Jehovah iray ihany! Nahoana no misy karazam-pivavahana?

1. tsiafoi1 ( 18/03/2007 10:56)
Efa nosainintsika ve, Nahoana no misy karazam-pivavahana, indrindra ho an'ny kristianisme, nefa Andriamanitra iray ihany ?
novalian'i lapino ny 23/03/2007 17:11
2. Fiffi ( 18/03/2007 11:41)
Andriamanitra de iray ary tokana marina....Izy irery hiany no hivavahana saingy azo lazaina ve hoe haingitraingitrin'ny olona no nampisy ny fizarazarana ?
3. Rasiligaoma ( 18/03/2007 11:50)
resaka dogme io ka
dia ity nataon'i Ikar karazana fanoharana ity no antony

ikaretsaka:
Ohatran'ny baolina ihany io: (ataoko fanoharana tsotsotra)

raha boribory ny baolina no fahalalanao azy sy mahavantana anao sy hoe izao aby no lalana azo/tsy azo atao (pozin'ny terrain ) hatrizay

dia nisy olona tonga tampoka taty afara dia nanova ilay baolina ho lavalava dia nanala sy nanitsy ny lalana azo sy tsy azo atao indray. dia avy amin'io indray nisy olona hafa nanangeza ny nanakely ny habean'ny baolina dia nanamboatra ny lalanany...

Dia avy eo indray misy miteny hoe sssss samy baolina io rangahy, samy terrain 1 ihany, samy kilalao ihany, mitovy ny zavatra atao rehefa dinihina sns... fa andao atambatra a.

fa izao anefa ny olana:
dia ny paozin'ny baolin'iza no atao? dia ny lalanan'iza? dia ny terrain an'iza?

dia ny hahatsotra azy indrindra dia hoe ... "Hafa ihany ilay voalohany"

eritrereto @ izay ny fanoharana fa tahaka izay io!
4. Fiffi ( 18/03/2007 12:10)
azo lazaina hoe marim-pototra hiany le nolazain'i ikaretsaka raha izany ...
5. Vahinala ( 18/03/2007 14:08)
Andriamanitra iray ihany fa ny olombelona no manovanova le finoana araka izay mahamety ny tenany. Samy mandray ny soratra masina araka izay itiavany azy fa tsy tena mandinika tsara akory.
6. soanja ( 18/03/2007 14:24)
Vahinala:

Andriamanitra iray ihany fa ny olombelona no manovanova le finoana araka izay mahamety ny tenany. Samy mandray ny soratra masina araka izay itiavany azy fa tsy tena mandinika tsara akory.


Ny olantsika mantsy no hitako dia mandray izay atolotry ny hafa noheveriny fa heviny sy Andriamaniny.
Fa raha toa ka mifandray amin'ny ao anatinao ianao dia ho hitanao fa tsy hanompo afa tsy Andriamanitra IRAY ianao satria ny asan'ny Fanahy ao anaty no manome valiny ny zavatra hita ety ivelany momba ny tenin'Andriamanitra mba hoentinao hanompo Azy indray. Io Fanahy IRAY io no hampiombona antsika.
Ialao lavitra ny Dogma fa tsy mampitambatra sy mampiray antsika ao amin'i Tompo.



7. pissoa ( 18/03/2007 16:11)
Satria tsy mitovy isika olombelona ! :-D:-D:-D

Tsy mitovy ny fahitantsika olombelona ny zavatra iray ! na samy Kristianina aza, tsy mitovy ny fomba fahitantsika an'Andriamanitra na dia IRAY aza Izy. Tsy mahasarona tanteraka an'Andriamanitra rahateo ny fijerin'ny olombelona, dia teraka eo ny fahasamihafana ! Tsy mitovy ny inoantsika mikasika Azy, tsy fomba hanarahantsika Azy, tsy mitovy ny fahazahoantsika ny teniny, tsy mitovy ny fomba hitoriantsika Azy, ... Tsy mila dogme akory tsika dia efa tsy mitovy.

