loza nahazo azy nefa enao nanao tsara fasoavanéibé no azo avy @ Jésosy:}
33. Vahinala
(
21/03/2007 22:28)
Ny olana koa ange ry reto dia izao e, misy marina tokoa ny olona raha tsy misy zavatra manjo azy tsy mahatsiaro an'Andriamanitra, mandeha tsara ny fiainany d "la vie est belle" fa sendra fahoriana tampoka na ara pitiavana io na fahafatesana na rehefa mety olana samy hafa dia injay fa mitodika amin'Andriamanitra. Dia ny maha lasa saina ahy d hoe, mety ataon'Andriamnitra fanahy inina ve hoe ataony misy zavatra mitranga amin'ny fiainan'ilay olona mba hitodihany aminazy ? Tena tsy haiko.
34. fijo
(
22/03/2007 00:00)
niryna an,efa imbetsaka no nolazaiko teto ny antony tsy ninoako.
ny isany ohatra dia ny toetra asehon'ny kristianina.
ny tsy mbola nahitako izany antra izany.
ny tsy fahitako izay valin'ny zavatra mba angatahana aminy.
betsaka fa dia tsy hafaka hino mihintsy aho.

35. Vahinala
(
22/03/2007 10:40)
fijo:
niryna an,efa imbetsaka no nolazaiko teto ny antony tsy ninoako.
ny isany ohatra dia ny toetra asehon'ny kristianina.
ny tsy mbola nahitako izany antra izany.
ny tsy fahitako izay valin'ny zavatra mba angatahana aminy.
betsaka fa dia tsy hafaka hino mihintsy aho.
fijo a, za manao otranao zany mintsy saingy zao, tsy ny kristianina sasany anie no hivavahanao sy hinoanao e, au contraire aza ireny mihitsy no hakana lesona mba tsy hanaovana toetra toy ny azy.
36. eritra
(
22/03/2007 11:27)
Misaotra an'i nyrina nankatra ity adihevitra ity satria heveriko fa ny fijoroana vavolombelona dia isan'ny fitoriana ihany koa toy ny nataon'ireo olona nositranin'i Jesoa ao amin'ny Soratra Masina.
Raha ny momba ahy manokana dia efa notezaina t@ finoana kristiana aho fony mbola zaza saingy tsoriko fa fahazarana fotsiny ireny ary na ny Ray aman-dreniko aza dia nanery anay mianadahy avy handeha hivavaka saingy izy ireo t@ izany tsy nanome modely anay akory satria izy aza tsy nandeha nivavaka , mpisotro toaka , mpamono vady t@ izany fa isaorako ny Tompo fa efa niova izy ireo amin'izao fotoana izao ( ny tiako ambara dia nivavaka isan'alahady tamimpahazarana izahay fa sady tsy nanana modely hotahafina no tsy nisy mpitarika koa )
Rehefa lehibe ka niakatra teny Ankatso satria ny RAD tsy nipetraka tany Tana dia nipetraka irery teny amin'ny cite ary teny no nahatsapako izany antson'ny Tompo sy ny valim-bavaka omeny satria tsapako fa mafy tokoa ny fiainana teny na lafiny fianarana io na lafiny ara-bola koa saingy rehefa nankinina taminy ireo rehetra ireo dia azoko tsapain-tanana mihitsy ny valimbavaka nomeny ,
Ary eto no tiako hotsindriana amin'ny fijoroantsika kristiana satria ny isan'ny namporisika ahy hiroso bebe kokoa dia ny fahitako ny kristiana resy lahatra tena manana fiainampiadanana azo tarafina ety ivelany ary iverenako ilay lohahevitra nosokafako hoe " isika ihany no antony" satria na io mampandroso ny hafa na isika mampihemotra azy ( sarotra amiko ihany mantsy no hino raha mbola tsy nandray ny Tompo aho hoe tsara ny Jesoa inoanao raha ny fiainanao aza tsdy itarafana izany akory "ambarako tsara hoe ho an'ny mbola tsy mpino hoy aho an sao dia misy miakatra eo indray hoe aza mitsara sns..."
Raha hotantaraina dia lavabe fa ny amintinako azy dia hatrizay nandraisako Azy izay ekeko fa tsy lavorary aho fa tsapako kosa fa misy arofanina aho amin'izay rehetra ataoko ary na misy zavatsarotra lalovako aza dia tsapako aty aoriana rehefa manao jery todika aho fa hay tena fanefena ahy ilay izy mba hitombo sy hihatsara kokoa.
Ankehitriny aho dia misy zavatra sarotra lalovako saingy mangataka vavaka aminareo aho handreseko izany ary matoky aho fa "mihoatra noho ny mpandresy amin'ny alalan'i Jesoa"
Mankasitraka

