Batisa.

1. Fiffi ( 14/03/2007 16:09)
Nahalasa ny heritreritro ireto fanontaniana hitako ireto :

1. Afaka ho vonjena ve isika raha tsisy ny batisa?

2. Midika inona ny “batisa”?

a) Fianianana?
b) Fafy rano?
c) Finoana?
d) Fidinana, fisitrihana tanteraka anaty rano?

3. Araka ny Romana 6:3-5 inona no tranga ho lazaina amin’ny batisa?

4. Rahoviana isika no tokony atao batisa?

a) Raha mbola zaza kely?
b) Rehefa liana amin’ny Baiboly?
c) Rehefa te-hiditra amin’ny fiangonana iray?

5. Ao amin’ny inona isika no atao batisa?

a) Ao amin’ny fiangonana manao batisa antsika
b) Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
c) Ao amin’i Kristy d) Ao amin’ny Fanahy Masina

6. Inona no mitranga avy hatrany raha vao vita batisa?
a) Tonga taranak’i Abarahama?
b) Tsy afaka manota intsony?
c) Voavonjy mandrakizay?
d) Voavela ny fahotantsika

7. Ny batisa ihany ve no afaka mahavonjy antsika?

8. Mahazo ny fanomezam-pahasoana mahagaga avy amin’ny Fanahy Masina ve isika aorian’ny batisa?
novalian'i niryna ny 22/03/2007 16:27
2. rakaroka ( 14/03/2007 16:30)
Toa manana hevitra isan-karazany anie ny batisa izany:hono
misy ny fanoran-jaza ho an'Atra!
misy ny natao ho am fibebahana!
sns...
Ny tena fiantraikany aloha dé tsy haiko tsara: resa-finoana fa ny tsaroako dia ny fampatsiahivan'ireo mpitarika hoe maro ny RAD manao batisa ny zanany anefa tsy mitondra azy mianatra "sekoly alahady akory avy eo!:roll::roll::lol:8O
3. Fiffi ( 14/03/2007 17:33)
rakaroka:

maro ny RAD manao batisa ny zanany anefa tsy mitondra azy mianatra "sekoly alahady akory avy eo!:roll::roll::lol:8O
io kosa aloha de tena misy an ! heu....tsy ny gasy aloha no tiako lazaina eto fa aty @ misy anaha aty an ! manao ny préparation an'le batisa de manaiky hoe hanara-maso ny zaza raha any aoriana any ny dihan'i Jesoa...saingy asa re fa toa hadino io hoe nanomé fahatokisana io de tsy voaharaka intsony ny fianam-pinoana an'le zaza avy eo.....