Ny tokony katsahina, raha ny hevitro, dia ny hivelaran'ny mahaKristianina ny tsirairay, fa tsy ny hanafoana ny Fiangonana Kristianina betsaka.
8. Vahinala ( 18/03/2007 17:05)
Amiko dia tsotra fotsiny, io baiboly io iray ihany, mitovy daholo ny ao anatiny na protestant io na katolika io afatsy ny coran anga tsy aiko aloha fa za mbola tsy namaky coran. Ny olombelona izay mamaky azy io no mandika am heviny maha mety ny tenany avy ka raha tsy mety am saiko intsony ny hevitry ny ato am fivavahana misy ahy dia lasa aho manangana finoana vaovao mifanaraka amzay itiavako azy. D'où les sectes be dia be !
Manambotra izay finona mahamety mety azy daholo izay te hamorona.
9. Fiffi ( 18/03/2007 17:40)
ka na hanangana finoana vao2 aza ange le olona de mbola @ Andriamanitra hiany no hivavahana eh ! fa nga moh afaka miala @ Andriamanitra Tokana sy Iray hiany na ho aiza na ho aiza ?
10. ikaretsaka ( 18/03/2007 19:04)
Amiko dia tsotra fotsiny, io baiboly io iray ihany, mitovy daholo ny ao anatiny na protestant io na katolika


samihafa ny baiboly protestantsy katolika ka ny karolika 46 ny boky moa ny protestany 37
11. booboo ( 18/03/2007 19:15)
mbaka ny raha voiziny koa ve ? aizaaaaaaaaa
12. Fiffi ( 18/03/2007 20:25)
ikaretsaka:
samihafa ny baiboly protestantsy katolika ka ny karolika 46 ny boky moa ny protestany 37
hay samihafa ireo ? heu....nefa Andriamanitra de Tokana ary iray hiany no hivavahana....


13. Veloo ( 18/03/2007 20:53)
tsiafoi1 [ Valio ] 18-03-2007 11:56:23
Lohateny : Jehovah iray ihany! Nahoana no misy karazam-pivavahana?
Efa nosainintsika ve, Nahoana no misy karazam-pivavahana, indrindra ho an'ny kristianisme, nefa Andriamanitra iray ihany


Tena tsotra be valinteny ary tokony ataon-tsika ao an-tsaina tsara manomboka androany.

Ny devoly dia midaty ny tsy hifandraray tanteraka an-dra-olombelona amin'Andriamanitra, manana fialonana be izy ary ny tadiaviny dia ny tsy ho voavonjy daholo ny olona rehetra. Ka izany no maha betsaka karazana fiangonana, finoana etc... MBA HO CONFUS NY OLOMBELONA ary tsy Halala ny tena fahamarinana.
ANTSIKA TSIRAYRAY NO mangataka ny Fanahin'Amdriamanitra mba tsy ho voahodina aminy fanelingelenina izay ataony SATANA.
Amen.:wink:
14. cutie ( 18/03/2007 20:58)
veloo hum hum
mampa be fa tsy tafa le prog-tsika :cry: ( HS kely hihihi )
15. Vahinala ( 18/03/2007 22:57)
ikaretsaka:

Amiko dia tsotra fotsiny, io baiboly io iray ihany, mitovy daholo ny ao anatiny na protestant io na katolika


samihafa ny baiboly protestantsy katolika ka ny karolika 46 ny boky moa ny protestany 37



Ny isany boky no samy hafa fa ny hevitra tiana ambaran'ny soratra masina ao anatiny dia mitovy ihany, ary Andriamanitra dia iray ihany na hiova finoana hakatsy sy hakary eo aza ny olombelona mitady izay mahasoasoa azy. Izay aloha no hevitro an.
16. ikaretsaka ( 18/03/2007 23:46)
Vahinala:
Ny isany boky no samy hafa fa ny hevitra tiana ambaran'ny soratra masina ao anatiny dia mitovy ihany, ary Andriamanitra dia iray ihany na hiova finoana hakatsy sy hakary eo aza ny olombelona mitady izay mahasoasoa azy. Izay aloha no hevitro an.


Ny fomba famaky/fijery/fandinihana/fi interpretena azy koa samihafa...
hatrany mihitsy no jerena aloha ka..
fa tsy vitan'ny hoe jehova 1 ihany..

jereo ilay fanoharana resaka baolina io ambony io
17. niryna ( 19/03/2007 05:18)
Vahinala:

Andriamanitra iray ihany fa ny olombelona no manovanova le finoana araka izay mahamety ny tenany. Samy mandray ny soratra masina araka izay itiavany azy fa tsy tena mandinika tsara akory.