37. Zina
(
22/03/2007 15:10)
oy i eritra,

latsaka ny ranomasoko namaky ny temoignage-nao... Ary ianao anefa dia tsy nanodina ny fonao an'i Jesosy na dia teo ary ny olana t@ RAD-nao... nanana fototrin'ny finoana ianao ary faly aho fa notizanao ilay izy...Mahereza tokoa moa izany ary hivavaka manokana ho anao aho dia ireo hafa koa tsy ho hadinoana mihitsy...
Tazomy ny finoanao an'i Jesosy tsisy afa tsy izy ihany no azon-tsika ihankinana:-*
38. niryna
(
22/03/2007 16:31)
boubounezy:
aza mamaly ratsy ny ratsy, mazoto manampy oull f'aza mangataka zavatra hafa en retour, za miezaka fona mba anao tsara oul ary efa toetrako ary itako mintsy fa misy Andrémanitra fa Izy no mamaly sou anao refa vy eo, ny oull nanao ratsy anao tsy maintsy nisy loza nahazo azy nefa enao nanao tsara fasoavanéibé no azo avy @ Jésosy:}
=D=D
39. niryna
(
22/03/2007 16:43)
fijo:
niryna an,efa imbetsaka no nolazaiko teto ny antony tsy ninoako.
ny isany ohatra dia ny toetra asehon'ny kristianina.
ny tsy mbola nahitako izany antra izany.
ny tsy fahitako izay valin'ny zavatra mba angatahana aminy.
betsaka fa dia tsy hafaka hino mihintsy aho.
fijo>misaotra anao koa aho nijoro ny hevinao.Fantatro fa mahafantatra ny fisiany ianao matoa nangataka taminy.Izay dia zava-dehibe azo lazaina fa nijoro ho vavolombelona koa ianao.
Tsy voatery hamaly antsika araka ny tiantsika izy fijo a. Katsaho ny fanjakan'ny lanitra hoy ny teny ao amin'ny baiboly fa hanampy anao izao rehetra izao.Toy ny rehetra izay nitady azy rehefa nametraka Azy ho ambony noho ny zavatra rehetra izy dia nivoha ho azy ny varavarana.Normal io feeling-nao io fa aza kivy.Matoa koa ianao mbola mandany andro ato dia mbola mikatsaka azy koa.
Nino ianao saingy tsy namaly anao izy dia lasa nanontany tena ianao hoe raha tena misy tokoa "ialahy mivoaha tao fa miandry aho."Miala tsiny fa izay ilay heviny amin'ny mahaolona antsika.
Mivavako ho anao mandrakariva aho ary aza kivy na manary fanantenana fa matoa ianao mbola mijoro manohitra ny tsy mety ataon'ny kristiana sasany ato dia mijoro manampy ny olona hitsara ny tenany hoe mety tokoa ve izany teneniko sy ataoko izany.Ianao izany ato dia anisany mijoro vavolombelona ho AZY amin'ny fanitsiana ny hafa sy ho an'ny olona izay tsy manana faharetana mangataka ka tsy mahazo.Avereno ny teniko raha tsy mety a
niryna
40. niryna
(
22/03/2007 16:47)
Vahinala:
fijo:
niryna an,efa imbetsaka no nolazaiko teto ny antony tsy ninoako.
ny isany ohatra dia ny toetra asehon'ny kristianina.
ny tsy mbola nahitako izany antra izany.
ny tsy fahitako izay valin'ny zavatra mba angatahana aminy.
betsaka fa dia tsy hafaka hino mihintsy aho.
fijo a, za manao otranao zany mintsy saingy zao, tsy ny kristianina sasany anie no hivavahanao sy hinoanao e, au contraire aza ireny mihitsy no hakana lesona mba tsy hanaovana toetra toy ny azy.
=D=D=DMisaotra anao nanome hery an'i fijo.Tena amin'ny foko tanteraka mihitsy no hilazako fa mila an'Atra i fijo ary tena mitady fanantenana antsika izy koa lelafiko ny faladianareo omeo hery izy.Ny fitiavana ihany no mamonjy ny fitiavana.Raha olona mitady vonjy kanefa latsa no omena azy dia vao maika mikomy ny fanahiny.
FITIAVANA ZARAINA NY NAMANA REHETRA NA MPINO NA TSY MPINO NO AHALALANA FA MPIANAN'I JESOSY ISIKA"