4. ikaretsaka ( 14/03/2007 18:09)
fiffi> ko ny azy aza ange matetika tsy asiany fivakiana loha de eo le zaza
5. fijo ( 14/03/2007 23:38)
araka ny fantatro,dia toa natao io "batisa "io koa ny tenako,fa dia tsoriko eto,fa tsy nisy zavatra tsaroako,ary tsy misy dikany amiko le izy
6. Fiffi ( 15/03/2007 06:56)
ka rehefa mbola zazakely no hatao le batisa de tsy misy fantany kah !
Ny ankizy raha tsy natao batisa fony mbola zazakely de rehefa en cm2 heu....10-11 taona iny no hanaovana azy..... ny hitako aty amiko aty io an !
7. rakaroka ( 15/03/2007 07:12)
Na tsy fantatra aza ny dikany marina hoe
"cela fait partie de l'existence":-D:-D. Nahafinaritra
aloha ny "ambiance" sady tiako lé hira fanaovana "batisa" izay hoe "Nitondra ny zaza ny reny tao salema..." na "zazakely entina , mba hatao batisa izao..." dia mbô miakanjo tsara ny "zaza",
miakanjo tsara koa ny mpianankavy dia nanao "fety"e:lol::lol::lol::-D:-D
8. niryna ( 15/03/2007 07:38)
Ny fanaovana batisa dia endrika iray hilazana ny fanarahana an'i Kristy,izy koa aza dia natao batisa raha tsy nety nanao azy Jaona mpanao batisa satria nilaza izy fa tsy mendrika ny hanao izany.
Ny zazakely rehetra dia miakatra any an-danitra daholo rehefa maty ,fomba ny rar fotsiny no nanaovana batisa azy fony kely.
Rehefa lehibe ianao dia zonao no mahalala ny fitiavanao an'i kristy ka ianao tsy noteren'iza na iza no nanolontena ny tompo ary dia natao batisa ianao.Ao anaty baiboly io fanaovana batisa ao anaty rano io.Izay mino sy atao batisa hoy izy no ho vonjena.
Ny tena dikan'ny batisa izany eo amin'ny fanoloranao ny tenanao dia toy ilay rano jordana mihitsy,olom-baovao no dikany,voafafa ny helokao rehetra ary lasa olombaovao ianao.
Olom-baovao na born again no filaza azy:ireo olona izay manaraka an'i Kristy dia izy irery ihany.Manaiky azy ho mpanavotra azy.
Noho ny fahasoavan'Atra no namonjeny antsika hoy izy.
Efe 2:8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana,ary tsy avy aminareo izany,fa fanomezana avy amin'Atra,tsy avy amin'ny asa fandrao hisy hirehareha..
Izay ota rehetra taloha izany dia ho voafafa ary olombaovao indray isika.Na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala kosa raha manaiky sy miaiky ny fahadisoantanao ianao
Jaona 1:9Raha miaiky ny fahotantsika isika,dia mahatoky sy marina izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
Fahasoavana izany no mahatonga antsika ho voavonjy,fanaovana batisa izany tsy famonjena fa fanovana ny tenan-tsika ho olombaovao,ka iny rano iny no nanasana ny fahotan-tsika.
Izay no fahafantarako azy.
Inona no mitranga raha vao vita batisa isika
dia ny hoe raha manana finoana isika aorian'io batisa io fa tena nanolotra ny tenantsika ho azy,omena azy daholo ny olana,ny fiainana ny ho avy ,ny rehetra dia lasa zanak'Atra isika ary izay fahotana taloha dia ho sasany ka tsy hisy intsony raha mibebaka aminy isika.




9. niryna ( 15/03/2007 08:02)
Izay mino azy no hovonjena hoy izy,tsy misy afaka mamonjy ahy na ianao izany raha tsy Jesosy irery ihany.
Hoy izy Rom 10:9 Raha manaiky an'i jesosy tompo eo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Atra efa nanangana azy tamin'ny maty dia hovonjena ianao.
Koa ny fanaovana batisa izany dia endrika iray anarahana azy, ary hilazana fa izy no hitokisana sy mpanavotra ahy sy ianao.
Ny fiandohan'ny fiainambaovao ao aminao amin'ny fiarahana aminy, miampy ny mivavaka, mankalaza sy midera ny anarany any am-piangonana,manompo azy miaraka ireo namana kristiana hafa izay mitory an'i kristy.
Misy ny batisan'ny fahahy masina izay ny nomen'Atra hiaraka amintsika mandrakariva.Andeha aho hoy izy hanamboatra fitoerana ho anareo fa hiresaka ny raiko aho andefa anareo ny fanahy masina hiaraka aminareo mdrakariva.Io no miaraka amintsika isan'andro miaraka ny anjely maro manodidina antsika,manazava amintsika ny baiboly ary izany no mahatonga ny fiteny hoe mangataha ny fanahy masina hanome hery ahy sy ianao ahalala ny mysitery ao anaty baiboly,io no manome hery sy miaro antsika.
Ka zavatra nataon'ny tompo antsika dia maro sy mihoatra izany no ataontsika.
Toy paoly nilatsahan'ny fanahy masina ary nanavotra olom-bery ho 300 isa izy.Koa rehefa lasa zanak'Atra izany isika dia omeny hery hanasitra ny marary,miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, handroaka ny demonia,ahita fahitana,ary omeny nofy ihany koa.Ireo dia fahasoavana nomeny ho an'ny olona rehetra izay mino azy fa tsy mitovy ilay fahasoavana nomeny ny pasitera na monpera na ny diakona sy ny mpiandry a.
Ankehitriny dia efa mihely erak'izao tontolo izao ny baiboly,na ny internet ihany aza dia efa mamoaka sy mampiely ny baiboly ary izay no antony iray mety nahatonga an'i Kristy nanambara fa mihoatra ny nataony no ataontsika raha mino aza tanteraka isika.
Mahereza daholo ary, samy mizara izay fahasoavana nomeny antsika tsirairay avy8)
10. prime ( 15/03/2007 09:02)
niryna:
Ny zazakely rehetra dia miakatra any an-danitra daholo rehefa maty ,fomba ny rar fotsiny no nanaovana batisa azy fony kely.
... Tsy azoko... aiza ho aiza ny "textes" miteny an'izany raha tsy mahadiso?:lol:
11. Mandefitra ( 15/03/2007 11:56)
Hoy i niryna:
Ny zazakely rehetra dia miakatra any an-danitra daholo rehefa maty ,fomba ny rar fotsiny no nanaovana batisa azy fony kely.