Vahinala>Manohina ny teninao koa aho.Ary indrindra amin'ny mahaolombelona antsika dia misy maka izay tiany sy mifanentana ny fiainany ary izay tsy tiany dia hanasorany na hamavainy,ilay izy ary iny zavatra iray iny no hamafisiny sy hoentiny mandresy lahatra ny hafa.Ary rehefa voatarika ny olona fa toa marina ilay izy eo no mandeha miangona amin'ilay mifanandrify ny mahamety azy,misy mamaky baiboly indray anefa ka nojerevany fa tsy mifanandrify ny tena ao anaty baiboly ilay izy dia miforona ny fitsipahana iny hevitra iny ary dia toy izany hatrany,mamorona finoana vaovao hatrany.Manjary mamorona baiboly hafa izany ny olona ary izay eritreretany fa mety aminy sy mifandraika ihany no tiany.Arakaraky ny taona nihainana ihany koa io satria raha ny baiboly voasoratra tamin'ny hebreo no jerena ka nadika teny hafa ny baiboly King James ohatra dia tsy iny anaty baiboly iny mihitsy no nalaina tahaka fa natao somary tsotra sy mazava ho an'ny olona ka mora mandray ny mpamaky azy.Dia teo amin'ny fanomezana ny dikan-teny no nanova ny mpanoratra ary dia nitohy hatrany hatrany ka farany samy manana ny azy na dia hoe Andriamanitra iray ihany aza no tena votoatin'ny baiboly.Ny fiandohana sy ny fiafaran'ny fiainana ary ny fisian'i Jesosy kristy izay hita ao amin'ny TT ary mbola mitohy ao amin'ny TV.
Fehiny:Henoy izay torony ary raha mivoana fa tsy mitory ny filazan-tsara dia anjaranao no mahafantatra hoe tena mitory an'i Kristy ve ity,tena Andriamanitra velona ve izany resahiny izany.Ohatra Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena.Raha misy manampy ka milaza fa tsy finoana fotsiny fa ny asa ihany koa dia mivoana izay ilay izy.Hafa ny hoe finoana tsy arahana asa namany maty a.Mahereza

18. prime ( 19/03/2007 08:11)
vahinala:
Ny isany boky no samy hafa fa ny hevitra tiana ambaran'ny soratra masina ao anatiny dia mitovy ihany, ary Andriamanitra dia iray ihany na hiova finoana hakatsy sy hakary eo aza ny olombelona mitady izay mahasoasoa azy. Izay aloha no hevitro an.
... Izany mihitsy no izy, ny isan'ny boky no samihafa... ny ambarany dia iray ihany fa tsy hoe izay boky matevitevina na izay manifinify dia samy hafa ny lazainy... Izany indrindra no nahatonga ny Fikambanana Mampiely Baiboly nanao dika mitovy ho an'ny rehetra ho baiboly diem...
ikaretsaka:
Ny fomba famaky/fijery/fandinihana/fi interpretena azy koa samihafa...
hatrany mihitsy no jerena aloha ka..
fa tsy vitan'ny hoe jehova 1 ihany..

jereo ilay fanoharana resaka baolina io ambony io
...:-D:-D:-D ...Tsy tena mahalaza azy mihitsy r'ise io resaka baolina io a... Tsara lavitra ny miverina mihitsy amin'ny tantara raha izay no tian'ise itondràna ny adihevitra hoe inona ilay fahasamihafàna... tsy resaka "interprétations" fotsiny loatra fa ilay ambaratonga mihitsy nahatonga ny voasoratra iray ho lasa dogma iray no tsara fotorina...

Tsy ilay baolina boribory voalohany no tena baolina raha izay no tianao ahatongavana fa ilay baolina voalazan'ny soratra masina...:-D:-D
19. rush ( 19/03/2007 10:10)
dia hi :-D:-D fotsiny izany ve ilay baolina?
20. Vahinala ( 19/03/2007 10:15)
niryna sy prime > Zay ndrindra mantsy hoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0693