Tandremo ny fialana andraikitra!!!

1. LazaDaddy ( 14/03/2007 06:13)
Vitao am-pitiavana ny "adidy" dia "akombony ny vava". :)

"Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao." Ezekiela 3:18-19
novalian'i prime ny 23/03/2007 14:28
2. prime ( 14/03/2007 06:49)
LD> Misaotra an'Andriamanitra ary misaotra anao koa mampatsiahy... mahereza...
3. Rasiligaoma ( 14/03/2007 11:46)
Tandremo koa manao Fariseo:
fa "loza ho azy"
4. prime ( 14/03/2007 12:56)
Rasiligaoma> Ento lavidavitra ny tianao ahatongavana amin'ilay fanaon'ny fariseo... (hazavao raha azo atao!)
5. la ( 14/03/2007 13:05)
:D:P:lol:
Ataovy ampitsikiana e!
Na mafy aza.
Ny Fariseo zany ve tsy mpiatsaravelatsy e...nefa asa...
6. ikaretsaka ( 14/03/2007 14:10)
ny fahalalako izany fariseho izany ilay tena manao hoe:

"izahay mpivavaka, izahay tsy mandeha atsy sy ary fa maloto sy zao sy zao aby any , zahay tsy miara mihosona any" nefa.....

Ohatran'ny tenin'i rakaroka io hoe HIta eny ihany e!
7. LazaDaddy ( 14/03/2007 14:18)
la:

:D:P:lol:
Ataovy ampitsikiana e!
Na mafy aza.
Ny Fariseo zany ve tsy mpiatsaravelatsy e...nefa asa...


http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45f63b157d83d


8. prime ( 14/03/2007 14:39)
la,ika> :lol:... Nareo koa dia tsotra beuuuh...:)
9. ikaretsaka ( 14/03/2007 14:56)
ko zay ko... tsy misy mora nohon'ny fahatsorana
10. Fiffi ( 14/03/2007 15:23)
marina zany !
11. fijo ( 14/03/2007 23:40)
fariseo,izahay mpivavaka,maro anaka .
ka io no fialam boly ko
12. Fiffi ( 15/03/2007 06:57)
tena tsy azoko le dikan'le "fariseo"
13. niryna ( 15/03/2007 06:59)
laza
14. fijo ( 15/03/2007 22:11)
voninahitra hoan'izay manoro raha tena diso ilay hoatoro.fa ahoana nefa ilay hoe diso izy???
15. ikaretsaka ( 15/03/2007 22:26)
fa raha te tsy hiala andraikitra tokoa dia ny tena tokony atao ange raha hitory dia tokony any @ olona tsy mbola nandray mihitsy no tokony hitory sy manao misiona e. ohatra hoe ireny sinoa tsy mahalala ireny na ireny sauvage ireny le hoe mino ody , na any @ tany arabo raha kristianina
fa ireto ianareo dia toa olona efa samy efa mahalala daholo ihany no hitoritoriana eo...
lasa mifampvelatsihy manko @ izay.

ohatran'ny hoe" olona gasy no ampianarina sinoa miteny gasy teny gasy"..

hafahafa ihany!
16. LazaDaddy ( 16/03/2007 02:37)
ikaretsaka:
fa raha te tsy hiala andraikitra tokoa dia ny tena tokony atao ange raha hitory dia tokony any @ olona tsy mbola nandray mihitsy no tokony hitory sy manao misiona e. ohatra hoe ireny sinoa tsy mahalala ireny na ireny sauvage ireny le hoe mino ody , na any @ tany arabo raha kristianina
fa ireto ianareo dia toa olona efa samy efa mahalala daholo ihany no hitoritoriana eo...
lasa mifampvelatsihy manko @ izay.

ohatran'ny hoe" olona gasy no ampianarina sinoa miteny gasy teny gasy"..

hafahafa ihany!

Raha izay ny fihevitr'Ikaretsaka dia andao ary tohizana ilay vakiteny, dia mba azavao hoe ahoana ny hevitr'Ikaretsaka amin'ny ito tohiny ito satria Ikaretsaka izany efa mahalala tsara mihitsy :)

Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny. Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao. Ezekiela 3:20-21



17. ikaretsaka ( 16/03/2007 02:59)
ka io ry LD le tsy mety amiko an.. ilay samy mitsipona vakiteny izay metimety amin'ilay "cause" ny, misy aza manova an'iny mihitsy.
samy manana ny finoany io , ary samy nandray an'i kristym ary samy manana ny fomba fiasany sy fanehoany azy eto an-tany.. dia hoy aho aminao hoe
"Andriamanitra ihany no mahalala"
18. LazaDaddy ( 16/03/2007 03:03)
Tsy mety amin'Ikaretsaka izany ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Ezekiela 3:20-21
19. LazaDaddy ( 16/03/2007 03:06)
ikaretsaka> sa tsy izay no tianao notenenina? Ianao anie milaza efa "samy mahalala" dia mba anontaniako ny hevitrao @ io Ezekiela 3:20-21 io e?:)

Ary i Kristy aloha dia iray ihany fa diso ianao raha miteny hoe "samy manana ny Kristy-ny". Hoy i Paoly:"voazara va i Kristy?" na @ teny tsy fantatra hoe "was Christ divided". Ataoko fa tokony ho fantatrao koa izany satria ianao mahalala hoy ianao :)
20. ikaretsaka ( 16/03/2007 03:10)
LD>Andriamanitra ihany hoa no mahalala, i Paoly aza nametra panontaniana.
dia tsy mety amiko koa ilay " tenin'andriamanitra refesina sy faritana ohatran'io ezekiela 3 20-21 io"
Ny tenin'andriamanitra dia sady tsy tsimpopnina no tsy refesina hoe hatreto ka hatreto ihany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0717