De h@ firy taona ny zaza na ny ankizy no miakatra any andanitra refa maty?
12. ari.malala ( 15/03/2007 15:05)
Fiffi:

Nahalasa ny heritreritro ireto fanontaniana hitako ireto :

1. Afaka ho vonjena ve isika raha tsisy ny batisa?


Misy teny any hoe "izay mino ka hatao batemy no hovoavonjy"

Fiffi:

2. Midika inona ny “batisa”?

a) Fianianana?
b) Fafy rano?
c) Finoana?
d) Fidinana, fisitrihana tanteraka anaty rano?


Ny Batemy dia sakramenta, mahatonga zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy, irosoana ho kristianina ary nanasàna antsika t@ fahotana t@ fototra.

Fiffi:

3. Araka ny Romana 6:3-5 inona no tranga ho lazaina amin’ny batisa?

4. Rahoviana isika no tokony atao batisa?

a) Raha mbola zaza kely?
b) Rehefa liana amin’ny Baiboly?
c) Rehefa te-hiditra amin’ny fiangonana iray?


Tsy tadidiko ny voalaza ao anatin'io tantara io ry Fiffi, fa raha tsy diso za de le tantaran'dry Kornely mianakavy io, ka tao dia sure fa nisy zazakely noho izany afaka atao Batemy na mbola zazakely aza.


Fiffi:
5. Ao amin’ny inona isika no atao batisa?

a) Ao amin’ny fiangonana manao batisa antsika
b) Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra
c) Ao amin’i Kristy d) Ao amin’ny Fanahy Masina


"Mandehana ianareo @ izao tontolo izao, mitoria ny evanjely @ voahary rehetra, manaoova Batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina."


Fiffi:
6. Inona no mitranga avy hatrany raha vao vita batisa?
a) Tonga taranak’i Abarahama?
b) Tsy afaka manota intsony?
c) Voavonjy mandrakizay?
d) Voavela ny fahotantsika


Tonga zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy ary voasasa @ fahotana t@ fototra, tonga Kristianina.

Fiffi:
7. Ny batisa ihany ve no afaka mahavonjy antsika?


Ny Batemy sy ny finoana an'i Kristy ka!

Fiffi:

8. Mahazo ny fanomezam-pahasoana mahagaga avy amin’ny Fanahy Masina ve isika aorian’ny batisa?


tsy azoko aky io tiandry hanotnaniana io Fiffi!


13. ikaretsaka ( 15/03/2007 15:44)
ari> mba azavaina ilay "fahotana t@ fototra" azafady fa sao misy hevitra tsy mitovy indray
14. niryna ( 15/03/2007 17:45)
niryna:

Izay mino azy no hovonjena hoy izy,tsy misy afaka mamonjy ahy na ianao izany raha tsy Jesosy irery ihany.
Hoy izy Rom 10:9 Raha manaiky an'i jesosy tompo eo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Atra efa nanangana azy tamin'ny maty dia hovonjena ianao.

Ny finoana izany no mahavonjy antsika fa tsy ny fanaovana batisa.
[quoteKoa ny fanaovana batisa izany dia endrika iray anarahana azy, ary hilazana fa izy no hitokisana sy mpanavotra ahy sy ianao.

Ny batisa dia endrika hanadiovana ny fahotana rehetra ary izany no mahatonga ny fiangonana sasany nanaraka ilay manao batisa miroboka ao anaty rano ary dia madio ny fahotana rehetra.Averiko indray ny fanaovana batisa dia tsy ahavonjy fa hanadiovana ny fahotana,ny finoana irery ihany no mahavonjy antsika.

Ny fiandohan'ny fiainambaovao ao aminao amin'ny fiarahana aminy, miampy ny mivavaka, mankalaza sy midera ny anarany any am-piangonana,manompo azy miaraka ireo namana kristiana hafa izay mitory an'i kristy.

Noho ilay finoana fa voavonjy ny fanahiko,voasasa ny heloko,dia lasa zanak'Atra aho ary dia tsy ho toy izaho fahiny intsony fa lasa olom-baovao.Miova tanteraka izany ny maha ianao anao ara-panahy,ara-nofy dia ny vatanao dia ianao ihany,misy endrika taratra maha-olon-kafa ianao dia ny fahasoavana izay nomen'ny tompo anao,afaka mijoro ho vavolombelo afaka miteny ny soratra masina ary manainga ireo mbola tsy ho voavonjy sy manome modely azy ireo.
Misy ny batisan'ny fahahy masina izay ny nomen'Atra hiaraka amintsika mandrakariva.Andeha aho hoy izy hanamboatra fitoerana ho anareo fa hiresaka ny raiko aho andefa anareo ny fanahy masina hiaraka aminareo mdrakariva.Io no miaraka amintsika isan'andro miaraka ny anjely maro manodidina antsika,manazava amintsika ny baiboly ary izany no mahatonga ny fiteny hoe mangataha ny fanahy masina hanome hery ahy sy ianao ahalala ny mysitery ao anaty baiboly,io no manome hery sy miaro antsika.

Noho ny maha-zanak'Atra anao dia omeny fahasoavana ianao ary ireo efa notanisaiko ireo ny santionany.Na manome hery sy mankahery olona fotsiny aza ianao dia efa fahasoavana nomen'ny fanahy masina izany.
Ny fahagagana?

Ny tsirairay no manana an'io,ny ahy ohatra dia noho ny finoako dia sitrana ny tanako izay saika hodidiana ary ny reniko niteraka ahy no nomen'ny fanahy masina nanasitrana azy,dia toy izany hatrany hatrany.Jereo fa manana daholo isika.
Ny hitovizan'ny rehetra mbola nomeny tombon'andro indray androany ka hafaka hidera sy hankalaza ny anarany.:*
Ka zavatra nataon'ny tompo antsika dia maro sy mihoatra izany no ataontsika.
Toy paoly nilatsahan'ny fanahy masina ary nanavotra olom-bery ho 300 isa izy.Koa rehefa lasa zanak'Atra izany isika dia omeny hery hanasitra ny marary,miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, handroaka ny demonia,ahita fahitana,ary omeny nofy ihany koa.Ireo dia fahasoavana nomeny ho an'ny olona rehetra izay mino azy fa tsy mitovy ilay fahasoavana nomeny ny pasitera na monpera na ny diakona sy ny mpiandry a.
Ankehitriny dia efa mihely erak'izao tontolo izao ny baiboly,na ny internet ihany aza dia efa mamoaka sy mampiely ny baiboly ary izay no antony iray mety nahatonga an'i Kristy nanambara fa mihoatra ny nataony no ataontsika raha mino aza tanteraka isika.

Mahereza daholo ary, samy mizara izay fahasoavana nomeny antsika tsirairay avy8)



15. fijo ( 15/03/2007 22:09)
amiko ny zavatra toa izao dia tokony avela ahatsiaro tena le olona vao asaina misafidy hoe atao sa tsia,fa tsy zaza tsy mahay maneho hevitra no terena hanoa izay tsy tiany
16. niryna ( 16/03/2007 05:16)
prime:

niryna:
Ny zazakely rehetra dia miakatra any an-danitra daholo rehefa maty ,fomba ny rar fotsiny no nanaovana batisa azy fony kely.
... Tsy azoko... aiza ho aiza ny "textes" miteny an'izany raha tsy mahadiso?:lol:

Ny manana fahotana izany dia ny olona izay mahalala ny tsara sy ny ratsy ary mahay manavaka azy io.
Jesosy niteny hoe raha tsy ateraka toy ny zaza indray ianareo....
Mat 18:3Raha tsy miova ianareo ka tonga toy ny zazakely, dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.

Avelao ny zaza anantona ahy fa aza rarana fa ..
Lk 18:16-17Ary Jesosy niantso ireo hankeo aminy ary nanao hoe:Avelao ny zaza anantona Ahy fa aza rarana;fa an'ny toa azy ny fanjakan'Atra.Lazaiko aminareo marina tokoa:na zovy na zovy no tsy andray ny fanjakan'Atra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra aminy akory.
Mahereza
17. Mandefitra ( 16/03/2007 05:21)
Nirina :de h@ firy taona le zaza teneninao fa tafiditra ho azy @ fanjakan ny Lanitra?
18. niryna ( 16/03/2007 05:24)
Mandefitra:

Hoy i niryna:
Ny zazakely rehetra dia miakatra any an-danitra daholo rehefa maty ,fomba ny rar fotsiny no nanaovana batisa azy fony kely.

De h@ firy taona ny zaza na ny ankizy no miakatra any andanitra refa maty?

Jereo ny fanazana nataoko ho an'i prime.
Raha mikasika ny fanaovana batisa izany dia tsy maitsy mahalala an'i jesosy izy vao atao io.Ny antony dia hoe izay mino ka atao batisa no ho vonjena.Ahoana no fomba ahafahan'ny zaza hino?Ny olon-dehibe aza miroiroy saina?
Hatramin'ny firy taona? Io dia Atra no mahalala azy,rehefa mahalala manavaka ny tsara sy ny ratsy ka mahafantatra fa tsy mety ny zavatra ataony dia eo no mipetraka ny fahotana.
Nisy ankizy 12 taona nitifitra ny namany,nanana saina izy izany nitifitra.Ahoana no fomba hitsarana azy?
Voasazy toy ireny tanora ireny na lehibe ireny izy.
Misy kosa anefa olon-dehibe narary saina izy,tsy tompon'ny tenany izy ary tsy nahalala na inona na inona satria voa ny sainy.Ny fieritreretako azy koa dia mandeha any an-danitra izy,Atra no mahalala azy fa tsy manantsiny koa izy.
Asa izay hevitry ny hafa fa izay ny ahy

19. Mandefitra ( 16/03/2007 05:33)
"Izay mino sy atao Batisa no hovonjena", hoy ianao teo [quote]Ahoana no fomba ahafahan'ny zaza hino?/quote] ary ko tsy atao Batisa ny zaza fa avela ho lehibe .... de ahoana kay no hahavoavonjy azy? nefa "Tsy misy marina izy rehetra" ....
20. niryna ( 16/03/2007 05:40)
Misy fanazava kely ity mety mifanohitra no fijery azy.
1 Pet 3:20-21 ..fony niandry ny fahari-n'Atra tamin'ny androny Noa....ka dia namonjena azy ny rano,izay mamonjy anareo koa ankehitriny dia ny batisa,izay tena tandindino io,tsy ny fanesorana ny fahalotoana ny nofo anefa ,fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Atra,amin'ny nitsanganan'i jesosy kristy tamin'ny maty.
Misy kosa anefa olona tsy natao batisa ary mbola mety voavonjy ihany koa izy.
Ohatra ilay jiolahy nihombohana teo amin'ny hazo fijaliana niaraka tamin'i Jesosy.Teo izy vao niaiky ny fahotany ary nangataka an'i jesosy mba ahatsiaro azy rehefa any am-paradisa.Ary Jesosy namela ny fahotany teo ka tsy natao batisa.
Toy izany ihany koa ilay olona marary ary vangiana ka resahina raha mino sy matoky an'i jesosy ho mpamonjiny,raha manaiky izy dia hivavahana ary dia ny ray any an-danitra no mamela ny helony.Tsy afaka atao batisa intsony koa izany izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0502